tokony atao batemy\batisa ve ny zazakely menavava
21. hery
(
21/02/2005 13:21)
Izany hoe tokony rehefa lehibe mahatsapa hoe mahavelona ny sakafo vao tokony homen'ny ray amandreny sakafo ny olona... sao dia lasa fombafomba fotsiny raha toa ka tsy fantany ny dikan'ilay sakafo.
ny finoana ho ahy dia sakafo mahavelona... heverina ho toa ny maty ny olona tsy mino (sa tsy izany bichette?) ka ny zazakely izay tsy mbola mahalala izany dia tokony homena sakafo aloha. Adidin'ny ray amandreny no manome izany ny zanany raha hitany fa nahavoky azy. Rehefa lehibe ny zaza dia misafidy malalaka.

23. bichette
(
21/02/2005 15:44)
hery > sakafo ? hoy ny tenin'Atra hoe "tsy ny mofo ihany no iveloman'ol fa ny teny rhetra aloaky ny vava'Atra" ao amin'ny deoteronomia, Hery teneno za raha diso ilay reference. Omena sakafo aloha ilay olona dia avy eo misafidy izy raha te hatao. safidy manokana sy ny conviction ny tsirairay izy io ary arakaraky ny fandresen-dahatra, ny tena zava dehibe fotsiny dia hoe mahafantatra ilay Mpahary sy manolotra ny tenany ho Azy. Avy eo, Atra no handresy lahatra ny tsirairay raha hoe atao batisa kely ny zaza sa rehefa lehibe. Ny tena IMPORTANT dia hoe nateraka indray
Inona tokoa ny vaovaon'élà ry Hery ? ela letsy izay !

24. hery
(
21/02/2005 16:16)
Io safidy manokana sy conviction io no atao amin'ny confirmation kah.
Ny tiako hamafisina dia hoe adidin'ny ray amandreny no manome ny zazakely mbola tsy manana responsabilité izay hitany fa mahavonjy azy.
- Ara-nofo ohatra dia anjaran'ny ray amandreny no manome sakafo ny zaza. Tsy andrasana ho lehibe izy vao omena sakafo. Indraindray tsy conscient akory izy, ary indraindray tsy tiany ny sakafo omena azy kanefa dia tsy maintsy omena satria responsabilité-n'ny ray amandreny izany... mahatsiaro tena ho meloka ny ray amandreny raha toa ka hoe tsy nomeny sakafo ilay zaza dia maty.
- Dia toa izany koa ny ara-panahy. Adidin'ny ray amandreny no mamelona ilay zaza sy manome sakafo ara-panahy azy raha mbola tsy afaka manapa-kevitra izy. Hoy iindrindra i bichette io ambony io hoe tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona. Izany hoe ny zazakely tsy hoe sakafombatana fotsiny no omena azy fa sakafom-panahy koa. Ary tsy iandrasana ny décision-ny io satria dia hahatsiaro meloka ilay rayamandreny raha ohatra ka tsy nomeny sakafom-panahy ilay zaza dia maty.
Fa normal raha tsy mety mifankahazo ny resaka satria isika finoana tsy mitovy. Raha mifankahazo ny resaka dia efa lasa finoana iray isika :-) io zavatra io mantsy no anisan'ireo zavatra isankarazany tsy mampitovy ny Katolika sy Protestant.
Nanazava ny antony hanaovan'ny Katolika batisa ny zaza fotsiny aho (Ilay hoe adidin'ny ray amandreny io) dia nanazava ny antony tsy hanaovan'ny Protestant batisa ny zaza i bichette (ilay hoe andrasana ho responsable). Ny tanjona dia hoe hay izany no antony hanaovandry zareo an'izany... compréhension fa tsy afaka ny hi-convaincre n'iza n'iza eto aho... satria efa manana ny finoany marim-pototra daholo.
bichette> raha toa ka possible dia mety mihaona any @ RNS :-)

25. bichette
(
21/02/2005 16:18)
tsy dia hoe tena terena anie ny batisa e, safidy napetrak'Atra (conception) ny batisa ho karazana fanekena hataontsika aminy;karazana fanekena ataonao amin'Atra izy io.
Ohatran'ny fanambadiana izy io izay conception'Atra ihany koa saingy alliance na fanekena amin'ny olona roa lahy sy vavy mifankatia ny fanambadiana. Ny batisa kosa dia fanekena ataonao amin'Atra Fanaporofoana ny fitiavana. Mino aloha dia porofoina amin'ny fanaovana batisa, rehefa vita ny batisa dia tena vita fanekena Aminy ianao (ohatran'ny mpivady), tsy misy afaka ny hangalatra intsony, Azy ianao ary nasehonao fa tena mino Azy, mahatoky Azy...
izay no antony hilazako etsy ambony hoe tsara raha olona mba efa conscient

