DIDY FOLO

1. diamondra27 ( 24/01/2006 00:37)
Izay mahita na mahay ilay didy folo de mba angatahina mba hanoro eto. MISAOTRA

Ny fanontaniana mba tiako hampieritreritra antsika dia ity: Moa ve misy fahotana kely sy lehibe izany raha nanota ianao( na izaho)tsy nahatandrina ny didin'Andriamanitra?
Ohatra nilaza Izy fa AZA MAMONO OLONA ... ary koa hoe: AZA MANDAINGA...
Raha mamono olona ve 'za de ho bebe kokoa ny sazy azoko eo @Atra ary raha nandainga kely fotsiny de ho kely ny saziko? Ahoana ny hevitrao?
novalian'i Veloo ny 30/03/2006 19:21
2. Veloo ( 24/01/2006 01:08)
diamondra a ny fahotana dia tsy misy degre zany oe kely sy lehibe.. rehefa manota dia manota eo anatrehan'Antra isika...mitovy doly aminy...ny zavatra tokony atao-tsika dia ny mangataka fahamelan-keloka @ fo tanteraka.. dia mamela izy... ary ny didy folo dia tsy ho tanterak'isika mihitsy..zany no nahatongavan;i jesosy teto an-tany dia naka ny otan-tsika rehetra. Ny zavatra tokony ataon-tsika dia ny manaiky @ fo manontolo an'i Jesosy fa mpamonjy atsika. ary mihezaka @ fo monontolo ny tsy andika ny lalana. Rehefa solafatra isika dia eo i Jesosy hanarina antsika raha manaiky azy isika...
misy sens ve zany lazaiko zany retsy?
3. Fiffi ( 24/01/2006 04:36)
diamondra: an3 tsy misy hoe fanakavahana rehefa ota. Rehefa hoe manota de mitovy daholo arakin'ny fiteny hoe " izay magalatra atody , mangalatr'omby " de jereo fotsiny @ io ny helanelan'ny halatra ohatra io an ! nefa dia samy halatra ary fahotana.
4. akamatiana ( 24/01/2006 04:40)
Marina doly ny tenin'i veloo sy Fiffi , refa ota dia mitovy doly !!
5. jazumi ( 24/01/2006 05:52)
zao r'ise a, vakio ny Baiboly fa na testameta vaovao + testameta taloha no atao Baiboky ngamba mino ary mahita izany 'se, io no sambatra roa lela, "izay diso @ iray loha dia diso amin'izy rehetra", tsy afaka miala amin'ny lalàna isika raha tena kristianina koa, satria ireo lalana isakarazany ireo no nahatanteraka an'i Kristy, tsy misy hoe didy lehibe (10) ity dia hajaiko fa ao koa ireo didy samihafa izay nampanoratin'i Jehovah an'i Mosesy, tsy hoe jiosy Jesosy dia nanaja ireny fa ny Rainy no nanao ireny ho an'ny olona, oh : ny Sabata fantarareo ve ny tena Sabata (andro nitsaharan'i Jehovah raha nahary izao tontolo izao e !)ny Sabotsy ary izany anie rise no ilazan'i Jesosy hoe "tsy fantako akory ianareo" satria Izy tsy manao afa-tsy ny sitrapon'ny Rainy,"ny rahalahiko sy ny anambaviko dia izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an_danitra" tu vois eh maro no ho very amin'ny andro farany nohon'ny tsy fahalalan'ny olona soratra masina. Vakio koa ny Isaia 66 rehetra (andro fitsaran'ny Jehovah io)
tsy misy hoe 'ty kely de 'ty goza be, fa izao kosa an misy ny ota iniana sy ota tsy iniana, Hebreo 10 dia milaza fa Jesosy no Mpisorona be (mpisolo vava antsika) ho antsika ary koa Mpanjaka antsika. "satria ve ambanin'ny fahasoavana isika fa tsy ambany lalana dia andika ny lalàna" (zany hoe hanota, maty tsy mitandrina ny lalana) de ahoana) "sanatria izany hoy apostoly Paoly" anao no safidy fa izao tery ny lalana makany @ fiainana mandrakizay fa malalaka kosa ny fiainana makany @ fahaverezana koa raha hitanao io fa malalaka toy ny tsy maninona ny fiaiananao dia mandinia tena, tery ny lalana, ny olona rehetra mety tsy ho tia anao amin'izay, fa tsarovy fa na tery aaza ny lalana hafa i hany koa ny miaraka amin'i Jesosy, mivavaha mandrakariva fa andro farany izao Matio 24, dia angataho aminy izay sitrapony fa aza manaraka ny fanaon'izao tontono izao, "IZAY MISY NY HAREN'ISE NO HISY NY FON'ISE" MAHEREZA DAHOLO
6. jentilisa ( 24/01/2006 07:25)
Tsy misy antony hihazakazahana ny didy folo amiko (teny diso ny teny hoe didy folo fa teny folo no izy) fa efa nisy teny tsotra nolazain'i Jesoa hoe ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna. Ny mianatra mitia no tokony hobanjinina fa na dia mahay ny didy folo aza ianao ary na mamiphatra izany aza tsy misy dikany izany rehefa tsy ao ny fitiavana!
7. rakekely ( 24/01/2006 07:47)
Eksodosy 20 no ahitanao ny momba ny didy folo
ireo anefa dia voarafitra aoanaty didy roa lehibe
1° MOMBA AN'ANDRIAMANITRA
Ireo didy efatra voalohany dia momba an'Atra, izay nambara amin'ny teny iray hoe: "Tiava ny Tompo Atrao @ fonao rehetra, ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra".Didy Lehibe sady 1
2° MOMBA NY OLOMBELONA
Ireo didy enina sisa dia momba ny olombelona izay narafitra ao anaty teny iray hoe:"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" Izany no Didy lehibe faharoa
noho izany dia ny didim-pitiavana no tena irafetan'ny didy rehetra, ary izay tsy manampitiavana dia tsy mety manam-pahasambarana
"Ny fitiavana no fehin'ny fahatanterahana" Kolosiana3/12-16
8. lapino ( 24/01/2006 08:17)
diamondra27:
Raha mamono olona ve 'za de ho bebe kokoa ny sazy azoko eo @Atra ary raha nandainga kely fotsiny de ho kely ny saziko? Ahoana ny hevitrao?

