Kristianisma=Daba loaka

61. bichette ( 12/07/2005 15:07)
ie, saingy zon'i Tsimiandravola ny maneho ny heviny fa tsy tonga dia manamavo fa miteny fotsiny hoe "misy an'izao sy izao ka inona ny hevitrareo " fa tsy tonga dia hoe [quote]Kristianismaaba loaka /quote]
62. bichette ( 12/07/2005 15:10)
tsy miaro anizaniza zaho an !
63. jentilisa ( 12/07/2005 15:50)
Izao Razoky e! Misy filazanao moa hoe mijere sarintany hahitana ny misy ny ranomasin\'i Tiberiady. Izao no voasoratra ao amin\'ny wikipédia momba ny farihin\'i Tiberiady:

anarana hafa: ranomasina na farihin\'i Kinneret ( avy amin\'ny teny hebreo hoe kinnor midika hoe lyre izany hoe ireny farazana valiham-bazaha ireny), farihin\'i Genesareta, ranomasin\'i Galilia!

Anarana samihafa manondro toerana iray no resahintsika noho izany! sa inona no tianao holazaina? Izaho tsy manakana mihitsy ny filazana hoe tsy amoron-dranomasina ny tanànan\'i Nazareta an!


tsimiandravola:

Momba ny rano sy ny harato,ary ny fanangonana ny apotre:
Jereo Matio toko faha4 and-faha17-22 ohatra fotsiny:

18=eo amoron\'i Galilea nahita mpirahalahy 2 Simona sy André nanarato satria mpanjono ireo
19=Manarahy ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo
20=OK,navelan\'izy ireo ny harato dia tonga dia \"daka\"
21=IZaka sy i Joany nandrary harato,voaantso koa tonga dia \"daka\".Navelany teo mbamin\'i rabaingny.

Izay no mahavoa anareo efa revon\'ny cinéma io. F\'angaha izy ity ho\'aho roman ka hoe ndao handeha dia lasa izao? izay ange no anankianan\'ny olona anareo hoe mandray an-tendrony e!
Averiko indray fa tsy fanaovana roman ny testamenta vaovao! fampianarana no tena tiana avoitra ao! Ny tiana avoitra amin\'io dia niafaran\'ny resaka: nanaraka azy ireo nolazainao ireo raha izay no maha-diavolana ny fonao. tsarovy fa misy ihany koa ny naniry ny hanaraka azy saingy nangatak\'andro ny sasany moa ny hafa indray mitoky amin\'ny hareny izany hoe ny harena no nataony ho \"Andriamanitra\" mahavonjy azy.

Ovay hoe \"kalachikov\" daholo ho\'aho ny hoe \"épée\" mba ahazahoanareo azy dia ho hitanareo fa ireo andian\'olona nankeny amin\'ny mont des Oliviers niaraka tamin\'i Jesoa ny alina talohan\'ny Paka dia \"bande de terroristes\".

I \"Jesoa\" mihitsy aza no nanambara:\\\"izay tsy manana épée dia aoka hivarotra ny fitafiany ka hividy (epée)iray\".


Inona no tian-kambara amin\'io? Tsarovy fa misy koa ny teny voasoratra hoe izay mamono amin\'ny sabatra dia hofatin\'ny sabatra ihany koa a!

Fampianarana ho an\'izay vao nibebaka io resaka eto io. Efa nampianarina azy ireo fa ny tenin\'Andriamanitra no sabatra ho an\'izay manaraka Azy. Ny fiainan\'ny kristiana tsirairay dia dia handalo memy toy izay efa niainan\'i Jesoa ihany koa! fa alohan\'ny fisedrana mahamay dia tokony hivonona amin\'ny sabany ny tsirairay, izany hoe efa mahalala tsara ny fampianarana kristiana ny tsirairay mba tsy hanaonao foana rehefa tonga ny fotoana lehibe na mahory indrindra!


Hitanareo amin\'izany fa tsy ho ary ho voaovan\'ny mpisandoka daholo ny tokony ho novany mba hanomezana endrika \"pacifique\" ny \"Nouveau testament\".

Fehiny misy ombieny ombieny,mbola misy ambiny na ao amin\'ny Nouv testamenta aza tsy voaova,ary misy sarotra ny nanova azy.Fantatra fa ny texte dia an\'i Marcion.

