Muhammad natao sariitatra!

41. dadabe ( 05/02/2006 02:44)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 04-02-2006 17:32:00
Lohateny : Re : Muhammad natao sariitatra!
Efa haoro sizé aloha izany resaka izany, fa mbola idiran'ny resaka sabata indray :-/ Valiako ihany na izany aza ilay resaka fihinanana kisoa:

tsy hors size io fa namaly fanotaniana tetsy ambonny zah , satria io isaia 66 :17 io no tena hatahoran'ny olona , rehefa ho avy Jehovah dia anisa,'ny ho ringanin'ny ny olona mihinanan henakisoa sy ny totozy , ary ny zava betaveta (vakio levitikosy toko 11) ka raha mihinana ny olona dia azy izany , fa zah tsy afaka ny hitsara , azy sy ny Tompo no mifandahatra any @ farany
42. lapino ( 05/02/2006 09:04)
Okay indray àry izany dadabe :)

Fa nosamborina hono ireo mpanao gazety jordaniana niteny hoe "mbà raisonnable ry silamo eran-tany". http://www.angolapress-angop.ao/noticia-f.asp?ID=413973

Ny loza koa dia nomelohin'i Vatican ny famoahana ireo caricatures ireo. http://www.lexpress.fr/info/infojour/reuters.asp?id=14076&1907 , noho ny fangatahan'ilay printsy arabo saodita ve?! ...

"Atteinte à la paix", izany hoe mikasika ny fandriam-pahalemana, izay no antony nolazain'i Vatican. Raha tena izay àry, iza no tokony homelohina: ny olona manao sary ve sa ny olona hanaritaka mitam-basy sy mitam-baomba?! (Tsy haverina hotenenina intsony ireo karazana sariitatra, hatsikana, sarimihetsika sns momba an'Andriamanitra izay tompoin'ny Kristiana, kanefa tsy andritahana)
43. diamondra27 ( 05/02/2006 10:57)
Ka mbola tantara mitohy kely aloha io ato fa alamiko ihany le manif refa tena mitaraina ny pokona e!

mampalahelo le vahiny kely nalefa nody=(danois, norvegiens), koditra be, sady refa manao nge ny tropy tena tsy itsitsy e! jereo fa voadoro le ambassades danois sy noeveziana
44. sonwin ( 05/02/2006 17:16)
lapino:

Ny loza koa dia nomelohin'i Vatican ny famoahana ireo caricatures ireo. http://www.lexpress.fr/info/infojour/reuters.asp?id=14076&1907 , noho ny fangatahan'ilay printsy arabo saodita ve?! ...
message


kay kay kay :^) oh la la

message

"Atteinte à la paix", izany hoe mikasika ny fandriam-pahalemana, izay no antony nolazain'i Vatican. Raha tena izay àry, iza no tokony homelohina: ny olona manao sary ve sa ny olona hanaritaka mitam-basy sy mitam-baomba?! (Tsy haverina hotenenina intsony ireo karazana sariitatra, hatsikana, sarimihetsika sns momba an'Andriamanitra izay tompoin'ny Kristiana, kanefa tsy andritahana)



Marina zany!
45. Veloo ( 05/02/2006 22:42)
ho guerra be no atahorako kle:(
46. marozevo ( 06/02/2006 01:05)
Hoy i lapino etsy ambony etsy :
Ny loza koa dia nomelohin'i Vatican ny famoahana ireo caricatures ireo. Jereo eto , noho ny fangatahan'ilay printsy arabo saodita ve?! ...

raha ny tena marina dia tsy hoe NANAMELOKA ny Vatican. Titren'ilay artikla fotsiny io. Fa ny nataon'ny Vatican dia ny nanalefaka (moderer) ny zava-mitranga. Raha vakiana ilay article dia mazava izany, sady ataoko fa samy nahare ilay tenin'ny Papa tamin'iny isika rehetra. Tsy fanamelohana fa filazan-kevitra.

