Kristianisma=Daba loaka

81. jhouhlambout ( 14/07/2005 10:17)
tena adi-hevitra be mihintsy izy zany:@
82. sonwin ( 14/07/2005 12:14)
tsimiandravola>kay ve izay no tian'ise lazaina amin'ilay hoe daba e he he he:@, ireo zavatra rehetra lazain'ise ireo dia vao maika manaporofo fa hiangonan'ny hevitra taingina nosoratan'i vazaha mena-sofina ise.Foronina daholo izay azo tsongolohina rehetra ao anaty baiboly.Raha tena manana hevitra marina ry ise an, tsy miorina amin'ny fanakianana ny an'ny olona an, fa avoay aza ilay orijinaly sy mbola virja jerenay e..fa tsy aza ny anay no atao base entina hanaovana tsikera miaro fankahalana.Avoahy aza ny finoana marina sy tena izy..dia alaharo mazava tsara, asio reference.Liana mihitsy nareo "daba tsy loaka" ireo amin'ny voasoratra ao amin'ny baibolinay an...hita mihitsy lisany hoe sady tsy manan-katao no tsy manana fireha-kevitra matotra.
Alaharo amizay aza ny finoana virja sy tena izy e:-w.
83. jentilisa ( 14/07/2005 13:31)
Tato aho vao nahita hoe nilatsahan'ny Fanahy Masina hono Ikotofetsy! Oviana aza fady!
=))
84. jentilisa ( 14/07/2005 16:54)
Ho avy amin\'izay ary aho e! hovaliako tsotra araka izay azo atao ny fandehany. Raha ataonao hoe Ikotofetsy aho dia izaho izany hamaly anao hoe Imahakà.
Mitovy ny toerana nolazain\'ny mpanoratra fa nahaterahan\'i Jesoa dia Betlehema izay. Ankoatra izay tsy voalaza fa tao tompon-trano i \"Razefa\" ao amin\'io Betlehema io.
Ny anarana hoe Theophile io ange ka hoe Tia an\'Andriamanitra e! nefa dia any amin\'ny Mpandà ny fisian\'Andriamanitra no nakanao ilay hoe fanombohan\'i Lioka namboarina. Saino tsara: ny tsy misy ve no hotiavina?
Manaraka izany ity mba misy soratra nalaiko avy tao amin\'ny http://www.egypte-antique.com/horus.php


Dans le mythe osirien, il est le fils d\'Ausar (Osiris) et d\'Aset (Isis). Osiris, assassiné par son frère Seth, est ramené à la vie, le temps d\'une union, grâce aux efforts conjugés d\'Isis et de Nephtys. C\'est de cette union miraculeuse que naîtra Horus.

Raha ny fahazoako io zavatra voalaza io dia tsy HOrus velively no nanangana an\'i Osiris tamin\'ny maty. Sa izaho no tsy mahazo resaka? Sady tsy hitako eto izany hoe seb, geb, deb, qeb na keb lazaina ho rainy izany.

Raha atao hoe teraka 25 desambra i Horus, tsy misy filazana ao @ baiboly fa teraka 25 desambra i Jesoa. Omeo ny toko sy andinin\'ny boky raha mahita ianao. Misy tantarany io 25 desambra io fa fantatrao ve?

Lazaina fa nisy hendry telolahy namangy an\'i Horus: Fanontaniana firy ny isan\'ny magy namangy an\'i Jesoa? Tsy voasoratra izany...sa misy milaza isa ao anatiny? raha lazaina hoe marina ny fitantaranao eto an!

Fanontaniana omeko anao indray. Iza ary no nanombo an\'i Horus araka ny filazanao?

Dia hilaza fohifohy aho hoe ny tantara araka an\'i Lioka dia naompana amin\'ny hoe magy namangy satria ny magy dia mazava be eto fa tsy jiosy fa hafa firenena. Rehefa hafa firenena dia midika hoe jentilisa. NY nanontaniany ny misy ilay teraka ho mpanjaka kosa izay antsoina hoe \"Amintsika Andriamanitra\" dia firenena lazaina ho mpivavaka. Saingy ny nataony rehefa nandre ny filazan\'ireto jentilisa izy dia nikasa hamono izany vao teraka izany tamin\'ny alalan\'ny aloky Heroda io.

