ny fitsanganana @ maty

1. nyna ( 28/05/2004 11:42)
zaho an! mba manana culture ary mino an'Andriamanitra!
fa mba misy zavatra tsy matiko lolo!
tafaresaka t@na olona aho, hoe rehefa mitsangana @ maty hono dia lasa "velona nofo aman-dra indray, ny maty rehetra" ! tena zany marina ve ry zareo?
novalian'i nyna ny 29/07/2004 12:49
2. nala ( 28/05/2004 18:07)
Tsotra nyna a, raha mitady handeha lavitra amin'ny zavatra tsy sure fa ahitanao valiny ianao dia aza alefa fa ilay olanao manatrika anao isan'andro andefasana saina. izay no anjarantsika olona, rha atoa indray moa ka mpaminany dia izay no asany.
3. ikaretsaka ( 28/05/2004 18:57)
arakartaka ny finoanao io.. izay ny inoany .. raha tsy mino ianoa dia izay inoanao fa aza manaiky reszeny lahtra nba mandresy lahatyra azy
4. ikaretsaka ( 28/05/2004 18:58)
arakartaka ny finoanao io.. izay ny inoany .. raha tsy mino ianoa dia izay inoanao fa aza manaiky reszeny lahtra nba mandresy lahatyra azy
5. sipagasy ( 28/05/2004 19:16)
jereonareo anie ty é! aaaaaaa!!!!!

