Miaraka amin'ny vadin'olona

81. xxx ( 10/11/2005 13:30)
:*:*Miarahaba anareo rehetra aho @ alaln'ity hafatra na fanakalozan-kevitra angaha.
Raha vao nahita ilay sujet aho dia tena mampalahelo ahy io resaka io.
Olona iray efa nandalo t@izany anefa aho nandritra ny fotoana ela ihany fa ny tsaroako sy tadidiko hatramin'izao dia fijaliana(raha tena tianao tokoa ilay vadin'olona)
Ny hanome ntsiny angamba mety tsy dia mety loatra fa toro hevitra no azoko atao.
Raha mbola tsy manambady ianao dia ataovy ao anatin'ny sainao fa mitady haka rivotra fotsiny ireny vadin'olona ireny arak'izay voalaza etsy ambony.
Tsy misy vahaolona maharitra ny amin'izany fa dia ny vonjy tavanandro fotsiny ihany.
Koa iza @tsika vehivavy re no anaiky atao vonjy tavan'andro e!
Raha evitenao dia ny mialoha mantsy zay fiarahana amin'avadinolona zay dia tsy ho lalimpaka ny fitiavanao azy ary tsy hamnpijaly ny tenanao ianao.
Mahaiza mifidy izay ho anjara fa ny fotoana mandroso ary mitsara anao mandrakariva.
Raha ianao kosa ilay efa manambady dia tsy efa tena tianao ve ny vadinao matoa novadianao?
Manala azy ianao?Milalao fitiavana na afo madoro ny sasany ianao?
Te hiova fotsina dia hahita experience hafa?
Ireo matetika no tena ao an-tsaina indrindra moa fa mana-bola ianao?
Ny toro hevitro aminao satria aho koa efa ao anatin'izany fanambadiana izany dia tsy misy zavatra tsy afaka ataonao aminy vadianao.Ao aminy ianao dia afaka mahazo ary mety ho mamy koko aza nohon'ny ny ivelany.Mifampiresaha aminy vadinao dia ho hitanao ny mahapatsiro izany.Izay tonga ao an-dohanao na inona na inona dia ambarao aminy fa hahita ny mahafinaritra ianareo(indrindra moa fa ny eo @ ara nofo)izay matetika tena antony izany.
hajao ny vadinao fa raha io ary tsy tinao mino ve ianao fa tena ho vitan'ilay olona iray ivelean'ny tokatrano zay tianao,fa tsy ny andao indray??????
dia raha rohitana hono ny teny manjary tady?????
fa mirary soa ny tokatrano rehetra aho .Fa ny tody anie hono tsy misy fa ny atao n o miverina e!!!!!!
Misaotra
82. methode ( 12/11/2005 17:11)
Izany hono ry zareo a!!! Vavolombelona iray io efa nanandrana de nahita!
83. xxx ( 27/11/2005 16:58)
xxx:

Resaka vavolombelona ity... misy angamba amintsika ato miaraka amin'ny vadin'olona, na efa manambady fa minia miaraka amin'olona hafa. Manana ny antony hanaovana an'izany ireny olona ireny kanefa tsy afaka manazava fa tonga de tsy misy mpihaino. Ka raha misy ato... de afaka manazava eto ve izy? Tsy maninona na xxx aza raha manahirana.
Potsiro ny fery ao anatinao ao...

za aloha tsy manao an'izany fa nisy olona nitantara tamiko hoe : rehefa nampirafy hono izy dia tena vao maika tiany be ny vadiny ary ilay vadin'olona hiarahany koa lasa tena tia be ny vadiny !dé izay hono?

