Fiangonana nidina

61. jentilisa ( 28/10/2005 14:40)
Misaotra amin'ny fanazavana na dia tena lava tokoa aza ilay izy.

Ny zavatra mahavariana asa raha diso fitadidy aho na tsia dia izao:

Tamin'ny taona firy moa no nametrahana ny vatofehizoron'io toerana misy ny foibe nasionalin'ny fpvm io? raha tsy diso ny fitadidiako dia mbola taona 2001 na farafahaakaiky dia 2002 izy izay. Ny antony dia hoe hanitarana na hametrahana vaovao fa tsy antonona intsony ny ery ambony.

Manaraka izay rehefa hoe miraraka ve ny vola no atao hoe notahian'Andriamanitra izy amin'ny finoana kristiana? sao dia mandiso lalana ny tena finoana kosa izany. Ny fanehoana fandrotsahana betsaka dia mariky ny fitiavana fa raha hoe handoa betsaka aho mba hahazoako fitahiana dia filan-tombony ihany izany amiko, tsy izay kosa angamba ny anton'ny fivavahana kristiana.

Fantatra kosa fa ny olana eo @ fjkm dia izy mitady hikombona fa tsy te-hivelatra. Ny ao amin'ny misy azy ihany no tena fantany. Izay no mahatonga azy ireo mety tsy hahafoy rehefa injay olona hafa mihitsy no anaovan-javatra!
62. rsamfm ( 28/10/2005 17:13)
Misaotra n'i Jentilisa milaza ilay hoe Mikombona ny FJKM. Fa momba ilay resaka vola dia izao no hevitro, ny fitahiana azon'ilay olona no mahatonga azy tsy ho mafy tanana amin'ny fanasoavana ny fiangonany sy ny fanampiana amin'ny fanaovana asan'Andriamanitra. Fat sy ilay vola no hividianana fitahiana.
Raha manontany olona ao Andravoahangy Fivavahana ianao, ka tena sahy mijoro amin'ny fahamarinana izy, dia vola sy voady natolotry ny olona ho an'ny asam-pifohazana no nananganan ny trano. Mety tokoa ho fanitarana ny tery ambony angamba, fa natao hanaovana asam-pifohazana.
Izaho aloha dia menatra amin'ny maha-zanaka FJKM ahy e! Dia tena tsoriko ny ahy io. Ohatra fotsiny izao, ao amin'ilay fiangonanay taloha dia resaka fampiderana haingo sy fiheboheboana no tena misy. Satria saiky ao daholo ohatra ny tompon'orinasa, olona ambony eto amin'ny firenena. Saingy tsy hitako izay tena zavatra vita ankoatry ny Dispensaire izay efa ela dia ela tokoa no niketrehana azy.
63. Veloo ( 28/10/2005 17:24)
za ry reto dia tsy mahavaky fa lava lotra ilay izy a.. Nefa mahalina. Fa inn ny FPVM e? tsy mbola naheno an'io ndray za. Misy afaka manao resume en deux mot oe inn no nanjo an'ilay fiangonana. aza miteny ny hevitrareo fa ny antony no mba tiko ho fantatra eeeeeeee

Miciiiiiiiiiii
64. jentilisa ( 29/10/2005 13:27)
Tena henjana tokoa ity lasa tsy maharaka na inn na inn ity an! olona nisintaka tao Andravoahangy fivavahana no maro nanorina ny FPVM na Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara. Nanara-dia azy ireo koa anefa ny avy ao amin'ny tobim-pifohazana Lehibe iray dia ny avy ao Manolotrony. Fandroahana ankolaka no nahazo azy ireo farany ireo.

Tsara ny nisian'ny olana; ny zava-drehetra miara-miasa hahasoa izay sitrak'Andriamanitra, hoy ny fitenenana.

Izao hita tsara ny olana tsy voalaza loatra tany aloha rehetra dia ny resaka firazanana manjaka loatra ao. Sy ny fidongian'ny mpiangona hatrany rehefa afindra toerana ny mpitandrina. Jereo fa be loatra ny mpitandrina no ela nitoriana teo amin'ny toerana iray. Mahatonga ny fahazaran-dratsy hihazakazaka hatrany izay toe-javatra izay!
65. dadabe ( 29/10/2005 14:03)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 26-10-2005 16:47:10
Lohateny : Re : Fiangonana nidina
misaotra ani vetsoko nanazava ny tena marina,tena marina izany rehetra izany fa tsy coincidence akory ny zava-drehetra,mahamenatra hoe izany no nataon'ny mpitondra antsika,RAHOVIANA MOA NY FIFIDIANANA,,,,???IZAHAY MANTSY CATHOLIQUE DIA OHATRAN'NY TSY TIANAY NY HOENTIN'IETO JKM IRETO

humm toi zany manavakavakla be a!!:-w
catho sy prote..:@
66. jentilisa ( 31/10/2005 08:09)
Anisan'ny zavatra notakian'ny foiben'ny fjkm ny fifonana ampahibemaso ataon'ny fpvm raha te-hahita ny fiangonany misokatra izy ireo.
Eo dia tahaka ny hoe ry zareo ve no Andriamanitra ivavahana ka anaovana fifonana? Maninona moa raha miara-mivavaka fotoana iray hahitana izay manana ny likilikim-po ao anaty ao? miara-mifona ao anatin'izany fotoana izany? Mifona amin'Andriamanitra eo...
Dia notanterahan'ny fpvm ny fifonana ampahibemaso ka raha mbola mafy fo amin'izany ny foiben'ny fjkm dia hieritreritra lalina aho amin'izay fotoana izay fa mety hisy ny fanapahan-kevitra lehibe amin'ny fiainana!
67. Angie ( 31/10/2005 09:33)
Dia misaotra betsaka ny namana rehetra nanome fanazavana toy izao. mahamenatra tokoa izany zava-mitranga izany saingy ny hivavahana dia ny tsy hahavery ny finoantsika noho izany.
Dia mahereza daholo mivavaka na FJKM na FPVM na FLM na KATOLIKA sns
68. Angie ( 31/10/2005 09:39)
Dia misaotra betsaka ny namana rehetra nanome fanazavana toy izao. mahamenatra tokoa izany zava-mitranga izany saingy ny hivavahana dia ny tsy hahavery ny finoantsika noho izany.
Dia mahereza daholo mivavaka na FJKM na FPVM na FLM na KATOLIKA sns
69. Angie ( 31/10/2005 09:44)
rsamfm> mba azolah lazaina ve hoe iza lay pasteur tao Ambatovinaky nilaza foana momba an'io FPVM io