Fantatrao tsara angamba fa be dia be ny nanoratra ny tantaran\'i Jesoa tamin\'izany fotoana izany. Rehefa nojerena ireny dia misy ny noraisina ary misy ny tsy noraisina! Inona no antony? mety ho fanontaniana tamin\'izany dia hoe mampiorina anaty finoana ve ity zava-boalaza eto ity sa tsia? Amin\'iazy fotoan izay dia misy ny adi-hevitra anatiny ary misy ihany koa ny adi-hevitra ivelany. Ny adi-hevitra anatiny dia ny vokany moa izay nampizara roa sahady ny kristiana noho ny fanarahana ny lalàn\'i Mosesy. Hitanao ao amin\'ny Asan\'ny Apostoly ny niafaran\'izany resaka izany.
Ny adi-hevitra ivelany kosa dia izay hanakianan\'ny mpanenjika ny kristiana azy tamin\'izany fotoana izany. Anisany i Chelse izay nolazainao. Zara azaz hita avokoa ny fanakianana mba hanazavana azy amin\'ny Kristiana tao anatiny fa tsy ho faly hiady hevitra any ivelany. Ny fiadian-kevitra manko manao izay hiarovany tena fotsiny fa ny nanoratana azy tao anatin\'ny testamenta vaovao kosa dia mba hampazava ny fampianarana kokoa amin\'ny sarambaben\'Andriamanitra.

64. jentilisa ( 12/07/2005 16:18)
tsimiandravola:

Misy mba manoro hevitra ahy manao hoe aza dia extremista loatra ê.Efa niteny aho teo aloha fa tsy manompa n\'iza n\'iza,ary efa nazavaiko koa fa \"idéologie\",sy hosoka no finganiko.

Raha hanoratra ny tantaran'i Madagasikara aho. Iny fa nivoaka ny boky. Avy eo hitako fa tsy ampy ny filazana na misy ny tokony avoitra kokoa. Namoaka edisiona vaovao indray aho: hosoka ve ny nataoko?
Ianao milaza fa tsy herinandro no nanoratana io boky io ary tena marina izany. Moa tsy arakaraky ny tsikera voarainao ve no hanitsianao na hanazavanao bebe kokoa ny lohahevitra izay voakiana? Jereo ny fanombohan'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly (sy ny an'ny Lioka ihany koa raha tsy diso aho). Nisy ny famakafakana vao nampitaina io zavatra io! Ary ilay mpanoratra dia nijery na namaky loharano hafa momnba an'i Kristy. Tsy azony nataony ve izany?
Ao amin'ny Evanjelin'i Joany misy ny soratra ao @ farany voalohany ao hoe nosoratana izao mba hinoanao; izany hoe tsy ny tantara rehetra izay fantatra no nooratana fa izay nampiorina finoana! tsy efa mazava kosa ve izany?

Ambonin\'izay efa niteny aho fa tsy ho voatery hanjono daholo akory ny olona vao afa-mihinana trondro.Ka ianareo izay manankiana ahy milaza fa hevitr\'olona no velariko sy voiziko,dia hoy aho hoe:mbà menatra ary satria ianareo koa mitafy ny tsy nozairinareo,mihinana ny tsy nambolenareo,na dia ny Baiboly aza dia tsy ianareo no nanao ny angona...

Oadray! tena marina mihitsy izany. Ny mpianatra no tena nilazany izany mihitsy dia mitohy hatraty izy io.

Efa voalazako tery aloha fa nila fotoana ny famolavolana ny NT fa tsy \"redaction\" natao nandritra ny herin\'andro teo ambany tsiokan\'ny Fanahy masina akory.
Adikako eto ity bokin\'i Celse ity nalaina tao amin\'ny \"La fable du Christ\" p.145:
\"Celui auquel vous avez donné le nom de Jésus en réalité n\'était simplement que le chef d\'une bande de brigans dont les miracles que vous lui attribuez n\'étaient que les manifestations effectuées selon la magie et les tromperies ésotériques.La vérité est que tous ces prétendus faits ne sont que des mythes que vous même avez fabriqués sans néammoins réussir à donner à vos mensonges une teinte de crédibilité.Tous savent bien que ce que vous avez écrit est le résultat de remaniements faits à la suite des critiques qui vous étaient portées\"


Azavao tsara ary izay toherinao! ilay Jesoa mihitsy ve no tsy nisy sa ny fampianaran'ny Fiangonana no toherinao? Ahoana ireny olona be dia be nahatsiaro fiadanana rehefa "nifanena" tamin'i Jesoa ireny? sao dia heverinao fa nifanena corps à corps kosa ary izy ity?
65. tsimiandravola ( 12/07/2005 23:54)
Anarana samihafa manondro toerana iray no resahintsika noho izany! sa inona no tianao holazaina?
Toa aleoko indray tonga dia tsorina fa toa sarotra aminao ny mahazo ny resako:Ny Nazareth amin\'ny maha tanàna azy dia noforonina mba hanafenana Ny maha-\"Nazir\"(=Zelote).Satria Manelingelina ny famoronana Jesoa malemy paika mantsy ny toetra \"Nazir\" nananan\'ny \"lasitra\" (io lasitra io dia i Jean avy ao Gamala,ary revolisionera izy io.)
Marivo tototra nefa ny paika satria ny raki-tsoratra \"lasitra\" izay nampiasain\'i Lioka dia mitantara ny toe-tanànan\'i Jean avy ao Gamala,nefa ny tanàna lazainy (lazain\'i Lioka ihany)fa Nazareth dia any amin\'ny 40 Km ary lavitry ny farihy.

