Kristianisma=Daba loaka

21. sipagasy ( 11/07/2005 14:27)
mmhhh bidon ve = daba e!!!?????? hihihihi resaky ny oul malahelon-kanina hihihi
22. tsimiandravola ( 11/07/2005 14:47)
Tsy misy fisaorana Bichette
Kanefa izao,raha nanisy titre toa io aho dia tsy manisy olona mihitsy fa manisy \"firehan-kevitra\" na \"idéologie\".Fantatro fa mivatravatra be ilay izy,ary nataoko fanahiniana mba hanintona fotsiny.Ka dia ialàna tsiny amin\'izay \"susceptible ka mandray an\'io ho azy.Ny fitsikerako kosa ireo mpanao hosoka Kristianina dia ataoko mikasika ireo antsoina hoe \"rain\'ny Eglizy\".Ka raha misy rain\'ny Eglizy mpanao hosoka aminareo dia vao maika aza aho faly raha mba voa kely :lol:.
Noho izany tsy tsara amiko raha misy mahatsiaro fa voambanimbany na tsy voahaja.Ny tsara fantarinareo dia karazan\'ny mamely tena ihany koa aho raha izany no izy satria izaho koa dia efa voaray tao amin\'i Kristianisma io.
Rehefa mahatsapa tena nefa ano fa mahita ny fahamarinana( \"la vérité vous affranchira\" hoy baiboly)dia zaraiko,ka inona no maharatsy an\'izany???
Vao notorotoroina tao ankibo ny zaza
dia nateraka hanota,ary izay tsy nanota taminarei koa aoka hitorabato ahy!!
Tsy hanasa vangy no antondiako eto fa mba te ampahafantatra anao koa we fa maninona ianao no mbola manaiky mijanona eto @ ity tany feno fahotana
ity raha izany no itsaranao azy satria ny manodidina anao dia tsy mendriky ny finoanao!!
I Ainahery dia mifantoka amin\'ny efa nampitaina taminy dia ny Kristinisma.Inona no fahotan\'ny zaza vao teraka na ny ao an-kibo?Ary ny fahadisoana mety ho vita amin\'ny fiainana dia fahotana mahavery,noho izany mila mpamonjy.Io no entam-barotra nampiasaina hatramin\'izay mba ahafahana mitory ny filazan-tsara.Ny Kristianina ihany nefa no misaina toy izany ary mampisy ny \"culpabilité\" lalandava mba ho \"fond de commerce\".
mbola manaiky mijanona eto @ ity tany feno fahotana
ity raha izany no itsaranao azy satria ny manodidina anao dia tsy mendriky ny finoanao!!
tsy haiko ianao na mino na aona fa mba mila valiny aho we izai Andriamanitra ary iza no namorona azy
mbola tsy fantatra hatr@ zao ny misterin\'io fa tsy haiko ny mpikaroka ao aminareo na mahita an\'zay!!
Ary isika zanak\'olombelona taiza no niaviantsika,
noforonina sa tonga ho azy ?

Tany feno fahotana=filosofia Kristianna feno culpabilité lasa \"fond de commerce n\'ny Sekta:ka ny lehibe indrindra amin\'izany sekta izany dia ny Eglizy Katolika Romanna (aza mahatsiaro tena ho cible an).I

Izaho dia mino fa misy ny ampahan\'ny maha-olombelona dia tsy hita maso ary tsy azo tsapaina ary sarotra idirana:io no antsoina hoe \"inconscient\".Ny zavatra tsy fantatra rehetra ary mampiahiahy rehetra dia antsoina amin\'ny hoe \"mistery\",ary itediavan\'ny \"inconscient\" vaha olana mba hampitony ny saina.Tsy antony izany haneren-tena hamoronana Andriamanitra.Ary ataoko fa na misy aza Andriamanitra,dia tsy mino mihitsy aho hoe ny an\'ny Kristianna ilay izy.Jereo daholo ireo site nolazaiko etsy ambony ireo sy ny boky ary haizo fa vokatry ny mythologie païenne daholo no nolovain\'ny Kristianisma.http://www.bible.chez.tiscali.fr/

Ka ny hoe \"avy aiza isika\" dia voaray ao amin\'io \"ahiahy\" tsy mampandry eritreritra io ka mahatonga ny olona hitady mpahary.Fa izany moa resaka mivoaka amin\'ny lohahevitra eto ka tsy ivalamparako.
Ho an\'izay liana handalina ny momba ny religion hafa dia jereo ny rohy sasany izay efa nalefako.

