tokony atao batemy\batisa ve ny zazakely menavava

1. tsaragasy ( 20/02/2005 03:41)
araka ny hevitrareo izay mahalala tokony atao batemy\batisa ve ny zaza raha mbola kely. Satria mantsy araka ny voalazan'ny baiboly hoe:"mino zay vao atao batisa", nefa ny zaza tsy afaka hino, ary na feno taona aza izy rehefa lehibe zany raha tsy dia feno ny finony tsy tokony ho atao batisa. Miandry nty hevitrareo eh.
répondu par flmlot92 le 11/11/2012 11:33
2. ikaretsaka ( 20/02/2005 03:54)
raha ny hevitro aloha dia tokony e!

1) raha sanatria ka maty tsy vita batisa izy nefa efa mba nahalala izany jesosy iznay sns ihany dia ahoana?

2) fa raha hijery ao anaty baiboly ihany isika
i cornelius (sa iza moa??) ilay emperora Romanina nampibebahan'i paoly iny dia natao btisa aby ny fianakaviany..
tao koa ny zaza mena vava!

dia ao koa ilay hoe 'zanak'andriamanitra aby na ny mino na tsy mino e'
3. intelligenzia ( 20/02/2005 04:39)
ny batisa amin'ny Rano sy Fanahy dia zary lasa fombafomba fotsiny sisa ankehitriny.

"avelao ny zaza hanatona ahy fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra" - "tsy misy mandray ny fanjakan'ny lanitra raha tsy ateraka indray tahaka ny zaza". izany hoe raha ny fazahoako azy dia efa madio fo amam-panahy ny zaza.

heveriko fa tsara kokoa raha efa mahatsiaro saina vao atao batisa, mba tsy ho kristianina anarany fotsiny kanefa rehefa lehibe manandro sns... hevitro io fa Andriamanitra koa manana ny heviny izay inoako fa tsara indrindra na tsy takatry ny sain'olombelona aza.

ikaretsaka>
1) tsy ny batisa no noforonin'ny amperora romanina fa ny finoana katolika. Jesosy koa dia efa lehibe vao natao batisa. Na izany aza tsy misy afaka mitompo teny fantatra satria tsy fantatra ny hoe nisy zaza menavava (cf. tsaragasy) koa ve tamin'izany andro izany natao batisa?

2) Satana tsy mino (nefa mahafantatra an'Andriamanitra) ary tsy zanak'andriamanitra.

4. Ramaso ( 20/02/2005 05:43)
arakaraky ny finoana io ramose an!
raha inoan'la fa rano sy fanahy io kaga fomba sisa de zay zany fa aza aratsina ny olona mino we tsy fomba io
refa tsy manakorotana ny vidim-bary sy tsy mamono olona izy de milay
5. routa ( 20/02/2005 07:17)
manaona daholo isika
zao an! ny ahy de izao ny tenin Andriamanitra no aoka ho ampiharina fa raha ny amiko tokony tsy hivoana @ io isika jereo JESOSY izy efa lehibe vao natao ary t@ androny ireo apositoly ireo tsy hitako ny zaza natao batisa mba jereo anie ao @ matio e! 28 :18 mampianatra voa manao batisa ary koa ao @ marka 16:15,16 ny zaza tsy mbola nanota izany vao teraka izy inona ny ratsy nataony teo ny miteny aza vao hianarany, fa ny lehibe efa mahay mitsiriritra ny sasany mangalapihinana , ary miteny ratsy sy ny sisa e!lehibe vao atao batisa isika tahaka an i JESOSY sy ny mpianany zaho tsy mino fa nisy zaza nataony ry Paoly batisa nefa izy natao batisa lehibe de izy indray ve no hamadika ny asa tokony ataony . Tsy mino aho fa diniho tsara ny tenin Andriamanitra ny @ zaza indray raha maty mazava anie ny tenin i JESOSY e! avelao ny zaza anatona ahy fa an i toa azy ny fanjakan ny lanitra ny zaza Izany efa mahazo ny fanjakan ny lanitra fa isika no tokony hiverina hanana toetra tahaka ny zaza vao mahazo ny fanjakan ny lanitra
6. dadabe ( 20/02/2005 07:32)
routa>ekena tsy misy fandavana (l)
7. maditra ( 20/02/2005 17:34)
Salut doly!
routa> Ka ny batisa ange tsy nisy tamin'i Jesoa zazakely e! Zah mbola tsy nahaino an'izany resaka Batisa izany ao amin'ny Old Testament! Joany, ahitsio aho raha diso no nanao an'io voalohany ary zokin'i Jesoa 6 mois fotsiny lery io araky ny tantara! Ahoana ny hieritreretinao ny hahavitan'i Jesoa batemy eo nefa mbola tsy nisy akory izany?
Ny Batemy anie, zah moa Katolika dia mety tsy hitovy hevitra amiko ianao dia mahatonga antsika ho zanak'Atra e! Tsy hitako ny olana raha mba atokana ho an'Atra ny zaza na dia mbola kely aza! Fahasoavan ny Batemy fa tsy engagement ka rehefa maventy izy dia azy ny misafidy na hi-confirmer ny zavatra nataony izy na tsia! Izay no mahatong anay manao confirmation izay tsy ho an'ny zazakely intsony!
8. booboo ( 20/02/2005 17:39)
mitovy hevitra tanteraka @ maditra
9. hery ( 20/02/2005 18:42)
Sady ny batisa koa asan'ny Fanahy Masina e. Asa raha tadidinareo i Petera ilay somary nikorontana tamin'ny lohandohan'ny Kristianina sasany satria nanao batisa ny Jentilisa. Dia hoy izy hoe ka ny Fanahy Masina aza efa tonga tao amin'izy ireo kou inona no azoko atao eo? Dia toa izany koa, raha efa tonga ao amin'ireo zaza ireo ny Fanahy dia tsy isika olombelona indray no hisakana azy.
10. Ramaso ( 20/02/2005 18:43)
bravo hery!

