tokony atao batemy\batisa ve ny zazakely menavava
81. Veloo
(
31/03/2005 16:38)
Dadabe a! aza manao reraka intsony an :lol: :lol: :lol: aleo amin'izao. :-*
82. jentilisa
(
01/04/2005 09:17)
dadabe:
tsy azoko intsony ny demonstration an\\\'ise izany ,ny resantsika anie ke hoe azo atao batisa ve ny zaza sa tsy azo atao ,dia nanome ny fanazavana aho ,fa ny fanazavanao mihodikodina be ary tsy mamaly fanontaniana mihitsy , ry Jentilisa a,aza aodina ny resaka fa ianao ihany aza de efa mamaly azy fa nanantona an\\\'i Jesoa ny reniny zaza ,ary i Jesoa koa nilaza hoe avelao ny zaza hanantona ahy.hhmm aiza izay batisa eo ?
manaraka izany hoy ianao hoe ny zaza mana-pahotana(nijangajanga,sa nangalatra sa ....)mba omeo hoe azafady ?ambarako anao tsara fa rehefa tonga saina izy (zaza)izay vao manomboka misy n y fahotana fa tsy ilay zaza mena vava tsy mahay afa-tsy ny mitomany iny no lazainao fa mpanota ,o ry Jentilisa a ppffffiooo aiza ary enao izany le?
Misy hono tenin\'i Davida izay any amin\'ny salamo any (51) manao hoe teraka sy notorontoronina tamin\'ny heloka sy fahotana aho. Eo izany dia milaza fa vao notorontoronina izy dia efa manam-pahotana sahady. Io notorontoronina io ange vao mitsaika no dikany e! Adama no nampiditra ny fahotana voalohany t@ olombelona dia mitondra azy hatrany isika rehetra. Misy teny koa hoe ny fahafatesana no tambin\'ny ota, matoa nisy ny fahafatesana dia nisy fahotana. Ny zaza anefa mety maty, izany hoe nisy fahotana tao anatiny fa raha tsy mety maty izy dia tsy manam-pahotana izy izany. Asa aloha hatreo na azo na tsy azo.
Zavatra faharoa, Jesoa nanery an\'i Jaona Batista hampanao batisa Azy. Mety hanontany indray isika hoe nahoana ary Jesoa no maty? I Jesoa manko amin\'ny finoana kristiana dia tsy teraka t@ fahotana sady tsy mba nanota. Ny batisa, ny dikany dia milaza fahafatesana aloha vao miteny fitsanganana. Raha nanery hanaovana batisa Azy i Jesoa dia niditra ho amin\'ny mety maty ilay tsy mety maty noho ny tsy fananany fahotana. Niditra amin\'ny fepetra mahaolona mora maty noho izany Jesoa t@ nanaovana batisa Azy.
Manaraka, izaho manokana dia tsy nahita na dia ny iray tamin\'ireo Apostoly ireo (Afa-tsy i Paoly irery ihany sady izy koa taorian\'ny nahafatesan\'i Jesoa vao natao batisa) natao batisa. Inona no antony? Satria mbola tsy nataon\'i Jesoa ilay asam-pisoronana nahafaty Azy. Noho izany hadalana ihany koa raha itadiavanareo porofo ny nanovana batisa sahady ny zaza eo amin\'io perikopa io. Mbola miandry ny fahafatesan\'i Jesoa aloha vao tanterahina ny batisa. Dia misy indray ny hanontany hoe koa nahoana i Jaona no nanao batisa sahady? Valiny: tsy batisa kristiana ny azy. Batisa miantso ny olona hibebaka ny azy saingy izany tsy milaza hoe voavonjy izy ireo. Amin\'ny kristiana manko dia ny finoana an\'i Jesoa ihany no entina hamonjena azy.
Amin\'izao fotoana izao ange na dia ny mpanompo sampy aza dia be ny manao batisa e! saigy ilay izy tsy batisa kristiana mazava loatra.
Manaraka, I Paoly Apostoly dia efa nanoratra koa fa ny batisa dia ilay \"famorana\" tsy natao tanana. Ny famorana teo amin\'ny jiosy manko dia mari-pihavanana teo aminy sy Andriamanitra. Nanomboka t@ Abrahama izany, ary noforana avokoa izay rehetra teo aminy tamin\'ny fotoana nilazan\'Andriamanitra hanaovany io.
