fanaovana "tompoko".....

101. ravakamalala ( 15/02/2006 16:00)
Ka tsy hitako intsony izay avaly satria samy tsy resy lahatra isika sy ianao. Ary rehefa tonga eo ny resaka dia mikatona ho azy. Samy hahita fomba anohanana ny heviny ka dia iverimberina eto foana.

Sa ianao resy lahatra?:^)

102. lapino ( 15/02/2006 16:15)
Misy lanjalanja ao anatin'ilay resaka, amin'ny "fond" sy ny "forme"-n'ny fifanajana, sy ny ilàna na tsia ny hoe "tompoko". Dia tsy aleo ve ajanona am'zay? Fa hoe resy lahatra ve za? Hehe... :P

>>> leity e!:-P
:wink::D
103. maelys ( 22/02/2006 06:08)
monsieur = mon + sieur
sieur zany taloha de tompo tamin'ny andro fahiny
monsieur = tompoko !
104. chipie1 ( 22/02/2006 14:32)
misaotra ntsika tompoko =D=D
105. vale ( 26/02/2006 15:20)
maelys: marina mihintsy io!..... ary rehefa olona:1° tsy mahazatra 2° lehibe noho ny tena, 3°indrindra ny olona efa zokinjokiny, dia io no mariky ny fanajana voalohany satria tsy hary ifankalala toetra daholo ny olona tsy mifankafantatra rehetra, rehefa mifankafantatra indray hafa ny fipetrany:wink::wink:
106. toovs ( 08/06/2006 16:08)
Vahinala:

Za koa mitovy amin'i lapino, za hatramzay dia tsy mba manao izany tompoko zany mihitsy na olona ambony manana hajany na koa hoe Ray amandReny aza no miresaka amiko fa ohatra hoe "Manahoana ianao Mr...." na hoe "Manahoana ianareo, fahasalamanareo ?".
Tsy resaka tsy fahalalampomba le izy amiko fa io terme io mintsy no ohatry ny tsy dia azoazoko. Raha fakafakaina mantsy dia avy amin'ny hoe "Tompo" izy io ka noho izay olona miresaka amiko dia tsy tompoko mihitsy akory.


hono hoy aho e, ary efa mba fantatrao ve raha halalinina koa ny hoe "Monsieur". mba lazao hoe raha tsy mahadiso ny dikany sy ny fiandohan'io teny io. tsy haiko aloha fa sao de mba misy sens mitovy amin'ilay tompoko ihany. mba resaka tiako hovaliana aminkitsipo ny ahy ka raha mety de mba valio tsotra raha hainao fa zah tsy mahay
107. Tokinao ( 15/07/2006 10:28)
Vahinala:

Za koa mitovy amin'i lapino, za hatramzay dia tsy mba manao izany tompoko zany mihitsy ...fa hoe "Manahoana ianao Mr...." na


Izaho dia manaja tsara ny teny mahavantana anao. Samy manana ny azy ny olona tsirairay.
Izaho indray dia mpiteny an'io "tompoko" io amin'ny olona mifanena amiko voalohany. Fomba fanajana malagasy mantsy izy io, ary mitovitovy @ we "Mr." sy "Mme" ihany. (jereo fa misy "Mon-" sy "Ma-" ihany koa ao @ we Monsieur sy Madame ).
Koa raha zavatra mitovy ihany, tsy aleo ve mampiasa izay tena malagasy e.

Manarak'zany, tsy dia miombon-kevitra aminareo aho @ we "efa vitsy ny mampiasa ny "tompoko". Ao Madagasikara dia izao : ny ankamaroan'ny malagasy ( vinavinaiko ho ny 95% ) rehefa miditra birao dia miteny hoe "Manaona tompoko", fa tsy we "manaona M. RAKOTO" na Manaôna "Madame BERTHE", sns. :-D . Somary mitratrevatreva mantsy ilay manonona anaran'olona, indrindra raha olona manam-pahefana na tompon'andraikitra lehibe noho ny tena ilay olona iresahana.

Fanontaniana apetraka @'vohinala sy ny mitovy hevitra aminy: mba tiako ho fantatra we, sao dia avy @ ny fianakavianareo no tsy dia mampiasa io fiteny io ka lasa tsy zatra ianareo? Na koa noho ny toerana fiavianareo ao Mkara. ( any @ toerana sasany ao Mkara mantsy dia fantatro fa tsy ampiasaina io "tompoko" io).
108. soanava ( 08/08/2006 07:37)
Tsy dia azoko aloha ilay hoe Mon"sieur" sy Ma"dame" satria tsy ho ahy izy ireo ka izay angamba no
nahatonga ny Son excellence sy ny Sa majesté:lol:
Fa ny antsika ny Tompoko dia fanajana tsotra,mariho fa raha olona fehezinao na zandrinao aza azonao tsara ny manao azy tompoko
109. Joklinrabe ( 31/08/2006 10:36)

Ho any toeranana sasany ny"Tompoko" dia mamela tandido ny hoe"Tsarava ny Tompoko" ka mamerina ny faha andriana sy andevo e,ka aleo tsy mampiasa an'io intsony hoy ny sasany.
Nefa koa toa teny feno fanajana sy fiandrianana no fametrahana ny olona araka ny toerany izy io ka asa re....sao dia misy teny fananjana asolo azy aloha e ,satry ny Mr sy Mme dia fanajana colo koa e,raha misy teny hafa asolo an'ireo dia mba omeo e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2434