Mba omeo ohabolana mananihany !
41. dizneff34
(
15/07/2005 06:55)
Ny sasany ao ambony ao toy ny \"akohovavy maneno ka tapa-doha fa nilaza loza \" :lol: fa raha \"Raha volom-bava tsy hanendrika, ahidino ho volon-kelika \" \"Aza manao toy ny gidron’ny tsimbazaza, voky vao milela-tongotra\" sao toy ny \"Vorontsiloza nilaozan-tompo, ny nofo tsy misy fa ny taolan-damosina no mitrakitraky \" Aleo \"In-droa nidiram-pahasoavana tahaka ny mpanihika,isika ato ny trondro azo, ny fôtra voasasa \" @ zay sady mahazo fafinaretana no nahavita adidy .Fa tsy \"Mitangorom-poana tahaka ny parasy an-tsofin\'alika, tsy manan-kevitra fa mizaha hafanana\"eto fotsiny !! Izaho akory tsy toy ny \"Kely veta mataho-dehilahy ka mangahazo no atao sipa\" fa novaiko ilay izy fa sao misy tohina sady @ zay kou nareo mba mapiasa imagination e! :wink: marihiko fa tsy ho voatery ho ratsy akory ny ao ambadik\' ireny censure ireny a!!!
\":!: Ratsy saina s\'abstenir \"
\":!: Ratsy saina s\'abstenir \"
42. Herytae
(
15/07/2005 09:34)
Ratsy saina tsy mi-s'abstenir, ka sady magala-pijery ihany no mimenomenona!!! hi!
46. Lov
(
18/07/2005 18:45)
- Rafotsibe nisambotra angidina, raha azo atao laoka fa hena, raha tsy azo kosa oviana moa angidina no fihinana.
- Rafotsibe mitaingin-tsovaly ka izay alehany alehany ( Mitodika makany aoriana anefa izy, ny olona miteny azy hoe tsy mety io Rafotsy an ! Valiny : Ze alehany alehany hoy izy)
- Rafotsibe mitaingin-tsovaly ka izay alehany alehany ( Mitodika makany aoriana anefa izy, ny olona miteny azy hoe tsy mety io Rafotsy an ! Valiny : Ze alehany alehany hoy izy)
47. naritsimba
(
21/07/2005 08:19)
-Boka mievina afa-drofy anio fa mivindina indray rahampitso.
-rangahibe kendam-body akoho, nomem-boninahitra vao nivadi-boamaso
-rangahibe kendam-body akoho, nomem-boninahitra vao nivadi-boamaso
52. sahouly
(
01/08/2005 15:54)
- za manao toy ny atidohan'orana, any an-doha no misy ny tainy.
-ny fitiavana ataovy toy garana: antitra vao miha-mamy, miketrona vao miha - manitra
-ny fitiavana ataovy toy garana: antitra vao miha-mamy, miketrona vao miha - manitra
53. jajaf401
(
01/08/2005 20:01)
Manalasala toy ny mihinana lohan-gidro, raisina avy aloha hoatry ny mifanoroka; raisina avy amin'ny sisiny hoatry ny hibitsibitsika! raisina avy aoriana efa tsy koranina eky eh!!!!!!!
54. haintso
(
14/08/2005 05:12)
aza manody ny voky atody fa rehefa mody dia maimbo ... vava,satria na iza matanjaka na iza mahery,rehefa voatery,tsy maintsy ... mijery
55. watafon
(
14/08/2005 06:20)
- toy ny banga mihinam-boanjobory ka any am-b.... vao manao kanety
- rehfa tsy mety ny atao, ranon'ampango aza misy voay; rehefa mety kosa ny atao, etotra aza hono mahatsoka sodina !
- rehfa tsy mety ny atao, ranon'ampango aza misy voay; rehefa mety kosa ny atao, etotra aza hono mahatsoka sodina !
57. cheboman
(
03/11/2005 23:38)
Maimbo vava manao boxe raha tsy mahatorana amin'ny totohondriny, mahafanina amin'ny fofom-bavany
Banga ridana basivava, ka tafio-drivotra no betsaka
Aza atositosika ny sarim-bavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany
In-3 ngizina ohatry ny senegaly manao solomaso mainty any ambany tonelina
Manalava resaka toy ny vahiny mahare fofon-daoka manitra
Voa roa toy ny mikiraro tery marary nify
Aza manao toy ny borosy coco, itsahana vao mba miasa
Voa tso-drano tsy fidiny toy ny miresaka amin'ny be piti-drora
Banga miresaka amin-kafanam-po ka sioka ny androatokony
Aza atao fitia otomobilina : tiana ihany fa avilivily
Njola maso mangarika ka vao mainka mampibaribary ny code phare tokony afenina

58. naritsimba
(
07/11/2005 10:11)
-Aza matikambo ohatran'ny olitra ka tay avy no anaovana an-kisitrika.
60. fiaritiana
(
02/12/2005 20:57)
zay ela nihetezana lava volo nefa tokony ho sola beuuhhhhhh satria efa tsisy volo tsony raha raisina ara-bakiteny io an!fa raha ny tena dikany dé zava -dehibe tokoa! sa tsy izany ry dadabe?