PROTESTANT ??????????????????

61. pitchou ( 22/03/2005 19:37)
soa fa tsy misy fiangonana aty mada ao fa any @ drizalahy daholo!
62. sahary ( 23/03/2005 03:56)
ka misy mahakasika antsika mihitsy ao ka,sao dia mitady hanao fialan'ny jiosy eo
63. jentilisa ( 23/03/2005 10:08)
sahary:

azafady fa mety hadinon'ise angamba,fa ireo fiangonana fito ao @ apokalipsy ireo dia tena milaza ny fiangonana izay misy @ zao fotoana izao,raha sitrak'ise dia mba avereno halalinina ny daty,ny fotoana,ny zava-nitranga t@ ireo vanim-potoana ireo fa misy daty ara-paminaniana mazava tsara ao.Ary ny tantara misy antsika izao dia eo @lay fiangonana fahafito (laodikia)io ny fiangonana farany ,tsy hisy intsony ankoatr'io intsony.
MISAOTRA


Isaky ny mitory io ny fiangonana rehetra dia mihevitra avokoa fa eo amin'ny Laodikia hatrany no misy azy rehefa heverina fa manaraka tantara ny apokalypsy. Mijere ange ny voalohan'ny pejy "Ny Mpamangy" mivoaka isam-bolana ao amin'ny TPFLM e! Raha nitory io voalohany i Lotera dia nihevitra koa izy tamin'izany fa eo amin'ny Laodikia no nisy azy.
:-D Izao ka izany koa no lazain'ilay mpaminany ho prezida amin'ny 2013 iny. Dia toy izany hatrany. Aty aoriana anefa ny tamin'ny andron'ny Lotera dia lazaina fa Sardisy. Efa maherin'ny folo taona no nandinihako io Apokalypsy io fa miharesy lahatra hatrany aho ny tsy maha- ara-tantara ny lazaina fa " faminaniana" ao. Efa mandinika na dia ny teny fototra grika aza aho izao fa tandremo!

Dia miverina hatrany aho hoe fahafantarana ny fomba fanompoana an'Andriamanitra any ampiangonana io boky io. Alohan'ny hamakiana azy dia fantaro hoe inona avy ny fanaka tao amin'ny tabernakla fa omeko sopapa kely ianareo:
Eo amin'ny fanombohan'ny boky dia hevero ho ao amin'ny efitra masina ao amin'ny tabernakla i Jaona(Johany) ary mitodika eo amin'ny mofo aseho izy. Io mofo aseho io no manambara ny tenin'Andriamanitra. Dia nisy feo tao aoriany hoy ny voasoratra, dia nahita inona izy hoy ianareo? io ilay jiro fito mifanatrika amin'ny mofo aseho ao amin'ny efitra masina. Io jiro fito io dia milaza ny fiangonana ary eo afovoany misy toy ny Zanak'Olona hoy ny voasoratra izay milaza ny hoe raha misy roa na telo mivory amin'ny anarako dia anjaranareo ny manohy azy... Inona no dikan'izany?
Aza variana na mieritreritra hoe rehefa mahay ny Soratra Masina dia ampy izay! Tsy maintsy mitodika amin'ny fiangonana ihany koa hanambara ny teny. Ny Fiangonana no fototry ny fitoriana, ao no itoriana ny Teny mety indrindra fa tsy eny an-dalam-be na any amin'ny Televiziona ohatra. Anjaranareo ny mieritreritra na mamaly satria mahasoa ihany koa ny hevitrareo mba tsy hitenitenenana foana indraindray
64. Mifenty ( 23/03/2005 10:18)
fa ny katolika romana koa aoka tsy ho adino fa protestant


Le katolika resahina io de le katolika voalohany fa aoka hazava.


donc protestant avokoa na katolika romana na katolika advantista na katolika fjkm ka katolika loterana na katolika anglikana ka katolika innn.