Manahy aho tsy hoa azon\'ny Jentilisa ny hevitr\'izany.:indro misy copie kely manampy izany.

Donc, après avoir cherché inutilement dans la Bible un passage qui aurait pu justifier en qualité de prophétie l\'appellatif de Nazaréen, ils eurent recours encore une fois à l\'expédient géographique en le mettant en connexion avec la ville de Nazareth, comme Qananite et Iscariote qu\'ils avaient fait dériver de Cana et de Keriot. Mais ce sera surtout avec l\'implantation de cette énième escroquerie que les faussaires nous fourniront la preuve définitive et irréfutable que Jésus, personnage n\'ayant jamais existé, est simplement la doublure de Jean.
F\'angaha izy ity ho\'aho roman ka hoe ndao handeha dia lasa izao? izay ange no anankianan\'ny olona anareo hoe mandray an-tendrony e!
Averiko indray fa tsy fanaovana roman ny testamenta vaovao! fampianarana no tena tiana avoitra ao!
Izay fampianarana tianareo avoitra aloha dia anareo izany,fa ny ahy dia fanankianana,ary azoko lazaina fa zo izany satria misy ny havako sy ny mpiray tanindrazana amiko voaray ao.Aryraha misy ny fampianarana dia tokony farafaha-keliny mba misy ny \"vatolampy\" ijoroany.Ka eo indrindra isika:tsy arakarak\'ilay fanoharana nataon\'i \"Jesoa\" momba ilay fanorena-trano eo ambony vato ,fa na izy tenany aza miorina eo amin\'ny fasika.
Asiako fanamarinana kely fotsiny ilay hoe mandray an-tendrony.:):mifono hevitra lalina mihitsy io rappel-ko io fa tsy takatrao.Ny tiako ho lazaina eo izay dia fahamoran\'ny fanapahan-kevitry ny mpianatra izay miankina amin\'ny \"contexte\" ara-tantara fa tsy kisendrasendra mihitsy.Inona tokoa moa no hanaovana roman ny amin\'ny fiantsoana olona efa mpiara-dalana rahateo eo amin\'ny sehatry ny politika Esseniana?
Raha hanoratra ny tantaran\'i Madagasikara aho. Iny fa nivoaka ny boky. Avy eo hitako fa tsy ampy ny filazana na misy ny tokony avoitra kokoa. Namoaka edisiona vaovao indray aho: hosoka ve ny nataoko?
C\'est très rigolo hoy ny Vazaha:D
Fa tsy ny tiana avoitra araka ny voalazanao no tena nanaovana edisiona,fa kosa ny mikasika ny fampiharana ny \"Jesoa\" (izay tsy nisy) eo amin\'i \"Jean de Gamala\".Ka any ilay hosoka no tena mipetraka,efa hatrany an-dreniny hoy isika.

Raha omeko sary kely ianao dia izao:ny karazan-dry Jean de Gamala rehefa homboina amin\'ny \"hazo fijaliana\" dia mihomehy,ary manaraby ny mpampijaly azy (nohon\'ny resaka fanatisme sns).Navadiky ny Kristianisma izany dia lasa ny Mpamono indray no manaraby an\'ilay \"Jesoa\" (fiction)etsy ambony hazo.Natao izay hananany endrika \"défait\",mba hifanaraka amin\'ny teny \"faminaniana\".
Azavao tsara ary izay toherinao! ilay Jesoa mihitsy ve no tsy nisy sa ny fampianaran\'ny Fiangonana no toherinao? Ahoana ireny olona be dia be nahatsiaro fiadanana rehefa \"nifanena\" tamin\'i Jesoa ireny?

