mitady recette fanaovana godrogodro

41. cutie ( 24/06/2004 18:45)
jhy
Za mahay fanaovana mofo menakely fa ny ahy , ny fanaovako azy tsy misy recette fa ataokotaoko any fotsiny. Zao ny fanaovako azy: mangala ny la farine zay tianao ny habetsany, ohatra we 200g , de afangaroy ny siramamy (zay tokony hampamamy azy), asio rano kely. De afangaroy tsara, mandra-pahatongany ho pate madity, fa tsy matevim-be a. Raha lasa mandranoka de tapoy la farine, raha lasa matevina kosa de tapohy rano kely. Andramo ny siramamy. De avelao hipetraka eo ho eo @ 30mn eo, vao endasina. Ataovy betsabetsaka ny menaka ampiasaina sao de miraikitra rehefa endasina.
Mazotoa a
42. jhy ( 25/06/2004 17:04)
Misaotra cutie.
Andramana @ity w e ty fa efa ela no te hihinana mofo menakely aty lavitra e.
43. cutie ( 28/06/2004 23:55)
aza adino ary ny anjarako a. jhy
44. ftma ( 02/07/2004 09:56)
tsy misy mahita sakafo hafa intsony angaha sa efa voky daholo?
Raha mba misy mahay sakafo gasy avy any @ côte ireny mba lazao e, fa ny ravitoto sy roa mazava fona no hoe sakafo mampalaza an'i Mada
45. cutie ( 02/07/2004 19:45)
ftma
tsaramaso sy coco , sy ny akondro manta andrahoina miaraka @ coco kou anga tys hain-jy?
Raha reo no tadiavin-jy de za mahay mahandro an'reo.
Fa za kou mitady recette fanaovana mofo sakay.. ze mahita, mba lazao eto e.
Misaotra mialoha.
46. booboo ( 03/07/2004 08:10)
mbô ataovy ato mou n'ny recettesn'ireo raha ireo cutie fa mahaliana !
47. kitjo ( 03/07/2004 08:29)
avy any @ cote ve?
vomanga endasina, mangahazo...,masikita alona @ ravina papay

mofo voatavo >
nataon'olona ty d naveriko fa tsisy oe resety fa atao fts,hihihi
- andrahoina alou le voatavo drefa masaka d potserina tsara
- alaina ny lafarinina d araraka ao, tsy atao madity b nefa tsy maranoka b koa fa oh paten mofo anana,oh menakely e
- andrarahana coco rape kely na vanille na cannelle ze misy e
- tsy asina siramamy fa voan diabete eo
- asina atody kely na ronono ra ohatra k! sy izay tiana: akonjo, papay.....

Asina menaka kely oh hanendy crepe fts ny lapoaly fisaka d tsy avela mamay be d arotsaka tsiray2 atao mitsitokotoko eo



48. kitjo ( 03/07/2004 08:31)
cutie> za ts mbola nahandro akondro t@ coco fa ronono,
le akonjo tsy mbola masaka be iny, Any Tamatave toa misy an le lavabe tena natao andrahoina fts iny.
Rarahana totom-boanjo kely aveo rehefa hihinana azy

Andrahoina amzao fts aloha fa tsis oe resety aona fa ampianaro zay ra manana resety special njy
49. ftma ( 03/07/2004 12:01)
Kitjo, misaotra raha mahalala sakafo hafa de mba teneno, anao ireo nolazaina ireo za aloha androany.
cutie: mbola tsy nanao ireo nolazaindry ireo mihitsy za, andramako dray zany tsaramaso sy coco zany sady za tia tsaramaso.
Mofo sakay tsy mahay za fa hanontany olona mpanao an'io aty Nice.
Misaotrz daholo
50. kitjo ( 04/07/2004 08:55)
Mofo anana ve ilay mofo sakay e?
sa ilay sakay asina sesika?

