fanaovana "tompoko".....

41. sipagasy ( 31/01/2006 17:11)
Vahinala:

Samy manana ny fahazarany io hoa, tsy niteny aho hoe fohano ny fitenenana tompoko fa afaka manao izany ze te hanao, fa za no tsy mampiasa azy ary tsy ampiasa azy mihitsy koa d zay tsy hitako hoe inona no olana. Mbola averiko ihany hoe tsy mi existe anaty diksionerako zany. Ary za d tsy mahatsapa ny tenako mihitsy hoe tsy mahalala fomba fa resaka personnel zany, tsy manao tompoko ny patron ako mihitsy aho ohatra na d izy aza no manakarama ahy, efa antaonany maro zay no niara niasa tsy mbola nisy olana hatramzao fa mifandray tsara mihitsy, ka inn no blème ??????




Miarahaba anao tompoko aloha ny voalohan-teniko, mety ho marina ihany aloha ngamba ny teninao fa @ maha malagasy ny malagasy izay mety nipoiranao ihany koa angamba; dia io no mariky ny fifanajana eo @ fiaraha monina, tsy manisy elanelany izany io fa ny saina no mitondra azy, Ary teny tsotra ao anatin'ny rakibolantsika tokoa io teny io.
42. vale ( 31/01/2006 18:41)
lapinoà: tsy mihantasarevaltsy kosa ny fanaovana tompoko é!:roll::roll::roll::-w
43. vale ( 31/01/2006 18:45)
Pika à: io teneninao indray kosa aloha efa tena miditra @ hoe "exagération" é.:-D.....fa tsy misy maha-ratsy ilay izy oà é!:wink:
44. ravakamalala ( 31/01/2006 20:17)
lapino:
no maka fanahy hieritreritra fa mihatsara ivelan-tsihy daholo ireny manao tompoko tompoko ireny


za koa afaka manonona hoe ramose na madama, na lapino fa ny ao antsaiko dia hoe lelika maty ty! lasa lavitra loatra ny eritreritrao!

lapino:
ohatra ny hoe apetraka hoe filela-paladia ny mpampianatra, ary fanalika ny ankizy

io no fiatombohany!!! dia avy eo lasa mieritreritra ny olona hoe fanambaniana tena ny fahalalam pomba, dia tsisy manao intsony.:evil:

mazava hoa azy fa misy endrika hafa afahana mampiseho fa manaja olona iray ianao, fa ny fampiasana ny tompoko dia tsotra, heno mazava, ary mmisongadina. tsy mahafatiantoka mihitsy !
45. ravakamalala ( 31/01/2006 20:21)
lapino:
1- Ilaina ve ny manisy marika ny fanajana?


ohatran ny fitiavana ihany io, ilaina ve ny mariky ny fitiavana vao fantatra hoe tia olona iray ianao?:roll:
46. ravakamalala ( 31/01/2006 20:21)
vahinala > za koa aloha tsy hanao an i lapino hoe "tompoko" e:-w
47. fasaly ( 31/01/2006 20:28)
ravakamalala: zay mahintsy lay tiko lazaina
misongadina ny fampiasàna azy io! na ianao mapiasa azy aza dia tonga de omen'ny olona classe avy hatrany ......8)
48. ravakamalala ( 31/01/2006 20:41)
fasaly>:@
49. Vahinala ( 31/01/2006 20:44)
vale:

Toa mampahatsiahy ahy ilay fandaharana iray t@ télé izay :
Ny olona tsy tia mi-"vouvoyer" olona ' izany hoe marika fanajana = "tompoko" @ malagasy ihany koa.
Nisy tanora iray nanao vavolombelona fa tsy tia manao "vous"olona izany izy fa "tu" daholo na iza na iza fa toa ny mampisy elalenala hoy izy ilay fanaovana "vous" ilay olona iresahana.... teny an-tsefantsefan'ny adi-hevitra anefa ary dia nanontany azy ilay mpanolotra ilay fandaharana hoe ianao izany manao "tu" an'ahy koa? tsy hitan'ilay nanao vavolombelona indray izay hatao fa sadaikatra izy :-D