Avy eo ny zazalahy teraka rehetra dia noforana avokoa rehefa afaka havaloana, izany hoe vao valo andro monja. I Paoly no nampitaha ny famorana tamin\'ny batisa an! tsy izaho velively! Ny Jiosy tsy miandry ho olon-dehibe vao noforana fa ihomehezan\'ny olona angamba raha taraiky be vao hoforana. Koa tsy maintsy andrasana ho olon-dehibe ve noho izany ny zanaky ny kristiana vao \"hoforana\" araka ny fomba kristiana izany hoe atao batisa? Aleo isika rehetra hieritreritra tsara. Eto izany dia apetrako ny fotoana hoe valo andro ny an\'ny Jiosy, tsy maninona na dia ataoko hoe izany koa araka ny hevitro dia mety hanaovana batisa ny zaza ( ny ampitson\'ny nahaterahana aza raha mety hoy aho). Aminareo kosa firy andro na firy taona vao mety ho ary saina ny olona ka azo atao batisa amin\'izay?
Hafa indray, misy miteny hoe Jesoa 30 taona vao natao batisa koa Izy no maodely ho antsika. Tsarovy fa saiky tsy nety i Jaona Batista fa niteny ary io hoe tokony ho izaho no hataonao batisa. Izany hoe mivadika amin\'ny eritreritry ny hafa ary ny zava-mitranga. 30 dia tokony hampanao batisa fa tsy vao atao batisa.( valin\'ny matio 3:15 iny)
Ao amin\'ny Matio 28:18 - 20 indray dia izao no teny ao (vakio ny dika Louis Segond) Ataovy mpianatra ny firenena rehetra amin\'ny alalan\'ny fanaovana batisa azy. Ahoana izany? isika ohatra raha nianatra tany an-tsekoly dia tsy avy hatrany dia nianatra fa mbola misoratra anarana aloha. Tsy mbola misy fianarana izany an! Dia toy izany koa @ Kristiana saingy izao: ny fomba fisoratana anarana eo amin\'ny kristiana dia atao batisa ilay olona. Noho izany raha ny tokony ho izy ary dia atao batisa vao mianatra fa tsy mianatra vao atao batisa. Izay mihitsy aloha no fijeriko ny fandaharana ny tokony atao hoe atao batisa vao mianatra sa mianatra vao atao batisa e.
18 Jésus, s\'étant approché, leur parla ainsi: Tout pouvoir m\'a été donné dans le ciel et sur la terre.
19 Allez, faites de toutes les nations des disciples, les baptisant au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit,
20 et enseignez-leur à observer tout ce que je vous ai prescrit. Et voici, je suis avec vous tous les jours, jusqu\'à la fin du monde.
Dia miandry ny fanazavanareo indray aho
83. dadabe
(
01/04/2005 15:31)
jentilisa>Misaottra anao rahalahy a,mahafinaritra any fanazavana ary narahako hatramin\'ny farany ,de hita fa marina ny voalazanao saingy misy ny indro kely.
Isika angamba tokony tsy mbola hiresaka ny famorana satria dia tantara vaovao indray iny ,fa izany hoe ahitsiko kely fotsiny \"famorana ara-nofo anie ry jentilisa no teto e,aza ampitoviana @batisa.Tadidio ihany koa fa efa nisy ny famorana tsy ara-nofo intsony fa ara-panahy.vakio ezekiela toko faha 36 and:26-30 izany hoe io ilay famorana tsy natao tanana fa ilay sirconcision tany aloha vakio genesisy toko faha 17 iray manotolo(efa voalazanao teo ambony io )dia manakery ihany ara-nofo fa tsy misy hifandraisany @mety hahazoana ny fanjakan\'ny lanitra ,izany hoe ny famorana ara-nofo dia ara-nofo fa ny famorana ara-panahy dia mitondra ho any @fiainana mandrakizay .asa na azonao na tsia klou hatreo??.
manaraka :hoy ianao hoe \"amiko aloha dia mety ny hanaovana batisa zaza satria........\"
valiny aza adino ry jentilisa fa ny batisa anie ka fandevenana fahotana e,izany hoe olona iray mpanota mibebaka,ndeha ary ataontsika hoe teraka i jentilisa (vavy kely)de vao 1 andro monja de natolotrao natao batisa,faly ianao satria voatolotra ny zaza ary vita batisa,lehibe anefa i sipa kely de niova ,nahafantatra zavatra maro,nihoa-pefy (sanatria anie izany fa ohatra ny antsika a :D de ampy)ny niafarany de enjehin\'ny fiarahamonina ,de hoy i jentilisa hoe eeeee efa vita batisa io efa mahazo ny fanjakan\'ny lanitra,tsy mila atao intsony ,sa ve hoe eo amin\'izay ianao vao hampianatra azy ,ka raha tia ary izy tonga saina dia tapakevitra hoe dada jentilisa a!zah nanota fa te hibebaka aho ,te handevina ny fahotako aho de inona no tokony hataoko? de hoy i jentilisa hoe \"tsy mila mandevina fahotana intsony ianao satria efa voalevina t@mbola kely izany \" dia mi-insiste ihany ra-sipa hoe \"zah hoa dada atao batisa fa zah te -handevina ny fahotana satria mahatsiaro meloka aho noho ny fampianarana nataon\'i dada tamiko\"
eo amizay jentilisa vao mizara 2 hoe
-raha atao batisa amizao ny zanako noho ny fampianarana nataoko taminy dia ....
