Vavy ao fivadiana manana fahaizana

1. Veloo ( 20/01/2006 17:35)
o ry reto a mba ahona ny fijerinareo an'ireny kala manana fahaizana nohon'ny vadiny ireny? Mba tantarao eo?
novalian'i Vahinala ny 31/01/2006 11:52
2. Ragadona ( 20/01/2006 18:22)
Ka anga mo tsy ohatry ny lhl manana fahaizana noho ny vadiny ihany ? Sa manana fihevitra mampiavaka azy manokana ny vhv refa mahay kokoa noho ny vadiny ?
3. kally ( 20/01/2006 18:39)
F'hita ho'a ry Ragadona!
4. Vahinala ( 20/01/2006 18:41)
Ragadona > Zay mintsy no marina.
5. fijo ( 20/01/2006 18:45)
misy bandy tsy mahatanty ka.io mantsy efa toetra nampidirina tao antsaina hatrany aloha tany,fa ny vavy dia tokony hanaraka ny lahy,ka manahy le lahy raha mahay ny vadiny,nefa anie le sipa metsy tsy misina izany akory e
6. nani ( 20/01/2006 18:53)
Za mahita hoe tonga de manana complexe ilay lehilahy rah ilay vehivavy no ambony fahaizana noho izy !! tsy tantiny zani ee!!
Za koa anefa mahita hoe rare ny vehivavy hanaiky hiaraka @ lehilahy mbola ambany fahaizana noho izy !!!
7. sipagasy ( 20/01/2006 19:30)
mmhhhh amiko aloha tsy mipetraka ny olana e! ary ho antsika aty @ kaontinanta afrikana izany ny olana fa ny tany any europa any tsy mametraka izany ho olana mihintsy. Any Suéde aza ny lehilahy no mijanona tsy miasa fa mitaiza zaza ary hita izany rehefa ilay eny @ parc ireny fa raha misy vehivavy mitaiza zaza eo dia hafahafa ny fijerin'ny lehilahy, mmmhhhhh mba raoviana vao ho feno lehilahy hitondra ny zanany mitsangatsangana eny ambohijatovo & analakely??? mmhhh toa mampanonofy ihany e!!!!
8. Veloo ( 20/01/2006 19:41)
ragadona, kally, ary Vahinala omeko note 0 sur 20 nareo :-D:-D:-D:-D
Mba tiko fantatra ny consequencen'ny ry reto a.. dia i fijo sy ny manaraka no namaly azy :wink::-D:-D

Fijo a ka zay mihitsy wa lay olana ndray2 ny vavy tsy manana eritreritra an'izany fa dia tena tia be an'ilay vadiny.. misy ala-olana ve io?

Fanontaniana ho an'ny lehilahy:
fa angaha tena tsy zakanareo mihitsy ilay zany?
Mba lazao oe izao tokony ataon'ny vavy @ io probleme io?
izay eritreritrareo?
9. Veloo ( 20/01/2006 19:45)
nani a misy tokotrany aky a rehefa ao ilay fitiavana dia tsy mijery izay fahaizana knou sa ahona oy injy?

sipagasy a marina izany fa mbola betsaka ny vazaha tsy mahatanty an';io knou...ireny bandy tena efa manaiky ny tsy hiasa mihitsy no manao an'io :wink:
10. lapino ( 20/01/2006 21:49)
Ko tsy zaran'le bandy aza ve mahazaka sipa manam-pahaizana? Danzz ange izany hoe hiaraka amina sipa tsy nahita fianarana e!

Sady angaha koa moa ny olona raha tsy manam-pahaizana dia tsy hanana atout hafa noho izay mhitsy e? Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary hono.

Dia misy zavatra iray koa: tsy tena milaza ny tena maha-izy azy ny olona ny diploma ananany. Fa matoa ilay bandy nahazaka an'ilay sipa, ilay sipa koa izany zakan'ilay bandy! Dia tsy hitako hoe inona no tokony haha-kompleksé am'zany.

Fa sarotra ihany aloha ny tsy hahita an'izany na dia misy fitiavana ohatra ny ahoana aza e! Raha misy tsy eken'ny sain'ilay olona izany dia ho entana havesatra aminy foana.
11. Herimiafina ( 21/01/2006 03:31)
Veloo:

o ry reto a mba ahona ny fijerinareo an'ireny kala manana fahaizana nohon'ny vadiny ireny? Mba tantarao eo?

Inona moa ny oolana ry Veloo, izy ary izany mba manana fahaizana entina mampifalifaly anah knou, hehehehe:-D:-D

12. bozimanga ( 21/01/2006 05:29)
veloo ataovy teny vazaha refa tsy mahay teny gasy.
13. jennifer2 ( 21/01/2006 06:43)
Za efa mahita betsaka fa na dia samy tia ary ilay lahy sy vavy, misy complexe kely ihany @ ilay lehilahy! na de manafina be tahaka ny inona ary. hita eny @ firesany ihany! Fa ny vahaolana angamba de ny fahaizan'izy roa miresaka ihany koa!
14. diamondra27 ( 21/01/2006 07:48)
ny lhl manana complexe d'infériorité akia a! sady natao ho viril sy mikomandy au debut fa ny fiaraha monina no nanova azy taty aoriana de lasa mizeste be ny sipa fa mahay sy mahery. De misy fiantraikany koa zay @ famille satria lasa matahotra bebe kokoa an'i mama ny ankizy noho ny dada satria mama no mampidibola§ Raha tsy hoe angaha tena azavaina sy tezaina tsara le ankizy
15. nani ( 21/01/2006 18:51)
Veloo an !! marina ilay lazainao hoe refa ao ilay fitiavana tokony tsy hisy probleme an , fa alohan ny atongavan ilay fitiavana anie defa hitanao io ee!! sa ? Asa anefa aloha ee ! hevitra ny ahy iny !
Ra ha ny tena marina , tsy tokony hisy olana mihintsy aniee ee , fa saingy isika no efa zatra ilay hoe lahy no loha ny vavy , de refa mba sendra lasa lavitra ilay vehivavy de tsy tantindry zalahy loatra , na ilay vehivavy koa no midingidrambo fa mieritreritra ny lasa niakatra grady ee !! zay anie ilay mahaolombelona ee! na lahy na ny vavy samy manana ny toetrany sy ny kilemany , de eo indrindra koa moa ilay fiarahamonina mijery ee!! eheheh Tsy ny tany no fady fa ny vavan olona !!
16. Vahinala ( 21/01/2006 21:20)
Raha toa ka samy miasa dia tsy tokony hisy olana amiko na dia hoe ny vavy aza no ambony fahaizana kokoa, fa raha toa indray ka ny vavy miasa nefa ny lahy tsy manao na inona na inona mety hiteraka disadisa ihany rehefa ela ny ela.
17. Veloo ( 21/01/2006 23:32)
o ry bozimanga a... na dia tsy mahay teny gasy aza ao ahona ny sasany no mahalala izay teneniko rehefa tsy te hamaly dia lazao fotsiny e:lol::twisted:
18. Veloo ( 21/01/2006 23:35)
misaotra anareo rehetra namaly eeeeee:wink:
19. Herimiafina ( 22/01/2006 02:10)
Fa midika inona moa ny diplaoma be sy fahaizana e, ny fomba fampiasana coco ihany no mikaonty,hehehe:-D:-D

20. jennifer2 ( 22/01/2006 04:02)
ka nareo lehilahy ihany anie no tsy mahatanty e! ny toe-tsainareo mihitsy no tsy mety!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3538