Fiangonana nidina

41. dadabe ( 26/10/2005 12:59)
humm hay ve nisy an'izany resaka izany e:-w
42. sonwin ( 26/10/2005 13:28)
ampamoaka ny ato kle
43. Aroniaina ( 26/10/2005 14:17)
Salut! daholo , izao no lazaiko an'i Lolabe an! raha te-hiojery ianao izao moa efa nihidy ny fiangonanay dia tsy mahita ianao fa ny ao dia mizara sakafo ho an'ny mahatra isakin'ny Zoma ary miisa hatrany amin'ny 3000 izao ny mahatran'ny fiangonana ao amin'ny FPVM no homena sakafo ka aiza izay vitan'ny ao amin'ny SAF FJKM ? mba mety nanasoa ny mahatra ao ampiangonany ve i Lala Ra
44. Aroniaina ( 26/10/2005 14:30)
Tapaka moa ny hevitro teo fa mba manampy ny mahatra ve i Lala Rasendrahasina azafady ? ary mba mijery ny pasteur-ny any ambanivohitra any ve izy izay tsy misakafo zara raha miakanjo , mba mitsinjo ireny ve izy ary raha ny fananan'ny Pasteur Randrianatoandro indray no tianao dia tsy misy mpivavaka nijery izay fananany ankory tao fa ny mivavaka no naleha ao ary izay hampfoha ny Fanahy sy ny saina no atao fa tsy hoe hivavaka amin'i Pasteur ankory ary na tsy eo aza ny pasteur be dia, mivavaka foana ny olona fa tsy izy ange akory no hivavahana e! fa izy no mahay maka ny fon'ny olona ary mahay mampiditra sy mitazona ny ondry ao ambala fa raha mahay ny FJKM dia asaivo tazominy tsara ny ondriny fa raha izao no mitohy dia tsy ho voatazony velively ny ondriny satria tezitra amin'ny zavatra nataony ary raha ny any ambanivohitra indray an'iza ny toerana nananganana ny fiangonana FJKM an'ny mpivavaka tao ihany ka rehefa niala tao amin'ny FJKM izy fan nifindra FPVM ka mila ny taniny ve dia lazaina fa an'ny FJKM ny tany taiza no nananan'ny FJKM tany any ambanivohitra tany raha tsy hoe mividy angaha , fa raha an'ilay olona nifindra kosa ny tany nanorenana fiangonana tsy zoany ve ary ny maka ny taniny aminareo ? fa io rasaka io dia fialonana be mihitsy no azoko ambara e! fa raha ohatra ka te-hanana fiara sy vola i Lala Rasendrahasina dia asaivo ovany ny toetriny fa tsy manao mimi na saka amin'i ra8 izy fa tsy mety izany mpit
45. vetsoko ( 26/10/2005 14:38)
FANAZAVANA HO AN\'I LOLABE
HITA TANTERAKA MANDRITRA NY FANAZAVANAO FATSY NAHARAKA NY TENA MARINA REHETRA T@ ITY TANTARA ITY IANAO.tantara tsy vao omaly io fa efa ela,ary vao nanomboka nisy ny fifohazam-panhy tao dago dia efa naminany ireo filohan\'ny toby lehibe 4 fa ts ho mora ny fampidirana ny tena fifohazam-panahy ao dago,teny faminaniana io,tenin\'andriamanitra noho izany tsy maintsy tanteraka.IZAHO lazaiko anao fa dia mpandray andraikitra @ fiangonana FJKM?FA IZAHO SAHY MILAZA AMINAO fa isika FJKM TSY MANDRESY LAHATRA NY OLONA NY METHODE FITORIAN-TSIKA AN\'i JESOSY,VOALOHANY SATRIA tsy primordial amintsika fjkm mihintsy ny mandresy lahatra ny ondry hino sy HIFANDRAY TANTERAKA @ Andriamanitra,lasa RITUEL ny antsika ny fivavahana vokatry ny théologie be loatra,fantaro fa ny mahay théologie be loatra dia mitarika any @ tsy finoana an\' Andriamanitra toy ny nataon\'ny fariseo .Lasa fikambanana,fialam-boly,activité amintsika ny fivavahana ary efa ela aho no nahatsikaritra an\'izany.FA HIDITRA @ TENA ANTONY MARINA MIKASIKA ITY RAHARAHA ITY NY TENAKO dia anjaran\'ny tsi11 no misaina avy eo,Marihiko fa mpanao gazety ny tenako manoratra ary mpanao gazety presse écrite,manao analyse noho izany manana source maro sy fiable fa tsy opinioko akory na hoe fihetseham-po tahaka ny ataon\'ny maro.
