Ary raha homo ?

1. hery ( 24/10/2005 07:24)
Tohin'ilay resaka sarimbavy sy sarindahy tatsy.
Raha toa ka misy namanao tena namanao na ao amin'ny fianakavianao (rahalahy na anadahy na anabavy na rahavavy) na koa ny zanakao miteny aminao tampoka indray andro hoe "homo aho" dia inona no ho réaction-nao?
2. akamatiana ( 24/10/2005 07:31)
d zay zany kou , izay no safidiny , d hajaina :-D
3. fasaly ( 24/10/2005 07:33)
hery:
izaho manana ary tena marina, fa ny réaction tsy taitra loatra ary tsy tezitra tsy nalahelo, no tsy contre kou! malalaka izy amin'izay tiany, mety ho natiorany mihintsy ilay izy, manohana azy hatramin'ny farany ny safidiny.
4. mamzelkely ( 24/10/2005 08:09)
za alo mety ho décue e.. fa zao le choix-ny de atao aôna mo sady olona comme tt le monde ihany anie reny e...:)
5. radriana ( 24/10/2005 09:19)
Raha anadahy na rahavavy aloha tsy dia maninona fa raha zanako kosa mety tena ho choc be kah, tsy eken'ny saiko fa dia ho hita eo, angamba ho tanty ihany rehefa tonga ny fotoana.
6. zouzou ( 24/10/2005 09:52)
tsy fidiny azy no nahatonga ireny ka dia raisina tsotra toy izao sy ianao, tsy misy olana amiko na kely aza.
7. pika ( 24/10/2005 10:01)
mialohan'ny hanekena angamba raha olona akaiky amiko toy izany dia miala nenina ihany aho mba tsy hisian'ny eritreritra mety hanenjika hoe inona no nataoko?
misy mantsy ny hoe aretina mety ny taova mihitsy mety misy koa ny aretin-tsaina
ao koa ny fiangonana izay tsy mbola manaiky izany ka tsy misy ohatra ny miteny mora2 ary manazava nefa moa hala nenina io
efa afaka adidy hoy ny fitenenana
8. mandrindra ( 24/10/2005 10:26)
Ny fifandraisana amin'ny olona iray dia miankina sy mifototra amin'ny toetrany fa tsy amin'izay maha homo azy na tsia. Fiainany manokana ny maha homosexuel azy fa tsy misy hidiranao manokana dia aleo ho azy ny azy e. Toy ny tokatranonao ihany io tsy tianao ho tsarain'ny olona amin'ny tokatranonao ianao dia mifanaja.
9. radriana ( 24/10/2005 10:50)
mandrindra / izaho kosa aloha tsy d'accord amilay hoe fianany manokana ny maha homo azy satria izy ao anatin'ny fianakaviana ka amiko fianampianakaviana rehetra no voakitika amilay izy, tsy miantsy miala nenina ihany miteny. Izaho raha misy zavatra ataoko tsy mahad'accord ny fianakaviako, au contraire tiako ny olona miteny ahy sy manome hevitra hoe inona no tokony ho ataoko dia avy eo izaho ihany no maka ny décision farany. Fa raha samy manao izay saimpatany eto @ ity tany ity dia ho aiza isika no hiafarana ? surtout ilay resaka homo ity efa lasa lamôdy mihitsy. Fa samy manana ny heviny aloha e; ny ahy dia izay
10. ari.malala ( 24/10/2005 11:00)
miala nenina alo mananatra ko... za alo tsy mi accepter an'reny e...
11. mamzelkely ( 24/10/2005 11:24)
ari.malala nefa ireny olona ireny de olona matetika tsara fanahy be de en plus tena mitovy ny fitiavana éprouver njy amin sipanjy ny zvt éprouver-ny ami'ny olona tiny...:)
12. menakely ( 24/10/2005 11:41)
saluty!
loza be zany!
ilay izy ve tsy efa fantampatatra dia eny mbola kely ilay zaza,
koa raha hita fa toa ho - homo de sarahana @ ny namana lehilahy fa ampifaneraserana @ vehivavy ,raha hita kosa fa toa ho- laisbienne de contraire,
sarotra be ny mieritreritra any zany.
13. Lalakely ( 24/10/2005 12:08)
te hanontany an'izay mahay aho: mety misy tombotsoa azo avy amin'io homo sy lisb io ve? ary na dia lafiny fahafianretana aza mety hitovy amin'ilay normal ve? tsy haiko!
14. mandrindra ( 24/10/2005 12:50)
radriana, rehefa any antokatranony izy dia fiainany manokana ny any fa tsy misy hidiran' ny fianankaviana. Ianao angaha izay rehetra ataonao dia mifanaraka amin'ny fianankaviana daholo? Ekenao ve raha ny vadiano izay olontianao no atositosiky ny fianankaviana na mahatonga anao hisarabazana aminy?
ari.malala, aza dia manavaka loatra ohatran'izany fa tsy nanao ratsy anao ireny olona ireny !!!
lalakely, misy tombotsoa ve azo ve ny homo? tsy haiko aloha fa mifankatia toy ny olondrehetra ry zareo.
15. ravakamalala ( 24/10/2005 13:11)
ari.malala, aza dia manavaka loatra ohatran'izany fa tsy nanao ratsy anao ireny olona ireny !!!