Izaho tsy mitsara ilay nihinana henan-kisoa, fa filazana zava-nisy fotsiny ny ahy iny ka... Fa azoko antoka anefa fa tena advantiste ilay olona, ary tena fantatro tsara io olona io. Izy aza somary nihomehy nilaza izany kooo. Marina tokoa ny filazana fa safidin'ny tsirairay anie io eh.. Malemy isika olombelona, ka na dia fantatra aza fa tsy mety, dia eo ihany ny faniriana.... O ry faniriana.. hatraiza moa no fetra?

fa izao eh... Ho an'izay tia fivavahana... Ndao leitsy aloha hivavaka mafy fa tena grave anie ny effetn'iny raharaha sariitatra iny eh... Eny ilaina ny raisonnement, fa ilaina bebe kokoa ny mivavaka... avis aux interessés io... Za aloha hanao na dia kely ihany aza eh.
47. jentilisa ( 06/02/2006 09:24)
Efa voalaza aloha fa efa nivoaka ireo jordaniana izay notazonina noho ny namoahany ny sariitatra. Fa dia tonga aminny fandoroana ambasady indray izany izao ny raharaha! fa sarin'i Muhammad tokoa ve sa sarina silamo tsotra?
48. marozevo ( 07/02/2006 00:35)
jentilisa:

Efa voalaza aloha fa efa nivoaka ireo jordaniana izay notazonina noho ny namoahany ny sariitatra. Fa dia tonga aminny fandoroana ambasady indray izany izao ny raharaha! fa sarin'i Muhammad tokoa ve sa sarina silamo tsotra?



Io koa mba saiky hanontaniako r'ise eh... Rehefa nodinihiko hoe i rangahy iry anie ka tamin'ny 7eme siecle eh.. dia hisy hahatadidy hoe toy izao na toy izatsy ve ny endriny sy ny ankanjony ohatra. Rehefa nojereko ilay sary toa olona ankehitriny ilay izy koa...
49. Solitikabe ( 07/02/2006 01:41)
Raha toa tokoa moa misy olona izany manao sarin'i Jesosy manoroka na manin'inona an'i Madelena. Dia mino marimarina aho fa mba hiaka-peo koa ny Vatikanina sy ny sisa. Toa ilay bokin-dradavinsy.
Ny tena tsapako dia ny kristianina efa zatra manimbazimba finoan'ny hafa dia tonga tany amin'ny silamo ka tezitra ry zareo (Mandoro aody na manesy ny Andriamanitry ny tsy kristianina). Dia omena tsiny ve izy. Sa io ilay hoe lozan'izay niavian'ny fanafitohinana.
50. akamatiana ( 07/02/2006 04:23)
tssssss sary avy anaovana toy izao !! tena mifanakaiky ny fo sy ny tranon-diky kle!! hany ka ny oul tsotra azany darohan'lerony!! zao zahay midy an-trano kle!! tsy mamely mitsy tsss!!
51. jentilisa ( 07/02/2006 09:47)
Ary izao dia hita indray fa hamoaka fifaninana momb zavatra iray nitranga tan Eoropa ny gazety iraniana iray mba hahitana izay fahazakan'ny Tandrefa azy hoy izy ireo. Dia ho hita eo ary ny tohin'ity raharaha ity fa valifingika fingaka hoy ny fitenenana ka rehefa samy manao tokony samy hahazaka amin'izay fa tsy ny iray handoro ambasady isaky ny misy zavatra mitranga kely eo. Tokony hitohy izany ny "lalao" e!

http://fr.news.yahoo.com/07022006/290/un-journal-iranien-lance-un-concours-de-dessins-sur-l.html
52. lapino ( 07/02/2006 10:14)
Rehefa miditra amin'ny lalao, dia aleo samy hahatanty daholo izay resy àry! Fa aleo himpirina ny basy sy ny baomba ary ny cocktail molotov!

Solitikabe: efa nisy ohatra an'izany ka. Nisy sary hoso-doko nataon'i Leonard DeVinci izay momba ny fisakafoanan'i Jesosy sy ny Apostoly. Dia novain'olona mpanao dokambarotra ilay izy, ka nataony vehivavy daholo. Nampiaka-peo tokoa i Vatican nangataka ny hisakanana tsy hanaparitahana an'ilay dokam-barotra.