Ny Filazan\'i Joany no manambara izany mivantana amin\'ny hoe tonga tany amin\'ny azy izy fa ny azy tsy nandray azy.

Faramparany Averiko indray fa fampianarana ny Boky: izany hoe misy zavatra ampianarina ao, Izay no antony handehanana any ampiangonana; hahalala ny antonanton\'ny soratra. Ny Hevim-panahy no lazaina fa tsy nisy nilaza izay efa mpandinika ny baiboly manana doctorat araka ny fahalalako azy hoe tena nisy fizika mihitsy izany tantaran\'ny famangian\'ny magy izany.


85. jentilisa ( 14/07/2005 16:59)
Adino kely! ny jentilisa kosa avy mba hiankohoka eo anatrehan'ilay antsoina hoe Amintsika Andriamanitra.
86. sonwin ( 14/07/2005 20:48)
tsimiandravola> rehefa voavalinao io nataon'i jentilisa io dia aza adino ny mamaly ilay ahy an:-w..ary aza ela famaly fa tsss..sa mbola mitady site?he he he
87. tsimiandravola ( 15/07/2005 08:58)
Toa hitako fa be fanontaniana be mihitsy i Jentilisa dia hoy aho hoe tena mi-interesser be azy ny momba an'i HORUS izay nanaovako "copie collé" etsy ambony.
Ka momba izany dia mazava fa résumé io eo ambony io,fa raha ilain'i Jentilisa ny détails dia misahirana mitady ny valiny ao amin'ireo "reference" nomen'ny mpanoratra ireto:
"Le livre Égyptien des morts" Massey, "Livre des morts des anciens égyptiens" Kolpaktchy, "Au cœur des mythologies" Lacarrière, "Désillusions et mythes de la Bible" Lloyd Graham, "Encyclopædia Universalis", "le livre que Votre Église ne veut pas que vous lisiez" Churchward, "Ancient Egyptian Myths and Legends" Lewis Spence"(
Manahirana ahy ny mamaly an'i Jentilisa satria tsy hitako ohatra izay antony idiran'ny fampianarana any ampiangonana ao amin'ny fampijoroana ny fisiana ara-tantara sy ara-fizika an'i Jesoa.Amiko dia resaka débat teolojika indray izany ka tsy misy idiran'izany eto.

Tsy misy tsy mahalala fa izany fampianarana izany no antony ivoriana any am-piangonana,ny olana fotsiny dia ny fampianarana tokony hijanona any am-piangonana dia mivoaka eny an-dalam-be,hany ka voarahaba tratry ny Paka sy ny Noely avokoa na ny tsy mpino aza.Dia hoy aho indray mandeha teto hoe "tratry ny paka ny anadahin-dreninao".

Dia miala tsiny fa araka ny efa novakiako teo amin'i Jentilisa dia miparitaka be ihany ny fanahin'ny adihevitra ka mihezaha satria lavabe fotsiny amiko ka manomboka izao dia vakiako en diagonale fotsiny sisa.

88. tsimiandravola ( 15/07/2005 09:15)
Ho an'i sonwin:
Izaho dia mbola tsy nilaza mihitsy teto fa namorona fivavahana vaovao,noho izany dia tsy misy orijinaly azonao takiana amiko.ireo orijinaly efa misy no azo iadian-kevitra,ary azo kianina.Dia ny baiboly izany.
Fa raha ohatra kosa ,ny anisan'ny antony ilàna ny fanankianana toy ny ahy no tian'i sonwin ho fantara dia indro misy artika kely momba ny Afrikanna izay nianjadian'ny Kristianisma kolonialista.Na dia tsy Afrikanna aza isika dia mitovy ihany ny fiatraikan'ny kristianisma eo amin'ny voazanaka.http://www.africamaat.com/article.php3?id_article=293io dia we:brève analyse afrocentrique du Christianisme.
-Dia miala tsiny koa aho aloha ato ho ato fa vakansy moa ny andro,ary mivesivezika kely ka mety tsy ho eto.Ataoko fa arak'ireo liens izay efa napetrako eto amin'ity sehatra ity dia efa ampy hodinihinareo tsara aloha mba hamelezanareo ahy indray rehefa miverina aho indrindra i luigicascioliPOINTit.lol
89. jentilisa ( 15/07/2005 11:18)
tsimiandravola:

Manahirana ahy ny mamaly an'i Jentilisa satria tsy hitako ohatra izay antony idiran'ny fampianarana any ampiangonana ao amin'ny fampijoroana ny fisiana ara-tantara sy ara-fizika an'i Jesoa.Amiko dia resaka débat teolojika indray izany ka tsy misy idiran'izany eto.
Dia miala tsiny fa araka ny efa novakiako teo amin'i Jentilisa dia miparitaka be ihany ny fanahin'ny adihevitra ka mihezaha satria lavabe fotsiny amiko ka manomboka izao dia vakiako en diagonale fotsiny sisa.

Miala tsiny aminao aho milaza hoe tena eto mihitsy no atao ny adi-hevitra momba ny fivavahana koa rehefa valako isaky ny teboka ve ianaodi hoe diagonale? Mbola ho aiza? Jereo tsara fa ny loha-hevitra dia hoe Fivavahana.
Ary raha momba ny hevitra avoakanao eto dia efa tafiditra amin'ny taranja historico-critique ianaran'izay manao teolojia! izaho izay tsy mbola nandalo izany sehatra izany aza no mamaly anao ka akory moa?

90. jentilisa ( 15/07/2005 11:23)
Manaraka izany dia hita fa tena fanenjehina kristiana fotsiny no tena ezahinao. Fanontaniana omeko anao:" iza avy ny firenena nozanahin'i Norvege?" Loterana aho manontany anao. Sa iza no firenena saiky nozanahiny? tsy maninona fa miandry valiny avy aminao aho.
91. ndrena ( 15/07/2005 15:15)
Tsara ny fanehoan-kevitra ary samy mitazona izay finoana hijoroany ny tsirairay.Ny lohateny eto anefa dia tsorina fa tsy mitombina satria ny fivavahana kristianisma ihany aloha @ izao no fantatro sy tsapako fa mitarika ny olona hiova fo sy saina amam-panahy ka handovany ny fiainana mandraikzay.Inoakosy hijoroako izany ary izaho mino izay voalazan'ny baiboly na dia maro aza ireo teny sy fanakianana maro nihatra taminy hatrizay.
92. velonantoandro ( 18/07/2005 12:06)
Tsisy ilàna azy mihitsy ilay nametraka ity topic ity.Aiza ve dia atao vaky batsilana be ohatr'izao ny fahamarinana!Manjary misy risk destructuration sociale tampoka be raha lasa tsy mpino tampoka be eo ny olona.:twisted:
93. johns ( 18/07/2005 16:21)
Tena marina ny tenin'i velonatoandro.
Satria ny tsy fantany dia ny taona nahaterahany aza dia noraisina teo amin'ny nahatongavan'i Kristy. Koa raha tsy ekeny io dia firy taona hono izy izao sa inona indray no lazainy. Ny silamo ary miara manaiky amiko hoe 18/07/2005 androany.
94. velonantoandro ( 18/07/2005 17:39)
Manakory ianao ra-johns âaaHHHH!!!