27. hery
(
21/02/2005 16:22)
Dia azo valiana amin'izay izany ny fanontanian' cutie teo hoe ahoana ny olona tsy vita batisa? ohatra ireo mbola tsy nahalala, na ireo zazakely mbola tsy tonga saina. Tsy mbola nifanaiky tamin'Andriamanitra izy ireo dia mbola tsy an'Andriamanitra? Na koa mbola tsy mendrika ny ho any amin'Andriamanitra? (Avelao ny zaza hanatona ahy)
29. bichette
(
21/02/2005 16:39)
tsy voatery hoe tsy voavonjy akory an raha toa ka tsy natao batisa.
ohatran'ny mpivady, tsy hoe misafidy ny tsy hanambady ry zareo dia hoe tsy mifankatia, fa hafa ihany e !
tonga ny tovolahy te hampakatra andramatoakely, dia hoy ramatoa kely hoe : "tsy aleo ve mifankatia ohatran'izao fotsiny, tena tiako ianao ary zé vé vivre avec toi fa tsy mivady" , sadaikatra ihany ihany zatovolahy ...; saintsaino anie e
anaty baiboly moa dia i Jesosy no lazaina fa mpampakatra ary isika no hampakarina .... saintsaino... saintsaino

32. bichette
(
21/02/2005 16:49)
ny mpivady raha nanambady, tsy maintsy tia aloha vao manambady raha ny contraire dia hors norme, tsy hoe tsy mety fa mandingana ary ny ankamaroany tsy tena ao ilay fitiavana
raha atao batisa, mino aloha vao miroso, manaiky
saintsaino saintsaino

33. pitchou
(
21/02/2005 19:39)
ny batisan'ny zaza ny fazahoako azy d fanolorana le zaza ho an'Andriamanitra, d raha adika malalaka kokoa d famatrahana azy eo ambany fitahiany! satria tsy mbola manana ny safidiny ireny zaza ireny! raha ny baiboly no tiana atao référence dia efa nisy olon'Andriamanitra nanolotra ny zanany (marina fa tsy mbola mena vava saingy zaza tsy mbola nanana ny safidiny) ho an'Andriaanitra.
Safidin'ny RAD raha hanolotra ny zazakely ho an'Andriamanitra izy na tsia! fa rehefa lehibehary saina kosa le zaza dia tsy atolotra intsony fa manolo-tena! Misy moa ny natolotra lasa mivoaka ny vala, misy ny manolo-tena lasa mivoaka ny vala, noho izany tsy mipetraka ny fampitahana!

34. ikaretsaka
(
22/02/2005 00:20)
ny batemin-jaza dia fanolorana ilay zaza ho an'andriamanitra sy fandraisana azy ho zanak'andriamanitra
io ilayt heo zanak'andriamanitra daholo na ny zazakely na ny olondehibe
avy eo izy afaka manavao ny toky nomeny t@ batemy

35. sahary
(
22/02/2005 04:09)
mazava ny soratra masina "izay mino sy atao batisa no hovonjena"izay no an'ireo olon-dehibe efa afaka mino,fa ho an'ny zaza kosa dia hoe"minoa an'i Jesosy tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao"izany hoe raha voavonjy ny ray aman-dreny dia hovonjena koa ilay zaza na mbola tsy vita batisa aza,fa raha tsy izany kosa dia hoy Atra hoe izaho dia Atra saro-piaro,ka mamaly ny heloky ny ray @ zanany.
Dia inoako fa mahavaly ny fanontanian'i cuttie izay voalaza rehetra izay.
Ary ny batisa dia efa nisy tao @ testamenta taloha fa hafa ny fisehoany,fa rehefa tonga jesosy hatao batisa ka nanda i jaona dia hoy izy "ekeo ihany ankehitriny mba hahantanteraka ny fahamarinana rehetra"

36. ikaretsaka
(
22/02/2005 04:14)
fa raha raisina isan'andalana io de vao mainka aza mampisaritaka:
avelao ny zaza hanantona ahy koa manko hozizy ilay teny 1

37. intelligenzia
(
22/02/2005 04:59)
ny an'ikaretsaka kosa tsy mba vitan'ny hoe tsy ampy andalana iray akory fa sady tsy ampy ilay fehezan-teny, ankoatran'izay tsy misy precision (hozizy ilay teny 1) ka aiza izy no tsy hisaritaka!
Natao hovakiana sy ianarana ary ampiharina anie ny Baiboly fa tsy natao haingon-trano e :-D

38. intelligenzia
(
22/02/2005 05:03)
Baiboly:
"Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra."
efa madio saina, fo sy fanahy ny zaza ary efa mahazo ny fanjakan'Andriamanitra :) :idea:
39. Ramaso
(
22/02/2005 05:13)
karetsaka letsy opus dei an.. tsy mamaky baiboly reny fa mino an'i jesosy
40. chipie1
(
22/02/2005 09:57)
io koa arakaraky ny fitaizana taloha sy ny finoana oe hatao batisa na batemy ny zaza !