Mivavaka alohan'ny hisakafo sy hatory sy vao maraina sns...

1. welie ( 18/05/2005 13:43)
Saika ho ataoko tao @ eritreritra mandalo ito lohateny ito nefa indray dia aleo ho ato.
Mba lasa ny saina hoe ianareo ve kay mivavaka alohan'ny hisakafo sy hatory sy vao maraina sns...??? Bizzz kely avy alou e!
novalian'i welie ny 30/05/2005 19:04
2. sonwin ( 18/05/2005 13:47)
biz alou aza e..aleo refa misimisy valiny ato miverina za e:):-)
3. sonwin ( 18/05/2005 13:49)
biz alou aza e..aleo refa misimisy valiny ato miverina za e:):-)
4. pika ( 18/05/2005 13:50)
normaly be zany miankina ny fahazarana sy ny fitaizana hatr@ kely ny fanaovana izany na tsia
manandaja lehibe amiko aloha ireo fotoana ireo ka tokony tsy maintsy mivavaka e
5. sonwin ( 18/05/2005 13:50)
biz alou aza e..aleo refa misimisy valiny ato miverina za e:):-)
6. ari.malala ( 18/05/2005 13:57)
sonwin, in ihany aza ity valin-teny miverimberina in-3 lava ity! tena tsy voamarikao mintsy ve io?!

Ny valin'ilay fanontaniana dia eny ho ahy, @ fotoana rehetra dia mivavaka.
7. routa ( 18/05/2005 14:03)
za klouny alohan ny hisakafo mivavaka >misaotra noho ny sakafo sy mangataka ho an ny tsy mba mihinana.
Ny maraina >mivavaka metrahana ny asa sy ny andraikitra mandritry ny andro.
Ny alina >fisaorana ny nahatratrarana ny alina atoriana sy ametrahana ny alina mangina zay mbola tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana .
tsy fahazarana fa tena hiainana mihitsy .
zay le hoe mifankazara @ TSITOHA de hiadana hianao .
8. ftma ( 18/05/2005 14:45)
Fisaorana an'Andriamanitra nahazoana ny sakafo na nahatratrarana ny maraina sy ny alina ilay vavaka, izaho sahirana mihitsy rehefa sendra ny olona tsy mivavaka alohan'ny sakafo, mba tsy hanerena ny tompotrano dia ataoko mangina fa raha aty amiko kosa dia lazaiko hoe izahay mivavaka alohan'ny sakafo, sarotra ihany ny mandresy lahatra indrindra ny vazaha fa ataoko ihany satria izany no marikin'ny finoana.
9. booboo ( 18/05/2005 14:51)
ié mivavaka refa hikaly sy refa mifoha sy refa hatory.
10. Fithy ( 18/05/2005 15:00)
t@ izahay mbola kely dia misy mpananihany manao hoe: "tsy hahadinidinika anao aho Jesosy fa lanin'ny katolika ny sosy".
Vazivazy izany fa tena ilaina ny mivavaka.
11. rpk ( 18/05/2005 15:17)
za alou ndraindray ihany e! sarotra ny mandainga!!! efa nahatonga vary im-10 any am-bava vo tsaroako kle!!!
12. welie ( 18/05/2005 15:51)
Ary efa nahazo valiny betsaka aho izany an! Saotra ooo!!!

Dia zà koa mahita fa manan-danja tokoa ilay fivavahana kely ireny...`Marina io hoe arakarakin'ny fitaizana ihany koa... Izaho hatram'izao dia tsy mbola manadino ny vavaka nampianarin'ny bebe-nay rehefa alohan'ny hisakafo... Marina fa mety hoe lasa tsianjery be fotsiny ilay izy NEFA na izany aza dia tsara fona...
Dia refa mifoha maraina sy andeha hatory koa dia manisy iray minitra kely koa aloha zà mivavaka ( ;-) ). Misy anefa andro tena tsy vitako izany hoe tena mikipy kely izany (zà mikipy alou refa mivavaka an) refa maika andé hibosy na vizaka avy nibosy... Dia tsy ataoko hoe ho tsiny fa refa vonona indray dia lasa mivavaka...

