tokony atao batemy\batisa ve ny zazakely menavava

61. dadabe ( 26/03/2005 05:09)
veloo>ampiko kely ao@ epistily ho an'ny romanina toko faha 6no ahitana ny fanazavana bebeb kokoa :wink: saotra e
62. jentilisa ( 26/03/2005 17:02)
Tokony hotsarovana mandrakariva fa ny Filazantsara dia natao hampianarana aloha vao azo lazaina hoe boky tantara. Raha momba ny teny hoe avelao ny zaza hanatona ahy dia tsy maintsy miaraka aminy ny teny hoe aza rarana. Ny antony dia tsy vao amin'izao androtsika izao no nisian'izay adi-hevitra hoe tokony atao batisa ve ny zaza sa tsia. Koa raha efa nipetraka ho olana sahady ary io tamin'izany fotoana izany dia tsy maintsy nilaona ny fitarihan'ny Fanahy Masina. Tsarovy fa araka izay voasoratra dia notreronin'i Jesoa ny mpianatra nandrara ny fanatonan'ny zaza ho amin'i Jesoa. Inona anefa ny dingana voalohany amin'izany fanatonana an'i Jesoa izany? ny batisa na batemy. Koa raha mitantara momba io toe-javatra io ny Filazantsara dia noho ny adi-hevitra momba ny batisa indrindra. Mety hiteny isika hoe ka tsy miresaka batisa mihitsy ange eo e? Marina izany fa ny perikopa dia jerena amin'ny antony ary ny antony dia ny fanaovam-batisa ny zaza. Izany no milaza fa efa hatramin'ny andron'ny Apostoly no natao ny batisan-jaza.
Manaraka izany dia izay mino sy atao batisa no voasoratra fa tsy hoe mino aloha vao atao batisa. Tsy misy fandaharana ny zavatra tokony atao mihitsy eo.
Misy miteny hoe ny zaza tsy mahay mino: Aoka aloha, ny dikan'ny hoe mino dia matoky raha lazaina amin'ny teny malagasy hafa. Misy ny zaza raha raisin'ny olon-tsy fantany dia mitomany. Inona no antony? Tsy matoky ilay olona mandray azy izy. Fa raha raisin'ny rainy na reniny ilay zaza dia mangina izy. Ny antony satria nitsahatra ny tahotra tao aminy. Olona itokisany no nandray azy. Izany hoe raha lazaina amin'ny teny hafa dia olona inoany no nandray azy. Amin'izay fotoana izay mahay mino ny zaza fa isika no tsy mahatakatra ny finoany matetika.
Ny finoana tsy ara-tsaina ka hoe ilaina mahay miteny vao mahay mino. Tsy hahay mino mihitsy ve izany ny moana satria tsy mahay miteny ny finoany an'i Jesoa?
Tsia, isika no raha vao tsy mahalala ny toetran'ny moana no tsy hahalala ny fanehoany ny finoany.
Eo koa ny filazana hoe " minoa an'i Jesoa dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao" noho izany hoy ny sasany dia tsy mila atao batisa ny zaza satria efa voavonjy tamin'ny nanaovana batisa ny lehibe. Tsia, Vakio tsara fa rehefa ilay lohampianakaviana ihany no voalaza fa nino dia izy sy ny ankohonany rehetrano natao batisa. Tsy voalaza anefa hoe dia nino avokoa ve aloha ny ankohonany manontolo vao natao batisa. Tsotra ny antony hanaovana batisa ny Zaza raha raisina avy amin'io tantara ao amin'ny Asan'ny Apostoly io. Satria efa mino ilay lehiben'ny fonja dia hitaiza ny zanany ao amin'ny finoana ihany koa izy koa rariny loatra raha natao batisa ny zanany sy ny vadiny koa moa. Noho izany raha mino ianao efa lehibe dia hitaiza ny zanakao ho amin'ny finoana ihany koa ary dia rariny raha atao batisa ny zanakao na dia mbola kely aza, na dia mbola zazakely aza. Fa raha tsy mampanao batisa ny zanakao kosa ianao dia tsy vonona hampianatra ny zanakao ho amin'ny finoana izany. Raiso tsara ilay teny farany ao amin'ny Matio hoe manaova batisa azy sady mampianatra azy. Tsy misy dikany kosa ny batisa raha tsy hampianatra ny finoana amin'ny zanakao ianao.
63. routa ( 27/03/2005 09:48)
tena mba nandinika baiboly ve aloha ianao io ry jentilisa? malahelo be aho ny milaza aminao fa tsy izany no izy:aminao ny batisa aloha manao ahoana e!
ao @ matio nolazainao dia milaza mzava tsara fa mampianatra aloha ny firenena rehetra vao manao batisa inona ny ho hain ny zaza hianarana eo raha mbola kely izy. ny vatombatony ohatra de ny ankizy zany ny sekoly alahady na sekoly sabata no ataony, ny zaza tsy nanota fametrahan -tanana iny nataon ny Jesosy iny fa tsy hitako zay nisoratra hoe batisa teo ,ary efa namadika baiboly aho fa tsy hitako zay zaza natao batisa e! kristiana isika satria mpanaradia an iKristy inona ny natao t@ Jesosy lehibe vao natao batisa diniho tsara ny soratra masina fa ho hitanao ao ny marina rehetra .
64. dadabe ( 27/03/2005 14:42)
hhmmmmm ary mety ho frera i jentilisa ito fa mody hoe jentilisa hhmmm :(
routa>raha azoko tsara de le olona mihitsy izany no tokony manantona manao hoe inty aho ataovy batisa fa handevina ny fahotako hhmm ?sa tsy izany ? :wink:
65. jentilisa ( 28/03/2005 11:39)
routa:

ao @ matio nolazainao dia milaza mazava tsara fa mampianatra aloha ny firenena rehetra vao manao batisa inona ny ho hain\'ny zaza hianarana eo raha mbola kely izy.

Aiza tsara ao amin\'ny baibolinareo no misy izany hoe mampianatra vao manao batisa izany?
Ny anay aloha dia manao batisa sady mampianatra e!
Raha jerena ange izany dia tsy misy tokony atao batisa isika raha araky ny hevitrao e! satria mbola tsy nampianarina avokoa ny firenena rehetra. Mbola be ny firenena tsy azao ampianarana ny fampianarana kristiana noho izany raha mbola tsy voampianatra avokoa ny firenenea rehetra tsy misy azo atao batisa isika. Dia lazao ahy tsara hoe ny aiza ho aiza no diso. Ilay fandrarana ny zaza tsy hanatona an\'i Jesoa amin\'ny alalan\'ny batisa?
Raha mihevitra ianao fa ara-bakinteny no anarahana an\'io baiboly io dia ho very eo ianao. Fanontaniako omeko anao. Ao amin\'ny filazantsara iray raha nohomboana tamin\'ny hazo fijaliana i Jesoa ka nisy niara-nohomboana taminy dia niteny ratsy azy avokoa ireo jiolahy roa ao amin\'ny filazantsara roa fa amin\'ilay anankiray indray no iray ihany no niteny ratsy fa ilay iray kosa nanao hoe tsarovy aho rehefa ttonga any amin\'ny fanjakanao ianao. Iza amin\'ireo no mandainga? satria tsy maintsy misy diso ny fitantaran\'ireo mpanoratra ny filazantsara farafahakeliny? sa tsy naheno ny resany ve ny roa? sao dia natao hampianarana zavatra kosa ny resaka ao amin\'ilay jiolahy roa \"nifamaly\"?
Manaraka izany ao amin\'ny filazantsara iray milaza fa raha maty i Jesoa dia maizina ora telo ny tany aman-danitra. Ny filazantsaran\'i Jaona kosa tsy nilaza izany mihitsy. Tsy tokony hanadino mihitsy anefa i Jaona raha nisy tokoa izany. Iza no nilaza ny marina ary iza no nandainga? Tsy maitsy misy iray diso amin\'izy mirahalahy koa valio hoe aza fady?
routa:

ny vatombatony ohatra de ny ankizy zany ny sekoly alahady na sekoly sabata no ataony, ny zaza tsy nanota fametrahan -tanana iny nataon ny Jesosy iny fa tsy hitako zay nisoratra hoe batisa teo ,ary efa namadika baiboly aho fa tsy hitako zay zaza natao batisa e!