Fa ny ahy dia averiko indray fa tsy famelezana an\'iza n\'iza no tanjoko fa ny mitsikera fotsiny ny Kristianisma,toy ny itsikerako koa ny fivavahana hafa izay samy \"fanangolena\" avokoa.
Tanjoko amin\'izany koa dia ny tsy hananan\'ny mpiray tanindrazana amiko \"sentiment de culpabilité\",fa kosa hahay hijery sy hijoro eo amin\'ny zava-misy ahafahana mandroso kokoa ao anatin\'ny fiaraha-monina isian\'ny \"tolérance\",ary hijoroantsika araka ny maha isika antsika izay nofafan\'ny Kristianisma.
23. bichette ( 11/07/2005 14:54)
ka io anie hoy aho tsy resaka hifandirana sy fifaninanana ka izay mahery @ fanazavana no marina, tsy hoe satria i tsimivalona zao ohatra no tena danz @ fanazavana sns dia hoe marina ny lazainy ary tsy hoe satria ny kristianina mahery @ fanazavany dia marina izany ka tokony hanaraka ny rehetra fa afafy ny teny dia anjaran'ny tsirairay ny sisa e sady aoka ny tsirairay araky ny constatation (fa tsy jugement) handanjalanja tsara fa amiko manokana aloha dia fantatro izay hinoko
24. dadabe ( 11/07/2005 14:59)
humm ary zay zah vao nahita an'ity fa ity mihiytsy ilay fandaharana tao @ NATIONAL GEOGRAHIC " LE SECRET DE VINCCI" humm
25. mpanakiana ( 11/07/2005 15:08)
Nareo ko manaiky ampiresahany eo ko, tsy mamaly
tsony d avelao izy irediredy eo:-@ @ farany.
26. jentilisa ( 11/07/2005 15:42)
=)) =)) =)) Eny e! izaho koa mba nandalo izany tsy finoana an\'Andriamanitra izany. Ny antony dia noho izay nataon\'ireo heverina ho kristiana nanodidina ahy. Saingy izao: raha nahita ny lalana aho ka tsy voatery izay notondroin\'ny hafa \"talohako\" nefa tao amin\'ny baiboly izay nosoratan\'olona tokoa, dia nahita fa tsy hahita fahamarinana mihoatra izay voasoratra ao amin\'ny testamenta vaovao io aho hatramin\'izao. Nanjary mafy orina kokoa noho izay tsy nandalo izany hoe fitsapana amin\'ny maha-misy an\'Andriamanitra izany aza ny finoako araka ny fijeriko. Tsy vitsy ny milaza ho tsy mino an\'Andriamanitra no efa nifanena sy niresaka tamiko, ary resaka anaty fifanajana hatrany no nataoko...izay no mampisy voka-tsoa kokoa. Manontany aho, noho ny nataon\'olona ve no naha-tsy mpino azy sa noho ny \"asan\'Andriamanitra\" mihitsy?
Boanerijesy dia hoe zana-baratra tokoa ny anarany ary voasoratra ao anatin\'ny testamenta vaovao izany. i Jesoa dia heverina ho mpisotro noho ny teniny hoe Tonga kosa ny zanak\'olona sady misotro no mihinana dia nolazaina ho misy demonia tao anatiny, dikan\'izany ny mpanakiana tsy maintsy misy foana. Ny tena izy dia tsy hoe mpisotro Izy fa tsy mpanara-damina amin\'ny fifadian-kanina ara-pivavahana. Nataony ho tena fahafahana ny azy ny tigetrany...fa tsy baranahiny kosa. Izaho izany dia tsy mpihinana ambolony amin\'ny hoe teraka 25 desambra ny Tompo fa natao hifanekena hankalazana ny nahaterahany teto an-tany kosa izany. Tsy hitako izay olana! Fahatsapana sy fandresen-dahatry ny tsirairay ny finoana (misy tsy manaiky ny teny hoe fahatsapana nefa soratako ihany) ka aleo samy hanaraka ny azy.
27. gbx ( 11/07/2005 15:43)
hihihi
de tsara ny fanehoana hevitra :evil:
fa na izany aza isika rehetra tsy nisy nahalala ny histoire tany aloha tany zavatra efa voarary t@ lovantsofina sy ny boky sy ny sisa ny hanorenantsika finoana
fa ny tena mahafinaritra dia isika samy tsy mety mivady kevitra na inn io na inn io fa raha ianareo rehatra ireo nasaina niaina t@ izany fotoan izany(8ème jusqu'au 2ème siecle av jc)de mba minoahy ianareo fa zavatra hafa no valinteninareo tsiradray avy