EFA ela no nenjehina ny pasitera RANDRIANATOANDRO JEAN JOSEPH,ny fifohazana manolotrony noho ireo antony voalazan\'i [u]avylavitra sy landimimi tery ambony,tsy hiverenako iny fa marina,a noohazin\'ny fjkm ny raharaha nanomboka ny taona 2000,ny antony dia toy izao manaraka izao:Hiditra hanao politika ny fjkm satria efa ambitiony efa ela izany ary manana candidat heveriny fa manana profil ho président izy dia i ra8 io,nalefa ny zaikabe dia nolaniana ho filoha lefitry ny fjkm i ra8,@ izay manana accés @ publique,niditra ben\'ny tanana ets...dia nalefa ny précampagne maro samihafa ary dia natao fitaovana tanteraka ny fiangonana t@ izany,indrisy!TONGA ny fifidianana t@ 2002 dia nirotsaka ho candidat i ra8 araka ny efa pévu.IZAO no situation nisy t@ izany:nifandimby nandresy lahatra sy nanamby vola be an\'i pasitera randrianatoandro na ny arema na ny tsy miankina na ny TIM, ny objéctif dia ny mba hitaritan\'i pasitera randrianatoandro hny vahoaka izay mihiisa 25.000 tany hoany t@ izany hifidy ny arema,na ny TIM.Tsy naniky i pasitera sy ny fifohazana manolotrony satria ny fiangonana sy ny fivavahana tsy tokony hatao fitaovana politika.Stratégique anefa ny situation\'ny fjkm andravohangy fivavahana @ fifidianana filoham-pirenena sy ny législative satia betsaka olona ao ary fantatry ny fjkm tsara izany,noho izany tsy maintsy notadiavina ny moyen rehetra hanana main mise ao @ ireo vahoaka be ireo,dia nampalahelo fa ny moyen hitan\'ny fjkm dia ny nanery an\'ny pasitera randrianatoandro,nanao menace,dia nofohazina indray le fanenjehana taloha izay efa hita fa ABSURDES,ny niafarany dia noroahina mihintsy ny pasitera sy ny fifohazana rehefa tsy nanaiky ary marina ny azy satria tsy atao kilalao ohatr\'izany vahoakan\'andriamanitra ary tsy anelezan-kevitra politika sy fampatoritoriana olona akory ny fiangonana.Rehefza nihenjan-droa ny tady dia nanapak\'hevitra ny mpivavaka tao @ fjkm andravoahangy fivavahana sy ny fifohazana fa hiala am-panajana nohon\'ny tenin\'andriamanitra sy ny baikon\'ny ray amandrenin\'ny fifohazana fa tsy tokony hiady,dia niala izy rehfa avy nenjehin\'ny fanjakana sy nogadrainy mihintsy ny mpitarika 6 tao @ fiangonana,IO FARANY IO NO TENA MAMPALAHELO KANEFA DIA INDRISY FA NY FJKM MPITONDRA FIVAVAHANA NO NANATANTERAKA IZANY,céest vraimaent déçevant mais c\'est un fait regretable,tezitra ny vahoaka nahita izany maladresse be dia be nataon\'ny fanjakana(FJKM) izany dia nanaraka an\'i pasitera tany @ taninanandrano ampandrana ary dia marina ny azy,dia niforona ny FPVM,tsy nijanona teo anefa ny olana satria vao maika niha-tezitra ny fjkm nahita izany satria hoe resy ary ny tena olàna dia betsaka no niala tany @ fjkm ny vahoaka t@ izany,vokany ni-pomettre vengence terrible i RASENDRAHASINA LALA vokatry ny échec dia io farany io no situatin finale
Mikasika ny filoha ra8 dia nataony fitaovana tanteraka ny fiangonana ahatongavanateo @ fitondrana dia maro ny malagasy no nihevitra fa tena olona mivavaka ra8,et bien détromper vous car je le connais bien avant ça,saingy nidirany ny fivavahana satria cétait le chemin le plus court et sur déarriver au pouvoir araka ny fitenin\'ilay bandy nanao stratégieny t@ fifidianana.MARINA DIA MARINA KOA NY RESA-bola izy ity satria nanana trosa be ny filohan\'ny fjkm t@izny fotoana izany ary tao andravoahangy no niheritreretana hi récupérena azy dia natao ny préssion isan-karazany,izany ry lolabe antony daholo,ka fantatrao ve izany rehetra izany,,,,,,????????