Misy izao teny izao ao amin\'ny Jaona 3: Izay teraky ny nofo dia nofo, izay teraky ny fanahy dia fanahy. Ny teraky ny nofo tsy mahazo miditra ny fanjakan\'Andriamanitra. Tsy maitsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona.
Aminao ny zazakely teraky ny nofo sa teraky ny Fanahy? Tsy misy olona teraky ny fanahy aloha araka ny eritreritro e! sa ianao? ilazao ihany aho. Noho izany raha teraky ny nofo ny zaza dia tsy azo lazaina fa tsy manam-pahotana. dĂ´nky tsy maintsy atao batisa. Be no efa hitako tamin\'ireo tsy manao batisa zaza fa tena toy ny zana-devoly mihitsy ny fijeriny ny zanany mandra-pahavita batisa iny olona iny. Enga anie, averiko indray hoe enga anie mba tsy ho izany ianao!
routa:

kristiana isika satria mpanaradia an\' i Kristy inona ny natao t@ Jesosy lehibe vao natao batisa diniho tsara ny soratra masina fa ho hitanao ao ny marina rehetra .

Sao ianao no tsy mahita ny marina rehetra? Tsy ny baiboly ihany no mila fantarina fa ny tontolo rehetra manodidina io baiboly io. Tsy mila natao batisa i Jesoa satria Jiosy. Ny Jentilisa te-hanaraka ny finoana Jiosy no noterena tsy maintsy hatao batisa. Fa i Jaona kosa no nampanao batisa ny olona rehetra na jiosy na jentilisa satria mpanota avokoa ny olona rehetra. Araka ny vosoratra dia saiky tsy hanao batisa azy i Jaona. Fanontaniako aminao. Batisa ho amin\'ny anaran\'ny ray zanaka fanahy masina ve no nanaovana batisa an\'i Jesoa?
Averiko indray fa tsy azo raisina amin\'ny lafiny maha-tantara azy loatra io Baiboly io fa amin\'ny maha-fampianarana azy. Ity mbola misy fanontaniana: ny ankohonana, iza avy moa izany? tsy azo ampidirina ao ve ny zanaka? izany hoe tsy azo lazaina ho ankohonana ve ny zazakely?
Averiko indray hoe tsy misy dikany ny batisa raha tsuy ampinarina izy avy eo. Io no mandika ny fanaovam-batisa raha tsy ampianarina izy avy eo. Ny soratra hoe sady manko tsy mitaky hoe eo no ho eo amin\'ity sehatra ity. Fa raha mampianatra ny zanany kosa avy eo ny ray aman-dreny dia manaraka tsara izay voalaza ao amin\'ny M
66. dadabe ( 28/03/2005 16:18)
hhmmmm manome valiny aho rafaveo fa ndraso klou raim fotsiny :wink:
67. Veloo ( 28/03/2005 18:11)
Jentilisa a rehefa mba mamaky baiboly moa dia jereo manomboka atramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny toko sy andininy e. Raha tsy izany lasa vo-interpreter zavatra hafa foana ny rehetra an.

routa: Amen

Dadabe a ie zay indrindra.
68. routa ( 29/03/2005 13:20)
vakio ary matio: 28:18,19
zany mihitsy tsy tokony atao batisa ratsy avy nianatra ka zay no voasoratra ko inona ndray .
de ahoana zany tsy matahotra an ity zany hianao apok :22:18,19 .
amiko tsy misy diso ny tenin ANDRIAMAITRA marina de marina io
diniho tsra hoa ny soratra masina zay le hoe mianara aloha misy antony io misy dikany lehibe io mianatra io.
ny zaza tsy atao batosa zany .
de ahoana ny hoe raha tsy miverina tahaka ny zaza ianao tsy ahazo madova ny fanjakan ny lanittra?
-vakio ny tapany faharoa ao @ matio 3: 15
zao e!ilaina ny fianarana ny tenin Andriamanitra raha ny fijeriko azy mianatra hiany hianao fa tsy apy ny fianaranao mianara hiany fa ho azonao io @ farany misaotra anao .
69. dadabe ( 29/03/2005 14:05)
routa a!batisa fa tsy batosa :wink:
jereo tsara izao fa lazaindry zalahy mmanao tsianjery soratra masina fotsiny ianao fa tsy mahay mandinika ttsssss efa tratra aho de aleoko mangina(tsy i jentilisa no nilaza izany a!)
fa zay le izy ny batisa =raharahan'olondehibe mibebaka fa tsy raharahanjaza=mianatra klou vao atao batisa ==>mitondra any @famonjena hhmmm 8)
70. Ramaso ( 30/03/2005 06:00)
zanak'andriamanitra daholo io zalahy an
ataovy batemy jiaby fa zanany ary tiany hovonjena na ny kikizy kely na ny efa dadabe
71. routa ( 30/03/2005 06:58)
dadabe a!misaotra betsaka fa tena diso fanoratra iny BATISA fa tsy batosa misaotra ny t@ fanitsiana! :D
72. jentilisa ( 30/03/2005 08:54)
Veloo:

