Fiangonana nidina

101. sonwin ( 08/11/2005 22:27)
mifanahy vary zareo nefa iray ihany, hita dolo ny nafenina sy ny folaitra:^)
aly> he he he hevitra tsara ilay hanao pasitera:°), tonga de hoe za no velomina an!
102. estine ( 09/11/2005 08:11)
anao pasitera :maniry hanao asa tsara hoy ny soratra Masina izay hanao mpitandrina ,nefa ireto voaresaka @dinika ireto tô :?::?::?::?::?::?::idea:
ny vola @ voady ho any pastera anie vidim-bavaka e! tonga de positive ny valiny @io8O:):?:
103. Landrymimi ( 09/11/2005 11:57)
Estine:
Ny fifohazana Manolotrony, amin\'ny maha-Toby azy dia miasa malalaka ao amin\'ny fiangonana izay mandray azy!Ny dikany hoe V: amin\'ny FPVM tsy midika hoe ho fifohazana izy! Zavatra 2 samy hafa ireo. Ny FPVM tsy ho voatery ho fifohazana daholo: misy ny sampana hafa toy ny antoko mpihira, dorkasy, skoto, lehilay sns...Fa saingy ny fifohazana no avokavoka mampandroso ny fiangonana dia izay no antony mampahazo vahana azy!
Ny dikany hoe: Vaovao dia hoe réformé: vaovao ny fomba fijery, ny fomba fanao, ny liturgie etc...

Mikasika ny fidiram-bolan\'ny mpitandrina:
- Efa voalazan\'ny soratra masina fa:\"Tsarovy ny mpitondra anareo... jereo ny fiafarany...\"
Mety sady rariny raha manome fanomezana hoan\'ny mpitandrina ny olona ary d\'ailleurs tsy ny ao Antaninanandrano no manao an\'izany! Efa fomban\'ny fiangonana hatramin\'ny ela izany amin\'ireny alahadin\'ny mpitandrina ireny izay anomezana an\'ilay pastora ny rakitra rehetra amin\'io fotoana io!!!
Dia hodisoantsika v izany fihetsika izany?
- Aly: enao milaza fa ndeha hanao masitera amin\'izay mahazo vola: aza dia maniratsira ny asan\' Andriamanitra re e!!! Volazan\'ny soratra masina fa \"Izay maniry ny asan\'ny mpitandrina dia maniry asa tsara...\" Fa saingy ny motivation itondranao azy toa miendrika faniratsirana! Marina fa virtuel ny resaka ataontsika eto fa tasrovy fa hitan\'Andriamanitra daholo io soratanan-tsika io!!Mbo matahora re an\'Andriamanitra e!!
- Milaza ianareo fa tia vola dada Randrianantoandro sy dadatoa Lala Rasendrahasina: Andriamanitra ange tsy nifidy anjely e! olombelona mety manana ny fahalemeny ireo: aza manao fijery subjectif re fa mba objectif rehefa miteny! Tsy hoe manamarina ny fahalemen\'ny olona izaho fa raha négatif i Randrianantoandro na i Rasendrahasina:anjarany sy i Jesoa izany! Ny mampatsara ny relation-nao min\'ilay Tomponao no atao fa tsy ilaozana mitsikera ny fiainan\'ny hafa! Enao io v aloha: Aiza ho aiza ny lanitra ianao; moa efa niditra sa ao ivelany? Izaho sy ianao no aoka handinika tsara!
Mirary soa hoanao mpamaky!
104. jentilisa ( 09/11/2005 13:38)
Tsy misy anjely tokoa isika eto ambonnin'ny tany fa ny mifikitra amin'ny hadisoana no tsy mety loatra.
105. mimiso ( 09/11/2005 20:18)
De inn ko zao ny tombotsoa azon''Fjkm @ le fanakatonana fiangonana ? Ny ondry indray ve ny azy no sakanana tsy ho ao am-bala, mahamenatra ilay toe-tsaina raha izany!. Tsy izay hahavonjy ny fanahy ve no ataon-jareo fa ilaozana mitsongolka ny fiainam-piangonan'ny hafa ?mampalahelo
106. sonwin ( 09/11/2005 21:28)
ie mampalahelo zareo fa miady an-trano, mampatsiahy ilay hira hoe "...kristianina ve no anarany...", hiran-dry zareo ihany io an
107. estine ( 10/11/2005 08:34)
indrisy, tsy nitompona ny fiapangana,fanafoana ny fikambanana FPVM kay hono ny didy fa tsy fanidiana trano fotsiny , NON LIEU hono ny tao @chambre administrative,ho vita hatreo ve 'zany ny tantaran'ny FPVM
tonga @le tantaran'ny zanaka adala ity zany:hody ao @dada FJKM,KATOLIKA,LOTERIANA,.....
108. jentilisa ( 10/11/2005 10:11)
ny mahavarina tokoa dia mamporisika hiverina ny fjkm! saingy hanaiky izany ve ny fpvm?