Mazava be tsy ara-dalana sady tsy ara-drariny ity nanidina ny fiangonana FPVM ity saingy notanterahiny ihany satria azy sy ny fjkm ny fitondrana,mihevitra izy fa ambonin\'ny lalana izay no tsy hirarahiny azy na anticonstitutionnel aza ny fihetsika nataony,ary izao koa no fantarontsika rehetra fa ny tenin\'andriamanitra tsy maintsy tanteraka dia ny hoe ho henjehina ianareo ary ho alan\'izao tontolo izao nohon\'ny anarako ka NA IANAO AO ANATIN\'ny MANENJIKA NA AO ANATIN NY HENJEHINA FA NY TENIN ANDRIAMANITRA TSY MAINTSY TANTERAKA.
RATSY RATSIRAKA FA TSY TONGA T@ IZANY REHETRA IZANY
MANINONA RAHA -DECRETEN-DRA8 FA LASA FIVAVAHAM-PANJAKANA NY FJKM,dia mi obéir ny ambany lanitra.
46. Aroniaina ( 26/10/2005 14:39)
mpitarika manao saka be na sotro be lava tao fa mahamenatra be izany sady ianao ange ka hirak'Andriamanitra ety an-tany koa nahoana no manao izany toetra izany sa hoe i Ra8 ao anatin'ny Saf FJKM dia afaka manao izay tianareo atao tsia tsy mety io saina io mandehana mifona amin'Andriamanitra fa tsy mety ny natao fa henatra be eo anatrehan'Andriamanitra izao ary heloka be dia be no atao ka mifona re.Ary i Lolabe diniho tsara aloha ny zavatra ambara fa sao dia hors sujet ianao any aoariana any ka tsy mety fa diniho ary avadibadio in-8 ny saina vao miteny fa mahamenatra raha tsy mahalala nefa mamorina fotsiny . Ka dia izay mivavaha ry Mpino ao amin'ny FPVM fa tsy misy afatsy ny vavaka ihany tadidio ny tenin'i Psteur be hoe : " Vavaka Manova zavatra " ka dia izay ihany no lazaiko e!
47. xxx ( 26/10/2005 14:47)
misaotra ani vetsoko nanazava ny tena marina,tena marina izany rehetra izany fa tsy coincidence akory ny zava-drehetra,mahamenatra hoe izany no nataon'ny mpitondra antsika,RAHOVIANA MOA NY FIFIDIANANA,,,,???IZAHAY MANTSY CATHOLIQUE DIA OHATRAN'NY TSY TIANAY NY HOENTIN'IETO JKM IRETO
48. bichette ( 26/10/2005 14:51)
vetsoko lolabe landrimimi jentilisa azonareo atao ve ny manisy elanelana andalana iray na roa rehefa miova paragraphe fa sarotra vakina be ny soratrareo :°) :-o :-*
49. Herimiafina ( 26/10/2005 15:43)
Mifankatiava rankizy an. Love love toujours.(l)(l)
50. jentilisa ( 27/10/2005 08:09)
Aza fady bichette fa asiako andalana iray elanelana rehefa manoratra amin'ny manaraka an!
51. jentilisa ( 27/10/2005 08:22)
Izaho dia nahare resaka avy amin'iny faritra ambanivohitra iray eto Analamanga...naorin'ny FPVM hilahatra amin'ny FJKM ny fiangonany.