Ny hoe "vous" amiko dia raha adika teny malgasy tsy tompoko mintsy ny dikany fa "ianao" ary ny fitenenana ny ianao koa dia mariky ny fanajana tanteraka. Ny "tu" ndray dia mitovy am hoe "ialahy" na "indry" ka normal be raha toa ka olona manankaja ohatra no atao "tu" tsy dia mendrika loatra, raha miresaka am ray amandreny aloha ohatra dia za manokana dia sady tsy manao "vous" aho no tsy manao "tu" fa teneniko am fomba fiantsoko azy manokana izy.
50. Vahinala ( 31/01/2006 20:48)
sipagasy:

Miarahaba anao tompoko aloha ny voalohan-teniko, mety ho marina ihany aloha ngamba ny teninao fa @ maha malagasy ny malagasy izay mety nipoiranao ihany koa angamba; dia io no mariky ny fifanajana eo @ fiaraha monina, tsy manisy elanelany izany io fa ny saina no mitondra azy, Ary teny tsotra ao anatin'ny rakibolantsika tokoa io teny io.



Malagasy tokoa aho fa ny mariky ny fifanajana dia tsy ny fanaovana tompoko ihany akory ka tsy mety amin'ny eritreritro ny filazana fa tsy mahalala fomba izay tsy miteny an'izany. Za zay tsy mampiasa an'io teny io tsy mbola nahita olana hatramzao ka miankina am fisainan'ny tsirairay ihany io. Tsy midika mihitsy izany fa manohitra ny maha malagasy ahy aho.
51. ravakamalala ( 31/01/2006 20:48)
:-w:-w:-w
52. Vahinala ( 31/01/2006 20:50)
ravakamalala:

vahinala > za koa aloha tsy hanao an i lapino hoe "tompoko" e:-w



Ny ahy raha olona tanora mitovy amiko dia ataoko hoe indry na ialahy na ise, fa raha olondehibe mihoatra ahy dia "ianao". Tsotra be, tsy hitako izay blème.
53. ravakamalala ( 31/01/2006 20:56)
vahinala:
raha miresaka am ray amandreny aloha ohatra dia za manokana dia sady tsy manao "vous" aho no tsy manao "tu" fa teneniko am fomba fiantsoko azy manokana izy


vahinala:
raha olondehibe mihoatra ahy dia "ianao"


toa misangôjy be izy zany!

tsisy niteny anie hoe tsy mahalala fomba ny tsy fampiasana tompoko, fa raha hita aza ny mahatsara azy, dia maninn no tsy ampiasaina,ireny zao tary amin ny resa behivavy tarry nisy zavatra nandramanao, dia hitanao fa tsara di anotohizanao! sa tsy izay mmoa?:-$
54. Vahinala ( 31/01/2006 20:59)
ravakamalala > Shuuuut hihiihihi :-D:-D:-D eny e zay mintsy ange e, fa za manazava fotsiny hoe amiko tsy hitako izay maharatsy ny tsy fitenena izany za koa anefa tsy miteny hoe tsy ho tenenina intsony ilay izy fa safidy ny ahy, dia izay no maha mety ahy e !
55. lapino ( 31/01/2006 21:49)
lapino:
no maka fanahy hieritreritra fa mihatsara ivelan-tsihy daholo ireny manao tompoko tompoko ireny


ravakamalala:
za koa afaka manonona hoe ramose na madama, na lapino fa ny ao antsaiko dia hoe lelika maty ty! lasa lavitra loatra ny eritreritrao!


Marina izany. Fa tsy mitovy ireo.

lapino:
ohatra ny hoe apetraka hoe filela-paladia ny mpampianatra, ary fanalika ny ankizy

ravakamalala:
io no fiatombohany!!! dia avy eo lasa mieritreritra ny olona hoe fanambaniana tena ny fahalalam pomba, dia tsisy manao intsony.:evil:

Tokony notsongainao niaraka tamin'ireo ilay hoe "Dia inona no fahitako an'izany:", fa tsy eo amin'ny fiantombohany no ataonao fiantombohany.

