tokony atao batemy\batisa ve ny zazakely menavava

41. bichette ( 22/02/2005 10:27)
chipie > ie aky a !
fa na batisa io na batemy tsy izany no tena zava dehibe fa ilay ianao manao dingana.Ny asan'ny RAD dia ny mitaiza ny zaza hahalala an'Atra fa rehefa avy eo anjaran'ny tsirairay no manapakevitra

ny zaza atolotra, avela hanantona an'i Jesosy NUANCE
42. pitchou ( 22/02/2005 20:28)
marina nareo tsy hiady hevitra @ farany hoe ahoana tsara no tokony hanaovana ny batisa?
ny zavatra tiana no omena ny olona tiana! ary ny sarobidy no atolotra an'Andriamanitra! @ sasany le faha1à karena no sarobidy dia atolotra, fa ho an'ny sasany ny zanany no atolony satria iny no sarobidy aminy! fanolorana mihitsy no ilazana azy! sady na niteraka aza ny RAD tsy tompon'ny aina!
Raha izaho koa izao d hoy aho hoe atolory ny zaza satria tsy mbola mahay manolo-tena! sahala @ hoe fahano ny zaza fa tsy mbola mahay mamaha-tena! tsy safidiny izany fa ny RAD no mieritreritra ze mahasoa azy!
43. bichette ( 23/02/2005 07:15)
merci pitchou nizara
44. hery ( 23/02/2005 07:44)
Raha ny fahitako azy izany dia ny conception-n'ny atao hoe batemy na batisa mihitsy no tsy mitovy. Dia io ilay nolazaiko hoe raha mitovy ny finoana dia efa tsy protestant sy katolika intsony isika.
Ho an'ny Katolika, ny batemy dia famantarana (Saktramenta) maha-zanak'Andriamanitra. Manomboka eo dia tafiditra anatina ankohonana (communauté) atao hoe Fiangonana ny zaza. Misy dia misy tokoa ny olon-dehibe atao batemy (ireo Katekomena) izany hoe tsy vita batemy tamin'ny fony kely ka rehefa lehibe vao hatao batemy na ireo tsy kristianina manaiky ho kristianina. Ka raha mbola tsy vita batemy izy ireo dia mbola tsy ao anatin'ilay atao hoe ankohonana (Fiangonana)
Zavatra roa tsy azo sarahana izany ireo ho an'ny Katolika dia hoe batemy = mahazanak'Andriamanitra sy maha zanaky ny Fiangonana.