84. yonikafopl ( 02/12/2005 19:24)
:-w:-w:-w:-w
85. methode ( 04/12/2005 10:23)
Bold textAmpatsiahivina isika aloha fa ny momba ny resaka seksa (sexe) sy ny manodidina azy dia efa misy lohahevitra natokana ho azy. Noho izany izay mahakasika mivantana izany dia voatery nofafana tetoBold text!!! Misaotrao amin'ny fiaraha-miasa!!
86. Vehivavy ( 17/12/2005 22:11)
Miarahaba anareo rehetra e, nanaraka tsara ny fotodresaky xxx hatramin'ny voalohany aho d hinoako fa tsy misy hadisoana mihitsy amin'ny toejavatra toy izany. Marina tokoa fa raha atao amin'ny fijery maha kristianina dia tsy mety ny mampirafy na koa miaraka amin'ny vadin'olona nefa kosa, tsy azo adino fa tsy misy tonga lafatra ny olondrhetra ary ny zavatra mandalo eo amin'ny fiainana dia tsy tonga tonga ho azy daholo akory. Anisany manana olana toy izany koa aho mantsy ary matoa milaza ny hevitra eto dia tsy tokony hitsara be fahatany fotsiny ny sasany fa kosa tokony hanohana satria samy manana ny olany ny tsirairay. Na manambady vita mariazy aza ny olona dia rehefa tonga ny fotoana tsy mahamety ny fiarahana dia mety kokoa ho any lafiny sy ny ankilany ny manova fiainana mba tsy hifandratra any aoriana, vehivavy aho ary manambady vahiny, tsapa ankehitriny fa efa tsy mety tsara intsony ny fifandraisanay ka efa nifanaraka izahay fa hisaraka tsy hifandratra izahay, efa elaela aho no niaraka tamin'olonkafa ary tsy manambady izy, ny fitiavana anefa tsy misy azo hanakanana azy ary ny fitiavana koa tsy fahotana. Tsy azo adinoana fa ny tena atao hoe Fitia "F" dia indray mandeha eo amin'ny fisian'ny olona ihany no mitranga ka manentana indrindra ireo izay mbola tsy niroso mba handinika tsara mba tsy hanenenana. Mahereza daholo.
87. methode ( 09/01/2006 21:54)
Raha fintiniko izany ny lazain'ny ankamaroany dia hoe fialana amin'ny olana ao an-tokan-trano no iarahana amin'ny olona manam-bady! Ka tsy vao maika ve mandrava tokan-trano roa izany? Ny an'ilay efa manana olana dia ilay tokony hamaha olana!!!
88. rakekely ( 10/01/2006 08:48)
samy manana ny fomba fisehoany ny trangan-javatra fa ny tena antony dia ny filana diso tafahoatra ka tsy ahafahana manaja ny tena , ary io fananjana ny tena io indrindra no tena tsy haintsika, dia teraka ho azy ilay kapai-tsy hita fery, ary mamy ny voankazo nadrarana, mantsiro ny halam-pihinana
koa anjaran'ny tsirairay ihany io
89. methode ( 10/01/2006 20:40)
rakekely> Sao de zatra mangalam-pihinana eo ary ka tratran'ny voakazo misy poizina!!! Misy an'izany antsoina hoe kalo izany any amintsika! Misy karazan-drazany koa aty Afrika aty!!!
90. Herytae ( 27/01/2006 08:58)
Io wa zalah sy zavavy tsy tokony olana a! Za ndray tsy mangalabadin'ol fa manambady angalarin'ol ngamba. Rehefa hainao ny mitantana azy dia basy. Sady tsy manome fanafintohinana n'iza n'iza ianao no tsy mitady izay ampiferinaina anao dia lasa izao. Tsy azonareo ve? lava be io raha azavaina fa zao fotsiny! ny tsirairay ihany no mahatsapa fa mety aminy na tsia ny zavatra ataony dia izay. Saingy ampiako foana hoe tsy manome alahelo na ampijaly ny hafa! OK! Izaho manokana dia mahatsapa fa tsy mampirafy satria RAFY=ADY. Tsy ampiadiako mihintsy ny ahy ireo fa ampifalifaliako dôly, ary samy azahoako fahasambarana dôly. 'sôtra anareo nihaino.
91. Vahinala ( 27/01/2006 18:27)
herytae > =D=D=D=D=D No comment !
92. Herytae ( 30/01/2006 10:25)
:@,
tsy marina ary ve zany??
93. Vahinala ( 30/01/2006 12:01)
Tena marina mintsy ka ra tsy zany ve za hitehaka mintsy e !:wink:
94. methode ( 31/01/2006 08:58)
Vahinala> Tsy marina io ko! lol:roll::roll:
95. Herytae ( 01/02/2006 09:58)
hi!hi!
hilazao marina hafa ndray ra-métôdy a!
96. Vahinala ( 01/02/2006 11:52)
methode > Azavao ny tsy maha marina azy ary e !8O
97. methode ( 01/02/2006 15:58)
Vahinala> Tadiavo ao aloha fa njy aza efa manao solomaso ngezabe io de mbola tsy mahita ny marina ihany! :lol:
Herytae> Amiko sarotra izany hampifalifaly tokantrano roa izany na olona roa! Iray aza efa manahirana ko!!! Tsy maintsy misy iray miafy!!! Tsy maintsy afenina koa ilay faharoa! Indray andro any tsy maintsy hipoitra ny marina de ahoana??? Mety ho votsi-droa eo no iafarany!
98. Herytae ( 06/02/2006 08:40)
method> ahoana moa no hoe tsy maintsy hipoitra e! secret ôtran'ny secret rehetra ihany nge io e! ko refa tsy hainao ny manafina azy sy mirevy manja azy mouou! akory atao?
99. methode ( 08/02/2006 21:42)
Ka na secret aza tsy maintsy misy fotoana hipoirany foana fa hoe haingana sa ela fotsiny no ipoirany!!!!
100. mbositra ( 13/02/2006 22:10)
mavesatra ny tady mamatotra @fanambadiana ka indraindray raha tsy olona telo tsy mahazaka azy.

Fa ny sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay sipan'ny vadin'ilay vadin'olona miaraka aminao ve fantatrao ny fasalamany?

manaova kapôty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2187