"...mpiangona ao AMBATOVINAKY nilaza omaly fa hoe: Lalàna io ka aleo hikatona rehefa akatona, ary izahay koa ao Ambatovinaky efa tenenin'ny pasteranay foana hoe tandremo ianareo sao mandeha any Antaninanandrano any fa dia vita hatreo ny aminareo."

Tsy izany mantsy fa za miangona ao ary tena tsy te hino aho hoe marina izany nefa @ izao korotana rehetra izao mety possible.

jentilisa> nga koa elah miangona ao Ambatovinaky?
70. jefra ( 31/10/2005 10:28)
Misaotra anareo rehetra nitondra fanazana.
-Mba misy afaka mitantara ve hoe inona no nataon'ny mpivavaka FPVM omaly alahady? Samy nivavaka tany an-tranony fotsiny?
-Misy zavatra faharoa tsy azoko tsara: Ilay fanakatonana ve ao Antaninanandrano ihany sa eran'i Madagasikara? Dia tsy mahakasika an'i Manolotrony moa izany ny resaka?
Misaotra mialoha ho an'izay afaka manilo.
71. jentilisa ( 31/10/2005 13:24)
i Manolotrony aloha dia karazandrazany mikatona rehefa tafiditra ao anatin'ny fpvm e!

Angie> raha mijery tsara ianao dia mety ho efa nahafantatra ahy indrindra fa isak'ireny fitsangatsanganana isaky ny alatsinainy pasaka ireny!

Raha milaza anarana Pastora aho dia te-hanamarika indrindra izany hoe efa zatra tao aho, f'izany hoe isaky ny fotoan-dehibe na indraindray alahady fandraisana maraina aho no any. Ankoatra izay dia any an-tanAna ihany.

Ny tokony ho possible nolazain'ny pastora dia hoe te-hahalala ny hevitry ny nofinao ohatra dia babon'izany dia lasa any tanteraka...

Fa miangavy aho hoe oviana izany no nolazaina raha nisy izany!

72. yonikafopl ( 01/11/2005 16:22)
I Kristy dia nohenjehina, novonoina , eny nihatra hatramin'ny fahafatesany mihintsy aza, nefa , nitsangana izy ary velona sy miasa hatrizay ka ho mandrakizay, koa aza kivy ry FPVM, fa raha toa ka mpanara- dia an'i Kristy ianareo, dia tsy maintsy mizaka fanenjehina araka ny efa nambarany sy nampiomanany izay te hanara-dia Azy, nefa tsarovy fa tahaka ny nifohazany tao anatin'ny fiainan- tsy hita no hamohazany sy hanomewzany aina vaovao ho anareo koa. Koa mampahery ny mpivavaka rehetra mpanara dia an'i Kristy, ao am FPVM ary ireo mpitondra ao, indrindra ny Mpitandrina Randrianatoandro, izay hinoako fa tsy kivy ary mitraka lalandava.
Mahereza amin'ny asan'ny Tompo.

ary ho anareo mpanenjika, inona moa ny tombotsoa azonareo amin'ny fanakatonana io fiangonana io???raha tena kristiana tokoa , nahoana no manenjika ny hafa??moa tsy fankahalana sy fanaratsiana ary fanakorontanana no manjaka betsaka ao aminareo, tsarovy ary aoka ho fantatsika mpino rehetra fa Andriamanitra tsy mitoetra ao amin'ny trano misy fikorontanana, fialonana, fankahalana.
73. Angie ( 02/11/2005 08:21)
jentilisa> tena bdb no haiko tarehy fa tsy haiko anarana. Refa miangona ve toi dia mipetra any ambony eo ampitan'i orgue?

rsamfm> miandry valiny moa e? tena miasa saina za marina raha tsy tialah ambara eto ny anaran'ilay pasteur dia alefaso hafatra.
74. jentilisa ( 02/11/2005 08:46)
teny tokoa no nahazatra ahy taloha fa izao aho efa any ambany foana no mipetraka rehefa ao! mety ho fantatrao tarehy aho matoa mahay mitsatoka be tahaka izao!
75. Angie ( 02/11/2005 10:02)
jentilisa> lava be toi? sa lava orona hihihi? za alou mino fa haiko tsara e hihihi
Miangona @ fidirana voalohany ve refa fandraisana sa faharoa?

Farany @zay za hitsatoka hoe iza ary io.Efa tany Ankaramalaza ve toi?
76. sonwin ( 02/11/2005 10:50)
Angie>jereo fa misy sarin'i Jentilisa ato e
77. jentilisa ( 02/11/2005 12:54)
iza ary io manome sopapa io :?: :^)
78. diamondra27 ( 02/11/2005 13:31)
indray mandeha aloha hitako t@ info fa ny eglise universelle de secte e!
79. sonwin ( 02/11/2005 15:20)
:roll:
80. yonikafopl ( 02/11/2005 17:12)
:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114