Ny toheriko dia ny Kristianisma miorina eo amin\'ny \"Jesoa\" izay tsy nisy ara-tantara akory.Ny fisiany ara-tantara,vatana,nofo sy rà:hitan\'ny historien sy ny tsy mpino,fa tsy hoe ireo mpino ihany.Ny tsy fisian\'izany Jesoa izany tamin\'izany andro izany dia midika ihany koa fa tsy misy izy amin\'izao fotoana izao(araka ny lazaina amin\'ny mpino).Ka noho izany dia toheriko ny fampianaran\'ny fiangonana izay fanambakana ny ambanilanitra.
Averiko indray i Jesoa araka ny ampinoan\'ny Kristianna azy dia tsy nisy fa Kisary fotsiny ihany:kisary no-adapter-vana teo amin\'i Jean de Gamala.Noho izany ny NT dia tsy fiable,tsy hita ho henoina avokoa izay voasoratra ao.
66. jentilisa ( 13/07/2005 09:36)
tsimiandravola:

Nazareth amin\\\'ny maha tanàna azy dia noforonina mba hanafenana Ny maha-\\\"Nazir\\\"(=Zelote).Satria Manelingelina ny famoronana Jesoa malemy paika mantsy ny toetra \\\"Nazir\\\" nananan\\\'ny \\\"lasitra\\\" (io lasitra io dia i Jean avy ao Gamala,ary revolisionera izy io.)

Ny antsoina hoe nazir araka ny fahazoako azy kosa dia hoe voatokana ka tsy miandraikitra ny rainy sy ny reniny intsony izy na mamelona azy ireo na dia tratry ny fahosana aza izy ireo. Anjaran\'ny hafa izany hoy ny fomba jiosy.
Manaraka izany: ny asan\'i Jesoa dia mpandrafitra. NY asan\'ny mpandrafitra dia mampivezivezy azy any amin\'ny toerana rehetra ahitany asa. Maro ny mpanao ny trano avy any Vakinankaratra ohatra no miasa antselika eto Antananarivo amin\'izao fotoana izao. Manaraka izany ny sarangan\'olona ambany (satria heverina ho ambany izany asa izany) dia tsy mba mpamonjy Hotel mihaja izany. Tahaka izany i Jesoa. Izy dia niteny hoe na dia ny anitrihany ny lohany aza dia tsy misy. Izay trano azony itoerany no itoerany na dia tsizarizary aza izany.
Ny saranga ambany ihany koa tsy mba manana tantara izany.NY mpiasam-panjakana sy no olona ambony no tena fantatra ny tantarany fa raha ny \"madinika\" tsy raharahan\'ny olona izany. Ary tsy zakan\'izay miseho ho mahay koa izany hoe olona ary ambany ary izany no malaza. Izay no tsy ahazakan\'ny sasany raha tsy fantatrao hoe ilay vendrana araka ny fiteninareo ve no mba miseho milay sy ankalazaina hoe zanak\'Andriamanitra ohatra.
NY Zavatra anontaniako anao indray dia izao: raha olona heverina ho dombo satria \"4\'mi\" no manana ireo fiteny hitanao ao amin\'ny testamenta vaovao lazainao ho hosoka io. MOa tsy mahavariana ve? Lazaiko fa na dia ny filozofy amin\'izao fotoana izao aza mbola ambakainy raha ny fijeriko azy...OLona manana foto-pisainana rangahy izany a! Izay no mety tsy ahazakan\'ny manodidina azy tamin\'izany fotoana izany satria na dia saranga mitovy aza dia fisainana mifanalavitra be e!
Noho izany, tsy mahagaga raha mitety ny faritry Galilia i Jesoa, ary izany koa no anararaotany miditra ny synagoga samihafa hifandaharany amin\'ny olona miditra ao isan-tSabata. Ary ny olona tsy manao ohatra amin\'ny zavatra tsy hitany izany. Faritra ahitana voninkazo mahafinaritra i Galilia, izay no nahatonga ny fanoharana voninkazo ao amin\'ny Matio iny, faritry ny mpanjono ihany koa any(na mpanarato) koa tsy atao mahagaga raha manao fanoharana momba izany izy. NY tsy fanaovany izany aza no ahafahana manamporofo hoe tena tsy misy tokoa izany Jesoa izany.
Hivadika momba an\'i Nazareta indray aho.
Ny tanànan\'i Nazareta dia ao anatin\'ny faritry Galilia, Galilia kosa dia faritra be jentilisa mifanakaiky amin\'ny jiosy.
Aiza no misy azy?
Tsarovy fa Palestina (tao anatiny Israely) tamin\'izany fotoana izany dia tsy be velarana noho ny atsasaky ny faritanin\'Antananarivo amin\'izao fotoana izao. Hevero tsara izany!
Manakaiky an\'i Nazareta no misy ny tendrombohitra Tabaoro izay manana haavo 558 m. Izany hoe ao anatin\'ny faritra avo izy fa tsy lemaka. Eo atsimo andrefan\'ny tanàna no misy ilay hatsana, fa tsy hoe feno hantsana ny tanàna...Io Tendrombohitra Tabaoro io dia andalovana raha hamonjy ny ranon\'i Tiberiady. Tsarovy ihany koa fa ny farihin\'i Genesareta dia miiba 200m ambanin\'ny ranomasina.