Ary aza miseho milay fa samy protestà doly iany.
65. sonwin ( 23/03/2005 10:18)
otsaotsan'izay mitsy no fandinika io Baiboly io ka, fa tsy raisina ambolony araka izay voavakin'ny maso
66. pitchou ( 23/03/2005 19:13)
sahary> tsy misy resaka an'i mada ao! fa ny any @drizalahy daholo! sa aiza ho aiza nomisy resaka hoe ny fiangonana ao ambohipotsy, ny fiangonana avaratr'andohalo, ny eglizy etsy isotry?
67. sahary ( 24/03/2005 03:57)
pitchou/f'angaha kosa moa de en detail be hoatr'izany ,fa en général hi hi hi hi
mifenty/ny atao hoe"katolika"dia hoe maneran-tany;ary le katolika ilay notoherina tery @ voalohany dia tsy inn fa ny katolika tany roma;i.e le katolika @ izao fotoana izao ihany satria mbola rantsan'ilay any roma avokoa ireo katolika mitondra ny anarana hoe ECAR na adika hoe EGLISE CATHOLIQUE ROMAINE
jentilisa/tsy izay miteny koa hoe izy le laodikia de izay tokoa fa fiainana izany ,isika mantsy raha handinika soratra masina de mahay fa raha hiainana kosa le izy de zero
68. dadabe ( 24/03/2005 09:45)
sahary>hhmmm 20/20 :wink: marina
69. jentilisa ( 24/03/2005 14:07)
sahary:

ary le katolika ilay notoherina tery @ voalohany dia tsy inn fa ny katolika tany roma;i.e le katolika @ izao fotoana izao ihany satria mbola rantsan'ilay any roma avokoa ireo katolika mitondra ny anarana hoe ECAR na adika hoe EGLISE CATHOLIQUE ROMAINE

Aza mihevitra fa ianareo ihany no katolika. Fa ny teny hoe katolika dia avy fivakisany tamin'ny ôrtôdôksa. Izay tsy ôrtôdôksa @ ankapobeny dia azo lazaina hoe katolika. Samy feno manerantany na katolika na protestanta.
quote=sahary]
jentilisa/tsy izay miteny koa hoe izy le laodikia de izay tokoa fa fiainana izany ,isika mantsy raha handinika soratra masina de mahay fa raha hiainana kosa le izy de zero
[/quote]
Hoy ny fitenenana hoe Aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Tsy nitsara anao aho hoe tsy mba manana fiainana kristiana ianao ka aza tsaraina fa tsy manana fiainana kristiana aho. Sady ilay zerô dia tena ahafahana mitsara ny fomba fitsaranao mihitsy. Ahatsiarovana ny fanahy efesosy toa manandratra ny tenany ho marina kanjo izy indrindra no potraka.

70. jentilisa ( 24/03/2005 14:09)
sahary:

ary le katolika ilay notoherina tery @ voalohany dia tsy inn fa ny katolika tany roma;i.e le katolika @ izao fotoana izao ihany satria mbola rantsan'ilay any roma avokoa ireo katolika mitondra ny anarana hoe ECAR na adika hoe EGLISE CATHOLIQUE ROMAINE

Aza mihevitra fa ianareo ihany no katolika. Fa ny teny hoe katolika dia avy fivakisany tamin'ny ôrtôdôksa. Izay tsy ôrtôdôksa @ ankapobeny dia azo lazaina hoe katolika. Samy feno manerantany na katolika na protestanta.
quote=sahary]
jentilisa/tsy izay miteny koa hoe izy le laodikia de izay tokoa fa fiainana izany ,isika mantsy raha handinika soratra masina de mahay fa raha hiainana kosa le izy de zero
[/quote]
Hoy ny fitenenana hoe Aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Tsy nitsara anao aho hoe tsy mba manana fiainana kristiana ianao ka aza tsaraina fa tsy manana fiainana kristiana aho. Sady ilay zerô dia tena ahafahana mitsara ny fomba fitsaranao mihitsy. Ahatsiarovana ny fanahy efesosy toa manandratra ny tenany ho marina kanjo izy indrindra no potraka.