Ny an'ny katolika ihany no zaraiko aloha... araka ilay nolazaiko hoe ny important dia ny mizara fotsiny izay fantatrao momba ny anao... fa tsy ny miteny hoe ny anao no marina ka tokony harahina.
45. ikaretsaka ( 23/02/2005 08:35)
merci hery..
za ko saika hiteny hoe le concept an'ilay batemy sy ny concept maha sakramenta azy ny maha samihafa azy.. fa ny an'ialahy no lasa aloha! :-*
46. sahary ( 24/02/2005 04:01)
Hoy ny soratra masina hoe "aleo ny zaza hanatona ahy fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra" ary ny tohiny dia hoe:ary nametrahany tanana ireny;izany dia tsy milaza velively fa hoe nataony batisa ny zazakely,fa nametrahany tanana fotsiny raha adika dia hoe notsofiny rano;ary raha toa ka nitady izay mahasoa an-janany ny ray aman-dreny naninona i Maria renin'i Jesosy no tsy nitondra azy ,atao batisa,sa ve sanatria ka tsy fantany izay ahasoa an'i Jesosy kanefa ange dia ny fanahy masina izao no nanolo-tsaina azy ireo(Josefa&Maria)ny @ izay tokony hatao @ ilay zaza,ary matoa Jesosy efa lehibe vao natao batisa dia satria tsy natao an'izany izy t@ mbola kely,ary nataony indrindra koa izany ho fampianarana ho antsika.
47. Ramaso ( 24/02/2005 05:02)
sahary> tsy ay mihtsy le concept an'ny katolika ! io satria ny protestant zatra mandika sy manaporofo @ soratra masina voalazan-dralioka sy ry matio sy ry marc sy ry Zan, (jereo le resaka baiboly atsy ambony atsy we samby manan any interpretation ny sy ny nanoratany anazy)
fa ny katolika miampy an le tradition... nodimbiasina t@ apostoly (io le we apostolika).. mety tsy voasoratra ao anaty baiboly.
za mikozy fotsiny fa ze inoanao io ka
48. fijo ( 24/02/2005 23:25)
amiko tsia satria tsy mbola misy zavatra hainy akory izay atao fa mba fomba fotsiny.ary tsy nanana nyy safidiny izy fa noetrena(mitomany) ka ratsy.aleo izy no hisafidy na hatao na tsia.za izao vita batisa nefa tsy misy dikany amiko akory izany ankehitriny.
49. pitchou ( 25/02/2005 19:46)
sahary> enao kosa ary ve handiso ny olona tsy nahafantatra ny fisian'itsy na iroa? misy zao gasy tsy mbola nahita an'izany karaoty d omenao tsiny ve hoe tsy ny zanany matoa tsy nanome karaoty ny zanany nefa ny karaoty feno vitamina A? na hoe tsy mbola nahita borosy nify d we ...? satria @ zao andro iainantsika izao dia mbola misy izany! ary mety ho otran'izany koa ny nahazo an-drazozefa! ary na fantany aza ny fisian'izany, ze rehetra hita v dia atao? otran'ny olona milaza hoe mpivavaka fa raha vao misy olona mandalo mody mitory baiboly aminy d lasa mivadika manaraka an'iny?
fijo> aminao le izy tsy misy dikany fa ho an'ny RAD nao dia zava-dehibe ho azy matoa nataony! afaka adidy t@ drafijo izy fa nitaiza zaza tsy mety hivavaka
50. routa ( 09/03/2005 13:54)
tena tsara zany fanazavanao zany ry sahary mazava tokoa ary tena tsy mivoana @ tenin Atra tokoa :D
51. dadabe ( 10/03/2005 11:34)
ahan !
tena marina mihitsy le voalazan'ny sahary ,ka raha olona mamaky sy mandalina BAIBOLY dia tokony hahafantatra tsara ny lalankalehany fa tsy manaraka be fahatany (hoe fomba fanao hatramin'izay de atao ),na ny mariazy koa ane r'ireto ka tsy hita ao anaty soratra masina (baiboly )ny fombafomba fanao aamin'ireny e,noforonina daholo ireny ,na ny batisan-jaza kou anie aza mbola noforonina taty @476 taorianan'i Kristy t@ andron'ny emperora JUSTINIAN izay nanome fahefana ny Pape ho filohan'ny eglizy rehetra manerantany,de ny eglizy (katolika )no namorona ny batisanjaza,
raha ny tantaran'ny fiangonana anie no jerena dia taty @taona faha 476 taorianan'ny Kristy vao nisy ny eglizy katolika e,fa t@androan'i Kristy dia mbola ny fiangonana hafa no nijoro tamin'izany vanimpotoana izany (ohatra amin'izany :ny fiangonana tao efesosy-pergamosy-smirna ).

noho izany ny "fanaovana batemy na batisa zaza "dia tsy ara-baiboly (soratra masina) fa ara-pomba amampanao katolika izay nolovain'ny protestanta sasantsasany .

:wink: :lol: de ampy a
52. routa ( 13/03/2005 11:12)
ory dadabe a! ianao zany anie ka tena maharaka tantara e! sa satria efa dadabe tokoa tsy adinonao atramin ny daty ve ko ! :D tsara ka.
53. dadabe ( 13/03/2005 14:41)
manaraka tantara @zay tsy voafitaka na fitahina ,ary tsy hamitaka,de mitaona ny olona ho any @lalana marina sy masaka hatramin'izay hehehehe
:D de ampy e (l)
54. xxx ( 13/03/2005 15:06)
tsaragasy:

araka ny hevitrareo izay mahalala tokony atao batemy\batisa ve ny zaza raha mbola kely. Satria mantsy araka ny voalazan'ny baiboly hoe:"mino zay vao atao batisa", nefa ny zaza tsy afaka hino, ary na feno taona aza izy rehefa lehibe zany raha tsy dia feno ny finony tsy tokony ho atao batisa. Miandry nty hevitrareo eh.


