PROTESTANT ??????????????????

21. Narilala ( 15/02/2005 09:25)
Ny tenin'ny Soratra masina no narahin'ny Fiangonana hatr@ izay. fa mahagaga rehefa nisy ny fisarahan'ny Fiangonana t@ andron'i Lotera dia najary tsy nadaitra intsony ho azy ireo ilay voalazan'i Kristy hoe: " Ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana". fahefana nomen'i Kristy ny Apostoly io ary dia nampitain'ny Apostoly t@ ireo dimbiny rehetra taty aoriana t@ alalan'ny fametrahan-tanana.
Aoka hazava fa ny fandoavam-bola ange no tena nokianin'iganhy Lotera fa tsy ny famelan-keloka akory e. Satria i Lotera dia Mompera Katolika fa nipitsika, ka na izy koa aza efa nampikonfesy.
Ary hoy ny pretra rehefa mamela fahotana: " ary izaho mamela ny fahotanao, amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina". jereo fa tsy misy mihitsy ao hoe @ anaran'ny mompera. Resaka fahefana io, ary mino sy mankatò izany ny Katolika rehetra eran-tany izay maro lavitra noho ny protestant. Ary aoka ho fantatra ihany koa fa tsy ny katolika ihany anie no mikonfesy fa ao koa ohatra ny ortodoksa, ny Angikana ( ny angikana any Dago no tsy haiko satria toa misy karazany koa izy io). Ka dia ny protestant sy ny mitovitovy aminy ve no tena mpanaraka ny soratra masina? tena mpanohitra marina ange raha izany e, ary tsy iza no toherina fa i Kristy izay nanome ny Fahefana; satria Izy no lohan'ny Fiangonana ary nanome fahefana ny Apostoly sy ny dimbiny hitondra sy hiahy ny Fiangonany.
Misaotra
22. pitchou ( 15/02/2005 10:23)
lasa lavitra i Narilala izany an! raha enao no atao hoe kritsy d tena mpanohatra aho! ary ny sahala @ zany no nahatonga ny olona hivadika finoana! mbola hilaza aza enao hoe le sarivato no atao hoe andriamanitra sns fa ataovy ihany!
Rehefa tsy sitraky ny olona ny fanindraindrana ny mompera ho mitovy laharana @ apostoly d azy izany! mino aho fa ny apostoly tsy mpihatsaravelatsihy ohtran'ny mompera sasany ka eo @ alitara no manao voady @ Andriamanitra fa tsy hiray @ vhv nefa firifiry no tsy virja (otran'ilay namana iray izay)intsony rehefa avy nanao ny voadiny! isan'ny zavatra azo toherina izany satria sady fahateren-tsaina no famitahana ny olona!
azo lazaina ihany koa ny fanakanana ny olona tsy hamaky baiboly na hanao fikarohana momba ny fivavahana ho antony iray nahatonga ny fanoherana t@ fotoan'androny! raha tsy nisy ny mpanohitra sahala @ dry Lotera tsy ho nahazo namaky baiboly ny hafa, ao anatin'izany enao io, fa dia chasse gardée ho azy ny fanjakan'ny lanitra!
farany: aza adino fa tsy natao ho an'ny mompera sy ny sahala @zany ihany ny famelan-keloka fa natao ho an'ny olona rehetra! izay nanao ratsy taminao ka avelanao heloka dia ho voarakitra qq part hoe navelanao heloka iny! Fa raha tsy izany d tsy misy antony ivavahana satria ho maizin'ny lolom-po daholo nareo menakavy!
ary d mahazo mi-protest @zay enao rehefa izay!
23. Andriambelo ( 15/02/2005 11:22)
Misy ventiny ny tenin'i Narilala na dia entin-katezerana aza indraindray.
" ...Ka dia ny protestant sy ny mitovitovy aminy ve no tena mpanaraka ny soratra masina? tena mpanohitra marina ange raha izany e, ary tsy iza no toherina fa i Kristy izay nanome ny Fahefana;..."
Izaho aloha ry Narilala na protestanta aza dia tsy mbola niteny hoe tsy manaraka ny soratra masina ny Katolika.
Manaraka izany tsy ny vola ihany (marché des indulgences) no notoherin'i Lotera. Fa fahasoavana avy amin'Andriamanitra ny famonjena (Le salut par la grâce de Dieu). Io no ambaindain'ny fampianaran'i Lotera (c'est le socle de la doctrine Lutherienne).
Mikasika ny konfesy : zava-masina io ka tsy azo vazivazina.Ankoatry ny adihevitra hoe mahavela heloka ve ny mikonfesy sy ny fanononana ny Masin'i Maria, ny zava-dehibe amiko dia ny mizara sy ny mamboraka izay manavesatra anao amin'ny ray aman-dreny am-panahy (se confier plutôt que confesser).
Farany, na tsy ho tanteraka vetivety aza ny fampiraisam-pinona, izaho mino fa afaka miara-miaina tsara ny katolika sy ny protestanta.
24. booboo ( 15/02/2005 11:28)
pitchou>ny politikan'ny mpitondra fivavahana eo @ sehatra mahakasika ny finoana no noteheriny fa révô miditra gauchiste izany dé ny mpanjaka sy ny fomba fitondrany ny fanjakana no cible.
