Miaraka amin'ny vadin'olona

61. fijo ( 15/09/2005 22:03)
COCORIE KOSA AZA MANOZONA E
62. cocorie ( 20/09/2005 07:29)
Tsy manozona zany za ry fijo a! tsy mahasaky maka vadin'ol zany ho'aho za fa matahotra ny todi-pitia e!
63. fijo ( 20/09/2005 21:24)
ngah kosa dia atao fantatry ny tompony e
64. xxx ( 21/09/2005 05:04)
ny zvtr tiako lazaina anreo de zao,zà no anisan'ray @ reo xxx reo. Ary zà mihitsy aza le nanambady vadin'olona etsy ambony ka nilaza ny fiainako.
Io an,refa enao no taloha, de enao hatr@ farany no mitondra an'io na isy inona na hisy inona!!!
65. booboo ( 21/09/2005 10:00)
na zany na tsy zany klou valio ny fanontaniako ôa fa be zavatra tsy mitombona ny raha tantarainao !
66. fijo ( 21/09/2005 22:39)
alaivo letsy raha mety an.
67. methode ( 24/09/2005 10:03)
Mbola ao daholo ve o?
68. xxx ( 27/09/2005 05:27)
Raha izaho manokana aloha dia efa be izay vadin\'olona niaraka tamiko izay na t@ izaho celibat na izaho efa marie. Raha ny marina dia tsy fidiny tamiko ilay izy ary hitako fa mahafinaritra e na dia tsy mifanerasera firy aza.
Tantara iray no lazaiko. Izaho dia lhl :
Nanao stage tany @ toerana iray aho. Rehefa tonga avy aty Tana aho ny hariva dia tsy afaka nahandro intsony fa niditra t@ hotely nisakafo alohan\'ny hody any antrano. Tao @ io hotely nidirako io dia nisy madama niresaka tamiko ary nahafantatra tsara ny anarako sy ny momba ahy. Izaho anefa tsy mahafantatra azy mihitsy. Niresaka ela teo izahay ary nilaza tamiko izy hoe andao hatory any aminy fa ny vadiny lasa namonjy bal any @ 25km. Nolazaiko izy fa tsy afaka aho sady manahirana izany. Rehefa afaka kelikely dia nitsoaka tampoka izy fa iny hono ny vadiny. Ilay vadiny nahita ahy teo ampisakafoanana dia dia niditra niresaka tamiko. Hay ity vadiny dia mpiaramiasa amiko sady namako rahateo. Dia nirevy teo izahay roalahy ary nitaona ahy izy handeha hamonjy bal. Izaho tsy nanaiky fa reraka hoy aho. Dia nisaraka izahay. Rehefa handeha hody aho dia nanafatra ahy ilay serveuse tao @ hotely hoe miandry anao any antranony hono ilay madama. Izaho tsy nandeha tany.
Nony ampitso dia nifanena teny antsena izahay ary tsy navelany aho fa miaraka aminy miantsena sy misakafo any aminy @ atoandro. De nanaraka aho ary nisakafo niaraka t@ izy telo mianaka (madama, ny vadiny sy ny zanany 1) tao antranony. Andro fety koa moa io. Ny hariva dia nanao basket izahay ni-contre t@ ekipa iray avy lavitra. Izaho sy ny vadiny dia ekipa iray. Rehefa tonga ny mi-temps dia nihinana voasary izahay. Ny tena rotaka dia eo imason\'olona betsaka eo (ny vadiny koa eo) dia novoasany ny voasariko vao nomeny ahy.
Dia nandeha ny fotoana fa izaho tsy taitra na dia manja aloha ilay madama). Indray andro dia lasa nanao mission any ambanivohitra ny vadiny. T@ izay fotoana izay dia narary (fanintona) ilay zanany. Sendra hitany teny andalana aho no nolazainy an\'io. Izaho moa tsy taitra fa nolazaiko hoe mandehana any @ dokotera. Izy tsy nety fa tsy tiany hono ilay dokotera nefa io ihany no dokotera teo antanana. Nikoropaka be mihitsy izy tsy hitany izay hatao. Nony farany dia noentiko niaraka tamiko tany @ dokotera izy ary izaho no niresaka t@ ilay dokotera (namako koa io). Nilaza ilay dokotera fa hoa vy any aho hanindrona ilay zaza fa aza matahotra. Kay ny antony tsy itiavan\'ilay madama ilay dokotera dia efa nikoty azy izy.