71. sahary ( 25/03/2005 03:53)
jentilisa
amiko de olona iray ihany no afaka nanaraka ny soratra masina 100%,ary raha omena naoty ny azy dia 20/20,tsy iza io fa jesosy,ary raha oharina aminy ny mba fiainako ny soratra masina dia mahazo naoty 0/20,izany hoe tsy marina aho ,izay no tsy isalasalako manome naoty zéro sa rangaha afaka milaza fa marina,ary tokony ahazo naoty 15na18na20/20 mitaha aminy.Ary raha lazain'ise fa mitsara aho dia tsy maninona fa ny soratra masina koa izany no mitsara miaraka amiko satria voalaza fa tsy misy marina na dia iray aza raha tsy hoe ianao milaza io angamba
72. jentilisa ( 25/03/2005 05:48)
Raha ianao no mpampianatra dia 0/20 avokoa ny naotin'ny ankizy.Dia tsy misy mifindra kilasy na dia ny iray aza. Amiko tsinona ny 0/20 dia midika hoe tena manohitra mihitsy ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy anananao ireto toetra ireto dia tsy maninona ionony ny 0/20-nao. Manam-pinoana ve ianao Fa Jesoa no manamarina anao amin'ny alalan'ny finoanao? Jesoa no mitsara ahy fa tsy ny Soratra Masina. Raha ny Soratra Masina dia tsy mahazo salan'isa tsy ahafahana tokoa aho( fa tsy zero kosa aloha na dia izany aza) Fa ny asam-pahasoavana natao amiko no inoako fa mahatonga ahy hanana salan'isa ahafahana. Izaho noho ny fitaizana sy ny famolavolana ahy dia efa be (mba tsy hilazana hoe izy rehetra) no ananako amin'ireo toetra lazaina fa vokatry ny Fanahy ao amin'ny Galatiana toko fahadimy andininy faha-22 sy ny tohiny ao. Raha tsy misy anananao ireo dia ekeko ny tsy ahazoanao na dia isa iray monja aza.
73. dadabe ( 25/03/2005 07:10)
jentilisa>hoy ianao hoe :"..Jesoa no mitsara ahy fa tsy ny soratra masina..." ka Izy anie Ilay teny tonga nofo e,raha Jesoa no ekenao ho mitsara anao de mazava ho azy fa ny soratra masina izany no mitsara anao .
efa manomboka mahazo mampiasa versee amin'izay izany ????????? :D merci
74. sonwin ( 25/03/2005 11:31)
..hay ve ato misy adi-hevitra milay be e...
75. jentilisa ( 25/03/2005 15:19)
dadabe:

ka Izy anie Ilay teny tonga nofo e,raha Jesoa no ekenao ho mitsara anao de mazava ho azy fa ny soratra masina izany no mitsara anao .

Moa ary ve isika mahalala ny fomba itsarany antsika? Hoy koa ny voasoratra hoe ny soratra mahafaty fa ny Fanahy mahavelona. Jesoa dia ilay Teny tonga nofo fa tsy ilay soratra mahafaty. Be ny olona no mahay mihaino teny fa tsy mahay mamaky teny kosa. Ny teny manidina hoy ny fomba fiteny izay fa ny soratra mahafaty. Ny soratra dia tsy miova raha tsy hoe kosehina angaha fa ny teny kosa no fanehoana ny ao anatin'izay miteny. Ny tena ahalalana ny tenin'Andriamanitra izany dia izay namabaran'i Jesoa fony Izy tety an-tany. Aiza no ahitana izany? Ao amin'ny Filazantsara (Evanjely) efatra aloha voalohany indrindra. Dia ao amin'ny Epistily nosoratan'ny Apostoly ihany koa satria ny Apostoly dia fantatsika fa feno ny Fanahy masina tamin'ny andro Pentekosta. Ireo aloha no tena siora fa manana ny Fanahin'Andriamanitra. Koa ahoana ny teny nataon'i Jesoa momba ahy, momba anao, momba antsika rehetra? Niteny ve izy hoe raha tsy mahazo 20/20 ianareo dia tsy ho voavonjy? Ny fantatro dia hoe Tian'Andriamanitra loatra izao tontolo izao ka natolony hatramin'ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana (fahasambarana) mandrakizay [ Dieu a tant aimé le monde]. Fa ahoana ilay mino Azy? Manaiky fa marina izay ambarany ao @ Filazantsara ihany fa tsy any amin'ny toeran-kafa ary raha manatanteraka iny aho dia izay no lalam-pamonjena ho ahy. Raha ny Soratra dia olona no nanoratra fa raha niteny dia Andriamanitra no niteny t@ alalan'ny Zanany tao @ Evanjely.

Ho an'izay mino dia Jesoa no mitsara ary Izy dia mitsara amin'ny alalan'ny finoako ka manamarina ahy raha mitoetra ao amin'ny teniny aho. Fa ho an'izay tsy mino kosa dia ny Soratra no miapanga ny tsy finoany. Nefa hoy ny Soratra: tsy misy marina na dia iray aza. Tsy misy tokony ho voavonjy na dia iray aza fa eo amin'izay hoe tsy misy voavonjy izay no miditra ilay famonjen'i Jesoa. Asa raha azontsika na tsia?

