FOTOAN-GASY

41. hesham ( 20/12/2005 02:48)
:-P:evil:
42. jennifer2 ( 20/12/2005 02:51)
Ary hesham itony le mpanao fotoan-gasy tsy hay lazaina an!
43. Herimiafina ( 20/12/2005 03:06)
Hehehehe, io izy io fa tonga arampotoana kou, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
44. hesham ( 20/12/2005 03:09)
jennifer zay nenji zay :-D:-D:-D:-D
45. Herimiafina ( 20/12/2005 03:29)
Ary aoka amin'izay fa tsy isika no mpanao teatra ato fa ny loha-hevitra amin'izay banjinina, hehehe:-D:-D
46. Fiffi ( 20/12/2005 05:15)
herimiafina=D=D =))=)) ohatrinona ny fidirana @ io teatra io ? ary @ firy no manomboka ? sao de tara eo aho:-D:-D
47. mandrindra ( 20/12/2005 12:55)
tsy haiko aloha izany hoe mila manadihady izay antony nahatarany. Anjaran'ilay tara no manazava fa tsy izaho tonga ara-potoana mihitsy no andeha handany andro hitsongoloka izay nataony tany.
48. pissoa ( 20/12/2005 14:23)
Hita wa ry Mandrindra.
Sady io koa anie tsy hoe olona mifanao fotoana ihany e!

Ny sasany izao efa miditra amin'ny 7 isan'andro any ampianarana, mbola @ 7 sy folo ihany ny @ 7 sy folo e! Hoy ilay prof izay hoe ataoko tara kely koa ny diploman'lah :-D:-D
Ny sasany indray efa @ 8 no fidirana miasa isan'andro, dia mbola @ 8 sy sasany foana ihany vao tonga ao @ birao ... raha izaho no deba de ataoko tara kely koa ny karama :-D
49. mandrindra ( 20/12/2005 15:36)
raha any amin'ny kandra indray aloha no mitranaga izany dia tsotra ny ahy e, rehefa tara lava dia mandeha ny fampitandremana. Rehefa tsy miova dia malalaka be ny varavarana hivoahana, fa ny hidiran'ny tara lava dia mihidy.
50. Mifenty ( 20/12/2005 15:44)
voahozona hiasa ny zanak'olombelona.
51. Fiffi ( 20/12/2005 15:46)
Mifenty: ka @ fomba ahoana moa no hihainana raha tsy miasa ?
52. diamondra27 ( 20/12/2005 19:52)
zay tsy miasa de aoka izy tsy hihinana
53. Veloo ( 20/12/2005 19:59)
54. Herimiafina ( 21/12/2005 01:28)
Tsy adala ny amerikana nanome lanja manokana ny antsoina hoe "flex time", sy "cas de force majeure".

Tsara ny mi-planifier mialoha ny zavatra rehetra, ary toa izany ny fotoana,

Saingy noho ny fanetretena dia miaiky fa maro ny zavatra tsy mbola takatry ny sain'ny olombelona,

Izany hoe tsy misy mahalala izay zavatra hitranga rahampitso, sy amin'ny ho avy; ka tsy dia tsara ny mi-imposer fotoana mbola ho avy amin'ny olona ary tsy manaiky raha toa ka diso fotoana iny olona iny.

Ilaina ny compréhension, ilaina ny mahafantatra, ary izany no antony nanasivana ny "demande d'explication" any ampiasana, ny "fiche jaune" any ampianarana, hahafahan'ilay olona tara mampahafantatra ny antony mahatara azy.

Ka arakarak'izay no hanapahana hevitra na mety ny nataony na tsia.

Mety misy aretina tampoka, mety misy fahavakisan'ny kodiarana fiara, mety misy loza, mety misy antonjavatra maro mahatonga ny fahatarana fotoana: risuqes structurels, risques proximaux, risques contextuel, etc.

Ny tokony hatao dia alohan'ny hiresahana fotoana dia jerena daholo ireo facteurs takatry ny saina mety tsy hahatomombana ny fotoana ifanaovana (pensée systémique) ka rehefa hita fa voa-maîtriser daholo iny vao apetraka ny ora hifanaovana fotoana.

Tadidio fa na ny mpivarotra anana tsy nianatra aza mba tezitra koa rehefa diso fotoana ny olona iray nifanao fotoana taminy.
55. booboo ( 21/12/2005 08:36)
Ny anay zao rehefa maizim-bavam-bilany vao manao kaly hariva tsisy mimenomenona ny tanana na ho @ firy vao himotika na @ firy. Zany no atao hoe fotoan-gasy.
Ny any ambanivohitra no tena mpandala ny fotoan-gasy fa ny tandrenivohitra tsy mahay sy tsy mahalala intsony ny tena dikany dia navadiny ho raha ratsy !
56. Fiffi ( 21/12/2005 10:03)
booboo zany ve ? nefa ange na hatraty frantsa aza dia betsaka ny manao io fotoan-gasy io e!
57. pissoa ( 21/12/2005 10:53)
booboo, tsy dia azoko ny tianao ho tenenina. Sa ve hoe, ny hevitry ny hoe mpanao \"fotoan-gasy\" tsy hoe tara lava?

Marina ny an\'i Herimiafina raha tara in-1! Fa na izany aza, tsy azo omena tsiny koa ilay niandry raha tezitra. Ny mahatonga ny olona tezitra matetika dia satria tsy fantany ny antony, ary tsy miandry ny tara ho tonga ny hatezerana vao miseho. Dia ity koa,
mandrindra:
rehefa tara 10 minitra tsisy fampilazana (satria efa samy manana finday izao ny ankamaroany), dia izaho kosa loha mipà fa tsy miandry eo e.


Rehefa fotoana nifanekena, dia tokony hajaina.

Raha ny resaka any ampiasana na fianarana na hoe fahatarana matetika kosa, ny \"cas de force majeur\" anie tsy sense hiseho isan\'andro e! Raha mateti-pitranga ilay izy dia anjaran\'ilay tara no mandinika sy manova ny fandaharam-potoanany.
58. Fiffi ( 21/12/2005 15:55)
iza t@ isika aloha no tsy efa tara t@ rdv ? dia rehefa nahazo averstissement kosa dia mba mitandrina ka! fa misy anie tena tsy mivaky loha mihintsy e!
59. Veloo ( 21/12/2005 16:08)
fiffi a marina zany... ny ahy aloha dia izao ny principe-ko tsy manao tara mihitsy aho, mampiseho example tsara, dia mandaitra mihitsy an
60. Fiffi ( 21/12/2005 18:43)
Veloo: =D=D=D=D zaho aloha de efa fay e! dia tsy mamerina intsony fa anjarako indray izao no voa foana , fa na izany aza dia tsy manao tara mihintsy aho e! arakin'ny fitenenana hoe" rien ne sert de courrir, il faut partir à point" sa ahoana ry Veloo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3351