-raha tsy atao batisa indray izy dia ....
anjaranao ry jentilisa ny manohy an\'ireo a
zay fa dia miandry indra izahay e
(l) :D de ampy a

84. dadabe
(
01/04/2005 15:48)
ampiako kely,izany hoe ianao izany ry jentilisa no nampianatra ny zanakao ny soratra masina sy ny fiainana mandrakizay ,ary nahatonga saina ilay zanakao ,ary nahatonga ilay zanakao hanapakevitra ny handevina ny fahotany sy hiala @ratsy fanaony ,noho ny fahendenao sy ny fahazavatsaina ary ny soratra masina nanananao no nahatonga ny zanakao ho te -hiova sy te -hiala @ratsy fanaony .Dia ahoan ary ny hevitrao ry jentilisa fa manazava aho aorian'ny anao
85. jentilisa
(
01/04/2005 15:55)
efa mitady hanao resak'olon-droa koa ange isika izany e! toa isika ihany no mipersaka dia veloo mamporisika. I Paoly tokoa dia niteny fa ny antsika dia famorana tsy nataon-tanana. Niteny aho hoe karazana fisoratana anarana ny batisa. Dia toy ny any ampianarana. Raha manao batisa ny zanako aho dia mivonona ny hampianatra azy ny finoana kristiana rehetra. Efa nilaza aho tany aloha tany hoe tsy misy dikany ny batisa raha tsy ampianarina ilay zaza avy eo. Lasa batisa fombafomba fotsiny manko izy amin'izay. Izany no mahatonga ny protestanta (mino aho fa manao izany koa ny katolika)Loterana sy FJKM tsy manaiky ny zaza hatao batisa raha tsy efa mpandray na Katekomena ( Kofirmanda) ny ray aman-drenin'ny zaza. Ny tenany aza ve tsy natolony ho an'ny Tompo koa inona no dikan'ny batisan-jaza amin'izay fotoana izay? Raha hoy ianao indray hoe nanan-janaka aho nataoko batisa nefa naditra be izy dia avy eo miteny hoe hatao batisa indray avy eo. Ny adidiko dia ny nampiditra ny zanako sy nampianatra azy izay rehetra tokony ho fantany. Azy ho azy ny azy avy eo na hanao devoara izy na tsia. Izaho dia herinandro monja teto an-tany no natao batisa. Nampianatra ahy ny rad-ko dia nanaraka aho ary resy lahatra t@ lalana natondron'ny rad-ko ahy. Tsy manaiky hatao batisa fanindroany izany intsony aho satria ekeko ny lalana nitondrany aho. Hoy tokoa ny teny hoe "Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na efa antitra aza izy dia tsy hiala amin'izany. Fa izaho koa efa nahita ny namako akaiky ahy. Tsy manaiky hanaovana ny batisa ny zanany izy nefa "convertie" araka ny fiteny. Izao no nahavariana ahy: t@ izy efa-dahy zanany dia ny iray ihany no lasalasa ihany amin'ny fiainana kristiana fa ny hafa tena tsy miraharaha mihitsy. Ny iray aza moa dia nanambara ampahibemaso fa tsy mino an'Andriamanitra. Toy izany no hitako manodidina ahy ka nahatonga ahy tsy ho resy lahatra mihitsy hoe efa lehibe vao hanao batisa rehefa resy lahatra ihany ny ray aman-dreny. Raha maditra ary ny zanako dia efa tontosako ny adidiko. Azy ho azy ny azy avy eo raha te-hatao batisa fanindroany izy na hiditra ho katekomena (kofirmanda), na hiva fiangonana mihitsy aza.
