FOTOAN-GASY

61. Veloo ( 21/12/2005 19:32)
fiffi a ie zany mihitsy ka...no sady rehefa tsy tianao ilay namanao hanao an'ilay izy dia ianao mihitsy no manomboka manao azy ...:-*
62. fijo ( 21/12/2005 21:43)
mahakamo aloa le izy,fa milay raha RDV amina sipa e.hi hii
63. Herimiafina ( 21/12/2005 22:34)
Alohan'ny hitsarana olona de jereo aloha ny tena sao de avy amin'ny tena ihany koa ny fahadisoana indraindray.

Tsy voatery hitovy ny olona rehetra ary ny lalana marina aminao tsy voatery ho marina ary harahin'ny hafa foana. tsy ianao foana akory no masimandidy.

Fotoana "nifanekena"=tena nifanekena marina ve sa noterena aloha?

Any ampianarana sy any ampiasana, misy ny mandika lalana, fa misy foana hoa ny cas de force majeur na dia tsy isan'andro aza, ka izany no tsy tonga de hitsarana olona sy hi-classer-na izay tara ao anatin'ny sobika iray daholo.

Marina daholo ny teneninareo fa ny tiako ampitaina de mba manana vision systémique de aza de mi-generaliser be loatra fa tsy mety.
64. pissoa ( 22/12/2005 05:36)
Asiana fanamarihana kely. Samy hafa be ny hoe "fotoana nifanekena" sy ny hoe "fotoana notapahin'ny andaniny fotsiny".

Sao dia mitovy hevitra daholo ary isika izany, fa samy manana ny fomba fanazavany fotsiny:idea:

fijo > :-w:-D:-D:-D
65. mandrindra ( 22/12/2005 10:09)
dia io izany fa efa narehitr'i pissoa ny jiro dai mazava tsara ka.
66. Fiffi ( 22/12/2005 20:22)
fijo::-D:-D:-D tonga de any aloha ny heritreritra voalohany :-D:-D
67. Veloo ( 22/12/2005 20:47)
:-D:-D:-D
68. fijo ( 22/12/2005 21:27)
ka mba mila le ginagina ko.
69. Fiffi ( 23/12/2005 06:50)
fijo: aza miala-pà eo eh! io fa tratra de mody hoe...:-D:-D:-D:-D
70. mandrindra ( 23/12/2005 09:52)
sao dia mba le ganagana leisty no tian'ialahy
71. Fiffi ( 23/12/2005 12:46)
:-D:-D:-D:-D
72. Veloo ( 23/12/2005 15:03)
:-D:-D:-D:-D:-D
73. Herimiafina ( 23/12/2005 17:03)
pissoa:

Samy hafa be ny hoe "fotoana nifanekena" sy ny hoe "fotoana notapahin'ny andaniny fotsiny".


Tokony ho samy hafa tokoa ireo saingy ny zava-mitranga de leo be ny olona sasany amin'ny fanerena azy hanaiky ilay fotoana dia lasa manaiky tsy sazoka (reponse de complaisance).

Hany ka na de manana endrika fifanekena aza dia miaro fifanerena ihany e.

Firifiry moa no manao contrat any Dago any nefa mahatanteraka izay voalaza ao hatramin'ny farany ohatra satria fifanekena hifanery, miantoka aina sy fivelomana ka aleo aloha ekena.

Hoy ny vazaha: "dire oui n'engage à rien".

Misy mantsy karazana olona raha hanaovana NON dia mi-insista be mahatsiravina, manao mampalahelo, mba haneken'ilay iray de mandreraka be. Endrika fitiavantena daholo nefa izany rehetra izany, ary any ny olana, samy tia tena na ny tara na ny tonga aloha.
74. pissoa ( 23/12/2005 17:16)
Herimiafina:
ary any ny olana, samy tia tena na ny tara na ny tonga aloha.

Marina daholo ny tenintsika retra fa io koa no tena mahatezitra amin'ilay tara ... karazan'ny manao masimandidy koa rehefa tara! Oops, rehefa hoe "Nifanekena ankalalahana" ny fotoana!
75. Herimiafina ( 23/12/2005 17:50)
Tsy voatery foana kah, misy ny tsy valahara tsy miraharaha fotoana tsotra izao fa misy ny sendra ny tsy fidiny, nefa dia ampitoviana ny saziny.

Tsy de tsara atao fanao ny mitsara olona amin'ny fihetsiny, na ny zavatra lazainy fa ny Intention tao ambadik'izay no tokony dinihina kokoa.

Ny fahalalako azy dia toetra hita eny amin'ny ankamaroan'ny malagasy taorian'ny fanjanahantany ilay tsy fihetezana mitoetra eo amin'ny toeran'ny hafa.

Mahavery vola ve sa mahavery fotoana ny miheritreritra kely fotsiny maka ny toeran'ilay olona iresahana isan'andro iny na ilay olona tsaraina? INCOMPREHENSION.
76. Fiffi ( 23/12/2005 19:15)
herimiafina: tsy hoe tonga anie ilay izy hoe fitsarana ilay olona e! na dia misy foana aza ny tsy manaja ilay fotoana mety koa hatao hoe tsy fahalalam-pomba ilay izy aloha fa io tsy midika avy hatrany hoe hitsara avy hatrany satria mba miheritreritra koa ny tena hoe nisy zavatra nitranga tsy fidiny , fa kosa an! misy ny hita maso sy azo tsapain'tanana fa misy manao fanahinina mihintsy aloha e! dia nisy aza sahy nilaza hoe" bof ! miandry ao ry zareo e! misy koa ary ny tsy miheriteritra an'izany fa dia tonga hiany @ ilay rdv ohatra nefa dia raisiny tahakin'ny normal ilay fahatarana , nefa asa aloha an
77. fijo ( 23/12/2005 20:03)
raha sipa aloha dia fitsapana azy io e.raha miandry ao izy dia tena efa ao izay le resaka.milamina e.
78. diamondra27 ( 24/12/2005 10:48)
fijo: zany ve, mety marina io fa le tena tsy tantiko nge le mampitebiteby ahy e!oe aiza ary izy, sao de ...
79. pissoa ( 24/12/2005 13:02)
Herimiafina, ka rariny anie raha tsy mi-comprendre rehefa mbola tsy tonga ilay olona tara eh! Dia mba reciproque koa ve nefa io comprehension io? Ilay olona tara, na dia tsy niankina aminy loatra aza ilay fahatarana ... mba mila mi-comprendre koa!

Tsy tsara ny miantehatra amin'ny hoe "meteza ho eo @ toerany". Ekeko fa taratry ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary zavatra tsara hafa izany. Fa amin'ny lafiny iray koa, dia mahatonga ny olona sy mahatonga ny tena ho tsy tompon'andraikitra io fisaianana iray io! Toy izany koa ny hoe "Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona e!" ... nisy zavatra natao ve mba hi-eviter-na ilay sampona raha azo eviter-na ilay izy!

fijo, fa maninona ny sipa no tsy maintsy tsapaina?
80. Herimiafina ( 24/12/2005 18:22)
pissoa:

Herimiafina, ka rariny anie raha tsy mi-comprendre rehefa mbola tsy tonga ilay olona tara eh! Dia mba reciproque koa ve nefa io comprehension io? Ilay olona tara, na dia tsy niankina aminy loatra aza ilay fahatarana ... mba mila mi-comprendre koa!


Jereo tsara ny zavatra soratako fa eo anie no tiako iaviana e! Samy tsy mi-compr na ny tara na ny miandry. Izay ilay izy, fa matetika ny olona mimenomenona sy tsy mi-compr no tena tara fotoana lava aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3195