fanaovana "tompoko".....

81. Fiffi ( 03/02/2006 14:19)
hoy dadabe: marina izany , dia rehefa mandalo ny dadabe dia tokony manao hoe manao ahoana Tompoko ny mpiserasera rehetra.
io ary ry dadabe ah! Manao ahoana Tompoko :D:D
82. ravakamalala ( 03/02/2006 15:42)
dadabe > manahoana tompoko ô!:@
83. Vahinala ( 03/02/2006 16:14)
O ry ravakamalala a, afaka manao tompoko zay te hanao fa tsy olana hoa zany, za no tsy tia miteny an'izany ka inn aza no blème nareo, sady za koa aloha tsy hiteny mihitsy na raovina na raoviana e !
84. ravakamalala ( 03/02/2006 16:56)
tsy azo ifanerena io ! Marina! fa ny tena noteneniko tato anie dia ilay olona niteny hoe tokony foanana io fa fomba ratsy e!

tsy koa zany na tsy hanao tompoko aza indry ka! zay no nahazatra andry ary tsy mbola nahafaty akory hatram zao.
85. Vahinala ( 03/02/2006 19:50)
Za aloha ts milaza hoe foano e, fa samy manana ny fahazarany kosa io e, ze tia manao izany inona moa no hanakanana azy e !:wink:
86. lapino ( 03/02/2006 21:44)
>>> eny ilaina ny manisy marika amin\'ny zavatra hatao rehetra, eto izany dia ny fanajana.
Inona àry no antony ilàna azy?

>>> saingy rehefa tsy ao ny MARIKA ahitana izany dia toy ny maneho indifférence.
Ny zavatra tsy miseho dia maneho zavatra hafa ?! ...
Satria manko ny fiaraha-monina tsy mahay mijery afa-tsy izay hita ivelany, \"Se fier aux apparences\". Kanefa tsy fahadisoana ve izany?

>>> eny rehefa tsy misy marika dia tsy afaka mifanaja, maro dia maro ireo marika maneho ny fanajana : tsy fanpahana teny, ny fandraisantanana rehefa miarahaba, ny tsiky atolotra, ny teny avoaky ny vava izay fidina.
tsia,
Ny tsy fanapahan-teny, ny teny avoaky ny vava sy ny tsiky atolotra ohatra, efa ny fanajana no motera mampandeha an\'ireo; mitovy ihany amin\'ny hoe fankahalàna mahatonga ompa. Ny fifandraisan-tanana indray, mbola azo iadian-kevitra iny.

Ny fisehoan\'ny fanajana ivelany izany, tsy zavatra amboamboarina hoe satria fomba dia atao na na resy lahatra na tsia amin\'ny ilana azy, fa tokony ho arakaraka izay daozin\'ny fanajana ao anatinao no mahatonga azy ho azy eo. Ny \"tompoko\" dia fomba amboamboarina, izay hita ny maharatsy azy.

ravakamalala
>>> ahoana moa lapino no ahafantarana ho emisy ny zavatr iray raha tsy ampiseho? omena ny mariky ny fisiany?
Mitady mariky ny fanajana ianao na mariky ny fitiavana? Ianao izany no karazan\'olona midongy hajaina, mitomany hotiavina. Ary koa karazan\'olona manjifa fanajana, manjifa fitiavana (fa tsy mamokatra ?...)! :wink:

>>> tsy azo ifanerena io ! Marina! fa ny tena noteneniko tato anie dia ilay olona niteny hoe tokony foanana io fa fomba ratsy e!
Tsy azo ifanerena io, ekeko koa izay. Fa ny nolazain\'ilay olona tsy hoe tokony foanana io, fa vao mainka tsara raha manjavona teo amin\'ny fiaraha-monina io.
87. vale ( 04/02/2006 09:19)
:-D
88. fasaly ( 04/02/2006 09:22)
:-D:-D
89. pika ( 06/02/2006 08:05)
za manokana aloha tsy ekeko sy tsy azoazoko loatra raha izaho no misy olona miresaka amiko dia tompotompoko lava e
na mpanampy ao an-trano aza io .....
lapino =D
90. ari.malala ( 06/02/2006 11:26)
Ilaina ny fifaajana zareo a, fa ny fanontaniana apetrako dia ity, mariky ny fananjàna ny mijery manatrika ny olona miresaka aminao, misy koa anefa ny miteny hoe jereo ao anaty masony ilay olona miresaka aminao.Izaho manokana dia tsy sahy ary tsy zatra mijery olona anaty masony izany mihintsy ka azo kilasiana ho anisan'ny olona tsy mahalala fomba ve zany aho satria tsy mijry olona anaty masony nefa kosa aloha rehefa misy olona miresaka amiko dia atrehiko tsara e! :)
91. Fiffi ( 07/02/2006 05:23)
Manao ahoana daholo indray ianareo rehetra Tompoko :)
92. cheboman ( 07/02/2006 13:38)
Tsara fa misaotra tompoko :)
93. mandrindra ( 07/02/2006 15:31)
hoy i lapino
Inona àry no antony ilàna azy?


ny valiny dia ao amin'ny voalzan'i lapino ihany manao hoe :
Satria manko ny fiaraha-monina tsy mahay mijery afa-tsy izay hita ivelany, "Se fier aux apparences".