11. cutie ( 20/02/2005 23:36)
De ahona reto ny zaza sy ny oul mbola tsy vita batisa?? Tsy hahazo ny fanjakan'ny lanitra ve? :?
12. hery ( 21/02/2005 07:04)
Anisan'ny nahalasa ny saiko hatry ny ela koa io ry cutie. Betsaka ny olona izay tsy mahafantatra na tsy nandre akory ny momba izany Jesoa izany (ny olona talohan'i Jesoa aloha voalohany indrindra) na koa ireo izay tsy nahalala an'Andriamanitra (Trinite) akory... dia aiza no misy azy amin'izao?
Dia hoy aho hoe angamba Andriamanitra no mahalala azy be be kokoa.
13. intelligenzia ( 21/02/2005 07:09)
ka izany anie ry hery no antony nanirahan'i Jesoa ny mpianany hitory ny Vaovao Mahafaly maneran-tany e. Ny Baiboly izao efa saika voadika @ teny rehetra.
14. bichette ( 21/02/2005 10:58)
o ry reto a !raha tena i Jesosy marina no modelintsika ary raha tena zanak'Atra mpankato araky ny heverintsika isika dia raha lehibe Jesosy no natao batisa dia lehibe koa no manao batisa. Fa iza moa isika no manana halalana hanova ny fanaovana batisa ? ny precepten'Atra ? ny conception-ny ? ny fananarana nomeny ? ny prescription-ny ?
Ny zaza atolotra
15. hery ( 21/02/2005 12:27)
ka raha izany dia tokony tsy hisy batisa mihitsy satria tsy i Jesoa no nanao batisa voalohany fa i Jaona... sa manaraka an'i Jaona indray isika? Tsy misy soratra mihitsy hoe nanao batisa i Jesoa... fa niteny izy hoe manaova batisa. Dia tsy nolazainy hoe ny lehibe ihany atao batisa.

Marina tokoa fa efa lehibe i Jesoa vao natao batisa... fa betsaka koa ny zavatra nataon'i Jesoa nony lehibe izy sy ny zavatra tsy nataony nony lehibe izy... dia hanao modely azy tokoa izany isika :-)
16. xxx ( 21/02/2005 12:31)
hery:

ka raha izany dia tokony tsy hisy batisa mihitsy satria tsy i Jesoa no nanao batisa voalohany fa i Jaona...
Tsy misy soratra mihitsy hoe nanao batisa i Jesoa... fa niteny izy hoe manaova batisa
fa nisy niteny angah teo hoe nanao batisa i Jesoa?

:)
17. hery ( 21/02/2005 12:33)
xxx>
bichette:

!raha tena i Jesosy marina no modelintsika ary raha tena
18. xxx ( 21/02/2005 12:36)
satria izy efa lehibe vao natao batisa dia tokony andrasana ho lehibe koa ny zaza vao atao batisa
19. bichette ( 21/02/2005 13:02)
hery > natao batisa e ! i Jesosy lehibe no NATAO batisa :wink:
tsy tena resaka hoe mila andrasana lehibe ny zaza vao atao batisa fa na 10 taona aza izy ka rehefa tena tsapany ny tena dikan'ny batisa ny mahafantatra an'Atra, MINO ary mahatsiaro tena, conscient fa tsy zaza tsy mahalala izay ambonin'ny tany
Ny tena zavadehibe dia hoe fantany ny batisa ampanaovina azy.Manjary lasa fombafomba fotsiny raha tsy fantatra akory ny significatif
20. bichette ( 21/02/2005 13:06)
na firy taona na firy rehefa tena mahalala ny dikany sy NANDRAY ny Tompo tao ampony (izay oa ilay fiteny ?) ary mino fa misy Atra sy mino fa an'Atra Ray Tsitoha nanao ny lanitra sy ny tany sns. ao ampony mihitsy sy vonona ny hatao batisa koa ka izay no mahasarobidy ilay hoe mba efa conscient ilay olona. Sa ahoana ry reto ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2887