Jentilisa a rehefa mba mamaky baiboly moa dia jereo manomboka atramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny toko sy andininy e. Raha tsy izany lasa vo-interpreter zavatra hafa foana ny rehetra an.

Ity misy fanontaniana omeko anareo rehetra. Eo amin'ilay hoe ray aman-dreny mitondra ny zaza isika izao. Iny ary fa misy ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao batisa ao am-piangonana; ahoana? horarana ve hoe tsy azo atao batisa ny zaza? inona no mahasamy hafa izay fihetsika izay sy ilay voasoratra ao amin'ny iadianareo hevitra amiko eto? indrindra raha miteny i Jesoa hoe avelao ny zaza hanatona ahy! mba valio aza fady fa mahaliana ahy!

73. dadabe ( 30/03/2005 13:46)
jentilisa>Izy (Jesoa )anie nilaza hoe "avelao ny zaza hanantona ahy ary aza rarana"izany hoe :ianao ihany aza de efa manazava azy ,tsy misy resaka batisa na batemy mihitsy ny resaka teto ,sa ....mody atao hoe "avelao ny zaza hanantona ahy atao batemy (foronina a)fa aza rarana ???
azafady fa tsy misy soratra an'izany ao anaty soratra masina

Mbola ampiako kely i Nikodemosy raha niady hevitra t@Jesoa dia nolazain'i Jesoa hoe "raha tsy miverina ateraka indray ianao dia tsy mahazo miditra ny fanjakan'ny lanitra ,==>tsy azon'i Nikodemosy (Nikodem)izy t@izany andro izany fa noheveriny hoe hiverina any anaty kibondreniny indray izany ,nefa ny fahaterahana lazain'i Jesoa teto dia ny "batisa na batemy ",mila manetry tena ,mibebaka,miala @ratsy fanao,ary mandevina izany =batisa,mbola hamafisin'ny soratra masina any @epistily aza fa ny safodrano t@andron'ny NOA na Noe dia tandindon'io batisa io ,
fehiny :ny batisa na batemmy dia tsy raharahanjaza,fa raharahan'olona MpanotA MIBEBAKA ,mety ho ankizy ,mety ho tanora ,mety ho lehibe fa tsy voafetra fa rehefa manolotena izy ,ka mibebaka dia tsy azo rarana .
:D de ampy a mbola hampiako io fa miandry ny valinteninareo aho aloha
74. jentilisa ( 30/03/2005 14:15)
Raiso tsara an! resy lahatra, hono, ireo ray aman-dreny hitondra ny zaza atao batemy. Izay no heveriny fa fanatonana an'i Jesoa voalohany. Ahoana?
75. dadabe ( 30/03/2005 15:01)
jentilisa>ianao ihany aza dia efa mahavaly azy manao hoe ny ray amandreniny no resy lahatra==>fa tsy le zaza,Jesoa nanao hoe "an'ny toa an'ny zaza ny fanjakan'ny lanitra satria ny zaza tsy manana ota ary tsy mbola nanota ,ka dia tsy mila fibebahana,izany hoe tsy mila atao batemy na batisa. :D de ampy a
76. Veloo ( 30/03/2005 16:54)
Dadabe a, ataoko fa mety tsara ny namalianao azy .. :lol: :wink: :*
77. dadabe ( 31/03/2005 07:23)
veloo>merci (l)
78. jentilisa ( 31/03/2005 09:46)
dadabe:

Izy (Jesoa )anie nilaza hoe "avelao ny zaza hanantona ahy ary aza rarana"izany hoe :ianao ihany aza de efa manazava azy ,tsy misy resaka batisa na batemy mihitsy ny resaka teto ,sa ....mody atao hoe "avelao ny zaza hanantona ahy atao batemy (foronina a)fa aza rarana ???
azafady fa tsy misy soratra an'izany ao anaty soratra masina