za koa aloha mitovy hevitra am ari.malala e! tsy manaiky an ireny aho.

afaka hazavain' i mandrindra ve hoe nahoana izy no tsy manao ratsy?
16. ravakamalala ( 24/10/2005 13:13)
raha ny fianakaviako no manao izany dia tena malahelo am foko manontolo aho fa za aloha sahy mifanamby fa tsisy hanao an iznay ao aminay satria ny fitaizana nomen ny RAD nay dia ten ahenjana be ka tsy hibolila am zany mits.
8)
17. radriana ( 24/10/2005 14:05)
mandrindra / zà anga niteny moa hoe tsy maintsy mifanaraka @ fianakaviako ny fiainako ? fa raha manome ny heviny izy na mananatra ahy dia raisiko fa izaho ihany maka décision. Ary izaho tsy hi-forcer ny olona @ choix-ny akory fa tsy maintsy miteny ihany aloha, asa sa raha normal aminao ny homo fa amiko aloha tsy normal @ fiarahamonina e.
18. pika ( 24/10/2005 14:13)
mandrindra a ilay fanontaniana anie hoe raha iray tampoho mifanapka tsinay aminao na zanakao e
fa tsy hoe namanao na olona mpirahy monina raha izany mantsy dia tsy hidirana satria fiainany manokana izany ity hoe zanakao
tsy maintsy miteny ianao na hanaiky ihany aza fa mbola any aoriana any
19. mandrindra ( 24/10/2005 15:21)
ravakamalala, valiako fanontaniana ihany aloha ny fanontanianao : fa inona ny ratsy nataon\'ireo olona ireo? Misy lalàna ve mandrara ny fifankatiavany?

radriana, ny normal dia arakaraka ny toerana misy ny tsirairay no hilazany fa normal ny zavatra iray na tsia. Normal eo anivon\'ny fiaraha-monina ve ny homo hoy ianao? mety ho tsia ny valintenin\'ny maro, fa saingy ny fiaraha-monina ve no manana ny marina rehetra? Sahala amin\'ny fomba maro samy hafa io, raha tsy mitovy fomba na finoana aminao ve dia ho ahilikilikao?

pika, maninona moa no hoe tsy maintsy miteny aho? Hiteny andrara ve sa hanao leçon de moral dia hanaiky ihany avy eo? tsy mifanohitra ve izany fomba fijery izany? Na anabaviko, na rahalahiko, na zanako vavy na lahy dia tsy andrara azy amin\'ny safidiny aho (raha tsy hoe vao 13 taona angaha izy ka tsy mbola ampy fahalalana). Amin\'ny maha-akaiky azy ahy dia manolotanana azy aho hanampiana azy hiatrika ny fianany.
20. fasaly ( 24/10/2005 15:55)
ka rehefa ao aminy aza le izy de inona e! na hiala nenina eo, hoteneninareo kou izy nefa mety hanindrona azy izany,! otran'ny fandraràna ny zanakao ihany ohatra tsy hanambady ny zanak'i anona anie io e! zà alouha mahita betsaka an'ireny fa tsy itako zay olana e olombelona toy ny rehetra manana fitiavany izy de izay, tsy mahamenatra izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2671