Dia rehefa tonga ny Alahady dia avoakan'ny FPVM ety ivelany manandrify ny FJKM ny sono...manasa artista evanjelika ry zareo dia mitatatata mafy amin'izay ny hira sy ny hoby. Tsy misy na inona na inona heno ao @ FJKM raha tsy izay mitranga rehetra ao amin'ny FPVM!

rariny ve izany? sa izay ilay isintonana kil? Sao dia izay kosa no tena mahatonga ilay teny hoe fanakorontanana? Marihiko etoana fa olom-panjakana io olona niteny tamiko io...
52. sonwin ( 27/10/2005 08:42)
53. dadabe ( 27/10/2005 10:20)
ampamoaka izy ity ry frera a:^)
54. rsamfm ( 28/10/2005 04:42)
Na dia nanao famoriana mpanao gazety aza ny FJKM ny 27/10/2005 teo, dia hita ho tsy naharesy lahatra ny maro ihany ilay fanazavana. Nilaza tsy ho tompon'antoka izy, nefa koa mbola handeha hanangona ny porofo rehetra eraky ny sinodam-paritany 36 raha ny filazany azy. Porofo hatao inona ? Misy fiteny vahiny izay manao hoe QUAND ON VEUT TUER SON CHIEN ON L'ACCUSE DE RAGE. Ny tiako holazaina ho an'izay tsy mahazo tsara ny heviny dia izao: Hangonina ve ilay porofo sa hoforonina mba hanamarinan-tena ho an'ny FJKM ? Jereo tsara izay voalazan'i Vetsoko fa ireny ilay fanehoan-kevitra saiky hampitaiko, nefa isaorako azy manokana fa dia tafitany soa ny hafatra. Mankatelina anao ry namana. Tena marina fa lasa RITUEL sisa ny ao ampiangonana FJKM. Tsy fantatro raha hiova amin'izao fotoana, fa raha ny niangonako farany tao amin'ny Katedraly FJKM Analakely izay, dia ny vaovaom-piangonana no mibahan-toerana any akaikin'ny fiafaran'ny fotoam-pivavahana. Raha miditra amin'ny fiangonam-pifohazana indray ianao, dia ny toriteny no apetraka any aorian'ny raharaham-piangonana, mialoha kely ny famaranana ny fotoam-pivavahana. Ny antony, raha ny fisainako azy manokana, ary hitako fa mety, dia izao: satria ny momba ny fiainam-panahy no tokony ho betsaka entin'ny olona mody sy resahiny eny an-dalana mody, fa tsy ny resaka materialy (Tsy sanatria manamaivana ny raharaha tokony horaisin'ny mpino eo anivon'ny fiangonana no hilazako an'io an!). Rehefa tafatoetra tsara amin'ny finoana ny mpino, dia handeha ho azy toy ny rano tsy voizina ny fanolorany izay anjara tokony ho an'i Kaisara, sy ny tokony ho an'Andriamanitra. Ary izay ilay tian'Andriamanitra 'Satria izay manome am-pifaliana no ankasitrahana hoy izy Tompo'. Sao mantsy hisy handray an-tendrony toa an'i Lolabe ny rehetra. Tsara foana ny mangina rehefa tsy dia mahalala zavatra loatra, noho ny hiteniteny foana ka ho rakotry ny henatra. Marina fa tsy voatery hifankahalala mivantana isika, noho ny maha-virtuel fotsiny ny an'ny sasany. Saingy ny honnêteten'ny tena koa mba asiana hasiny ihany. Valin'ilay resaka vola lazain'ny Lolabe dia izao, ary mino aho fa mahalala momba an'io toa ahy koa i Vetsoko: Mandray anjara isan-kerinandro manome sakafo ny voafonja eny Antanimora ry zareo Fifohazana ao Antaninanandrano( sakafon'ny vatana sy ny