Fiangonana nidina

21. dadabe ( 26/10/2005 05:53)
hummm raharaha ity marina:-w
22. estine ( 26/10/2005 06:37)
ny fahitako anio resaka io de
RASENDRAHASINA VS RANDRIANATOANDRO raha somary miverina kely any @zaikabe FJKM taloha isika de maharaka tsara fa Rasendrahasina de tsy mahazo loatra an-dRandrianatoandro noho ity farany milaza fa mahita an'i Jesoa ary Jesoa miteny @ny.
Ny faharoa de ny mpiangona Andravoahangy Fivavahana t@'zany de betsaka =volabe,ary misy voady ho an'ipastera isanalahady efa ho 1.000.000 mihoatra noho ny karaman'ny mpitandrina isambolana;tsy lanilanin'ny vavoniny Rasendrahasina io ary de fony izy nampianatra anay soratra masina de ny mitsikera io Randrianatoandro io sy ny fifohazana manolotrony no resaka.
Rasendrahasina de Teolojianina ,Randrenatoandro kosa de rabe finoana sy manaraka 'zay lazain'iJesoa azy @ NOFY 'zay tena tsy zakan'i Rasendrahasina ary efa fototry ny fifanolanana sy ady hevitra maro teny anivon'ny SAF FJKM
Ankehitriny nahazo pouvoir tsara toana de midingindrambo.
23. estine ( 26/10/2005 07:14)
ô reoul e! mailoà ihany isika fa fanao @ raharaha politika anie ny toa itony ohatra mazava ny nandorana ny rova. kitkitiana izay mahadona ny fon'ny gasy mba tsy hisaina firy izy (OLON'NY FO NY MALAGASY) de manjakazaka @'zay tiana atao ny affair be ne any @bony any 'zao milliard isika variana @ adim-piangonana
JIOLAHY ANIE NY MPANAO POLITIKA KA ADALAN'IZAY HO METY HO EKIPANY 'ZE HINANAN-KANINANA ALOHA IO 'zay koa tsy azo adino fa isika mahantra izy tratra farany @ fahantrana eo:!::?:
24. ari.malala ( 26/10/2005 07:15)
mampanaelo fa d nidiana tokoa moa izany ilay trano fiangonana omaly maraina tokony ho t@ 9, nef ad vola efa ho 7 milliards de francs no efa lany nananganana ilay trano... maro ireo mpivavaka no latsa-dranomaso satria mbola teo anivon'ny fotoam-pivavahana no nasaina nivoaka izy ireo...
25. Landrymimi ( 26/10/2005 07:20)
Aleo mba hizara ny hevitro aho:
1) Tsy hajaitsika malagasy ny lalam-panorenana (Constitution amin\'izao), ataontsika tsinontsinona ny liberté publique eny fa nadia ny droit de l\'Homme aza! Dradradradraina foana ny Etat de droit nefa fihetsika tena mifanohitra amin\'izany no ataon\'ny miptondra! Aiza ny liberté fondamentale amin\'zao ry mpitondra hajaina isany! Marihiko fa point ratsy hoan\'ny mpitondra amin\'izao fotoana izao ny fanakatonana fiangonana!
Raha ny tokony ho izy dia misy procédure tsy maintsy arahina vao ho tonga amin\'ny fanaovana scellage izany!narahina ve izany?
Inona no setriny?
Miaramila mirongo fitaovam-piadiana hentitra, hifanandrina amin\'ny olona mirongo basy tsy misy bala dia ny baiboly izany! Tomany, ranomaso, alahelo no vokany: izany hoé: traumatisé ny olona!!!!
Jereo amin\'ny fomba tsotra ange! tsy mampihetsika ny conscience morale-tsika v izany? Marihina fa ny vidina ranomason\'olona amam-polony dia tsy ho mora!
Hiditra amin\'ny resaka détail amin\'izay aho:
Raha ny tantara no jerena dia Namoha olona 4 i Jesoa teto Madagasikara hitarika ny fifohazana na dia efa teo aza ny Misiona Protestanta LMS: Dada Rainisoalambo tao Soatanàna, Nenibe Ravelonjanahary tao Manolotrony, Mama Volahavana Germaine tao Ankaramalaza, Dadatoa Rakotozandry tao Farihimena! Marihina ny Tobilehibe 3: Soatanàna, Ankaramalaza, Farihimena dia niasa tao amin\'ny Fiangonana Loterana Malagasy! Fa ny fifohazana Manolotrony irery ihany no niasa tao amin\'ny LMS nanomboka tamin\'ny 1927! Teraka ny FJKM tamin\'ny 1968, dia mbola niasa tao amin\'ny FJKM ihany ny fifohazana Manolotrony!
