Kristianisma=Daba loaka

101. cocorie ( 20/07/2005 09:31)
LEO BE ANAO NY REHETRA E§
De mihevitra enao hoe nahazo kil be @izao, nefa BERK be le adi-hevitra. ANDRIAMANITRANAY TSY AZO ATAO VAZIVAZY OHATRAN\'IZAO. HIVAVAKA HO ANAO AHO.
102. sonwin ( 20/07/2005 09:39)
tsimiandravola> ary ise zany kay ilay karazan'olona mora ampiesonina klé...voadona teo amin'ny fiainana angamba ise e..(azafady fa izay ny fahitako azy an), dia mazotoa aza mikatsaka ny marina sy tena izy e.Tsy ny fanadisoana ny hafa no lalana hatafavoahana eo amin'ny fiainana fa ny fandalinana bebe koakoa izay mahatsara sy mahasoa anao.
103. felampaiso ( 20/07/2005 13:43)
Raha tena dinihina, amiko, dia tsy misy itovizany akory ny Jesoa Kristy resahin'ny Baiboly sy ilay olona resahin'i tsimiandravola.
1/ Ny jesoa kristy inoan'ny mpino kristiana dia Ilay IVON'NY SORATRA MASINA,voalazan'ny testamenta vaovao sy testamenta taloha,efa voarakitry ny faminaniana hatrany am-pamoronana izao tontolo izao ary resahin'ny BAIBOLY
2/ Ny kristy resahin'i tsimiandravola kosa dia olona hafa mihitsy satria mifanohitra tanteraka @ izay eken'ny kristiana sady voalaza fa anganom-bazaha ( fable )araky ny boky vao nosoratan'olona vao haingana.

Ho antsika kristiana dia tsy ilaina ny provocation ataon'ny devoly satria efa sahintsika ny miteny hoe :" FANTATRO IZAY INOAKO DIA I JESOA KRISTY AVY ANY NAZARETA, ZANAK'ANDRIAMANITRA VELONA ",
Fanehoan-kevitra no atao eto fa tsy fifanaratsiana ô !
104. xxx ( 21/07/2005 06:00)
be dia be ry reto zay resaka zay a! fa ho izao no hitako hoe: samia mitana ny heviny daholo fa manjary mampisavorovoro ny sain' ny hafa ny hevitra tsy mitovy, marina fa forum ity afaka milaza ny heviny dholy nefa koa tsy mitovy tadi-dokanga ka samia manao izay hitazonana ny foto-keviny ho azy samy irery,
raha ny hita eto mantsy dia tsy ho resy dohika mihitsy raha zay tsimiandravola fa tena tsy mino izy.
fa raha aminay kristianina kosa dia mino an' i Jesosy Kristy tokana a fa asakasakareo zay tsy hino azy.
Firy taona lasa zay Izy foana no ninoana ka izao indray vao misy hevitra manohitra ny fisiany izany, tena hafahafa ianao ry tsimiandravola a!
105. johns ( 21/07/2005 10:44)
tsimiandravola:

nisy \"historiquement\" mihitsy i Jesoa:

Ie dia mifarana hatraiza ny zavatra lazain'io raha io eh?
Aminay mantsy dia mbola mitohy foana ny fisian'i Jesosy fa tsy mijanona eo. Izay no mahatsara ny Baiboly eh, izay manambara fa mbola velona foana Jesosy hatramin'izao ka ho mandrakizay. Izany hoe tsy tantara mipirina ka hoe tapitra na fin any amin'ny takila farany. Fa Amen.

106. isambilokely ( 21/07/2005 17:09)
Tsimiandavola >
Marina ny an'ise, satria namaky boky ise, izaho manokana dia manohana ilay fomba nentina nanehoana hevitra ary tsy misy fanambaniana-tsaina velively ilay izy fa ny fahavononana nampahafantatra ny zavatra misy any ambadika no nentina teo.

Ho an'izay tsy mankasitraka>
Aza mifandatsa fa mbola ho tsarain'ny karatra aoriana kely ao. Hoy i xxx hoe ny webmaster indray ve no manebaka. Satria mihevitra ny webmaster fa izy no fanaperana eto amin'ny sehatry ny serasera. Ny mifanohitra amin'izany, satria dia hitan'ny besinimaro fa iva dia iva ilay haavon'ilay fomba fisainany teo amin'io soratra nosoratany teo ambony io. Raha tsy izany moa ve izy io hono araka ny fitantaran'izay akama ivom-baovao izay hoe Goretra Nanary Lamba. Mba nametrahan'ny Eveka tanana ihany fa nitotongana fa tsy nahazaka ny fiasan'ny Devoly. Asa ?

Ampiadio ny hevitra fa aza manaratsy olona hono. Izahay tsy manaratsy fa milaza ny zava-misy hono hoy Isambilokelizandriny.