Zany batisa zany tsy an'olona fa any Ambony ,fa ny tia tsara ho fantatra ,"zay tsy vita batisa de tsy mahazo miditra ny fanjakany lanitra ,"ary zay no mahatonga zazakely tsy maintsy atao batisa ,ary zazakely ra mbola menavava de masina izy eo anatrehany A/tra satria tsy manatsiny ,sady A/tra ko anie zvt rehetra ,efa programan'A/tra daolo zany
55. dadabe ( 13/03/2005 15:45)
xxx>mba misehoa moa e,aminao inona no atao hoe " batisa"? :D de ampy e
56. tsaragasy ( 18/03/2005 22:52)
misaotra betsaka antsika rehetra nandray anjara.
57. juluka ( 21/03/2005 07:40)
Tsy misy dikany amiko io bateny na batisa io. Ny fanaovana an'io dia tafiditra any amin'ny fanjakan'ny kolo-tsaina vahiny. Aleoko ihany mijanona amin'izao
58. Veloo ( 24/03/2005 15:35)
Jesosy tea amin'ny hazo fijaliana no ala olana amin'ny fanontaninanareo rehetra. Izy no mi-assure ny famonjen-tsika rehetra. Antsika sisa no misafidy raha hanaiky azy sy hanaraka ny fitandremanan'ny didiny. Izy tsy manery ny olona manana safidy malalaka ny olombelona. Tadidinareo ilay jiolam-boto teo akain'ny Jesosy izay nangataka an'ny jesosy mba tadidio aho oy izy rehefa tonga any an-danitra ianao. Dia oy i Jesosy oe zao dia zao dia hiaraka amiko any an-danitra ianao. Tsy vita batisa izy fa ny finoany an'i Jesosy ho zanak'andriamanitra no naha vonjy azy. Izay rehetra nanao ny tsara dia voavonjy na dia tsy nahafanatra an'i Jesosy taloha ary. Ny zazakely rehetra olona tsy mana-tsiny izy ireny ho voavonjy sa tsy voavonjy? ianareo no mamaly azy. Fa kosa izy nahafantatra ny fahamarinana nefa mbola mihizingizina ny tsy hanao batisa sy ny tsy hanaraka ny didin'Andriamanitra dia tsy ho voavonjy mihitsy. Anareo ny mieritreritra, anaraka an'i Jesosy sa hanoy azy? Ny fanahy masina anie hitarika sy hanoro anareo ny marina. Ny famakiana an'i Baiboly no ala olana @ rehetra miaraka amin'ny fangatahana an'ny fanahy masina mba hanoro ny marina.
59. dadabe ( 25/03/2005 07:18)
Veloo>AMEN marina tanteraka =20/20 (l)
60. Veloo ( 25/03/2005 18:14)
Dadabe a melsi aky a. :lol:

Fa ity misy zavatra mba tiko ho lazaina momban'ny zazakely. Ny zaza rehefa kely dia atao dedication. Ny ray-aman-dreny dia mba mangataka an'ny pastera mba hivavaka ho an'ny zaza (ny tanan'ny pastera eo ambon'ny lohan'ilay zaza) mba tsy ho solafatra eo @ ny fiainana tontolo sy mba hanaraka ny fahamarinana foana. Ny zaza tsy mahafanatra izay A Bi Di ny fiainana ka tsy azo atao batisa (ny batisa dia fanekena fa mpanota ny tena) ary immersion izy io (tena rano be) fa tsy tete kely fotsiny ny dikany dia fangatahana fahamelan'ny fahotana rehetra izay natao (olona conscient zany no tokony manao an'io). Ny fidirana ao anatin'ny dia mampiseo fa efa maty ilay tena be fahotana taloha iny...meme sens ny nahafatesan'i jesosy dia avy eo nitsaoka avy ao anatin'ny rano resurrection de Jesus velona madio indray. Nefa itsika dia mbola hanota sy panota fona dia izay no nanaovan'i Jesosy ny Sainte scene Mba ahafan-tsika mangataka famelahana ny fahotana izay ataon-tsika, en plus izany ny fivavahana koa :lol: . Ny essayen'i Jesosy mihitsy izay azony atao mba tsy ho very isika. Isika no indray2 manadino azy, malahelo mafy izy ary marary mihitsy ny fony ka tsy tiany isika mba ho very.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4438