Marivo tototra nefa ny paika satria ny raki-tsoratra \\\"lasitra\\\" izay nampiasain\\\'i Lioka dia mitantara ny toe-tanànan\\\'i Jean avy ao Gamala,nefa ny tanàna lazainy (lazain\\\'i Lioka ihany)fa Nazareth dia any amin\\\'ny 40 Km ary lavitry ny farihy.

Tsoriko fa tsy mbola naheno izany hoe Gamala izany aho. Ramallah no efa henoko. Nazareta kosa dia notononina hoe En-Nasirah tamin\'ny tompontany tany.

Donc, après avoir cherché inutilement dans la Bible un passage qui aurait pu justifier en qualité de prophétie l\\\'appellatif de Nazaréen, ils eurent recours encore une fois à l\\\'expédient géographique en le mettant en connexion avec la ville de Nazareth, comme Qananite et Iscariote qu\\\'ils avaient fait dériver de Cana et de Keriot. Mais ce sera surtout avec l\\\'implantation de cette énième escroquerie que les faussaires nous fourniront la preuve définitive et irréfutable que Jésus, personnage n\\\'ayant jamais existé, est simplement la doublure de Jean.
Tena tsy voasoratra tao amin\'ny Testamenta taloha mihitsy aloha izany tananan\'i Nazareta izany e! tsy hitako izy andaingana amin\'izany. Fa tamin\'ny taona firy moa no nosoratana farany ny test Tal? Ao anatin\'ny eninjato taona ve dia tsy mahazo manorina tanàna ny olona? Sa noforonina hanafenana lainga ihany koa ny tanànan\'i 67ha ohatra? Tsy nisy fandraràna hanorina tanàna tamin\'izany fotoana izany rahalahy ka mampisy olana anareo ve ny fisian\'ny tanànan\'i Nazareta?
[quote]
Izay fampianarana tianareo avoitra aloha dia anareo izany,fa ny ahy dia fanankianana,ary azoko lazaina fa zo izany satria misy ny havako sy ny mpiray tanindrazana amiko voaray ao.Ary raha misy ny fampianarana dia tokony farafaha-keliny mba misy ny \\\"vatolampy\\\" ijoroany.Ka eo indrindra isika:tsy arakarak\\\'ilay fanoharana nataon\\\'i \\\"Jesoa\\\" momba ilay fanorena-trano eo ambony vato ,fa na izy tenany aza miorina eo amin\\\'ny fasika.

Tahaka ny hoe na misy aza ny zavatra tsara vita tsy maintsy misy ny mpanakiana. Ary na dia maro aza ny olona no nahazo fiainana vaovao noho ny nifanenany tamin\'i Jesoa, aleo kianina satria heverinao fa fitaka fotsiny izany Jesoa izany! Dia iza izany no nifanenan\'ireny olona ireny?

Ny tiako ho lazaina eo izay dia fahamoran\\\'ny fanapahan-kevitry ny mpianatra izay miankina amin\\\'ny \\\"contexte\\\" ara-tantara fa tsy kisendrasendra mihitsy.Inona tokoa moa no hanaovana roman ny amin\\\'ny fiantsoana olona efa mpiara-dalana rahateo eo amin\\\'ny sehatry ny politika Esseniana?

Fanontaniana indray, rehefa misy ny zava-mitranga na dia ny bitika indrindra. Karazan\'olona manao ahoana no tonga eo voalohany indrindra?
Ny Esseniana koa dia tany Jodia no nisy azy fa Jesoa tany Galilia. NY Esseniana dia nanorina tanàna manokana mba tsy hifangaroharoany amin\'ny olona maloto, satria maloto avokoa aminy rehefa tsy Esseniana. Amin\'ny Esseniana na dia ny Tempolin\'i Jerosalema aza dia maloto satria olona tsy mendrika aminy ireo mpisorona ao. Faramparany, Ny Esseniana dia manohitra ny fampiasan-kery nefa ny zelota lazainao dia mitolona mpitam-piadiana koa azavao ny hevitrao. Zelota Sa Esseniana ilay Jesoa fa tena mifanohitra be ireo zavatra ireo?