Ekeko ny fanetren-tena raha avy amin'ilay olona manetry tena, na tsy voatery hoe fanetren-tena aza ny fanajana. Fa misy fiantraikany amin'ny pyskôlôjia hoà io, na amin'ny manaja, na amin'ny hajaina (mpianatra-mpampianatra ohatra). Tonga amin'ny fanambaniana olona avy eo ilay izy.

Iretsy sasany koa dia manaiky, dia avy eo izay toe-tsaina izay no entina miha-lehibe sy mandrafitra ny personnalité. Dia "au pays du moramora", mi-domine izay maherihery, na izay toa lehibe fotsiny.

ravakamalala:
mazava hoa azy fa misy endrika hafa afahana mampiseho fa manaja olona iray ianao, fa ny fampiasana ny tompoko dia tsotra, heno mazava, ary mmisongadina. tsy mahafatiantoka mihitsy !

Dia miverina amin'ny hoe: ilaina ve ny mampiseho fanajana?

lapino:
1- Ilaina ve ny manisy marika ny fanajana?


ravakamalala:
ohatran ny fitiavana ihany io, ilaina ve ny mariky ny fitiavana vao fantatra hoe tia olona iray ianao?:roll:

Amiko ny fitiavana tsy ny aseho no ilaina aminy fa ny atao, vokarina amin'ny fo ary iainana. Rehefa mampirafy indrindra ka hanafina, dia ilay mody mitondra voninkazo! Saingy amin'ny fitiavana, ny sipa mitady ... lisitra lavabe :wink: ... dia mba anaovana izay azo atao ihany izy.
Hoy ny tononkalon'i Rado izay: "Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa".
Ka raha hampitoviana izany ny fitiavana sy ny fanajana, ...
56. lapino ( 31/01/2006 21:52)
ravakamalala:

vahinala > za koa aloha tsy hanao an i lapino hoe "tompoko" e:-w

Oooodri dri driiiii! Inn ity?! :-w
57. maelys ( 01/02/2006 04:51)
tsy fihatsaram-belatsihy mihintsy no anaovako oe "tompoko". Efa zatra izay aho ka tsy hitako zay olana. hafa ihany ny fiheveran'ny olona miresaka aminao raha mampiasa io tompoko io.
Sady ny fanetre-tena ko ne tsy mahafaty e! fa zà ko tsy mampaninona ahy ny olona na tsy hanao tompoko aza satria zay no hitany fa mety.
ny zava-dehibe de ny hoe ilaina ny manaja ny olona iresahanao.
58. booboo ( 01/02/2006 08:04)
eka ouz !
59. Vahinala ( 01/02/2006 08:08)
Ianareo zany zatra manao "tompoko" tsy misy olana aminareo, d zay koa tahaka zany tsy zatra manao nefa tsy hitanay koa izay olana dia tsy hitako hoe inn moa no blème amzany fa samy manana ny fahazarany io.
60. pika ( 01/02/2006 08:20)
iaho kosa tsy miteny hoe aza manao tompoko e fa hoy aho hoe mba asio fotoany kosa fa tsy hoe isaky ny miteny dia tompoko lava na efa hita fa tsy eken'ny eritreritra dia hoe eny tompoko foana hany ka mety ho hoe toa nanaiky izy nefa jereo ny nataony....

misy fotoany e toy ny any ampiangonana hoe " tompoko sy Atro", ny mamangy fahoriana olona maro be anie no manoloana fa tsy 1 koa nahoana moa no tsy misy elanelana fa raha mifanena ny namanao manampahoriana ianao dia tsy misy hoe tompoko fa tonga dia hoe mamangy ny fahoriana akia

raha tiana hisy ny fifankazahoana bebekokoa sy samy mba afaka maneho hevitra eo @ RAD sy ny zanaka na ny mpiaramonina na my mpptra sy ny mptra indrindra ny mpinamana dia everiko mba tsy hisy ho complexé dia tokony ajanona ny tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089