fanahy io, anisan'izay efa nanana ny maditra niditra teny mantsy izahay ka izany no hitan'ny teny) Voalaza tamin'izany fa ny Aumoneri Catholique koa no an'isany manampy ny fonja toy izany. Mizara sakafo ho an'ny mahantran'ny fiangonany koa izy isaky ny zoma, ary tsy vitsy io fa toa misy liste lava mihitsy an!, ary avahany manokana mihitsy aza ny resaka be antitra amin'ny resaka oeuvre sociale rehetra ataony. Mba firy amin-tsika FJKM moa no manome rakitra voady ho fanampiana ny mahantra sy ny pasitorany, na ho fampandehanan-draharaha ao amin'ny fiangonana fotsiny aza, toy izay nahavitan'ny FPVM an'io fiangonany io tamin'ny alalan'ny rakitra sy voady isan'Alahady, ka nahitany izany 7 milliard izany?. Izao fotsiny ihany koa e, "Ny voninahitra dia an'Andriamanitra irery ihany" ary raha ny fahalalako sy fijeriko azy dia tadidio tsara fa ny mpivavaka anie ka presque olona mbola mitady famonjena ara-panahy daholo ny ankamaroany e ! Ny tiako ho lazaina dia izao, tsy olona mpanefoefo daholo akory no mivavaka ao ka hoe samy nandefa rakitra 1.000 Fmg isan'olona, izany hoe tena an'Andriamanitra mihitsy ny asa amin'ny fiangonana matoa izy mandroso fa raha ny vola no resahina tsy misy mpanambola hahafoy an'izany 7 milliard izany raha ny mpivavaka ao. Nefa raha Andriamanitra no miasa, iza moa no hahasakana azy ?
Io no isan'ny nandranitra ilay efa fialonana niotrika ela tao amin-dry pastera Lala Rasendrahasina sy James Rabehatonina. Be ny asa ataon'io FPVM io no tsy ataon'ny FJKM ary izay no mahamenatra sy mahatonga ny fialonana. Marina fa tsy mbola ananany ny resaka sekoly sy ny dispensaire, nefa mino aho fa raha nomena azy ny fahalalahana hanohy, dia tsy ho ambaka an'izay efa misy ankehitriny no hiseho. Vao taona vitsy lasa izao ny anay teny Ankadikely Ilafy no mba nahatsiaro tena ny mpivavaka ka naka tahaka ny tao Antaninanandrano ary nanolotra fiara ho an'ny Pasteur. Dia heloka koa ve izay fihetsika izay, ka sanatria hisy mpitandrina FJKM hafa koa hiteny toy izay natao tamin'Andravoahangy Fivavahana fahiny hoe: Fa nahoana ny pastera eny Ankadikely Ilafy no manana Fiara sns..... Toy izay mantsy no fanaon'ny ao amin'ny FPVM ary fantatry ny rehetra io afa-tsy Lolabe ihany angamba! Rehefa mandeha mission any amin'ny faritany ireny aho dia mahita ny FPVM mikarakara tsara ny Iraka na ny Pastorany sy ny momba azy. Mandefa fanampiana eran'ny Nosy ho azy ireny tsy ankanavaka ary mahavita mitety vohitra tokoa. Fambaboana ny fon'olona ve ? Tsy ahy no hitsara an'izay fa hita aloha ilay elanelana misy amin'ny fomba fikarakarana ny mpitory filazantsra alefan'ny FJKM sy ny alefan'ny FPVM e! Mahatsiaro ho latsaka ambany ny avy amin'ny FJKM any amin'ireny faritra lavitra ny foibe ireny. Zavatra hitako ireo nandritra ny mission maromaro nalehako eran'ny Madagasikara. Tonga tany Antsohihy aho tamin'ny Mai-Juin 2003 nanao mission niaraka