FA na aiza na aiza misy ahy an (na dia eny an-dalana aza an... ;-) ) dia mbola mivavaka ihany foana zà... Ilay mivavaka moa izany dia hoe sady mba miresadresaka ekly @ Andriamanitra e! Hihihi... tsy vazivazy io an!

sonwin> Tongava amizay elà... Bizzz kely klou!
13. welie ( 18/05/2005 16:07)
ftma> tsy hitako tsara le resakinjy sy hoe rehefa miara-misakafo @ olona tsy zatra mivavaka...

Ny namako (namako ihany moa no hitako isan'andro zany e) dia tsy misy mivavaka alohan'ny hisakafo... Dia refa sendra tafaraka izahay dia zà miteny hoe "Zà ry namana isany dia mivavaka rehefa hisakafo sns... ka raha tianareo dia hivavaka mafy aho sinon dia hikipy kely eto zà ;-) " dia gaga be zareo no sady miomehy (tena marina an) no miteny hoe "Fa angà i welie hanao Pasitera?" 8-) Dia alefako kely ny fanazavana ho azy ireo hoe zao sy zao sy zao... :-)

Dia amin-dry zareo moa izany na dia ny hoe mandeha mivavaka any am-piangonana aza dia efa raisiny hoe "Tena mpivavaka be"... 8-)

(N.B. kely: Vazà daholo moa ireo namako lazaiko ireo)


14. Missie ( 18/05/2005 16:49)
Kikoooo doly :)
FA anay moa zany defa tao no tezaina! lé mivavaka tsy oe akory fahazarana an!!!! fa otran'ny sakafo isan'anjo! miresaka @ Andriamanitra mitantara ny seclet akou ao za , mitantara ny journéekou, na de efa fantany mialho azany zany rehetra zany!! De lé prière na de 1 mn azany avy @ Fo de tsapa mitsy oe miheno Andriamanitra !!!!!

:( za zao tena tezitra @ tenakou mitsy:x satria za zao tena tato ato tena variana ! adino ny mivavaka jayjay! tena misy za anjo! oe hivavaka de asa fa tapotapoka eo de tsy lasa jay lé vavaka! Mahita atao fonanany :x . Marina ê!!!!!!Hitakou mitsy oe refa tsy miresaka @ God za na de 1 seconde de misy decallage be zany ny fiainakou isan'ano :( Tsy aikou nareo na manao zany ayja fa za tena .

Bref somary lava lé izy tsy toriteny io akory fa valim'panontaniana :lol:

Oky! bizzz be doly nayeo:-*

15. ftma ( 18/05/2005 17:20)
welie: rehefa miara-misakafo @ vazaha ka fa na ny gasy sasany aza misy tsy zatra mivavaka rehefa misakafo.bizzz njy zandrikeloko
16. isambilokely ( 18/05/2005 18:16)
Rehefa nahatsiaro tena nivavaka talohan'ny sakafo na hatory dia efa nahazo ny privilège sy grace avy tam Andriamanitra zay. Dia misaotra. Dia aza kianina izay mivavaka fa azy sy Andriamanitra izany. SA ahona ry Wellie ... ?

Mbilo
:lol: Youpiiiiiii
www.amontana.com
17. dadabe ( 18/05/2005 18:26)
ndao ku tsika bebe(l):-* hivavaka alohan'ny hatory a
18. welie ( 18/05/2005 18:40)
dadabe> ary alohan'ny... hifohazana? :-P
19. welie ( 18/05/2005 18:48)
Misy indray ny maditra eto fa hitako avy eto... Tssss ry tsy holaziko anarana....
20. booboo ( 18/05/2005 18:57)
ié mamofona troll mitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3061