25. pitchou ( 15/02/2005 17:54)
booboo> ko raha te-hivavaka @ momperany sy hiankohoka eo aminy izy problemany izany! fa tsy izany no entina hitsarana hoe "ny protestanta sy ny mitovy ..." beurkkkk!
izany le hoe tsy mahasahy mandrona ny ordre établi na hita izao aza fa tsy mety! d manome tsiny ny mahasahy milaza ny tsy mety teo @ fivavahana! ko raha izany maninona no tsy mivadika nationalité firenena zanak'Andriamanitra araka ny voasoratra ao anaty baiboly koa?
26. sahary ( 16/02/2005 04:02)
Protestant=mpanohitra(tsy inona no toheriny fa ny tsy fanarahana ny fahamarinana voalazan'ny soratra masina fa tsy sanatria akory ilay anaram-piangonana hoe katolika);fa ny zavatra mampalahelo dia izao,toa ohatry ny matimaty fotsiny(natao maritiora)@izao ireo mpanavao fivavahana taloha ireo satria efa manomboka miara-zotra ankehitriny ny katolika sy ny protestant(miara-manao fanompoam-pivavahana)izay zavatra tena nialan-ndry lotera mihitsy fahiny na dia notambazana toerana ambony aza izy.Fa ny protestanta sasany aloha efa manomboka manova ny anarany eh!oh:ny FJKM
"fanehoan-kevitra no atao fa tsy sanatria fampiadiana akory ka dia miala tsiny mialoha ho an'ireo izay tohina ny ambom-pony"
27. Ramaso ( 16/02/2005 05:03)
tsy mazava amiko hoe ahoana marina amin'i sahary ilay "fahamarinana" voalazan'ny soratra masina!
rehefa we misy tsy mety ao dia misaraha?
28. pitchou ( 16/02/2005 18:54)
sahary> izany kosa milaza fa mivoatra ny toe-tsain'ny zanak'olombelona! nanao protestation satria nahita zavatra tsy nety angamba ny protestant! dia samy andini-tena teny d samy nanatsara ny fomba fivavahany dia mazava ho azy fa raha Andriamanitra iray no ivavahana dia mety hihaona ihany, ary tsy voatery ho any an-danitra vao hihaona fa mety kokoa raha ety an-tany d efa atomboka!
otran'ny te-hanamarika kely fotsiny aho we eto mada no misy an'io firehana @ firaisam-pinoana sy fifanatonana io fa ny ankamaroan'ny an'ivelany dia mbola heverin'ny katolika ho isan'ny fahotana mahafaty (mahavery any @ afobe) ny fidirana fiangonana kristiana fa tsy katolika!
29. Ramaso ( 16/02/2005 19:50)
tsy ny katolika ihany ny manao an'io fa misy fiagonana hafa koa milaza hoe tsy kristioanina ny katolika
30. Fithy ( 16/02/2005 19:56)
raha ny fahitako ny mpandray anjara eto @ ity Lohahevitra"Fivavahana ,Finoana" ity dia toa Kristianina daholo ny ankamaroany, nefa toa isaky ny misy Lohateny mandeha eto dia tsy mantsy ahitana fifanenjehana sy fifankahalana foana mazàna. Indraindray na tsy tokony hidiran'ny resaka toy izany aza dia taritina ho any foana ny resaka. Toa tsy mba mahita afatsy ny hiady sy hitsikera ny hafa mihitsy ny sasany. Nefa izany Kristianina izany ange ka mpanota e, na mpitondra fivavahana izy na kristianina tsatra dia tsy misy tongalafatra fa mpanota avokoa. Ka maninona no dia mifanenjika etsy, mifampitifitra eroa. Raha tena kristianina dia ataovy izay hiraisana fa aza ilaozana mifanipaka an-karona toy ny valala eo. Tsy andron'ny fifanenjehana intsony izao fa samy mpanota na iza na iza saingy kosa izay maha mpanota anao izay no ento eo anatrehan'Andriamanitra , fa natao ho antsika mpanota Izy. Toe-tsaina efa lany andro be izany hoe ny protestant toy izao, ny Katolika sahala @ izao. Hadalan'ny Fiangonana angaha ny mikaroka sy mivavaka isan'andro mba hisian'ny Firaisana sy ny Fiombonana.
31. sahary ( 17/02/2005 03:57)
Iray ny finoana = tsy tokony hisy karazam-pinoana isan-karazany oh:protestant,katolika,temoin...sns
Iray ny batisa = misy karazana batisa arakarak'ilay fiangonana(batisa zazakely,olon-dehibe,hametrahan-tanana,atsoboka anaty rano...sns
Iray Atra = misy ny Atra Boudha,silamo,hindou,zanahary...sns
Mazava ny voalazan'ny soratra masina nefa dia mahagaga fa betsaka no mandika izany araka izay mahafinaritra azy.
Fithy///ny zavatra tena mampalahelo dia ny Xana no finoana be fizarazarana indrindra,misy hatrany @2000 any no karazany,inona no antony ;satria samy mandroritra izay tiany ho rirotina @soratra masina isika dia lasa tsy tazana intsony ilay tompo mpamonjy antsika .
32. booboo ( 17/02/2005 10:34)
ka zay lé olombelona
33. Ramaso ( 17/02/2005 14:14)
Samihafa ho'zy nareo ny Jehova sy ny zanahary!