tamin'olona marobe, dia tao amin'ny FJKM Faravohitra Antsohihy foana no nivavaka. Nisy tanana tao hoe Ambalahonko nolazaina tao ampiangonana fa vao avy nesorin'ny FJKM tao anatin'ny tsy fahalalalana an'Andriamanitra, koa dia nangataka tamin'ny mpino ny mpitandrina sy ny sinoda mba hanome baiboly sy fihirana miisa folo ety am-boalohany ary izay azo hatolotra an'ireo olona ireo, sao hono ka miverin-dalana indray izy ireny. Tsy nisy na iray aza tamin'ireo mpino FJKM mba nihetsika volomaso nanolotra izay foiny. Iza hoy ianao no nanao: mpivavaka iray avy ao Antaninanandrano no nanolotra ny baiboly teny an-tanany, sy koa mbola nividy ny fihirana rehetra ho an'ireo tokantrano vao avy nofohazina ireo sy nanolotra izany teono ho eo ihany tao amin'io FJKM Faravohitra Antsohihy io. Afaka manamarina izany isika FJKM aty amin'ny Foibe ary manontany an'i Mr Richard mpiandraikitra ny tanora tao amin'io fitandremana io. Nony novakiana teny ambony pilipitra anefa ny momba izany fanolorana izany dia sanganehana mafy Mr Richard hilaza ny fiavian'ny tolotra hoe avy amin'ny FPVM. Jereo tsara fa efa hatrany ilay resaka no nanomboka an!. Misy soratra mazava tsara tao anatin'ireny fanolorany ireny hoe NOMENA MAIMAIM-POANA IANAO KOA AOKA HIZARA MAIMAIM-POANA. Ary ny hoe AZA MAMIHINA NY SOA AMIN'IZAY TOKONY HOMENA AZY RAHA AZON'NY TANANAO ATAO IHANY (Ohabolana 3: 27). Dia ireo teny ireo ihany no novakiany fa niniana tsy nolazaina ny hoe avy amin'ny mpiaramivavaka ao amin'ny FPVM. Nefa mino aho fa raha antokom-pinoana hafa, ohatra ho rahalahy catolika na hafa ao anaty FFKM no nanolotra, inoako tsy ampiambahambana fa dia nolazaina ho rem-poko ho ren-danitra ny fiavian'ilay tolotra. Izay ilay kileman-tsika FJKM. Tsy nampianarina izany fomba izany ve sa ...? Asa ...? Miala tsiny fa tsy procés Lolabe akory no ataoko, fa fanitsiana ny fomba fisainana fotsiny hoe aleo tsy miteny rehefa tsy dia mahalala zavatra loatra. Mijery sy mihaino toy ny hafa rehetra dia maka lesona amin'izay miseho.
Tafaresaka tamin'ny iray tamin'ireo zandary tonga teny Antaninanandrano aho tamin'io Alarobia io dia izao no resaka nataony ahy: 'Rehefa tsy zanak'i dada r'ise dia mamay ah! Raha hifamaly lava toy izao ny resaka fivavahana , tsy aleo ihany toa anay. Izao izahay midaina dia milay ny fiainana. (Anjaran-tsika ny manome izay sens tiantsika honema an'ilay hoe midaina. Fa tateriko araka izay nolazainy fotsiny io). Ary mbola nampiany hoe Jamais deux sans trois ry zandry a!. Ity phrase farany nataony ity dia azo ampifandraisina amin'ilay nolazain'ny Pyzama fa hitany tany anaty La Gazette tamin'ny 26/10/2005 momba ny Apokalipsy, izay efa manomboka mitaraina koa ankehitriny amin'ny sakantsakana ataon'ny mpitondra isan'ambaratongany amin'ny fahafahany maneho sy mitory ankalalahana ny finoany ( Fivahinianan'ny Apokalipsy tao amin'ny Radio ACCEM no nakako ity vaovao ity) .