86. dadabe
(
01/04/2005 16:43)
jentilisa>tena lasa dialogue ity ny farany hihihihih tsy olana fa isika 2 no fitaovana ampiasan'A/tra hitory ho an'ireo olona marobe izay misy ato @serasera ireo ,aza kivy na2 fotsiny aza,fa andao tohizina hatrany ny resaka fa manaraka ireo fa tsy manoratra satria tsy manakambara hihihih.
ianao izany ry jentilisa tena entitra be a,de sanatria ve foinao ny zanakao hivarilavo de lasa any ??? tsy aleo ve izy mba resena lahatra handevinba ny fahotany ?izy aza efa resy lahatra de ianao nitory taminy indray ve no mety ho lasa vato misakana ho azy ?hhhmm mampisaina izany a.Fa mahafinaritra ahy ny tenionao farany manao hoe "azy ny azy ka na hiovafiangonana aza izy ... azy ny azy " tena malala-tsaina ianao ary manana ilay antsoina hoe"fanetretena"mahay manaiky (efa voafora fo marina ka)hihihi milay e.de tantara kelinao??? tsy atao mahagaga izany satria na ny soratra masina aza milaza ao @filazantsara araka an'i Matio 10:34"Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho,tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra(tenin'A/tra),fa tonga Aho hampifandrafy ny olona @Rainy ,ary ny zanaka vavy @reniny ,ary ny vinanto vavy @rafozany vavyary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony ".
de atreo indray klou e

87. hery
(
01/04/2005 17:04)
dadabe> tsy misy resaka batisa na batemy mihitsy ny resaka teto ,sa ....mody atao hoe "avelao ny zaza hanantona ahy atao batemy (foronina a)fa aza rarana ???
dia hoy indray dadabe
dadabe> nefa ny fahaterahana lazain'i Jesoa teto dia ny "batisa na batemy ",mila manetry tena ,mibebaka,miala @ratsy fanao,ary mandevina izany =batisa,mbola hamafisin'ny soratra masina any @epistily aza fa ny safodrano t@andron'ny NOA na Noe dia tandindon'io batisa io ,
Taiza koa no nisy an'io hoe batemy na batisa no tian'i Jesoa lazaina? Noforonina ?

88. pitchou
(
01/04/2005 19:09)
oupsss!
izay filaza azy na dikanteny tsy tokony ho olana aloha rehefa fantatra hoe inona ilay zavatra ary inona ny antony e!
izay tsy te-handray andraikitra @ hanaovana batisa ny zanany, azy izany! satria tafiditra ao anatin'ny fitaizana io!
izay tsy afa-po raha tsy mamerina ny batisany rehefa lehibe, d tsy olana koa angamba raha tsy mihevitra ny batisa ho sakramenta izy!

89. dadabe
(
02/04/2005 06:40)
hery>o ry hery a,mba diniho tsara klou le soratra masina de formuler vo tsara le kestion fa aza atao kestioo maimaika be ohatran'io.Hazavao kely fotsiny
pitchou>tadidio tsara fa ny batisa anie ka isan'ny lalan iray tsy maintsy ataon'ny zanak'olombelona raha te -hiditra ny fanjakan'ny lanitra izy e,adidinao izay mahalala ny ,mampahafantatra raha tsy izany dia adinin'A/tra aminao izany any aoriana.

90. jentilisa
(
02/04/2005 09:45)
he!he! misaotra ny hafa nanoratra! ô ry dadabe a! iza koa no nilaza taminao hoe antitra aho! as iano efa nahita ahy hoe antitra? :lol:
91. dadabe
(
02/04/2005 17:54)
jentilisa>zah angaha nilaza an'izany ?????????? sao de mba diso adiresy ise ,aiza aho no nilaza izany le?
92. titakely
(
03/04/2005 16:58)
tsy batisa fa fametrahantanna np nataoni Jesosy ny zaza,ny olona atao batisa dia olona mitsoboka ao anaty rano satria ny dikanny batisa dia fanatsobohana alevina ao anaty rano, donc olondehibe tonga saina fa mpanota no mandevina ny fahotany
mopmbokevitra amini dadabe mazava angamba ireo nolzainy reo
mopmbokevitra amini dadabe mazava angamba ireo nolzainy reo
93. pitchou
(
03/04/2005 18:33)
mbola hisy hiteny ato hoe tsy batisa rehefa tsy tany @ onin'i jordana no natsoboka! :roll:
Nisy tenin'ny papa JP2, fony izy nitsidika firenena iray, naverina t@ télé d mba zaraiko eto ho an'izay tsy naheno: ny batemy ho izy no manamarika (sa hanamarihana) fa isan'ny olon'Andriamanitra!