76. dadabe ( 26/03/2005 05:03)
jentilisa>tsy tokony hatao jentilisa intsony ny anaran'ise fa efa tokony hiova hoe.."Jiosy.."marina ary ekena tanteraka ny fanazavan'ise fa ampioako kely,amin'ise ve izabny de tsy ilaina intsony ny tesatamenta taloha? :wink: satria nahoana?
77. jentilisa ( 26/03/2005 10:45)
Ilaina ny testamenta taloha (voalohany)fa ny fomba handraisana azy no olana ho an'ny maro. Tamin'ny voalohany dia ny soratry ny Apostoly sy ny Fampianarany rehefa mitety na mitondra fiangonana no nahafantaran'ny mpino ny hafatra sy ny fampianaran'i Jesoa. Taorian'izay dia liana tamin'ny tantaran'i Jesoa tety an-tany ny maro ary dia nisy tokoa ny nanoratra saingy 4 ihany no noraisina satria ireo no nifanaraka tamin'ny finoana nijoroana. Dia henon'ny maro fa ny nataon'i Jesoa no fahatanterahan'ny lalàna. Aiza ary no hahitana izany lalàna izany? Any amin'ny testamenta voalohany!

Teo amin'ny finoana jiosy dia nalaza koa ny fiandrasana ny mesia ( ny sarambambem-bahoaka io). Dia ny kristiana no nilaza fa i Jesoa io mesia io. Ahoana no hanaporofoana izany? Raha tsy mandray ny andini-tSoratra ao amin'ny testamenta voalohany tsy mety e!Amin'ny ankapobeny izany dia natao ho fanazavana ny testamenta vaovao ny testamenta voalohany amin'ny fiangonana apostolika (ireo fiangonana manambara ny fanekem-pinoana ao anatin'ny fombam-pivavahany isaky ny alahady)

Amin'ny testamenta voalohany izaho jentilisa tsy mba nomena ny teny fampanantenana satria araka ny fahalalako dia tsy taranaky Jakoba (Israely) fa noho ny tsy finoana teo amin'ny maro tamin'ny jiosy dia efa nitodika tamiko jentilisa ny Filantsara. Koa dia lasa mpandova ny teny noho ny finoana aho (Andriamanitra mahay manangana zanaka avy amin'ireto vato ireto)!
78. yonikafopl ( 26/03/2005 14:30)
humm milay be le resaka ato
79. dadabe ( 26/03/2005 14:58)
jentilisa>ny solon'anaran'ise hoa ovay amizay ataovy hoe jiosy fa aza atao jentilisa intsony satria efa niova b ise ,ary marina ireo voalaza ireo,dakor lesy aho a.
Fa saingy mbola ao ve ise aloha e?ny tsy azoko kely fotsiny de ty (hevitra no ampiadiana)izany hevitr'ise izany de tena protestanta b ,nefa ise ohatrany manao resaka katolika(hevitra hoa no miresaka a).zao mantsy raha vao mikitika testamenta taloha dia misy namako katolika sasany tonga de miakatra fa hoe tsy ilaina intsony izany ,any @testamenta taloha (voalohany )mantsy no misy an'ilay soratra hoe "aza manao sarinjavatra voasikotra ho anao..."nefa ny katolika dia manao sary ets ets de ahoanany hevitr'ise @zany hevitry ny protestanta izany :wink:
80. jentilisa ( 26/03/2005 17:29)
Aza manao sarinjavatra voasokitra dia midika hoe aza manaonao ny endrik'Andriamanitra izay tsy fantatrao akory satria tsy mbola hitanao. Fanompana an'Andriamanitra raha sary tsy araka ny endriny ny ataonao. Izao anefa/ raha nidina tety an-tany Kristy dia Izy no ilay Endrik'Andriamanitra tsy hita maso teo aloha. Efa niseho izany ilay endrik'Andriamanitra fa tsy misitery intsony. Fa amin'izao fotoana izao sary maninona hatrany moa no hitanao amin'ny sary vongana katolika? (protestanta aho an!) sary mivavaka anie. Tandindon'ilay fiaraha-mivavaka amin'ilay olona tsarovana iny. Fa tsarovy fa na dia sary tsotra aza dia fady taloha. inona no hita any @ fiangonana katolika? Sarin'ny tantaram-piainan'i Jesoa iny.

Raha iny sary iny aloha no ivavahanao dia diso ianao e! fa raha ao anoloan'iny sary iny no entinao mivavaka amin'Andriamanitra dia fomba entina mivavaka iny. Ny bodista ohatra tsy mivavaka amin'i Bodà izany saingy miondrika eo anatrehan'ny sarivongany kosa. Mba raisina amin'ny ohatr'izay koa e! ohatran'ny katolika be ve izaho?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3741