Rehefa avy notsindromina ilay zaza dia tsy naninona intsony ary nilaza ilay dokotera fa tsy misy atahorana. Rehefa tonga ny t@ 8h alina dia nikasa handeha hody aho fa tsy navela\'ilay madama fa matahotra hono izy raha maninona eo ilay zaza. Izaho @ io mbola hiasa alina fa misy zavatra tsy maintsy atao miaraka @ ilay namako. Dia nolazaiko izy hoe andana miera @ ilay namako fa manahirana izany. Dia lasa tokoa izy niaraka tamiko niera ahy tany. Dia niverina nody tany antranony izahay ary teny andalana hody dia nosakambininy aho.
Rehefa hatory dia nesoriko fotsiny ny blouson sy ny kiraroko. Ny tranony moa dia farafara iray ihany. Dia nanomboka nisafosafo ahy izy ary rehefa hitako fa excite aho dia mila teo ampandriana mandeha mipipy. Dia miverina indray rehefa afaka minitra vitsivitsy ilay safosafo dia miarina mifoka sigara indray aho. Rehefa tonga ny t@ 1h matin dia tsy zakako intsony sady lany ny sigara, tys misy pipi avoaka intsony ka dia nihodina tany aminy aho dia izay... Tena faly be mihitsy izy ka na dia teo antanana aza ny vadiny taty aoriana dia mankany amiko foana izy.

Izay no tantara vavolombelona lavabe. Anjaranareo no mieritreritra.
69. menakely ( 27/09/2005 08:25)
Mba bogoss ity xxx ka,fahafirin'ny vadin'olona zakanao io? firy no mblola tanjonanao? efa firy ny agendanao feno? hm raha nataoko ny compte dia anisany bandy mitazona laharana N.1 bogoss sy mpandrimpaka vadin'olona ianao n'est ce pas,ary ny vadinao efa firy no nandalo teo alohanao? @zao?:-D:-D:-D
70. eh ( 27/09/2005 08:45)
tsy niverina t@ anaranao intsony enao fa lasa xxx an! d ahoana ny tohiny? mbola vadin'olona no hiarahanao izany sa ahoana? sa efa niova famindra? fa tena mampiomehy aloha ilay lany pipi ê!:-D:-D:-D
71. xxx ( 27/09/2005 09:14)
menakely > izaho dia bandy tsy bogosy izany mihitsy fa tsy fantatro izay itiavan'olona ahy.
eh > efa tsy mieritreritra izay vadin'olona intsony aho izao ary miala raha vao hafahafa ny fihetsika ka tasy hiditra aty amiko.
72. Nananie ( 27/09/2005 10:10)
Dia aôna njay raha ny vadinareo no lasan'ny olona?
73. menakely ( 27/09/2005 11:15)
ka zay mihitsy valio:efa firy no nandalo t@vadinao talohanao sy @ zao?matsiro ny mihinana ny sisan'olona!(vadinao)sa vadinao mbola madio ary hadio mandram...
74. methode ( 29/09/2005 22:22)
De zay zany hono ny anakiray!Miandry ny film manaraka ndray zany ko!!! Hihihi!!!
75. sipagasy ( 30/09/2005 17:55)
io ilay hoe valin'ny fingika dia fingaka e! hiihihi
76. methode ( 01/10/2005 22:22)
De izay koa izany le hoe valin'ny tsipaka daka ko!!! Hihih
77. lalatax ( 05/10/2005 06:29)
tsy de itako zay mampiasa saina anareo mpitsikera reo!!!Tokony ho ampy anareo refa milaza ny la vie-ny @nareo mianakavy ato le olona.Ary zay koa nge no maha-vavolombelona an'le izy e!
Ka refa tsy mazaka zay soratany ato de mijanona tsy mamaky fotsiny.Sa aôna an!
Ary afaka manao xxx daolo koa ny kil rhtr refa tsy te ilaza ny pseudo-ny izy
78. lalatax ( 05/10/2005 06:34)
fa tsy oe faly amaky de avy eo anakiana.Sady refa zay ny la vie-ny inona moa no mamparary anao @ zany.Efa novakiko hatrany am-boalohany manko le dinika ato de zay no no zvtr itako.
Fa misy tsy azoko mintsy le namana sasany
79. xxx ( 05/10/2005 10:57)
Izay aloha no tsy nanoratako ny momba ahy fa lasa mitsikera fotsiny fa tsy mba mahay maka lesona sy manoro vahaolana
80. fijo ( 05/10/2005 21:28)
marina io voalazan'i menakely io ambony io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5426