Mbilo Iraika
:lol: Youpiiiiiiiii
107. sonwin ( 21/07/2005 18:19)
oadray
108. tsimiandravola ( 21/07/2005 22:17)
Misaotra an'Isambilokely!Sy ireo mpankatoa ny fahafahana amin'ny obscurantisme,sy ny fanantenana mampandriadrisa."ny marina hanafaka anareo" hoy ny baiboly.Ny valiny dia hanafaka antsika amin'ny baiboly ny marina.
Oadray fotsiny hoy i Sonwin atsy!
Fitiavana sy fanampiana anareo anie leiretsy no amakiana bantsilana ny lainga sy ny fahan-dalitra ê:D.Ary efa fantatro hatry ny voalohany anie aho hoe be no ho vitsy ê.
Ka dia tsy maninona akory izany,fa dia mamelà ahy raha tsy voavaliko ara-potoana daholo ny tokony ho valiana rehetra ê.
Dia hoy ve ianareo hoe :aza be taim-bava ary???
Dia izao noi avaliko an'izay:Veloma lava ho'aho ny Kristianisma fa vao manomboka izao ny Déchristianisation.Tsy fantatrareo angaha hatraiza izao ny degren'io dechristianisation io eto Frantsa fotsiny???Raha tsy nisy an'io i Frantsa dia tsy tafavoaka.Toy izany koa isika aty Madagasikara,raha tsy misy fihenanmbidy ny Kristianisma dia mbola hitsipozipozy foana isika.:8)
109. jentilisa ( 22/07/2005 10:20)
isambilokely:

Raha tsy izany moa ve izy io hono araka ny fitantaran'izay akama ivom-baovao izay hoe Goretra Nanary Lamba. Mba nametrahan'ny Eveka tanana ihany fa nitotongana fa tsy nahazaka ny fiasan'ny Devoly. Asa ?

Ampiadio ny hevitra fa aza manaratsy olona hono. Izahay tsy manaratsy fa milaza ny zava-misy hono hoy Isambilokelizandriny.



Inona daholo ary izany rehetra izany? inona no dikan'io, hono, io? ary ianareo kay ny lazain'ny baiboly dia fôpla fa ny honohono no marina? Mahavariana raha mora ahodin-doha tahaka izany!
110. jentilisa ( 22/07/2005 10:32)
tsimiandravola:

Dia izao noi avaliko an'izay:Veloma lava ho'aho ny Kristianisma fa vao manomboka izao ny Déchristianisation.Tsy fantatrareo angaha hatraiza izao ny degren'io dechristianisation io eto Frantsa fotsiny???Raha tsy nisy an'io i Frantsa dia tsy tafavoaka.Toy izany koa isika aty Madagasikara,raha tsy misy fihenanmbidy ny Kristianisma dia mbola hitsipozipozy foana isika.:8)

Ary toa ny any Frantsa indray no ireharehanao? Aiza no misy ny famonoan-tena betsaka indrindra rahalahy no any no ireharehana? Ny olona aiza no mampiasa fanafody pilina (zava-mahadomelina) indrindra eran'izao tontolo izao? Tsy mahagaga koa raha anisan'ny matanjaka indrindra any ny herisetra, I La Frantsa rahalahy no malaza amin'ny fifamoanoana any an-tsekoly izany hoe mbola ho avy ny herisetra mafimafy kokoa rehefa lehibe ireo mpisetrasetra any an-tsekoly ireo. Aleonay ihany mitsipozipozy aty Dago raha La Frantsa no ireharehanao.

111. Merinaforever ( 22/07/2005 11:23)
Mamela ahy kosa indray mba hamaly kely an'ity.
Raha ny faniriako dia ny tsy hisian'ny mpamono tena,ny tsy hisian'ny depression ka hihinanana fanafody toy ny misy eo amin'ny firenena Europeana.

Ka ny vaha olana ialàna amin'izany dia tsy voatery ho ny Christianisma akory fa ny fankatoavana ny nentin-drazana izany hoe:"communitarisme" mifantoka amin'ny razana.