Taty aoriana dia niditra ho isan\'ny Fifohazana Manolotrony ny tao Andravoahangy Fivavahana tamin\'taona 1980 tany hoany! Lasa Toby Manolotrony izany ny tao Andravoahangy dia niroborobo ny fiangonana! Teo ankilan\'izany dia nanangana Fifohazana ny FJKM, tsy miankina amin\'ny anaran-tanàna izay mankalaza ny faha 25 taonany ny SAFIF FJKM amin\'izao! Teo no nipetraka ny olana: hoa an\'izay rehetra tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny SAFIF dia tsy mahazo miasa ao amin\'ny fiangonana! Nanomboka ny fandroahana ny Manolotrony tany Toamasina tamin\'ny 1989 tao amin\'ny FJKM Tranovato fahizay! Nitohy ny fandroahana ka nipàka tati Andravoahangy hatramin\'ny 2002! Tamin\'izay indrindra no nilaza tamin\'ny Tonian\'ny SAFIF FJKM ny mpitandrina iray tany Ambalavao hoe avelao re ny Manolotrony hiasa ao amin\'ny fiangonana fa manimba ny asan\'Andriamanitra ny fandroahana! Nilaza ny tonia tamin\'izay fa raha izay olona vitsy ireo(manolotrony) no manakorontana dia avelao hiala!!!!
Vaky roa ny tao Andravoahangy Fivavahana dia nitsangana ny FPVM!
Raha ny motif d\'inculpation no jerena dia ny hoe mangalatra olona: Ny olona ve \"Objet\" ka azo afindra atsy sy aroa, azo afenina sy angalarina! Ataoko angamba fa olona manan-tsaina ny olona , manana \"faculté de discernement\" afaka misafidy sy mandinika! Tsy mitombona izany !!!!
Fa ataoko fa raha ohatra ka navela nandray ny fanasan\'ny Tompo tao amin\'ny FJKM ny zanak\'i Manolotrony, dia tsy niroborobo velively ny FPVM! Fa ireo FPVM ireo dia olona voaroaka avy tao amin\'ny FJKM daholo!!!
Mila misaina sy mandinika tsara ny:
- ny miptondra izay anti-constitutionnel, na ny FJKM izay mihevitra fa azy ny Fiangonana fa tsy an\'i Jesoa Kristy ary azo ambara fa tsy voahaja
- ny maha Fiangonan\'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny FJKM fa toa hoe: Fiangonan\'i Lala Rasendrahasina eto Madagasika na koa Fiangonan\'i Marc Ravalomanana eto madagasikara!
- Ireo zanaky ny FPVM izay nirehareha fa tairo ny vorona ahitanareo ny halavan\'ny helany!!!
Samia mieritreritra!!! merci dia misaotra!
26. Fay ( 26/10/2005 07:47)
o ! ry reto â;, izaho dia tena FJKM hiringiriny fa hianareo ve mba nahita zavatra najoron'ny FJKM ka mba vanona e ! ny sekoly, ny hopitaly, ny z
27. xxx ( 26/10/2005 07:52)
Alahelon-kanina io. maninona raha hatao izay mba ahasintomana olona fa ny olona ery no hifandroritana. Nahoana no tsy ny fiangonana tany Manakara no hakatona fa ny aty an-drenivohitra. Mampalahelo izany raha toe-tsaina. tsy aleo ve ny olona mivavaka toy izay miloka e. Dia mino ve RASENDRAHASINA fa ho lasany daholo ny mpivavak'Antaninananandrano. Il peut toujours rêver....
28. vahiny2004 ( 26/10/2005 08:05)
Mampalahelo sy mahamenatra ny ataon'ny FJKM, amiko izao no atao hoe fanararaotam-pahefana.

Inona moa ny olan'ny FJKM raha toa ka ao Antaninanandrano no hahitan'ny olona an'Andriamanitra ? Tsy izay hahavonjy ny fanahin'ny olona ve no tanjona, na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana ? Tsy tokony mba handinika (reviser) ny Asa fitoriana ataony ve izy fa ny azy toa resaka materialy foana no important fa ny fanahin'ny olona dia ankilabao ?