Tsy mihevitra ny tenako ho mahay ny baiboly sy ny soratra masina noho ny papa aho (mety misy @ namana ato mahay no izy, ka afaka mitsipaka izay lazainy momba ny resaka mikasika fivavahana!) fa raha izay no izy, dia ho avahana tsy ho isan'ny olon'Andriamanitra ve izany ny zaza, satria izy zaza?

94. jentilisa
(
04/04/2005 09:11)
ny batisa tsy hoe miroboka ihany fa misy koa tenin'ny Paoly hoe fisasan'ny fiterahana indray. Ny dika faharoa ny hoe batisa izany dia misasa. Tsy olon-dehibe kosa angamba vao misasa ô? sa...
Ô ry dadabe a! hay moa entitra no nolazainao fa tsy antitra! hentitra koa anie no fanoratra azy fa tsy hoe entitra e
Ô ry dadabe a! hay moa entitra no nolazainao fa tsy antitra! hentitra koa anie no fanoratra azy fa tsy hoe entitra e
95. dadabe
(
04/04/2005 09:29)
hhmmmm zao klou e!
pitchou>raha misy olombelona iray ve mampianatra anao dia avy hatrany ianao dia manaiky sa mba manadihady kely klou,zah sy jentilisa zao eto samy mamoaka ny hevitray,fa ianareo tsy voatery hanaiky betement izay zavatra resahanay eto,fa mba mamakafaka tsara,zah zaio milaza hoe betsaka ireo zavatra nolazain'i jentilisa ary ekeko ho marina ara-tsoratra masina ,dia manampy sisa no ataoko ,dia tahaka izany ihany koa ny papa,olombelona izy ,ka raha mampianatra ahy sy ianao izy dia mba jerena klou ny soratra masina,koa raha mifanaraka @baiboly dia araho fa marina izany
NB:izaho mamporisika anao sy izay mamaky ity hafatra ity mba hamaky ny BAIBOLY KATOLIKA(le ngezabe iny )fa ao no tena misy ny marina rehetra,dia anjaranao ny manadihady sy mamakafaka .Jereo sy vakio ny baiboly katolika dia lazao ahy hoe inona no voalaza ao "ny atao hoe BATISA sy BATEMY",sao isika misy milaza fa hoe zah manohitra ??? marina izany ,izay rehetra tsy voalaza ao anatin;io baiboly KATOLIKA io dia toheriko avokoa ,amiko io no voalohany dia io no tokony arahina.
:D de ampy e

96. haingo23
(
05/04/2005 09:19)
Tsara ny fifanankalozan-kevitra ataonareo. Nefa indrisy fa mampalahelo ahy ianareo miady hevitra sy mandalina ny baiboly izay tsy takatry ny sainareo akory. Atra manana ny lalany sy ny fieritreretany @ fiainan\'ny olona tsirairay. Ka na inona na inona resaka sy hevitra ataonareo, rehefa tian\'Atra hovonjena ny oll 1 dia voavonjy.
Ny atahorako dia sao dia lasa ny baiboly indray no \"remise en cause\" raha lasa eo izao resaka izao. Samia re manaraka izay tiany hatao izay fantany fa hahatonga azy any an-danitra e!
Raha io sujet io dia azo ampiana ny : voafora sy ny tsy voafora, ny sabata (sabotsy sa alahady),....
Tsara ny adihevitra sy ifampizarana zavatra fa ny kosa aza atao lasa lavitra loatra sao hanahirana.
Misaotra e!
Izaho aloha raha resaka baiboly dia miala aho ary tsy hiady hevitra mihitsy satria samy manana ny finoany ny olona. Aleoko miaiky tsotra hoe resy aho na marina ny anao fa ny ahy hotohizako ihany.

97. dadabe
(
05/04/2005 11:28)
kay ndeha kounkou zah kounkou hanaraka ny hevitr'i haingo23 mety ve ??
98. pitchou
(
05/04/2005 18:26)
haingo> hevitra iray izany! ny olana ato manko dia misy ny sasany tia hitanisa fahatany ze soratra hitany ao fa tsy fantany ny tena hevitr'ilay teny, ary mihevitra ny azy ihany no marina fa ny hafa na nandalinaan'io boky io nandritra ny androm-piainany aza d tsy mahay an'io noho izy! d profoina toko sy andininy notsiponina etsy sy eroa daholo ze lazaina!
100. fijo
(
07/04/2005 23:21)
aza lemana izany rangaha ny lohan'ny zaza an.mararay eo izy ny hiafarany.