Raha omeko sary kely ianao dia izao:ny karazan-dry Jean de Gamala rehefa homboina amin\\\'ny \\\"hazo fijaliana\\\" dia mihomehy,ary manaraby ny mpampijaly azy (nohon\\\'ny resaka fanatisme sns).Navadiky ny Kristianisma izany dia lasa ny Mpamono indray no manaraby an\\\'ilay \\\"Jesoa\\\" (fiction)etsy ambony hazo.Natao izay hananany endrika \\\"défait\\\",mba hifanaraka amin\\\'ny teny \\\"faminaniana\\\".
Ny toheriko dia ny Kristianisma miorina eo amin\\\'ny \\\"Jesoa\\\" izay tsy nisy ara-tantara akory.Ny fisiany ara-tantara,vatana,nofo sy rà:hitan\\\'ny historien sy ny tsy mpino,fa tsy hoe ireo mpino ihany.Ny tsy fisian\\\'izany Jesoa izany tamin\\\'izany andro izany dia midika ihany koa fa tsy misy izy amin\\\'izao fotoana izao(araka ny lazaina amin\\\'ny mpino).Ka noho izany dia toheriko ny fampianaran\\\'ny fiangonana izay fanambakana ny ambanilanitra.
Averiko indray i Jesoa araka ny ampinoan\\\'ny Kristianna azy dia tsy nisy fa Kisary fotsiny ihany:kisary no-adapter-vana teo amin\\\'i Jean de Gamala.Noho izany ny NT dia tsy fiable,tsy hita ho henoina avokoa izay voasoratra ao.

Dia faly aho milaza aminao manao hoe tsy misy hadalana tahaka ny manohitra tsy misy. NY misy no toherina fa tsy ny tsy misy.
Fanambakana tahaka ny ahoana ary no toherinao amin\'ny fiangonana izay misy kosa? Ary araka ny fampianaran\'i Kristy dia ny fiangonana no vatan\'i Kristy. Izany hoe misy vatany eto ilay tsy misy nolazainao? ireto avy izany fanambakana izany raha izaho no tianao hanonona azy :
Fananganana sekoly hianaran\'ny zana-bahoaka hialana amin\'ny habadoana, ary tsy misy ifandrombaha tahaka ny an\'ny Katolika izay tena toherin\'ny tsy mpino.
Fananganana Hopitaly izay hitsaboana ny marary ary ny tena mpanome fanampiana izay tsy manana sara andoavana dia ny fiangonana ihany.
Fikarakarana ny voafonja izay efa naloan\'ny fiaraha-monina... aleo hatreo ihany fa mahakamo be na dia manonona ireo fanambakana ireo aza.

67. tsimiandravola ( 13/07/2005 11:08)
Miaky izany i Jentilisa fa tsy nisy ary tsy misy i Jesoa voalaza ao amin'ny testamenta vaovao????:D
68. xxx ( 13/07/2005 12:13)
Ny tsy misy toherina no lazainy ka!hafahafa!
69. xxx ( 13/07/2005 13:18)
Tsapa fa manao endrika "censure" i Jentilisa.:lol:
Ataony lavabe sy mivelatra be loatra dia fanina ny mpamaky sy ny mpamaly dia toy ny azy no "dernier mot".Taktika mahomby io.Aza tezitra an!
70. xxx ( 13/07/2005 17:51)


censure censure aona le

71. STONG ( 13/07/2005 18:58)
Ra azoko natao ny nanopa an'ilay mpanome hevitra dia natoko mihitsy.
Rehefa izay ny fahafantaranao mpanome hevitra io ny baiboly dia tano ho anareo irery any fa aza ato mihitsy no hitatarana vala-maty.
Na tezitra ianao na tsia dia hevitr-alika io zavatra tataranao io!!!!!
:?::?::?::?::?::?:
72. tsimiandravola ( 13/07/2005 20:06)
Lazao hoe nahoana no hevitr'alika ê!:lol:.Tsy izaho no hanome tsiny anao fa ataoko fa rariny ny fitetiavanao ny hanompa ahy raha tsy mifanaraka amin'ny toe-tsainao ny voalaza.Efa nahazo ahy izany,fa mila korazy fotsiny mba hahafahana manaiky ny tsy fitovian-kevitra.
Dia mazotoa.
73. Mifenty ( 13/07/2005 21:04)


a3 kosa ry STONG ah, aza manompa zany kosa eh.

zay kosa anie no maha forum ny forum eh, ifanakalozana hevitra sy mba ilazana ny hevitra eh.

Refa tsy mifanaraka ami fisainana kosa v de tonga dia hoe ompaina eh, tsy mifanaraka ami foto-pisainana eto am serasera kosa iezny ra azoko tsara eh.

Ra misy resaka ve eto oatra momba ny baolina ka tsy tiako ny baolina dia ho ompaiko ilay mpanolotar hevitra na hoe censuré izy fa tsy tia baolina ianao??,

a3 kosa eh, moramora sofera ah.