Ty njay dessert avy ao Thailande kanefa betsaka ny gasy any ambanivohitra manao azy:
-vomanga voasana dia tetehina tahaka irony mangahazo atao tetike irony-
- ampangotrahina @rano aveo, atao ro oh mangahazo mihitsy
- fisapisahana ny sakamalaho dia arotsaka ao, somary atao masika mihitsy
- asina siramamy araka izay itiavana azy.


51. cutie ( 08/07/2004 18:18)
Ireto avy ary ny fanaovana tsaramaso au coco sy akondro au coco.
Tsaramaso au coco:
andrahoy ny tsaramaso zay tiana, rehefa masaka de ataovy ny saosy tongolo sy voatabia. Rehefa avy eo de arotsay le tsaramaso efa masaka, de afangaroy miaraka @saosy, tsaratsara raha atao ridritra le tsaramaso, satria mbola asiana ny lait de coco rehefa avy eo. arotsay @ zay ny lait de coco, ze tiana ampaisaina koa io, de andrahoy mandra-pangotraka, de zay.
Akondro au coco
Tsy amintsy akondro le mbola manta reny no ampiasaina, le maintso ny hodiny, fa tandremo fa misy koa ny akondro efa masaka na dia maintso aza ny hodiny.Teteo ny akondro, zay tiana ampaisaina, de ataovy anaty vilany, asio rano kely, tsy atao tena feno be , fa vetivety kely de mora masaka ny akondro. Rehefa akiky ho masaka de arotsahy ny lai de coco, asio siramamy raha tsy mamy. Andrahoy mandra-pangotraka. de zay.
Misy kou ny katsaka au coco, sy ny katsaka mairaka @ toto-boanjo, voanjo manta no ampiasaina a.
Vomanga sy coco kou tsara.
Voatavo sy coco, voatavo manta (le voatavo maintso reny) miaraka @ toto- boanjo manta kou tsara.
Vomanga endasina na atono, miaraka @ lasary papay, na manga ko tsara.
Mangahazo, atono sy endasina miaraka @ lasary manga kou tsara.
Reo alu no haiko aty.
Hay misy koa ny trondro au coco.


52. cutie ( 08/07/2004 18:20)
kitjo
Mofo anana akai le mofo sakay, fa in zany mofo in zany le sakay asiana sesika?
53. kitjo ( 09/07/2004 06:48)
cutie> misy miantso oe mofo sakay ny mofo anana
fa misy koa ilay hoe sakay maintso lava2 reny le asina sesika "farce" e..d endasina aveo.fonosina lafarinina kely na atody.

d tsy haiko oe iza @izy 2 ireo!
54. cutie ( 09/07/2004 20:07)
kitjo
izy roa kaia omena ahy a. Le sakay atao sesika io zao no mbola tsy fahitako.
Merci alou a
55. ftma ( 09/07/2004 21:14)
kitjo handramako ilay voamanga sy sakamalaho fa tsy raha hotiako, mamy sy masika mantsy, ohatry ny bonbon sakamalaho, misaotra betsaka aloha fa tena mahafa-po ny recette omenao.
Cutie misaotra fa haiko amin'izay ny fampiasana coco @ sakafo hafa, mbola tsy afaka manao ireo sakafo ireo za aloha fa miasa fa rehefa vacansy manao de teneniko njy, raha mety de hasaiko hisakafo njy.
56. methode ( 09/07/2004 21:19)
cutie, ftma> Aza hadino ny anjarako e!!
57. ftma ( 10/07/2004 18:27)
methode: ianao aza tsy manome recette malaza any Afrika any ko.
Tsy manasa anao hisakafo izaho sy cutie raha tsy mahazo recette!!!
58. cutie ( 11/07/2004 21:48)
eny wa ftma, tsy asaintsika io methode io raha tsy manome recette aloha.
Tena marina io methode, mba omeo ze recette ze misy any zahay e. hihihi.
59. booboo ( 13/07/2004 17:16)
sô dé mbô misy manana recettes-na raha au chocolat azafady ? na crème na patisserie mety dôl. Misôtra mialoha
60. cutie ( 14/07/2004 17:33)
in tsra le we recette tadiavina ry booboo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3572