PROTESTANT ??????????????????

1. sahary ( 10/02/2005 04:15)
Fa inona no antony nahatonga ny anarana hoe protestant ?
novalian'i sahary ny 13/04/2005 04:18
2. naritsimba ( 10/02/2005 06:50)
Misy Boky izay azonao jerena eny @ Librairie mitondra ny anarana hoe: Inona no maha Protestan ny Protestant dia ho voavaly ho azy io fanontaniana tianao ho fantatra io.
3. moi ( 10/02/2005 09:23)
Ny katolika no taloha, dia nisy olona nanohitra ny fombafomba maro tao am-piangonana, satria nahatsapa fa manomboka tsy mifanaraka amin'ny baiboly intsony hono ny zavatra sasany niainan'ny fiangonana tamin'izany.
Dia niala tao amin'ny katolika ry zareo, dia rehefa tsy nanaraka ny katolika dia natao hoe Protestant.

Dia ny protestant indray mbola nizara ihany koa ... mandrakitiany androany...
4. booboo ( 10/02/2005 13:02)
niala tao @ katolika romana
5. ikaretsaka ( 10/02/2005 15:03)
asa ko raha fantatrareo fa izao mo debebe
zanampiangonana ao anatin'ny protestant
dia tsy eken'ny olona intsony hono le heo rehefa tsy katolika de protestant fa hoe
"lany andro hono"

satria mifangaro ao aby ny loterianina fjkm(any amintsika ) sns...

dia misy eritreritra any heo maninona raha specifiena mihitsy hoe loteranina, calvinistra, batistra, metodistra!
6. atmos ( 10/02/2005 17:06)
ni-protester ny fomba fiasa sy ny fomba fivavahana i calvin sy lotera.
7. sahary ( 11/02/2005 04:04)
dia raha izany fijery rehetra izany no zohina dia izao,ny protestant izany azo avy @ fanoheran'ireo mpanavao fivavahana teo aloha (Calvin,Luther,W.Miller,Jean Wiclef,Zwingli ...)satria itan'izy ireo fa tsy nanaraka ny soratra masina ny katolika,ka raha izany efa tokony hovana io anarana hoe protestant io satria efa mira-zotra indray izao ny katolika sy ny protstant,i.e efa tsy ni-protesté intsony izy
8. ikaretsaka ( 11/02/2005 04:15)
izay manko.. tokony atao hoe calviniste, loteranina ( iny efa misy) , miller (light), Wiclefista, sns....

fa zao manko de hoe rehefa tsy katolika de protestant
9. fijo ( 11/02/2005 05:17)
ka na mitovy fotopisainana aza samy te hitazona ny fototra hijoroany dia io mbola mizara io.
izay anie wa le kristianina e.nyrtesaka hafa ny atao mifanohitra amin'izay
10. Miravaka ( 11/02/2005 13:08)
protestatisme azo avy @ teny frantsay we protester zany we @ teny gasy mpanohatra. Niala t@ fivavahana catholique.Asakasak\'izay hiangona any @ mpanohitra alouh e! :-D
11. atmos ( 11/02/2005 17:06)
Tsy haiko na mahay ny tantara ianareo fa tsy ny soratra masina mihitsy no tsy nifanarahan'izy ireo fa ny fombafomba fitondrana sy ny fotom-pinoana. Samy mino an'Andriamanitra, samy mino an'i Jesoa fa ny fomba finoana no tsy mitovy ny làlana.

Amiko indray, tsy ny hoe katolika na protestanta no zava-dehibe fa ny finoana ao am-pon'ny tsirairay. Tsy ny maha-katolika na ny maha-protestanta anao akory no hamonjena anao, fa ny finoana ao am-ponao ao.
12. pitchou ( 11/02/2005 20:53)
misy maromaro ihany no nanaovan-drizareo revendication ka!
fa maninn tokou no atao we protestant fa tsy revendicant e? na gauchiste ohatra?
13. ikaretsaka ( 11/02/2005 21:05)
za ko ry pitchou de efa nanontany ny momban'
io fa tsy nahazo valiny hatr@ izao
14. moi ( 14/02/2005 08:26)
Tsy ny anarana hoe protestant na katolika no zava-dehibe, fa ianao mino no antoky ny famonjenao.

Ary ianao mahafantatra ny maha katolika anao sy maha protestanta anao no tsara, fa tsy hoe mpandova finoana avy amin'ny ray aman-dreny fotsiny.

Fa tsy fidiny ho ahy ny maha katolika, na protestant ahy ka tsy hireharehako izany, ary aza misy omena tsiny na ny andaniny na ny ankilany.
15. booboo ( 14/02/2005 12:21)
protestant satria nanomboka t@ ilay liste lava be nataon'i Luter teo @ varavaram-pg sy ny " nandroahana " azy tsy ho isan'ny Eglise dé nofaritana ho " nanohitra " ny Eglise izy. Izay no tsy niantsoana ho revendiquant na gauchiste azy ny tariny. raha gauchiste ndray dé " contre " ny royaué ndray.
16. pitchou ( 14/02/2005 18:16)
booboo> hay zany opposition ry zareo!!!! ka manaraka ny roi ange ny rang n'ny mpitondra fuvavahana t@zany e! d maninn raha natao gauchiste aza!

moi> mpino tsy fidiny zany ve toi? gravy be izany an! satria safidy ny finoana fa tsy areti-mifindra
17. sahary ( 15/02/2005 03:59)
sady ny ankamaroan'ny mpino @ izao fotoana izao rehefa anontaniana hoe inona no nahatonga anao ho protestant na katolika ohatra ,dia ny navalin'ny maro dia ny hoe "SATRIA IO NO FIVAVAHAN'NY RAZAM-BENAY,NY RAY AMAN-DRENINAY,...DIA IZAY KOA NO ARAHANAY".Izany hoe tsy misy faharesen-dahatra mihintsy fa lasa fahazarana fotsiny
18. sahary ( 15/02/2005 04:04)
atmos///ny fahitan-dry zareo fa tsy manaraka ny soratra masina ny eglizy no nahatonga an-dry zareo nanohatra ohatra @ izany ny hoe ny Atra irery ihany no afaka mamela heloka fa tsy ny pretra (voavela ny helokao ry zanako),ny filazana fa misy ny afo fandiovana sy ny famelan-keloka vidina (ka ny vola azo t@ izany dia nentina nanorenana an'ny "basilic de st Pierre")...sns
19. ikaretsaka ( 15/02/2005 04:18)
sahary:

ny fahitan-dry zareo fa tsy manaraka ny soratra masina ny eglizy no nahatonga an-dry zareo nanohatra ohatra @ izany ny hoe ny Atra irery ihany no afaka mamela heloka fa tsy ny pretra

nga mo i mopera no mamela heloka fa tsy andriamanitra na mikofesy @ mopera aza ianao? image sy symbole fotsiny iny!

20. sahary ( 15/02/2005 07:15)
Ikaretsaka//ts'isy image sy symbole izany fa rehefa we tsy mamela heloka de tsy mamela.@ Atra irery ihany no tokony hiakena heloka fa tsy any @ mompera dia anjaran'Atra ny manao we "voavela ny helokao ry zanako" fa tsy manana fahefana hanao izany ny olombelona mpanota
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1563