Dia nametraka fanontaniana i lapino nanao hoe tsy fahadisoana ve izany? dia eny fahadisoana ny mijery ivelany fotsiny. Saingy tsarovy fa na aiza no misy na aiza, na inona na inona tranganajavatra manoloana dia tsy maintsy izay hita ety ivelany sy azo tsapaintanana no hitsarana ny olona iray alohan'ny ahafantarana bebe kokoa izay anatiny (izay mila fotoana betsaka kokoa).

hoy i lapino :
Ny "tompoko" dia fomba amboamboarina, izay hita ny maharatsy azy.

samy namboarina daholo ny fihetsika na ny fiteny rehetra na ny maneho fanajana izany na ny manompa fa tsy ny tompoko ihany no namboarina. Ary inona ary no maharatsy ny "tompoko" hita ka azo tsapaintanana ?
94. lapino ( 07/02/2006 23:36)
mandrindra:
Saingy tsarovy fa na aiza no misy na aiza, na inona na inona tranganajavatra manoloana dia tsy maintsy izay hita ety ivelany sy azo tsapaintanana no hitsarana ny olona iray alohan'ny ahafantarana bebe kokoa izay anatiny (izay mila fotoana betsaka kokoa).

Hatreto aloha azo anatsoahana fa mety ahombiazana ny fanehoana endrika ivelany (ambakan'ny fihatsaram-belatsihy).

Fa ny antony anaovana tompoko izany dia hilazana amin'ilay olona hoe: "Eh, jereo ange aho asehoko anao fa manaja anao aho!". Mila diznefo :)

Tsy any amin'ny diznefo akory no olana, fa any amin'ny ilàna an'ilay "tompoko". Hita foana ny olona manaja sy tsy manaja, amin'ny fihetsiny aloha, ary raha vao miteny koa izy. Tsy iandrasana fotoana ela, ary tsy ilaina ny "tompoko".

mandrindra:
samy namboarina daholo ny fihetsika na ny fiteny rehetra na ny maneho fanajana izany na ny manompa fa tsy ny tompoko ihany no namboarina.

Ny ompa matetika avy amin'ny fo, toy ny fisehon'ny (fa tsy fanehoana) fanajana sasany koa(tsy fanapahan-teny, tava miramirana, ...); fa ny tompoko avy amin'ny fomba. Tsy mitovy mihitsy ireo, fa ny hevitr'ilay hoe amboamboarina teo no lasa voaray an-tendrony.
95. ravakamalala ( 14/02/2006 15:29)
lapino:
Mitady mariky ny fanajana ianao na mariky ny fitiavana? Ianao izany no karazan'olona midongy hajaina, mitomany hotiavina. Ary koa karazan'olona manjifa fanajana, manjifa fitiavana (fa tsy mamokatra ?...)!


fa maninn no tonga dia mandray antendrony?

midongy hajaina, mety tsy dia hidongy loatra aho raha tsy hajaina fa azoko lazaina aloha fa mahafinaritra ahy kokoa ny firaha monina misy fanehoana fifanajana.
Mitomany hotiavina : tsy mitomany koa aho raha tsisy mpitia fa sûr fa falifaly kokoa aho raha mitranga izany!

Nahoana moa no dia tsy maintsy hoe na mpanjifa fotsiny, na mpamokatra fotsiny? azo atao miaraka izy roa!
fahendrrena ny oe "tsara kokoa ny manome noho ny mandray fa amin ny maha olombelona dia faly foana isika rehefa mandray, ary indrindra moa hoe zavatra fantatrao fa tsy naha fatiantoka an ilay mpanome.8)
96. ravakamalala ( 14/02/2006 15:36)
lapino:
Fa ny antony anaovana tompoko izany dia hilazana amin'ilay olona hoe: "Eh, jereo ange aho asehoko anao fa manaja anao aho!". Mila diznefo


Dia maka "diznefo" koa ve ianao raha mamokatra fitiavana dia mampiseho izany???????:roll:
raha hoy ianao hoe "ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa", dia tsy hamboraka fitiavana izany ianao fa hanome marika, ampiseho ami ny endrika "amboamboarina" izay fitiavanao izay.

KA aiza no mahasamihafa ireo? fa faninaa aho...8-)

97. lapino ( 15/02/2006 06:43)
>>> mahafinaritra ahy kokoa ny firaha monina misy fanehoana fifanajana.
Ny ahy ny fiarahamonina misy fifanajana fotsiny no tiako kokoa

>>> fahendrrena ny oe "tsara kokoa ny manome noho ny mandray fa amin ny maha olombelona dia faly foana isika rehefa mandray, ary indrindra moa hoe zavatra fantatrao fa tsy naha fatiantoka an ilay mpanome.
OK! :)
Fa raha "tompoko" tô tsy dia mahafaly ihany ny mandray azy kle!! Na ny manome koa aza.

>>> raha hoy ianao hoe "ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa", dia tsy hamboraka fitiavana izany ianao fa hanome marika, ampiseho ami ny endrika "amboamboarina" izay fitiavanao izay.
Tsy ilay mila diznefo hoà ange no olana. Fa raha ny hevitro momba an'ity resaka tia fa tsy miteny ity indray, aleo tonga dia tenenina hoe "Tiako ianao Ravaka". Raha anamboamboarana fihetsika tsinn manjary ohatra ny mpilalao film frantsay. http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v3fdeb128b98d0
Tsy miteny koa ange tsy midika hoe manafina e! Fa tsy miteny fotsiny. Fa ny fitiavana raha misy, dia asakasak'izay tsy hahita azy, indrindra moa raha efa notenenina.
98. ravakamalala ( 15/02/2006 12:55)
lapino:
"Tiako ianao Ravaka".

tena marina ve?:oops::oops::-D
99. lapino ( 15/02/2006 13:11)
Haoro sizé ndry! :wink::-D:-D
100. ravakamalala ( 15/02/2006 14:53)
leity e!:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1156