Na dia noho ny zvatra niharana fotsiny aza dia sarotra ny mino izany. Omeo porofo ireo olona ireo fa tena diso ilay fiangonana ary tena nanakorontana satria hita fa izay nolazain'ny foibe fjkm ampahibemaso toa tsy misy mitombina ankehitriny.

tahaka ny maneso ny fpvm ieo mamporisika hiverina fa aleo ireo olona ireo hanana ny safidiny malalaka.

Raha tsy mamela heloka ny fjkm, moa mino ve izy fa havelan'Andriamanitra ny helony? Vakio matio 18 aza fady!

raha misy moa ny olona mitoroka ahy any amin'ny pasitera tsy mampaninona ahy izany!
109. sonwin ( 10/11/2005 10:33)
Fa samihafa be nga ny finoana Fpvm sy Fjkm e? ataoko samy protestanta ihany ireo!...sa ilay anaram-piangonana sy pasitera mihitsy no zava-dehibe?
110. yonikafopl ( 10/11/2005 13:40)
sonwin tsy ny anarampinoana na ny pasitera no ivavahana ka, fa misy ny FJKM sasany, sasany hoy aho fa tsy ny rehetra, toa fahazarana fotsiny isak'alahady, tena fiangonana fa tsy fivavahana, resaka raharaha sy vola no mibahantoerana fa tsy misy aimpanahy. Ary raha zao ataon'ny FJKM izao, tsy mahay mamela heloka, atao ahoana ny hanara-dia azy ireo, tsy mendrika ny hanao ilay vavaka nampianarin'ny Tompo akory zareo, fa manjary lasa fihatsaram-belatsihy raha iny vavaka iny no atao, nefa ny mifanohitra aminy no mitranga, mampalahelo.
111. sonwin ( 10/11/2005 19:31)
Ka raha mihidy zany ilay fiangonana dia tokony ho aiza zareo ny hivavaka? sa hijanona ao an-trano ve?
112. jentilisa ( 11/11/2005 15:18)
tena andramo ny mipetraka eo amin'ny toerany.

Rehefa nasaina nifona ampahibemaso ianao ka nanao izany, iza moa no efa nampanaovina izany?, avy eo heno indray fa tsy sincere ianao amin'ny fifonana nataonao...mikantona ihany ny fiangonana. Moa ve ho moramora ny manaiky izany raha ianao no tratran'izany?