29. jentilisa ( 26/10/2005 08:21)
Ny resaka fifohazana tokoa no niandohan\'ity tantara ity. Ny FJKM dia tara be vao nanaiky fa misy asan\'Andriamanitra ihany ao amin\'ny fifohazana. Ny FLM no efa nanaiky hatramin\'ny ela ka izany no mampandroso azy kokoa...ary raha mijery tsara ianareo dia hahatsapa fa efa toy ny fifohazana mihitsy no mitarika ao amin\'ny FLM. Ny FJKM kosa dia nieritreritra fa mety hampidi-doza amin\'ny tena finoana ny fisian\'ny fifohazana ao anaty fiangonana. Fantatra tsara ohatra fa tsy nankasitraka ny fifohazana mihitsy ny mpitandrina tao Tranovato Toamasina tamin\'ny androny (ilay retirety amin\'izao fotoana). Ny ijereko azy dia satria tsy nisy toy izany tany Eoropa dia izay tsy misy any Eoropa tsy tokony hisy eto koa. Izay ohatra no tsy hanekena mihitsy avy amin\'ny FJKM hoe miresaka amin\'ny nofy i Jesoa...tsy fantatra ny fahamarinan\'izany na tsia!
hiverina amin\'ny tantra ihany koa aho...
Sahirana dia sahirana tsy nety nahazo olona mihitsy ity misionera (Thunem) Loterana tao amin\'ny misiona nametrahana azy tao Soatanana. NIvezivezy izy, niresaka tamin\'ny olona. Nandresy lahatra azy ireo saingy mbola nitana mafy ny fitokiana tamin\'ny ody ny mponina manodidina. Ombiasa iray narary tsy mety sitrana (Rainisoalambo) indray mandeha no nivavaka tamin\'ny Andriaminitry ny Misionera sady nivoady fa raha sitrana amin\'ny feriny izy dia hanaraka io Andriamnitra io. Sitrana tokoa ny anao lahy ka nanry ny odiny rehetra...satria izay rahateo no baiko nataon\'ilay nanasitrana azy tao anatin\'ny nofiny. Ireo vondron\'olona mahaleo tena tamin\'ny voalohany ireo no tsikaritr-ity Misionera nolazaiko teo ka nanaovany tatitra tany Norway fa misy ihany ny \"fahazavana\" ary mendrika ny ampiana ireo olona ireo. Izay araka ny fijeriko azy no nahatonga ny Loterana heverina ihany koa fa fiangonana fifohazana sady mihevitra ho izany rahateo izy ireo.
Tamin\'ny FJKM kosa izany efa renareo izany fa vao 25 taona izay no nanekena azy ho sampana am-paingonana ary tsy manana toby lehibe nihaviana izy fa ny ao Anosivavaka no kasaina hatao toy izany. Ny asam-pifohazana tao anefa dia avy tamin\'ny baba Rajaofera izay izay avy taty Vatotsara no sady araka ny fahalalako indray ity Loterana ihany koa.
Tokony ho endrika vaovao izany fifohazana Tsy manana tobilehibe nihaviana izany mba tsy hiankinana aman\'olona milaza ho nilazan\'i Jesoa tamin\'ny nofy saingy...ara-tsaina be loatra ve?
Mitady hiankin-doha amin\'ny fisainana Eoropeana loatra ny mpitarika FJKM ka toy ny manosihosy ny zavatra efa nitranga teto Madagasikara.
30. estine ( 26/10/2005 08:26)
fa ny hoe secte ve tsy izay antokom-pinoana mitory sy manaratsy ny fiangonana'ny hafa e! tsy ny FJKM aloha sanatria no sekta fa ny filohany angamba:?::!::idea:
fa ny hoe evangelisation ary amin'ireto mpanidy fiangonana ireto ahoana? tsy tanteraka aloha eto ny hoe fahano ary ny Ondrino ,andraso ary ny Ondriko....
31. jentilisa ( 26/10/2005 08:31)
Vatotsara nolazaiko teo dia ao Antsirabe!
32. vahiny2004 ( 26/10/2005 08:36)
angamba tsy resaka fifohazana no tena olana fa ilay jalousie hoe mahazo olona be dia be ny FPVM e , mazava aloha fa resaka fifohazam-panahy no nisintona olona betsaka ho any ... Tokony hanaiky ny FJKM fa misy zavatra tokony hivoatra sy hiova ao aminy ao raha tsy izany tsy handeha intsony io. Na io nanakatonana fiangonana io aza dia efa manorisory kristiana hafa dia hihena ihany ny olona mandeha FJKM
33. jentilisa ( 26/10/2005 08:43)
Tsy hoe manorisory olona fa ny gasy olon'ny fo tsy maintsy momba izay voahitsaka!