Raha tsy teo i Kristy,tsy nisy weekend,angamba nasain'i Patron niasa alahady.Raha tsy teo hoaho ilay dimbaka avy any Nazareta iny angamba na i ra-Johns aza tsy johns.:lol:

Tena mba bien mihitsy lery iny ê,ny blem fotsiny aloha dia nanaiky ho propriété privé n'ny vatican lery,'zay fotsiny ny ahy no mba tsy voako.Naninona ary izy iny raha mba samy nomena "droit d'antenne" daholo na ny particulier ara??:x

Na tsy nisy araky ny filazan'i Tsimindrambola aza i Jesoa kristy,amiko dia tokony ho foronina.Maika ve fa efa efa nisy!!Akory atao!!!:*
95. lalamaria ( 19/07/2005 14:23)
Tsimiandravola= Raha daba loaka araky ny filazanao ary ny kristiana dia mba inona kosa no tena iorenan'ny fiainanao :azonao valiana mahitsy tsisy olakolaka ao am-ponao mangina ( fa tsy voatery ho eto @ forum akory ) ve ireto fanontaniana ireto
- ny fiainanao lasa : manana fiadanana ve ianao fa voavela heloka satria mpanota avokoa ny olona rehetra?
- ny fiainanao ankehitriny : ampy hery ve ianao iatrehana azy fa tsy mila mpanohana ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana ?
- ny fiainanao ho avy : manana fanantenana ny amin'ny Fiainana Mandrakizay ve ianao sa hoe rehefa maty dia aoooooooooo.....tsy misy finoana ny @ fitsanganana @ maty ?
96. sonwin ( 19/07/2005 14:35)
mbola lasa nanao vacance ny mpanokatra ity sizé ty angamba ka..dia aleo aloha ts mamaly azy
97. johns ( 19/07/2005 14:54)
sonwin:

mbola lasa nanao vacance ny mpanokatra ity sizé ty angamba ka..dia aleo aloha ts mamaly azy


aza dia tia mikitikitika ireny fa tsy dia tsara aleo izy ho any. Na tena tsy voavalin'lery daholo ny zavatra rehetra dia lasa namaky boky indray aloha dia avy eo manao pistily lava be eto
98. sonwin ( 19/07/2005 15:10)
fa ts de tsara ahona ry ise?..io voalazanao io mhitsy ny fanaony ka
99. bichette ( 19/07/2005 15:28)
=)) nareo kosa e, nareo rehetra kosa no tonga dia mitolona azy ka aiza izy no ho hita ?:snif:
100. tsimiandravola ( 19/07/2005 22:57)
Tsarava daholo!
Tsy any amin\'ny tanàna aho aloha izao,fa sendra mandalo siberkafé dia manararaotra:hitako fa toa ilaozanareo miandry izay hataoko kopie kollé fotsiny fa tsy mandeha mamangy ny rohy nomeko akory ianareo ê:D.Fantaro tsara ho\'aho ny vohikala vangiako dia misy hamelezanareo ahy tsara amin\'izay8)
Ny boky tena niangaliako dia ilay hoe \"La fable de Christ\".Tsy voatery mividy an\'ilay boky ianareo satria sao mampanankarena fotsiny an\'ilay \"prêtre défroqué\" antsoina hoe Luigi Cascioli.Jereo fotsiny ny vohikalany dia efa ampy.http://www.luigicascioli.it/home_fra.php \'Zany no tena bandy izany:tsy mitsoaka amin\'ny resaka tribonaly miampanga ny mpanely tsaho milaza fa nisy \"historiquement\" mihitsy i Jesoa:
Jereo kely ity \"chef d\'accusation ity:

A Noël de l’an 2000, Mr le curé Enrico Righi affirmait durant un sermon que Jésus est un personnage historique, en disant qu’il est né à Bethléem, fils de Joseph charpentier et de Marie. Le même Enrico Righi, le jour de Pâques de l’an 2001, confirmait que le récit du procès qui se termina avec la condamnation à mort de Jésus est un événement historique. De même, Righi présentait Jésus comme personnage historique dans un numéro du périodique parroissial de l’Eglise de S. Bonaventura de Bagnoregio.

Fantaro fa manomboka izany ny \"procès\",tsy ho afa-mivoaka eny an-dalam-be intsony ny \"affirmation gratuite\" fanaon\'ny Kristianisma,satria mety ho voasaringotry ny CODE PENAL.

IZANY NO MAHATSARA NY AHAFANTARAN NY TSIRAIRAY NY VOTOATIN KEVITRY NY MPANOHITRA MBA TSY HITENITENENAM POANA.DIA MAHAZOTOA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2247