Ny hitako ataon'izay ao dia idirany mihitsy ny fg hafa afa-tsy ny fjkm irery ihany...
113. Landrymimi ( 14/11/2005 08:19)
Ataoko angamba fa ny mangina amin'izay no zava-dehibe!
Depuis ce jeudi dia mirehitra nhy jiro eo amin'ny la croix n'ny alitara masina!! Trangan-javatra hafahafa!
Izao dia olona tsy dia mino loatra ny apparition tahak'izany dia nandeha mihintsy izaho nijery ny zava-nitranga tany antoerana!
Mbola nanana doute ihany aho! dia olona sûr mits no nanontaniako fa tsy misy manigance io!!!
Asa aloha ny dikany fa te-haneho ny voninahiny Andriamanitra!
Vomabara koa fa ny fleurs eo amin'ny latabatra masina dia mbola tsy malazo fa mbola ao nefa fleur naturel ilay izy!!
114. estine ( 14/11/2005 08:57)
mahagaga izny=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D voninahitra anie ho anandriamanitra irery ihany
115. yonikafopl ( 14/11/2005 17:04)
Na dia tsy minomino foana aza ny mpitondra fanjakana dia tsy mba ho tonga saina akory ve amzany rehetra mitranga zany???
116. rsamfm ( 15/11/2005 13:04)
Angie => azafady raha izao vao mamaly fa tena sahirana be aho teo alohaloha teo. Ilay pastera amin'izao fotoana io
voalaza fa nampitandrina ny mpiangona ao aminy io.
Naheno aho tamin'ny herinandro lasa fa raha nanontaniana momba izao olana izao hono, Ravalomanana tany ampiandohan'izy ity
dia nilaza hoe : Angaha mbola misy ihany izany FPVM izany e! Tsy mila miresaka aminy aho fa asaivo mandeha izy. Marary ny lohako.
Rehefa tsy hiverina FJKM izy dia aleo ho any.
Ialako ny tsiny raha ny momba izay crédibilité azo omena na tsia an'io honohono io, fa raha tena nisy marina, dia hitako
ho valin-teny tsy mendrika. Indrindra fa hoe filoha lefitra amin'ny FJKM no sady Filoham-pirenena.

sonwin => raha manontany olona ao amin'ny FPVM ianao hoe aiza ry zareo no mivavaka, dia any an-trano sy ao am-pony no valiny
azonao aminy. Fa raha izay hiverina FJKM, hono, dia nofy. Fa andrasany foana Andriamanitra izay tsy andrin'ny hafa.
Hampaherezako azy ireny fotsiny dia izao: hoy ny tenin'Andriamanitra hoe :AZA MATAHOTRA IZAY MAHAY MAMONO NY NOFO FA TSY
MAHAY MAMONO NY FANAHY'. Satria tokoa mantsy 'ANDRIAMANITRA NO TOKONY HATAHORANA MIHOATRA NOHO NY OLONA
Raha mihainohaino any amin'ny FJKM indray ianao dia haheno fa tena io lazainao io no izy: olana iray ilay pasitera,
ary olana iray hafa koa ilay anaram-piangonana.

Raha ny hevitro dia tsy tokony ho olana ho an'ireo mpivavaka tao amin'ny FPVM taloha ny tsy fisian'ny trano fivavahany.
Ary mbola afaka mamorona vaovao aza izy raha ny constitution no dinihina, miampy ny ordonnance 62-117 manao hoe:
"...pour respecter les principes constitutionnels, il est prévu que les autorisations administratives ne sont plus nécessaires
pour la tenue de réunions cultuelles tant privées que publiques......quand le nombre de fidèles se réunissant régulièrement
pour des exercices cultuels, atteindra un certain chiffre, faculté leur est donnée de constituer une association cultuelle;
mais pour ce faire, ils devront observer certaines formalités faites pour leur donner l'assurance que leur groupement
vivra désormais dans la légalité, et que leurs biens communs feront l'objet d'une gestion saine offrant toutes les
garanties de contrôle voulues, dans l'interêt de tous et selon des formes démocratiques"

Ny hoe hanafoana ny toby lehibe Manolotrony, tsy haiko na ho sahy an'izany Ravalomanana, na tsia. Ka na amin'ny
anaran'ny maha-zanak'i Manolotrony io FPVM io fotsiny aza no hanaovany fivoriam-bavaka, inona moa no olana ?
Dia mitondra anarana vaovao hoe EGLISE REFORMEE MANOLOTRONY indray.!.
Sa mbola ho sahin'ny Fanjakana indray koa ny hanakatona azy rehefa avy eo.

Raha ny faniriako izao dia ity: raha sahy manao défi isika FJKM dia teneno Ravalomanana hanokatra ny FPVM,
dia manao fifaninana masina ny fiangonana roa tonta avy eo: na amin'ny asa fitoriana, na amin'ny famohazana ny fanahin'ny olona.
Tsy izany ve no tokony hitondrana ny baolina, sa ity fanenjehana ny hafa ity no mahamaika eh!