34. vahiny2004 ( 26/10/2005 09:02)
jentilisa:

Tsy hoe manorisory olona fa ny gasy olon'ny fo tsy maintsy momba izay voahitsaka!



Izaho aloha tsy dia tena @ ilay hoe momba izay voahitsaka @ ity resaka iray ity e, fa tena mahita kosa fa tsy lasa mihintsy ity Foibe FJKM ity . Variana loatra @ vola ny Foibe ka manadino ny Fanahin'ny vahoaka, FPVM nefa ohatra anisan'ny mifototra betsaka @ Fanahy ka dia aleon'ny olona mandeha any.

Izaho aloha tsy FPVM , mbola tsy nandeha tao mihintsy aho
35. sonwin ( 26/10/2005 09:03)
lalina zany
36. Landrymimi ( 26/10/2005 09:04)
Ny vahaolana heveriko fa tokony hataon\'ny FJKM dia ny mamela ny Tobilehibe 4 (Soatanàna, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena) hiasa malalaka ao anatin\'ny FJKM dia ho hitanareo fa hilamina ny FJKM!
Tokony hanaiky koa ny FJKM fa Andriamanitra dia miasa ary miteny amin\'ny olona tsy ho voatery intellectuel fa na dia illétré aza ny olona, tsy ho voatery Teolojiana fa mety hiasan\'ny Fanahy Masina!
Ny soratra Masina dia milaza fa ny fomba ahafantarana ny mpaminany sandoka dia ny voany (résultat) no hamantarana azy: Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy! Ka amin\'ny cas FPVM, raha milaza Dada Randrianatoandro, filohan\'ny FPVM ho hitenenan\'i Jesoa amin\'ny alalan\'ny nofy, moa v mamoa voa ratsy izy? Jiolahy, mpanakorontana etc...
Ny FJKM dia tokony hanaiky fa Niasa ny Tompo tamin\'ny alalan\'ireo Tobilehibe efatra ireo ary d\'ailleurs, na nanangana fifohazana ange ny FJKM dia mbola fomba sy fitsipika avy amin\'ireo Tobilehibe ireo no nalainy e!!
Azo lazaina fa maka tahaka ny fomban\'ny Tobilehibe ny FJKM!!! Nefa iza no paka tahaka tao amin\'ny baiboly? Ny Egyptiana izay nanenjika ny zanak\'ISraely niditra tao anatin\'ny ranomasinja mena!! Dia mba naka tahaka koa ny Egyptiana, mba niditra koa, ahoana ny niafarany, maty tao anaty ranomasina ry zareo? Tokony handinika tsara izany ny SAFIF FJKM sy ireo mpitondra: Lala Rasendrahasina, James Rabehatonina, Rakotondramanana Harijaona, Rakotonirina Charles!! Samy mpanompon\'Andriamanitra daholo ireo ka tokony handinika tsara!! Atsaharo ny fanenjehana ny Fifohazana eto Madagasikara!!!!
37. lolabe ( 26/10/2005 09:48)
Efa hitako daholo le voalazanareo rehetra teo, tao ny nilaza fa mahazo volabe io fiangonana io, aminareo zanyny vola no tena zava-dehibe fa tsy ny famonjena? mahalala olona mivavaka ao za fa de le pasitera no hivavahana fa tsy A/tra, izay lazain\'ilay pasitera de tsy azo lavina daholo; mbola nisy nilaza teo fa izay naorin\'ny FJKM de tsy misy vanona daholo, ianareo aty andrenivohitra daholo ka tsy mahita ny any ambanivohitra any fa iza no tena manasoa ny vahoaka any tsy ny SAF FJKM? moa ve io FPVM anareo io mba misy asa soa ataony amin\'izany volabe lazainareo fa miditra ao izany? moa tsy ny fananan\'ilay pasitera no mia mitombo androa amanalina? mba mandefasa saina lavitra ary mba jereo ny zava-misy de hadihadio ny fananan\'io pasitera io, ianao mivavaka ao ve zao de manana fiara BMW sy Mercedes miisa 4 avy? Mba lazao hoe za hoe efa mba nisy nozarainy taminareo mpivavaka ve izay mba azony tao? De mba jereo ny ataon\'ny FJKM amin\'ireo mpivavaka ao aminy, mahazo tombony koka ny mpivavaka rehefa mankao @ io Saf fjkm io; raha ny momban\'ny toby tany manolotrony no tianareo lzaina de izao no marina raha ny fieverako sy ny fahenoako azy: an\'i FJKM io toby