74. sonwin ( 13/07/2005 23:03)
mananatra leity klé:-D
75. tsimiandravola ( 14/07/2005 00:07)
Indro indray ary misy fanoharana anankiray:

Rehefa nanontaniana hono Ikotofetsy (nilaza tena fa tsy diso mihitsy fa tsindrian\'ny fanahy masina) indray andro ka natao hoe:\"hono ho\'aho:mba fantaronao ary :mba taiza ary ny Renibeko no maty?\".Ny navalin\'Ikotofetsy azy hono dia ny hoe tany an-kavoana.
Dia hoy ilay mpanontany nanao hoe:\"Izay ary fa tratra ny laingan\'ialahy,milaza ho tsindrin\'ny Fanahy Masina,nefa mpandainga,tsy vanonkolona,tsy tany an-kavoana izany izy no maty fa tany an-demaka\".Dia hoy fotsiny Ikotofetsy nanarina:\"Moramora ianao razandry â!ny tsy arakao dia izao:maty tany an-kavoana izy dia avy eo dia nikodiadia dia tonga tany an-demaka\".

Mahatsiaro an\'io Hatsikana io foana aho rehefa mieritreritra ny voalazan\'ny NT (Lioka sy Matio):
-Samy tany Betlehema no nampiterahany ny \"Jesoa\"
-I Matio dia milaza fa mponin\'ny Bethlehema ry zareo dia tao an-tranon\'i Razefa no teraka ilay Boay kely.
-I RaLioka indray dia milaza fa niainga avy tany Nazareta ry zareo nankany Betlehema.Feno anefa ny \"formule 1 \" sy ny \"1ère classe\",sy ny \"etap hotel\",ka voatery nankany amin\'ny valan\'dry \"bovidé\".

AMIKO DIA IZAY IRAY ALEHANY:NA MISY NY IRAY AMIN4IREO FILANZAN-TSARA IREO,ALEFA ANY AMIN\'NY ARCHIVE MIARAKA AMIN\'IREO SAKAIZANY TOA AN-DRY 3EVANGILE DE THOMAS,DE GHETTO,ETC(misy 60mahery);NA POROFO IZANY FA SAMY MANANA NY MARIK\'ANDRONY (datation) AVY NY ANDININY MARO AO (izany hoe nampian-dry Ikotofetsy nataony hifanaraka amin\'ny \"teny faminaniana\" fotsiny)

Alefaso indray ary,iza indray no hitazona ny rôlen\'Ikotofetsy ,handresen-dahatra ahy ka isehoana ho mpiaro ny \"tsy hay arovana\"?:lol:

(Kopia mikaolyavy ao amin\'ny vohikala librepensees.org)
Puisque plusieurs ont entrepris d’écrire un site sur les choses qui sont diversement reçues parmi eux avec une totale certitude, car censément transmise par de soit disant témoins oculaires et ministre de la parole, il m’a semblé bon à moi aussi, très excellent Théophile, d’écrire un site afin que tu connaisses toute l’inexactitude des enseignements dont tu as été malencontreusement instruit (Luc 1 :1-5 remasterisé 2003)

76. jentilisa ( 14/07/2005 06:31)
=)) fa iza daholo koa ary ireo xxx ireo?
77. Mifenty ( 14/07/2005 08:15)

hihih aoka lesy frera kle

oltya, ny tokony ho censuré anie de le manoratra lavabe reny eh, otran'io ambony io eh, tsisy faingo tsisy teboka, tsisy baraingo tsisy tsoraka sy ny sisa.

refa lava be le izy de tsy mamp té hamaky kle.
sa aoan frera?
78. sonwin ( 14/07/2005 08:40)
marina leisy zany klé..fa andeha hanoratra lavalava kely aloha za ho an'io manoratra lava be io fa leiry mety mazoto mamaky
79. sonwin ( 14/07/2005 08:49)
tsimiandravola> hoy ise hoe ny Kristianina daba loka..ok zay zany ny fijerin'ise azy..dia arahitsika lojika fotsiny zany hoe: ny olona sahala amin'ise zany "daba tsy loka", dia atao inona aza daba tsy loka?:atao fanariam-pako, atao fanariana maloto, atao hiterizana izao rehetra azo atao anaty daba izao...dia normal ise raha hanana fomba fijery sahala amin'io satria daba tsy loka, voatahiry ao amin'ise daholo ny hevitra taingina, ny hevitra manakiana, ny hevitra manaratsy...sy ny maro e.Mora mandray ny hevitra anti.kristy ise satria ireny no azo tehirizina anaty daba tsy loaka. Ka ny tena tokony ho izy ry ise de ny fifanajana amin'ny fanekena ny maha-izy azy ny tsirairay, refa ts afaka ny hanao an'izay moa de mifanakiana eto fa ts koi kou ka..tsy misy miala eto:)
Dia hoy aho hoe:
Dia maninona an'ialahy,mampaninona an'ialahy
Raha kristianina izahay?
Ny tsikeran'ialahy, ny hevitra taingin'ialahy hatsaharo amizay
Fa ny fomba fitsaran'ialahy
Ajanony fa tsy milay
Fa raha mbola hanohy...
Ento aza fa miandry zahay:-w
80. tsimiandravola ( 14/07/2005 10:16)
Ny hevitry ny hoe \"daba loaka\" araka ny fahalalako azy hatramin\'izay dia hoe \"tsy vierge\" intsony,izany hoe tsy \"première main\" hoy ny vazaha.Ny texte-ny NT no lazaiko amin\'io,texte izay iorenan\'ny Kristianisma.