Izao dia na dia efa niniana tsy noresahana aza ilay resaka 15.000.000.000 FMG tokony hanaovana ny Université Protest., dia
nanjary nivoaka ihany. Afa-baraka ny anaran'Andriamanitra.
Mahamenatra. Mba jereo anie ny Fihirana Fanampiny ho antsika FJKM e! Ilay faha 18 manao hoe
"Raha tonga ny andro izay itsarana anao...Efa ampy ve izay nafafinao, mba ho voa mendrika tokoa? Efa tontosa ve ny anjaranao
tsy hahameloka anao rahatrizay? Tsy hatahotra na hangovitra ianao raha madio fo...Fihatsaram-belatsihy, aoka izay dieny ety,
Fahafaham-baraka ho anao ka ialao. Raha toa tianao, ho voavonjy ianao. Afafazo izay voa mendrika"

diamondra27 => Raha izaho ianao tsy mamaritra ny an'itsy sy iroa ho secte, raha tsy tsy tena mazava tsara aminao ny définition-ny.
Izahoi manokana aloha tsy mahalala ny tena famaritana azy, fa araka izay kely fantatro toy izay inoako fa hainao koa no
mba haiko,dia ny hoe : nisy tany am-piandohana fototra iray lehibe niarahana (ohatra Catholique) dia izay nisintaka tao
sy niforona rehetra tato aoriana dia nofaritana daholo ho secte. Ka raha izay no jerene dia sectes daholo ireo karazam-
piangonana rehetra misy ankehitriny. Indrindra moa fa ny FLM izay efa nafatrafaran'i Martin Luther King tsara hoe: Aoka tsy
hisy hanorina fiangonana amin'ny anarako. Tsy teniteny foana nataony io fa matoa nolazainy dia misy antony ara-tsoratra masina
tsara mihitsy. Norarana mantsy isika tsy hivavaka amin'ny Andriamanitra tsy izy, na hiankohoka amin'ny sary vongana, na ny
volana sy ny masoandro. Izany hoe tsy hivavaka amin'ny zava-boaharin'Andriamanitra. Jereo tsara sy alalino ny baiboly rehefa
mba misy fotoana kely iny, fa voasoratra ao daholo ireo lazaiko ireo fa tsy noforoniko sanatria.
Amen




117. jefra ( 15/11/2005 16:58)
Manamarika fotsiny aho (tsy mety hono ny mijery arina an-tava) fa : Martin Luther (1483-1546, alema) no niandohan'ny FLM (avec Calvin), fa i Martin Luther King (1929-1968) kosa dia le mainty tany USA. Tsy azo afangaro.

rsamfm> Satria toa mahalala zavatra be ianao, marina ve fa noraisina ho mpiandry FPVM izany tokoa i Pierrot sy Tantely? Raha tsy tsahon-gazety fotsiny ilay izy dia manampy @ fandinihana izay miseho.
118. jefra ( 15/11/2005 17:03)
"8" mifanakaiky @ ")" io nivadika sary io fa tsy dia nisy tokony hampitsiky ahy.
Martin Luther King 1929-1968
119. yonikafopl ( 15/11/2005 17:30)
ooopssssss!!!!!
120. dinika ( 16/11/2005 03:25)
Tsy marina izany hoe noraisina ho mpiandry FPVM izany i Pierrot sy Tantely. Fa raha DINIHINA tsara ny zava-mitranga dia ninian'ny tsy tia FPVM nalefa io resaka io mba hahafahany misambotra indray ireo lohandohany ao amin'ny FPVM ho hatao famotorana. Hampihorohorona dia amin'izay levona ho azy.
Mampalahelo.


jefra:

Manamarika fotsiny aho (tsy mety hono ny mijery arina an-tava) fa : Martin Luther (1483-1546, alema) no niandohan'ny FLM (avec Calvin), fa i Martin Luther King (1929-1968) kosa dia le mainty tany USA. Tsy azo afangaro.

rsamfm> Satria toa mahalala zavatra be ianao, marina ve fa noraisina ho mpiandry FPVM izany tokoa i Pierrot sy Tantely? Raha tsy tsahon-gazety fotsiny ilay izy dia manampy @ fandinihana izay miseho.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977