Mba omeo ohabolana mananihany !

1. Lov ( 10/07/2005 18:13)
Misy ireo ohabolana malagasy izay toa mananihany sy mampihomehy nefa tena oha-pitenenana tokoa, sady mahalaza ny tian-kambara, misy ohatra ny momba ny sola, antitra,...
Inty ohatra iray :
-Sola miloloha voatavo ka tafaray samy malama
- Totozy mangetotra an-davenona ka voan'ny nataony ..
De mba tohizo
répondu par kitjo le 12/12/2006 19:24
2. ainaheri ( 10/07/2005 19:28)
-Aza mifananiany fa samy olondebé
-
3. maditra ( 10/07/2005 19:47)
Sima nifioka, manita-draharaha.
Anti-bavy voky mofo, lany raha volanina (fitenim-paritra)
4. ainaheri ( 10/07/2005 21:02)
Antibavy namahan-jafy raha tsy ajelanao ajelako
5. dadabe ( 11/07/2005 03:15)
:-D:-D
6. sasa ( 11/07/2005 04:31)
aza manao toy ny sotro be lava-tango ka sady fandoaram-bary no fikapohan'alika
7. dadabe ( 11/07/2005 05:53)
oadray le inona ary ty le:^):^):^)
8. atmos ( 11/07/2005 05:59)
Bevohoka miantsena, mampidera ny zava-bita
9. ainaheri ( 11/07/2005 06:12)
Perfect> azo mba asiana hajany kely ihany ve raha azo
atao?saotra @ fahendrenao!!
10. naritsimba ( 11/07/2005 07:12)
Bevohoka ratsian-kena ka mitady hanaikitr'omby ampitsanganana
11. Mifenty ( 11/07/2005 07:40)


rafotsibe niampita tatatra ka nampi itatra ny efa nikatona.
12. lanto ( 11/07/2005 08:30)
Bevohoka miantsena hono mampidera ny raha natao ?
13. ainaheri ( 11/07/2005 08:31)
aza atao otran'ny sima mibaiko hono ka hafa
ny tondroin'ny molotra hafa ny tondroin'ny tanana
14. lilbon ( 11/07/2005 08:37)
jerem-potsiny otran'ny varin'alika mahamay hono hoanina mandoro avela anefa sao lasan'ny sasany!
15. lilbon ( 11/07/2005 08:38)
tery an-dohany hoatry ny be nangy miray fandriana !
16. lilbon ( 11/07/2005 08:39)
aza atao sasa vilanin'ambohimanarina ka in2 safo vavany in1 mandeha aro-katy de vita !
17. dadabe ( 11/07/2005 09:03)
zah tsy mahita kle
18. sasa ( 11/07/2005 10:51)
manalasala otran'ny vady lava-nify, atao ao aoriana sao hanaikitra, atao ao aloha sao hitsiky aman'olona
19. Mifenty ( 11/07/2005 19:41)


ity lesy ry bedada hainla ty a

"aza manao toy ny fivorian'ny aliaka ka orokoro-pitombenana no betsaka"

sa tsy zany be dada?
20. dadabe ( 12/07/2005 01:58)
non ka fa hoe " aza manao fivoriana'alika ny

fotokevitra tsy misy fa ny orokoro-pitombenana no

betsaka "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2402