fa ahoana tokoa ary rehefa hirampirenena .. efa kristianina ny gasy an.. fa mbola we "tahionao ry zanahary" sy "zanahary o tahio" no natao fa tsy hoe tahionao ry jehova !

Dia ny hira prot sy katolika koa misy hoe .. "Misaora an'i Zanahary"

"Zanahary tomponay"

34. moi ( 17/02/2005 15:19)
pitchou > Za indray mpino fidiny ho ahy ka !
Ary izay no mba hanazavako eto hoe mba fantaro koa ireny fivavahana hafa ireny.
Ny fisainako mantsy nanao hoe Fivavahana be dia be ireo, koa nahoana aho no hanaiky fotsiny nandova ny fivavahana nisy ny RAD?
Dia nitady aho, ary tsy hoe voatetiko daholo akory ny antokom-pivavahana rehetra no tanteraka ilay teny hoe "Izay mitady an'i Jehovah dia hahita Azy"
Ary rehefa hitako Izy dia mazava amiko fa tsy katolika Izy, tsy protestant, tsy secte. Isika ety no mifanavakavaka amin'izany, fa Andriamanitra te hamonjy ny olona rehetra.
Fa raha hiverenana ny tena lohahevitra dia ny voalazan'i Andriambelo tamin'ny 15fev io no tena zava-nisy tamin'izany fotoana, ka nampisy ny fisarahana. Mba hivereno vakiana azafady !
35. pitchou ( 17/02/2005 18:42)
moi> zà ve nahalala kou! ouzenao hoe "tsy fidiny ho anao ny maha ..." anao!
zà alou ze adin'ny tany aloha tany d anazy e! fa soa fa nisy an'izay nampivoatra ny fivavahana! ny ahy d zavatra hafa no iadivako, ary nu voalohany @ zany d ny fampitahana fivavahana! aleo samy manao ny sekezem ny fa rehefa le Andriamanitra inoany no ivavahany dia ampy izay
36. ikaretsaka ( 17/02/2005 20:51)
zay ndrindra manko
37. pitchou ( 18/02/2005 19:45)
ny inn no zay indrindra ry karetsaka?
38. ikaretsaka ( 19/02/2005 00:05)
pitchou:

aleo samy manao ny sekezem ny fa rehefa le Andriamanitra inoany no ivavahany dia ampy izay

marina io!
MIsy ny baiboly fotsiny ..
misy ny baiboly +ny tradition tany aloha tany
misy ny baiboly - ny traditions sy izay andalana tsy mifadraika @ revinao!
misy ny Coran
Torah...
misy ny tsy misy mihitsy fa mino fotsiny hoe misy an zany andriamanitra izany hono e ( gasy ntaolo)
izy aby zany

39. intelligenzia ( 19/02/2005 00:58)
sahary:

Fa inona no antony nahatonga ny anarana hoe protestant ?
satria izy nanohitra ny corruption. misy an'ilay fitenenana izay hoe "lozanareo fa tazominareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra! ianareo tsy miditra ary izay te hiditra tsy avelanareo"


40. sahary ( 22/02/2005 03:59)
ny ahy zao no mba eritreritro mba ahafahana miala @ity fisaraham-bazana lava ity ,dia asiana forum iray lehibe hanasana ireo mpitarika ara-pivavahana isan-karazany oh:katolika,protestanta,adventista,temoin,anglikana,batista,jesosy mamonjy,apokalipsy...sns ka eo no andinihana ny fahasamihafana misy eo @ samy mpino,ary handinihana izany araka ny soratra masina ka hampietrena ny ambom-po maha-olombelona ka rehefa hita fa araka ny soratra masina dia raisina raha tsia kosa dia lavina avy hatrany ka atao eo ambany fitarihan'ny fanahy masina izany fotoana izany ary omba-vavaka mafana.Fa raha izay no tanteraka dia ho iray ihany ny mpino kristiana.Amen ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2609