Efa tsikera hatrany amin'ilay ZAIKABE TULEAR ny hoe: ahoana ny pasteur ao Andravoahangy no manana fiara, no iantohana ny carburant sns ... Tsy fantatro aloha na iantohana ny carburant na tsia an! Fa izao, jereo ny Baibolin-tsika fa misy izao teny izao any (miala tsiny fa tsy tadidiko loatra ny toko ny andininy. MANOMEZA ZAVA-TSOA HO AN'IZAY MAMPIANATRA ANAREO. Koa Inona tokoa moa ny olana raha mba mahafoy toy izany ny olona, indrindra fa resaka ara-panahy no nahazoany tombony fa tsy ny ara-nofo ihany. IO ILAY LAZAIN'NY Vetsoko HOE ILAY RESAKA METHODE FITORIANA TSY ATAON'NY FJKM PRIMORDIAL, FA RITUEL SISA. Misy mpiara-miasa amin'ny olona ato antokantranoko, ao amin'ny ' M.I.S.Tsiadana', ary mpiangona ao AMBATOVINAKY nilaza omaly fa hoe: Lalàna io ka aleo hikatona rehefa akatona, ary izahay koa ao Ambatovinaky efa tenenin'ny pasteranay foana hoe tandremo ianareo sao mandeha any Antaninanandrano any fa dia vita hatreo ny aminareo. Tsy asiako commentaire iny fa anjarantsika tsi11 no manakatra ny zavatra fonosiny. Ka iza marina ary no manery an'iza ary iza no manakana an'iza amin'izy ity, raha ianareo no anontaniana? Izay indray aloha fa mihainohaino izay ho tohiny eny foana e! Jereo anie io tenin'i XXX hoe IZAHAY CATHOLIQUE TSY HIFIDY FJKM INTSONY AMIN'NY FIFIDIANANA E! Afa-baraka isika protestant zalahy fa mba misaina sy mampisaina ny ao aminy avy a! Na FPVM io na FJKM. Tsy anavahana fa lasa ITENENAN-DRATSY NY ANARAN'ANDRIAMANITRA SY NY FANAHY MASINA, MARINA E! Sa dia efa samy manana ny ataony hoe Andriamanitra sy Fanahy masina araka izay tiany hamaritana azy koa ankehitriny? Toy izay fanaon'ny mpanompo sampy, afaka mifidy izay hazo kely na vato kely na volana sy ny masoandro ho solon'ny andriamaniny hivavahany? Asa .....
55. jentilisa ( 28/10/2005 05:49)
Pasitera Ivola sa Pasitera Martin hono no niteny izany tao Ambatovinaky izany?
Aleo lazaiko aloha fa ry Christophe Ratrema mianakavy dia niangona tao Fa tsy hitako intsony tao ho ao. Dia i Fara Andriamanjato koa moa!
Mba te-hahalala aho hoe oviana nonisy izany teny izany! tsy miteny aho hoe tsy possible ny nisian'ny teny fa ilay fomba nitenenana azy no mety hisy fiovany an!
56. avylavitra ( 28/10/2005 08:13)
jentilisa
vao haingana hono io teny io no nitrangana, am-bolana teo e! Ry Christophe Ratrema ve tsy FPVM ? Mato aizy izany niala FJKM dia AO RAHA ...
57. jentilisa ( 28/10/2005 08:21)
Ka flm anie izany Ambatovinaky izany fa tsy fjkm e!
58. vahiny2004 ( 28/10/2005 09:45)
rsamfm >>> lava lôtra ka tsy voavaky aby

Tokony handinika mihintsy ny FJKM fa ilay fomba fitoriana no efa tsy mifanaraka @ andrasan'ny vahoaka e ... tsy mandresy lahatra sady tsy "mampafàna"

Tsy ny fandrantsanana ny hafa akory no hampandeha ny FJKM
59. rsamfm ( 28/10/2005 11:16)
Hevitra hafa indray ity momba ilay gazety novakiako teo. Mialatsiny Vahiny2004 raha lava fa tena mba sambany maneho hevitra ny namanao a! Ifonana ny halavany.