Akamatiana: ka ndry efa mahay ohatra an'izao ko inona indray no olana? http://serasera.org/namana/media/sary/namana/akamatiana3_000.jpg :wink:
53. diamondra27 ( 07/02/2006 10:25)
veloo: ho lasa guerre sainte io raha mbola tsy milamina

alao aloha 'za andefa sos fa mila calme-na ry zalahy
54. Veloo ( 07/02/2006 20:03)
diamondra a ho sainte ve? non je n'y crois pas tena guerre reelle ka :(
55. marozevo ( 08/02/2006 00:06)
Solitikabe:

Raha toa tokoa moa misy olona izany manao sarin'i Jesosy manoroka na manin'inona an'i Madelena. Dia mino marimarina aho fa mba hiaka-peo koa ny Vatikanina sy ny sisa. Toa ilay bokin-dradavinsy.
Ny tena tsapako dia ny kristianina efa zatra manimbazimba finoan'ny hafa dia tonga tany amin'ny silamo ka tezitra ry zareo (Mandoro aody na manesy ny Andriamanitry ny tsy kristianina). Dia omena tsiny ve izy. Sa io ilay hoe lozan'izay niavian'ny fanafitohinana.



Ka ilay sary anie sariitatra eh... Io teny gasy io ve mahalaza ny tena heviny ? Caricature... CARICATURE. Izany hoe zavatra ataon'ilay olona no atao sary vazivazy, fa tsy hoe zavatra tsy ataon'ilay olona. Iza no tsy mahita fa olana foana any amin'ny tany "à majorité musulmane", ny fandriampahalemana, vokatry ny finoana. Fa misy an'izany ve any amin'ny tany à majorité chretienne ?
Ka raha nisy zavatra nataon'i Jesosy atao caricature tsy olana izany, fa raha zavatra tsy nataony, rariny raha raràna ny famoahana azy. Ny mandrara koa anefa tsy midika hoe doroy ny ambasady..
Izaho manana namana maro avy amin'ireny tany ireny : Pakistan, Indonesie, Inde sy ny sisa... fa tena mampalahelo tokoa ny ataon zalahy Silamo any. Isaorana Andriamanitra fa eto Madagasikara mbola tsy izany ary antenaina fa tsy ho izany rahoviana.
56. jentilisa ( 08/02/2006 12:40)
ny sariitatra koa anie afa-mamorona na dia izany aza e! saingy ny endriny dia ilay fitenenana zavatra iray mahazatra ohatra no avadika ho amin'ny toerana tsy mety aminy. ny itatra anie efa milaza hoe efa mivoaka ny nôrma e! dia na zavatra lazaina ho mivoaka ny nôrma aza ve dia hahatonga ady?
57. hery ( 08/02/2006 13:23)
Takelaka iray mampiseho sy manadihady momba ny sariitatra nanafintohina ny sasany
http://face-of-muhammed.blogspot.com/
58. Solitikabe ( 08/02/2006 17:07)
Hoy Marozevo hoe : Fa misy an'izany ve any amin'ny tany à majorité chretienne ?
Dia jereo ny any Irland fa efa hatry ny ela io no teo ary mbola eo foana amin'izao
Io indray anie samy manana ny fanoehoana ny hatezerana ny tsirairay eh. Eto amintsika ohatra rehefa tezitra ny olona fa tsy misy mihaino izay na noho ny fahasahiranana dia dorany ny tanety. Manao grevy, sy ny sisa eh.
59. marozevo ( 09/02/2006 00:32)
Marina tokoa fa misy ny sosotra dia mandoro tanety, na mandoro trano sy ny sisa.. tena zava-doza izany.
Ekena koa fa misy olna ara-pifandraisana ny any Irlandy, eo amin'ny Katolika sy ny Protestant angamba izy iny...
Fa na ny doro tanety na ny olan'ny any Irlandy, na dia samy gravy dia gravy aza, dia heveriko fa azo leferina noho ity miseho ankehitriny ity : Heverinao fa tsotra ve izany hoe MANDORO AMBASADY.
Rentsika ny tenin'ny Papa milaza toy izao raha tsorina : "Tsy azo ekena ho andraikitry ny governemanta iray na ny fitondrampanjakana iray, ny ataon'ny mpanao gazety iray". Io no olana..
60. jentilisa ( 09/02/2006 05:01)
fa tsy dia miteraka adi-hevitra loatra amin'ny haino aman-jery malagasy izy io an! asa! samy mitandrina daholo angaha na ny silamo na ny tsy silamo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2486