en conclusion tano ny hevitra de tohano fa aiza haratsiana nen'olona de mitondra porofo mazava na tangible de izay vao manejika olona
na manoava doctoratà histoire na mamkia boky tsara fa aiza miborner @ izavatra iray fa tsy ianao irery na ny communauté misy anao no miaina eto antany indrindra aza fa ianao izay mihevitra fa tena lalimpaka be io aza ho decu ihany raha toa ka fantatrao fa ny gasy aza tsy mahafeno ny ville iray any chine na any indonesie na any moskou .....
hihiih
manaova reflexion kely
28. bichette ( 11/07/2005 15:48)
za vonona hiady hevitra foana :P:P:P:°):°) laingako izany kamboko:°)
ny hany lazaiko fotsiny dia tsy mila porofo ny kristianisma fa izany no maha hoe FINOANA azy, raha tsy izany tsy finoana (tandremo fa tsy religion no resahiko eto an)
29. jentilisa ( 11/07/2005 15:52)
Andeha horaisina mihitsy amin'ilay hoe kristianisma daba loaka mihitsy ny resaka. Fitenenan-dratsy izany saingy izao: niraraka ho an'ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa.Loaka ilay dabam-pahasoavana nafenin'ny Jiosy ho azy samirery. Azon'ny Jentilisa sy nilomanosany ihany koa ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy mampaninona ahy ny hilazana izany rehefa izay no maha-diavolana ny fony. Dia inona izany no mahasoa ankoatra izay? fanehoam-pitiavana sa fivoaham-paharatsiana ny fampianarana voasoratra ao amin'ny testamenta vaovao?
30. xxx ( 11/07/2005 16:00)
izaho mihinana ohatran'ny rehetra, mihomehy, mandihy rehefa te handihy, mivanivany (fa misy limite kely dia kely), milalao, manao ohatran'ny olona rehetra ihany, manao pantalon, manao akanjo teritery , tsy misy mahasamihafa loatra ny olondrehetra fa ny positif fotsiny amin'ny maha kristiana ahy dia tsy misotro toaka aho fa rehefa occasion ihany, tsy mifoka sigara, tsy mandeha boite fa mandihy be rehefa mariazy sy lanonana, mifaly , voila ; basta !!!!!!!!!! rehefa tsy maintsy mandeha eny @ arabe ny alina dia tsy matahoatra fa fantatro fa misy mpiahy aho, rehefa manana olana aho dia afaka mitsiky sy mihomehy foana fa tsy be tomany, tsy mivarilavo, tsy mihinana zavamahadomelona sy toaka hanadinoana ny olana (tsy ohatran'ny olona sasany tena lavo tanteraka) satria matoky ilay Hinoko aho (avantage % ny olona sasany), tamin'ny nisy maty ny fianakaviko, nisy hery nihazona ahy sy nampahery ahy tao anatin'ny ngidy tena mafy(tsy ohatran'ny olona sasany ila ho lasa adala), raha nisarahan'ny olona tiko zah dia nahatoky ilay Inoko fa apres la pluie le beau temps ka tsy nisaina hamonotena ohatran'ny olona sasany, fa fantatro fa misy anjara ho ahy foana, izany dia nohon'ny finoako ilay Inoko, raha misy olona tezitra tamiko, na nanao zavatra tena tsy takatry ny saina tamiko dia vitako ny namela azy sy nanadio ny foko haingana dia haingana ka lasa mpinamana be izahay satria raha nangataka famelana izy dia tonga dia nekeko noho izany nadio ny foko ary tsy misy zv manavesatra ahy no feno tsiky lalandava ny fiainako ..;; izanyny ahy ... tsy borné akory zah, tsy fanatika fa ohatran'ny olona rehetra ihany
31. stephan ( 11/07/2005 16:05)
bravo! fa maninona ianao no tsy naneho ny anaranao? misy tokoa ilay mpampahery dia ny Fanahy Masina an! saingy iza no tena mahatsapa izany ankehitriny?
32. tsimiandravola ( 11/07/2005 18:26)
Indro misy copie collé kely avy tatsy ambadika:


ny Baiboly.
Raha jerena tokoa ny voalazan\'i Lioka toko faha 4 dia tsapa fa ny tanana nahalehibe nanombohan'i Jesoa ny ministerany dia miendrika toy izao:

1)Manamorona ny rano izy io.
2)Ka noho izany indrindra no iresahana sambo kely ,sy harato,trondro ary tafio-drivotra ao.
3)Indrindra indrindra ,misy tendrombohitra ao,tsy lavitry ny rano, ary hodidinin'ny hantsana izy io ka azo amarinana olona hianjera.
4)Misy sinagoga ary tsy lavitra an'i kaparnaoma.Antsoin'i Lioka hoe Nazareth izany toerana nihaviany izany.

Mazava noho izany fa izay toerana sy toetran-tanàna tsy mitovitovy amin'izany dia tsy "Nazareta" velively.

Ka apetraka ary ny fanontaniana manao hoe:ilay tananan'i Nazareth ankehitriny ve,mba manaraka ireo toetoetran'ireo voalazan'i Lioka ireo?Ny valiny dia tsia satria ilay Nazareth ankehitriny dia:

1)Lavitra ny rano:40km atsimo andrefan'ny dobon'i Tiberiada.
2)ao anaty lemaka fa tsy vohitra:ny tendrombohitra akaiky indrindra dia lalana indroa mahamasa-bary.
3)Mazava ho azy fa tsy ao ilay hantsana azo amarinan'olona,tsisy tevana.
4)Tamin'ny "croisade" dia nitady an'ilay Nazareth n'i Lioka ny "croisés" fa tsy nahita.
5)Voalaza fa ny tanànan'i Nazareth dia vao noforonina taty aoriana.

fantatra nefa etsy andanin'izany fa ny toerana tantarain'i Lioka dia hita no misy azy,ary tsy i Lioka ihany no mitantara izany fa ao indrindra indrindra ny mpahay tantara antsoina hoe Joseph flavius.Gamala no anaran'io toerana io.

Fa nahoana ary no tsy io toerana io no nofidiana nantsoina hoe "Nazareth"?????Ary nahoana ary no ataoko anaty farango sosona ny hoe "Nazareth"???

Fantarontsinka,fa ny valin'izany fanontaniana izany,raha azon'ny manampahefan'ny Fiangonana atao ny manampim-bava ahy dia hataony,raha azony natao ny mandoro ahy eo amin'ny "bucher" dia tsy hisalasala izy.Ny zavatra hany azon'izy ireny atao ankehitriny dia ny mampisitrika ny olona ao ambadiky ny finoana.

Araka ny voalazan'i Jesoa fa ovako kely fotsiny hoe:
"SAMBATRA IZAY VOTSA SAINA SY VENDRANA,FA HAZAVA AMINY NY MARINA REHETRA REHEFA ANY AN-DANITRA IZY.SAMBATRA IREO IZAY MANAIKY LEMBENANA SY MINO FOTSINY IHANY NA TSY MAHITA AZA,ARY IREO IZAY TSY BE "HADINKADINA",FA HO AZY IREO NY FANJAKAN\'NY LANITRA.SAMBATRA IREO IZAY MAVESATRA KITAPOM-BOLA,KA MITONDRA IZANY ATY AMIKO,FA IZAHO HITONDRA FITSAHARANA HO AZY IRENY.....

Ho an'izay sahy,ary tsy mikoso-maso dia ireo efa nomeko etsy ambony kely ny rohy ampy hamaliana izany fanontaniana izany.

33. ainaheri ( 11/07/2005 20:29)
N'IMPORTE QUOI!!!!!!!!!:b:@
34. hery ( 11/07/2005 22:04)
tsimiandravola> euh... tsy nanana boky matotra sy mafy orina angaha ise no rohy tsy édité no anohanan'ise hevitra? Fantatr'ise ve fa n'iza n'iza dia afaka manamboatra site internet? :-) (Zah zao ohatra iray)
Azon'ise omena boky hafa maromaro aho... dia zah manome an'ise boky iray :-) de ny baiboly izay azon'ise vakiana tsara ampinoana :-p

Aza dia miantehitra loatra amin'ny takelaka internet sy ny zavatra apetraka eo aminy r'ise fa indraindray misidina ihany ny hevitra apetrak'ireny. Raha tena scientifiques na intellectuels dia mamoaka boky dia samy ifanatrehana eo.
35. tsimiandravola ( 11/07/2005 22:54)
:miam:Ny avaliko an'i Hery dia tsiky fotsiny ihany :D
-Marina ny an'i Hery fa tsy tsara ny miantehitra amin'izay rehetra mety ho hita ao amin'ny Internet.Ka izao e,mba ampio aho ary e :ka iza amin'ireto site internet ireto no tsara sy "fiable"?
h2tp://3w.lemanlake.com/ http://www.lemanlake.com/
h2tp://3w.truthbeknown.com/francais.htm http://www.truthbeknown.com/francais.htm
h2tp://3w.bible.chez.tiscali.fr/ http://www.bible.chez.tiscali.fr/
h2tp://atheisme.free.fr/ http://atheisme.free.fr/
h2tp://3w.luigicascioli.it http://www.luigicascioli.it
h2tp://www.librepensees.org http://www.librepensee.org
Ny Internet koa dia misy ny tsara,ary fitaovana izy io ka dia enga anie ny tsara no hahomby kokoa.Mba manantena aho fa tsy halohan'i Hery avokoa ireo Vohikala ireo
-Marina koa anefa izany fanamarihana izany amin'ny zava-drehetra.Aleo atao voankazo an'ala ê,izay mamy atelina ary izay mangidy aloha.Ka raha ny Baiboly no jerena dia misy no azo atelina ary misy ny tsy maintsy aloha.
-Sao ianareo aloha mieritreritra hoe athéiste aho ê:-P
Ny ahy dia aleoko ihany ny "cosmogonie" n'ny razantsika.Samy d'origine païenne izao ihany ve leiretsy dia ny an'ny vazaha no aleonareo:-P
36. hery ( 11/07/2005 23:06)
mbola internet ihany :-)