Ny ahy aloha ny mba hevitro mikasika ilay nahazon-dry zareo ao Antaninandrano vola 7 milliard nananganana io fiangonana io, toa tsy dia mampisalasala ahy ny milaza fa "Tena miasa ao amin'io fiangonana io tokoa Andriamanitra" satria raha ohatra ve rakitra kely isan'alahady @ 1.000 FMG ohatra raha fara-fahabeny dia hahavita izany ao anatin'ny 3 taona monja (vola anie izany rey olona e !), kanefa tsy izay ihany no sahaniny fa mbola ao koa ny fanampiany ireo FPVM sasany any ivelan'Antananarivo (toy ny fananganana fiangonana FPVM zanany, fanampiana ireo mpitandrina, mahantra...) mbola vola koa izany. Koa ohatra ny te hiteny aho hoe: sao dia Andriamanitra mihitsy ity tsikerain-tsika sy anaovan-tsika ady hevitra ity? Mbola averiko ihany fa hoy ny teniny hoe "RAHA MIASA AHO IZA NO HAHASAKANA AHY", ary tiany haseho tokoa angamba ny voninahiny ka @ ireo vahoakan'Andriamanitra mahantra ireo no nanehoany izany mba hahafantaran'ny mpanam-bola fa tsy ny vola mihitsy no tokony hibaiko ny fivavahana. Tokony samy hieritreritra tsara ihany. Voalaza indray koa anio (28/10/2005) t@ gazety (Vaovaon-tsika) izay anisany dinika nataon'ny FJKM, fa hoe nisy rakitra 500.000.000 Fmg an'Andravoahangy Fivavahana, nalain'ny FPVM ka nananganana io fiangonana io, asa tokoa ! fa ndeha ataon-tsika ary hoe sanatria izay tokoa no izy (3 taona lasa izay) : raha voaroaka tao Andravoahangy Fivavahana angaha moa ry zareo Manolotrony, tsy nisy angaha ilay atao hoe Passation de service na eo amin'ny resaka fitantanana izany, na eo @ ara-bola, tsy hita t@ izany ve fa misy io 500.000.000 FMG io tsy hita ? Raha ny toetsain'ny FJKM @ izao fitrangan-javatra izao koa no jerena tsy hanaiky velively ny fisian'izany rakitra tsy hita izany mihitsy ry zareo e ! Naninona no tsy t@ izany fotoana dia efa tsy nangataka andro nanao fitoriana t@ izany ? Antony tena lehibe anie izany e, resaka sonorisation mafy sy fibodoana fananan'ny FJKM aza (izay tsy dia idirako loatra ny fahamarinany) dia tonga dia nanakatonan-dry zareo ilay FPVM, maika fa hoe nisy tokoa izany resa-bola izany, izaho aloha ohatry ny tsy resy lahatra ny @ izany e ! Ary ahoana koa moa ity hoe fifonana imasom-bahoaka ity e ? Fa aiza ary ny maha-mpitondra fivavahana anareo ry FJKM a ! Dia ianareo indray izany ve no hampianatra ny vahoaka fa tsy mety ny fifonana raha tsy hatao eo imasom-bahoaka, fa iza koa moa no tokony hifonana e!, olombelona sa Andriamanitra ? Iza no ambony aminareo? Asa koa moa isika raha mba mpihaino radio Antsiva fa ny ahy dia anisan'ny mba fihainoko rehefa misy toe-javatra mafampana miseho eto M/kara. T@ alahady teo ny solontenan'ny FPVM efa nitondra ny resaka fanazavana momba io resaka io, ary t@ izany izy dia efa nangataka fifonana sy famelan-keloka, noho izay fahadisoana vitan-dry zareo izay, ary vonona tokoa ny handefitra ny @ izay tokony atao, mba hisian'ny filaminana. Toa tsy dia mifanalavitra loatra ny toetran'ny FJKM sy ny mbola toetran'ny jentilisa raha izao no mitranga satria, ohatr'ireny olon-droa miady ireny ka tsy manaiky mihitsy (FJKM io) raha tsy lelafim-paladia. Mahamenatra e ! Tadidio fa tokony ho masina ianareo na eo @ fitondran-tena, na eo @ fiteny, na eo @ fihetsika izay hataonareo rehetra, ary tokony hiezaka tokoa manoloana ireo ondry kely sisa ao ambala sao sanatria ka ny kely an-tanana indray no hafoy ! Ialako tsiny indrindra aloha fa ohatry ny mitongilana FPVM aho satria, hatreto aloha, dia mbola tsy afapo mihitsy aho ny @ tena antony lehibe nanakatonana ilay FPVM, tsy tokony hijerena ny toerana misy ny ts11 akory (akaiky an'i dada na tsia). Izay no izy. Dia samy miandry hatrany ny ho tohiny isika, saingy kosa samia mitondra am-bavaka ity raharaha ity mba hiravona haingana fa tena maha-menatra e !
60. dadabe ( 28/10/2005 11:29)
rsamfm > tsara le hevitra fa lava be lotra ,tokony asianao andalana kely na nataonao gras ilay izy dia mety hita tsara :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.519