Raha manao \"jeu de mot\" amin\'ny \"Daba\" ianao andriamatoa sonwin,mba amelezana ahy,dia mifototra aminao ihany izany satria ianao dia eritreretiko ho Kristianna satria \"son\"=zanaka=Jesoa,ary win=mandresy.Raha adika dia hoe Jesoa mandresy.Sa diso aho?

Ka raha \"daba\" iandronan\'ny \"...hevitra taingina,..., ny hevitra manaratsy...sy ny maro e....\" dia tsy misy mihoatra ny Baiboly.

-Vao manomboka fotsiny dia hitantsika ao ny \"angano\" niavy avy any Summère mampanota an\'i \"Adama\" sy \"Eva\",misy ilay hazo voarara sy ilay bibilava ...Ha ha ha!!!(cylindre de la tentation,au British museum)

-Vao tsy ela akory no nanomboka ny Baiboly dia efa nanenina sahady ny amin\'ny nataony Ingahy be fotsy volom-bava ka nanao \"génocide\" planetaire tamin\'ny safo-drano.Hahahahaha!!!Eto indray dia efa mipoitra sahady koa ny \"Angano\" faharoa,ary mbola avy any Summer ihany koa(3000 taona nialoha ny baiboly).

-Miala tsiny fa misy copie collé kely indray.
\"Vers -2500 avant JC
Culte de Horus (KRST) en Égypte :
* Il est né de la vierge (Isis) le 25 décembre (Tybi) (la fin du solstice d\'hiver) dans une grotte ou une crèche, sa naissance a été annoncée par une étoile à l’Est et attendue par trois hommes sages (Mintaka, Anilam, Alnitak).
* Son père s\'appelait Joseph (Seb, Geb, Deb, Qeb ou Keb), il était de lignée royale
* Il enseignait à des enfants au Temple et fut baptisé à l’âge de trente ans par Jean le Baptiseur (Anup)
* Il a eu 12 disciples.
* Il effectua des miracles et ressuscite la momie El-Azar-us (\'El-Osiris ou El-Osirus\'),, d’entre les morts. (recopié en El\'Azar dans la bible, Lazare en version française)
* Il marcha sur l’eau et délivra un sermon sur la montagne * Il fut transfiguré sur la Montagne
* Il a été crucifié entre deux brigands
* Il a été enterré dans un tombeau et a été ressuscité.
* Il était aussi \"la Voie, la Vérité, la Lumière, le Messie, le fils oint de Dieu, le Fils de l’Homme, le Bon Berger, l’Agneau de Dieu, le Mot\".
* Il était \"le Pêcheur\" et était associé à l’agneau, au Lion, au Poisson.
* Isis, déesse égyptienne de la Lune, vierge, est enveloppée dans un manteau bleu constellé d\'étoiles et tient serré dans ses bras un enfant emmailloté. Horus a té baptisé par \"Anup le baptiseur\" qui engendrera \"Jean le baptiste\" Sources : \"Le livre Égyptien des morts\" Massey, \"Livre des morts des anciens égyptiens\" Kolpaktchy, \"Au cœur des mythologies\" Lacarrière, \"Désillusions et mythes de la Bible\" Lloyd Graham, \"Encyclopædia Universalis\", \"le livre que Votre Église ne veut pas que vous lisiez\" Churchward, \"Ancient Egyptian Myths and Legends\" Lewis Spence\"(loharano=http://www.bible.chez.tiscali.fr/)

Ka dia miala tsiny aho fa ny Boky iankinan\'ny Kristianisma mihitsy ny toa \"Daba\"(famaritan\'i sonwin) iangonan\'ny fakofako avy any moyen orient.

Ary mbola be ny toy izany ho\'aho fa raha tianareo avelako ny manohy azy dia avelako.Fa ao amin\'ny baiboly ao feno.Ary izany boky izany no voalaza fa TENIN\'ANDRIAMANITRA.

Aza miaro ny \"indéfendable\" wa!!!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2405