Jereo tsara ny nosoratana tao; vakio tsara fa ny renin'ireo zaza ireo no nitondra ny zanany hankeo amin'i Jesoa nefa ny notenenin'i Jesoa dia ny fitenenana hoe avelao ny zaza hanatona ahy. Averiko indray ny renin'ireo zaza ireo no nitondra azy hankeo amin'i Jesoa. Koa izany no manambara fa mety ho tsy sitrapon'ireo zaza ireo mihitsy ny hampanatonana an'i Jesoa tamin'io fotoana io fa fanapahan-kevitry ny reniny io(tsy voalaza tao aloha ny rainy). Miangavy anareo aho hamaky azy tsara indray.

Mbola ampiako kely i Nikodemosy raha niady hevitra t@ Jesoa dia nolazain'i Jesoa hoe "raha tsy miverina ateraka indray ianao dia tsy mahazo miditra ny fanjakan'ny lanitra ,==>tsy azon'i Nikodemosy (Nikodem)izy t@izany andro izany fa noheveriny hoe hiverina any anaty kibondreniny indray izany ,nefa ny fahaterahana lazain'i Jesoa teto dia ny "batisa na batemy ",mila manetry tena ,mibebaka,miala @ratsy fanao,ary mandevina izany =batisa,mbola hamafisin'ny soratra masina any @epistily aza fa ny safodrano t@andron'ny NOA na Noe dia tandindon'io batisa io ,
fehiny :ny batisa na batemmy dia tsy raharahanjaza,fa raharahan'olona MpanotA MIBEBAKA ,mety ho ankizy ,mety ho tanora ,mety ho lehibe fa tsy voafetra fa rehefa manolotena izy ,ka mibebaka dia tsy azo rarana .

Ary maninona no mody adinoina foana ny tenin'i Jesoa teo hoe izay teraky ny nofo dia nofo ka tsy mahazo miditra ny fanjakan'Andriamanitra e? Tsy maintsy ateraky avy any ambony indray izy hoy i Jesoa. Milaza izany fa Andriamanitra no manangana azy ho olona vaovao fa tsy miandry sitrapon'olona mihitsy izany. Midika koa io fa manam-pahotana ny zaza sa ianareo tonga dia teraky ny fanahy? :-D :-D :-D :-D . Teraka tsy manam-pahotana koa izany an! :-D :-D
Ary ny miverina toy ny zazakely dia manaiky tsy mila adi-hevitra no dikan'izany! Ny olon-dehibe no be ady hevitra fatsy ny zazakely mihitsy.
Mbola hamaly tsiray ray ny an'i Routa koa aho. Efa vonona ny valiny fa miandry kely aloha.
79. routa ( 31/03/2005 10:32)
:D de ampy hoy dadabe mahafinaritra ny dinidinika -tsika rahavana.
80. dadabe ( 31/03/2005 15:57)
jentilisa>tsy azoko intsony ny demonstration an\'ise izany ,ny resantsika anie ke hoe azo atao batisa ve ny zaza sa tsy azo atao ,dia nanome ny fanazavana aho ,fa ny fanazavanao mihodikodina be ary tsy mamaly fanontaniana mihitsy ,zah indray no asainao mamaky baiboly (tsara klou zany e),hoy ianao hoe :\"ny renin\'ireo zaza ireo no nitondra azy hankeo @Jesoa\"==>marina anie izany e,fa aiza izay zaza natao batisa teo ??????????? o ry Jentilisa a,aza aodina ny resaka fa ianao ihany aza de efa mamaly azy fa nanantona an\'i Jesoa ny reniny zaza ,ary i Jesoa koa nilaza hoe avelao ny zaza hanantona ahy.hhmm aiza izay batisa eo ?????
manaraka izany hoy ianao hoe ny zaza mana-pahotana(nijangajanga,sa nangalatra sa ....)mba omeo hoe azafady ?ambarako anao tsara fa rehefa tonga sainaizy (zaza)izay vao manomboka misy n y fahotana fa tsy ilay zaza mena vava tsy mahay afa-tsy ny mitomany iny no lazainao fa mpanota ,o ry Jentilisa a ppffffiooo aiza ary enao izany le?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1266