ary i tsimiandravola ve mba afaka mamoaka eto ny sites internet manaporofo sy mampiseho ny finoan'ireo izay milaza hoe Andriamanitra i Kristy? Sao mantsy dia tsy novakianareo akory ireny zavatra ireny. Io ilay nolazaiko hoe andramo vakiana sy tsakotsakoina tsara aloha ny baiboly sy ny tenin'ny mpino momba ny baiboly... iza no mahalala raha ianao no ho lasa tena kristianina kokoa.

Mahereza fa efa betsaka no nandalo teo amin'ny toeranao (Paoly, Augustin d'Hippone sy ny hafa)
37. dadabe ( 12/07/2005 02:33)
hummm ady hevitra ity marina
38. APOKY ( 12/07/2005 05:42)
ANAO OLO MANADALA SAIMBAHOAKA
NY FIVAVAHANA IHANY NO VAHAOLANA TSARA NEFA TSY NY FIVAVAHANA REHETRA§§§
NY VOKATRY NY KRISTIANISMA @ TENA MPIVAVAKA JERENA DIA HO HITANAO ILAY IZY EH
SAMY HO FATY IHANY KA IZAO NO LAZAIKO EO AMPIALANA AINA DRADRADRADRAINA IZANY HEVITRAO IZANY DIA HO HITA EO RAHA TENA SAHY HIJORO HATRA@ FARANY IANAO!!!!!Jereo kosa ny tena kristiana eo, ampialana aina dia ho hita hoe ahoana eh!tena marina ve ny fivavahany sa lainga!!!
Ny eto antany anie tsy ampoizina eh, ary tsy afaka hitondra na ariary aza fa mbola apetrak'olona ao ampaosy aza raha misy!!!!
Ny eo ampandaozana ity tany ity jerena eh!!!tsy adala ireo mpivavaka ireo ary ireo milaza ho mivavaka aza mbola tsy voatery ho avotra daholo koa aza ny fitsarana ivelany no jerena!
TAPITRA
39. ainaheri ( 12/07/2005 06:50)
Tsimiandravola> maninona koa tsy tenenina ny mpamorina ny site zay mirediredy io mba hitsikera ny
fiteny rehetra mba ahitany hoe ;avy taiza?avy t@
teny ratsy novaina kely?Nefa raha izany maninona
no nampiasainy ary nampiasainao?
Dia maninona koa tsy lazaina fa hoe nofafazana lainga
ny ol matory miorirana na mitsilany raha araka ny eritreritrao sy ny mpamorina io site io;dia lazao ao
@ site ndray fa ny olona taloha matory otran'ny fanihy ny vodiny no natondrony ny lanitra mba tsy anomezany voninahitra an'Atra,ka novain'ny Kristianisma zany raha araka ny eritreritrao??
40. bichette ( 12/07/2005 07:04)
hoy i Tsimiandravola
Araka ny voalazan'i Jesoa fa ovako kely fotsiny hoe:
"SAMBATRA IZAY VOTSA SAINA SY VENDRANA,FA HAZAVA AMINY NY MARINA REHETRA REHEFA ANY AN-DANITRA IZY.SAMBATRA IREO IZAY MANAIKY LEMBENANA SY MINO FOTSINY IHANY NA TSY MAHITA AZA,ARY IREO IZAY TSY BE "HADINKADINA",FA HO AZY IREO NY FANJAKAN'NY LANITRA.SAMBATRA IREO IZAY MAVESATRA KITAPOM-BOLA,KA MITONDRA IZANY ATY AMIKO,FA IZAHO HITONDRA FITSAHARANA HO AZY IRENY.....

ka aza dia extremiste be ohatran'io moa e sy aza dia hitarina any amin'ny tsy izy ilay zavatra voalaza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2364