Tsy religion vaovao akory io,ary tsy nisy fifanenjehana na ady an-trano toy izay niseho teo amin'ny Christianisme,nefa kosa afaka tsara nandrosoana ara-toe-karena na dia misy aza ny tsy maintsy amboarina.
112. jentilisa ( 23/07/2005 11:24)
Tsy maninona fa idirako ihany ny resaka na dia izany aza. Tsy maintsy jerena ny tantara: matoa lefin'ny kristianisma ny nentin-drazana dia nisy banga nofenoin'ny kristianisma izay. Manaraka izany na nisy ny kristianisma na tsy nisy raha vao misy ny fandrosoana tsy maintsy misy rafitra potika ho azy ao rehefa izy no tsy manaiky hiova hihoatra na miomana izany fiovana izany. Izay hatrany anefa no nahavoa ny nentin-drazana: tsy mety miova izy fa mizaka fiovana hatrany.
Izay anefa no tombon-dahin'ny kristianisma: na izy no manova ny fiaraha-monina hivoatra na izy maharaka hatrany izay fiovana izay. Saingy aminy kosa rehefa fahotana dia fahotana: misy hatrany ny fefy tsy azo ihoarana. Izany no hanoherana ny kapaoty=fimailo ohatra; tsy hanaiky izay mety hamporisika ny fijangajangana na oviana na oviana ny kristianisma madio.
113. booboo ( 23/07/2005 11:42)
hum...zà kristiana fa tena mamporisika ny fampiasana fimailo.
114. jentilisa ( 23/07/2005 15:51)
rehefa tsy mahazaka fakam-panahy moa atao ahoana?
115. xxx ( 23/07/2005 17:09)
Saingy aminy kosa rehefa fahotana dia fahotana: misy hatrany ny fefy tsy azo ihoarana. Izany no hanoherana ny kapaoty=fimailo ohatra; tsy hanaiky izay mety hamporisika ny fijangajangana na oviana na oviana ny kristianisma madio
Araka ny efa hitako kosa,ny tena nahatonga an'io fimailo io ho lavin'ny vatican dia satria efa hatrany amboalohany ry zareo no contre ny "fahafinaretana" izany hoe ny plaisir.Aleony be ny ripaka toy izay miverina amin'ny efa naloaky ny vavany.Izany hono no nisian'ny celibat des prêtres etc,satria eritreretin'izy ireo fa "fahalotoana" ny fitiavana "saiksa".Raha fijangajangana aloha no resahana dia tsy misy mijangajanga mihoatra ny curé ê.Raha vao mijery fotsiny ka maniry dia efa fahotàna amin-dry zareo,nefa hoy ny gasy hoe: "ny maso mijery tsy mitondra mody".
Raha izaho kosa aloha ny curé dia dangitra foana aho raha vao mieritreritra an'ilay zanak'i MM.
Tsy mino aho hoe lé curé dé tsy mi-masotoribé sady mandefa ny sainy any amin'ny vady na ny zanaky ny paroissien:-D
116. sonwin ( 23/07/2005 18:04)
ito xxx ito kay ny tena 666.
117. marozevo ( 16/08/2005 15:56)
Tsimiandravola ????
Amiko dia tokana ny tanjonao : Hamotika ny Kristianina ... Fa iza anefa ianao no hiseho hahavita izany? Fantatrao ve fa sedra maro no nolalovan'ny Fiangonana Kristianina, na tamin'ny fiandohany (I siècle), na tamin'ny andron'ny Pères de l'Eglise (II - v° siècle) sy ny sisa? Fa io ny Fiangonan'i Kristy eo ihany, vao maika aza mitombo sy misandrahaka, hany ka maimbo rà ny mpialona toa anao.
.... la caravane passe!
118. nalo ( 25/08/2005 12:13)
dia tena déception goavana mihintsy zany zao nahazo anao zao ry tsimiandravola.izay izany ny choix nao Jésus Christ est un bleuf. koa dia samia ary tompon'andraikitra @izay safidiny e! raha démocrate koa ianao dia hajao ny hafa e! tsy noterena ianao hanaiky azy ary aza terena ny olona hihevitra toa anao.fa aleo izy hikaroka ka raha mahatsapa izy hoe tsy izy mihintsy le jesoa kristy dia mifankahita eny foana ianareo. fa ny tenako sy izay mino an'Kristy dia hifankahita izahay an'i an- danitra c'est la raison pour laquelle on prie,ny hahita Azy e!

dia anao ny safidy.
119. Bocassa ( 26/08/2005 18:47)
tsimiandravola > Inona mihintsy no tena tianao hambara? Handrava ny finoana kristianina ve ? Ny mpialona ihany mantsy no toa mitady handravarava. Tsy aleonao mandeha migrevy ery Analakely dia mba eny enao no manao an'ireo blabla ireo?! Raha mankeny mantsy enao dia mety hanaraka anao ny tenako. Izaho no hitazona ny micro. Resaka ihany izany ry ranamana â! Mahaiza mandini-tena vao miteny. Sa tsy ampy fialam-boly? Mampiakatra ny tambaviko fotsiny enao an ! Kanefa na dia izany aza dia......hivavaka ho anao aho. Hamindra fo ho anao anie ny Tompo Jeso. Enga anie!!
120. deghany ( 30/08/2005 15:20)
ari.malala:

xxx> tsy we miaro be faatany an'i Hery aho akjory, fa miteny @ maha mpino ahy. Raisiko ho tsy fisian-tsaina tokoa ny an'i Tsimiandravola satria ny finoana kristianina izay efa nisy 2000 taona mahery sy efa niorim-paka hatr'izay ve no ezahiny ozongozonina sa inona no tanjony? Ary ilay lohahevitra :"Kristianisma=Daba loaka", inona no dikan'izany? fanaratsiana be fahatany?! Zony ny tsy mino ary raha te haneho hevitra dia mba atao am-pisainaa fa iza izao no tena manaratsy? tsy io Tsimiandravola io va zay manaratsy be fahatany ny finoana kristianina?



eo de miady ho tsisy saina eo lisany!!!! nefa samy tsisy saina dôly!!!!=))=))=))=))=))
resaky ny gôka zany!!=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1992