Andriamanitra dia mitsara marina, fa tsy voatery ho takatsika ny fisainany. Noho izany tsy manan-kevitra aho.
9. naritsimba ( 24/01/2006 09:19)
1 DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;

6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

7 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.

9 Henemana no hiasanao sy hanaova­nao ny raharahanao rehetra.

10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.

11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

13 Aza mamono olona.

14 Aza mijangajanga.

15 Aza mangalatra.

16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.

18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotroko­rana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.

19 Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany hianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.

20 Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hiza­ha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanota nareo.

21 Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra.

22 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.

23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.

24 Alitara tany no hatao­nao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman-osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

25 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy hianao, dia handoto azy.

26 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny ali­tarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
EKSODOSY 20
10. namanao ( 24/01/2006 09:50)
rakekely:

Eksodosy 20 no ahitanao ny momba ny didy folo
ireo anefa dia voarafitra aoanaty didy roa lehibe
1° MOMBA AN\'ANDRIAMANITRA
Ireo didy efatra voalohany dia momba an\'Atra, izay nambara amin\'ny teny iray hoe: \"Tiava ny Tompo Atrao @ fonao rehetra, ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra\".Didy Lehibe sady 1
2° MOMBA NY OLOMBELONA
Ireo didy enina sisa dia momba ny olombelona izay narafitra ao anaty teny iray hoe:\"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao\" Izany no Didy lehibe faharoa
noho izany dia ny didim-pitiavana no tena irafetan\'ny didy rehetra, ary izay tsy manampitiavana dia tsy mety manam-pahasambarana
\"Ny fitiavana no fehin\'ny fahatanterahana\" Kolosiana3/12-16


voasoratra ao amin\'ny baiboly tokoa ireo.
Rehefa manampitavana ianao dia mahatanteraka ny Didy satria:
Raha tia ny rahalahinao tahaka ny tenanao ianao dia tsy hamono azy, tsy handainga aminy (satria ianao tsy tia handaingana), sns.
Raha tia an\'Andriamanitra ianao dia hanaja Azy, Hanaiky ny teniny(ao anatin\'zay ny Didy), sns.
Toa voasoratra ao koa reo fa tsy haiko hoe aiza ho aiza.
11. dadabe ( 24/01/2006 14:46)
marozevo > efa hoe didy koa mbola ovainao indray ve :-w
12. routa ( 24/01/2006 15:42)
teny folo hoe ????????
ny muisosratra ao amin'ny baibolikop aloha de ny hoe
didy folo e!:)
13. Veloo ( 24/01/2006 19:15)
dadabe a :-D:-D:-D:-D tsy misy ny anarany akory ato :-D:-D:-D
14. Vahinala ( 24/01/2006 21:20)
Amiko aloha dia rehefa ota = mitovy daholo na inona izy na inona fa tsy misy hoe ngeza kokoa na kely kokoa.
15. diamondra27 ( 24/01/2006 22:23)
veloo::-$:-$
fanahy iniana ve io sa filanady e!
16. marozevo ( 25/01/2006 00:42)
dadabe:

marozevo > efa hoe didy koa mbola ovainao indray ve :-w



Za aza izao vao manoratra eto koa... Maika ery ny namako dadabe hanoratra ho ahy, ka raha vao mahita hevitra mila hitovitovy dia heveriny fa izaho... Misaotra. Teny diso tsy mba kabary iny ry nama ka tsy ifanomezan-tsiny ah..
Didy sa teny sa inona koa... DECALOGUE no dikany amin'ny teny frantsay, ary io dia avy amin'ny teny Grika DECA = Folo ary LOGOS = Teny. Fa ny zava-draiketiny no tena zava-dehibe. hajao ireo dia hahazo ny famonjena ianao.
17. dadabe ( 25/01/2006 00:49)
oujyyy ary nesorin'i toi ilay izy ry marozevo :-w:-w
18. marozevo ( 25/01/2006 01:07)
dadabe:

oujyyy ary nesorin'i toi ilay izy ry marozevo :-w:-w



Inona indray ary no nesoriko eo ? Tena io ambony kely aho marina vao manoratra eto amin'ity loha hevitra ity eh. Olona hafa no niteny an'ilay tsikeran'i toi.
19. dadabe ( 25/01/2006 01:22)
izany ve ??? taiza aza le ? sa ve zah no efa antitra ? hummm mitaky ny taona e:{:{:-w
20. marozevo ( 25/01/2006 01:30)
Fa mba firy hono izato taonan'ny havako ? Ny razanay 65 taona namboatra an'io tempoly io, koa ianao izay tsy misy 30 taona akory ve dia hilaza hoe arodany ity dia hatsangako afaka HATELOANA (fa tsy hoe telo andro)... Oay, azafady fa nanjary hors sujet ny resako... mitaky ny taona e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4734