io, fa maninona no tadiavin\'ingahy Randrianatoandro havadika @ anarany? tsy fantatrareo zany fa mba mankanesa any antoerana de anontanio ny olona rehetra any fa efa t@ izany fotoana izany io lehilahy io no efa nieritreritraz ny anao fiangonana azy manokana. Ka mba lazao raha toa ka efa mba nisy asa soa nataony sy natsangany teto amin\'ny firenena amin\'izany volabe azony izany. Tsy ny filazana fa ny fahazoana olona betsaka no midika fa tena mahay fahagagana io pastira io, fa i Jesoa aza efa niteny fa na misy mivory amin\'ny anarako na iray naroa de eo afovoany a, raha tena milaza fa mivavaka no ataonareo ao @io FPVM io de aza ny isan\'ny olona miditra ao no jerena fa ny famonjena izay efa noraisinareo, ary aza ny vola azon\'ingahy Randrianatoandro koa no jerena sy entina hifaninana @ fiangonana hafa fa izay fasahianareo manampy ireny olona tsy ampy sakafo sy ny malahelo, ka aza manao tany avo avaratra hoy ny ntaolo ka ny efa midongona ihany no ampiana fa mba jereo ny tenanareo, mijereva lavitra fa Atra no hivavahana fa tsy ny vola sy ny laza akory.
38. jentilisa ( 26/10/2005 10:42)
Fa izaho aloha dia mitovy hevitra tamin'y La Gazette androany mihitsy e! saiky hanoratra ilay izy aho kay ny azy no tonga aloha!
Ny Apokalypsy indray izao no mety ho tratry ny fanakatonana!!!
39. pyzama ( 26/10/2005 11:02)
jentilisa:

Fa izaho aloha dia mitovy hevitra tamin'y La Gazette androany mihitsy e! saiky hanoratra ilay izy aho kay ny azy no tonga aloha!
Ny Apokalypsy indray izao no mety ho tratry ny fanakatonana!!!


Ny ahy dia izao fotsiny no angatahako amitsika rehetra, Ny mpitarika anay ao @ FPVM dia mapianatra anay foana fa "filaminana no ilaina" tsy noraisina fo fahavalo ny FJKM, fa raha izaho manokana aloha any @ tany tsy misy FPVM , any FJKM aho no mivavaka, @ izao anefa toa sadasada be ny anekeko izany fa kivy @ ireo mpitarika FJKM tateraka aho, ka izao " Miantso antsika aho ivavaka na dia 1 mn fotsiny ihany az ho anay mpivavaka ao @ FPVM mba ho tony foana ary koa hivavaka ho na'ny mpitondra mba hanafoana ny fanampahankevitra izay noraisiny fa efa hita fa "erreur judiciaire" indray ity naseho ity, mba tsy hilazana hoe aleo ny fonjan'i Antanimora sy tsiafahy no vahana fa ny fiangonana izay manova olona @ izao fiainana izao no akatona ,
Fahatoniana ihany aloha tazonina fa lasa mihitatra be ny coversation mandeha eny rehetra eny, ka hoataon'ny hafa fitaovana ny marivo saina ...
40. estine ( 26/10/2005 11:49)
ny miresabola any e ry lolabe de ny FJKM E ,jereo tsara raha mahavelona mpitandrina ny FJKM any ambanivohitra any , mba ilazao anie lala Rasendrahasina hitandrina any @banivohitra ra ety izy e .noravaina ny tranon'ny TABITA etsy @gilpin,lovasoa,ary gilpin koa atoato hatsanga vaovao,Vola avy aiza? avy @dRa8 ?ary notendren'ny fanjakana hitantana tetikasa ny SAF FJKM zao 'zay no ananany vola afahana manao asa eny anivon'ny fiarahamonina.
Ao @FPVM toa mbola misy ilay fitsinjovana ny mahantra toa ny tao @FJKM andravoahangy ihany(isaky ny krismasy,26jona,..tona vaovao)tsy hitanao 'zany ry lolabe.Mbola eo ampanorenana fiangonana ny any @banivohitra retra any ka tsy afaka misahana na manao BA(bonne Action tany @tily)ry 'zareo
fialonan'andriamatoa pastora Lala Rasendrahasina io:!::?: ary satria ekipan'ny fitondrana izy de manapratra fahefana @ ......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1546