:: Tatsy «La Réunion»: Fatim-behivavy
>
> Notehirizina tao an-trano nandritra ny 23 taona ...
>
> Tamin'ny volana oktobra 1981 no maty ity vehivavy iray. 35 taona izy
> tamin'izay fotoana izay ary tamin'ny asabotsy lasa teo vao fantatry ny
> vadiny ny fahafatesany. Nafenin'ny fianakavian-dravehivavy foana ny razana
> nandritra izay 23 taona izay. Tantara mahaliana, mahavariana, sarotra
> inoana kanefa nisy.
> Izany "Zoubeda Issabhay" izany no anaran'ity vehivavy notehirizina teo
> ambany fandriana nandritra ny taona maro ity. Manambady izy ary telo ny
> zanany. Vao nitokan-trano anefa izy mivady dia nanomboka narary saina ilay
> vehivavy, na izany aza afa-niteraka ny zanany telo mianadahy ihany izy.
> Tamin'ny taona 1976 dia nampidirina tany amin'ny hopitaly fitsaboana ny
> marary saina i "Zoubeda", ary avy eo dia nasain'ny dadany niara-nipetraka
> amin'izy ireo fa ny vadiny kosa nikarakara ireo zanany telo lahy. Dia
> nohidian'ny fianakaviany tao an-trano tao ity vehivavy marary saina.
Nitady
> fomba ihany ny fianakaviany mba hahasitrana azy ary tonga hatrany "Inde"
> nanatona pretra iray malaza fa mahavita manasitrana. Dimy volana teo ho eo
> ry zareo no tany izay vao niverina tany "la Réunion". Mbola nitohy ihany,
> araka ny vaovao, ny fitondran'ilay pretra am-bavaka ilay vehivavy marary
> saina na dia lavitra aza ny elanelan-tany, saingy tsy nahitana vokatra
> izany.
> Maty ilay "Zoubeda" tamin'ny oktobra 1981. Ren'ilay pretra tany "Inde"
> ny fisian'izany ka nilaza tamin'ny fianakavian'i "Zoubeda" izy fa tsy azo
> alevina ny razana fa mbola "hitsangana amin'ny maty". Dia nino izay
> nolazain'ilay pretra tokoa ny fianakavian'ilay vehivavy. Dia
> notehirizin'izy ireo tao an-trano, natao teo ambony fandriana ary
> nosaronana rako-pandriana fotsy ilay vehivavy. Nandeha ny volana, ny
taona,
> tsy hita akory izay faty nitsangana teo. Efa in-droa nifindra trano ny
> fianakavian'ilay vehivavy ary dia nobatain'izy ireo niaraka tamin'ny
> fandriana teny ny razana. Dia tsy nahatsikaritra ny zava-nisy raha tsy ny
> fianakaviany ihany. Ny rahavaviny sy ny zanaky ny iray tampo amin'i
> "Zoubeda" moa no manara-maso azy ary tsy navelan'izy ireo hitan'ny olona
> miditra ny trano ny razana eo ambony fandriana, nandritra ny taona maro..
> Voalaza fa nisy fotoana nitadiavan'ny vadiny an'i "Zoubeda" saingy
> nambaran'ny dadany fa tsy azo jerena izy ka dia namonjy fodiana ilay
> tompom-bady. Tamin'ny taona 1992 moa dia maty ny dadan'i "Zoubeda" ary dia
> mbola nanafatra izy talohan'ny nahafatesany fa tsy azo kitihina ny razana
> fa miandry izay hitsanganany. Finoanoam-poana re izany ! Dia nanaraka ny
> hafatry ny ray aman-dreny tokoa ireo taranany.
> Tamin'ny sabotsy lasa teo àry dia nankao amin'ny trano nisy ity
> fianakaviana ity ny vadin'ilay vehivavy narary saina. Ny antony dia satria
> hizara fananana izy mivady sy ny ankizy ka mila ny sonian'ilay vehivavy
> (Zoubeda). Mbola nanafina ihany aloha ny zanaky ny iray tampo amin'ilay
> vehivavy, saingy norahonan'ilay rangahy fa hampiakariny fitsarana ny
> raharaha ka natahotra izy mirahavavy (47 sy 50 taona) nanara-maso akaiky
> ilay razana. Teo vao nipoitra ny nafenina. Nilaza ihany izy roa vavy fa
efa
> maty nandritra ny 23 taona i "Zoubeda". Niaraka tamin'ny zanany izay efa
> lehibe moa ilay rangahy tamin'izay fotoana izay ka dia nampandre ny polisy
> avy hatrany ry zareo.
> Taiza hoy ianareo no nitrangan'izany toe-javatra nahatsikaiky sy tsy
> fahita eran-tany izany ? Tany "Saint-Benoît" (La Réunion). Gazety "Journal
> de l'Ile de la Réunion", nivoaka tamin'ny 24 mey lasa teo no nangalana ity
> vaovao mahaliana ity. Tsy mampino tokoa kanefa dia zava-nisy.
> Nalain'ny polisy avy ao amin'ny kaomisarian'i "Saint Benoît" moa ny
> razana tamin'ny sabotsy lasa teo, ary naterin'izy ireo tany amin'ny
> tranom-paty mba hatao "autopsie". Miainga amin'izany "autospie" izany no
> hahafantarana izay antony nahafaty ilay vehivavy, eny fa na dia efa 23
> taona taty aoriana aza. Dia niara-niaina tamin'ny razana nandritra ny 23
> taona izany ity fianakaviana iray tany "Saint Benoît". Ny zanaky ny iray
> tampo amin'ilay vehivavy aza moa dia natory niaraka taminy mihitsy
> nandritra izay taona marobe izay.
>
>
>
>


6. fijo ( 31/05/2004 22:11)
izao fotsiny atao an tsaina e.izao isika olombelona dia 12miliara.raha hitsangana daholo ny efa maty tany aloha tany.firy izany isika.dia homby ve ity tany ity.
ka aza dia minonmino foana re,fa mba mametraha fanontaniana rehefa mahare zavatra fa tsy handray br fahatany izay haino rehetra e.
7. nyna ( 01/06/2004 10:50)
eny ary e! izay tokoa aloha no tsy mba navaliko ilay olona niresaka tamiko! fa mba manontany ny hevitrareo aho ka! tsy diso kosa angamba aho e!
En tout cas misaotra ho an'izay namaly ny antso!
8. librepenseur ( 01/06/2004 11:47)
nyna>

raha 'mino' sy 'manantena' ianao dia diniho tsara fa "conditionnel" daholo izy roa ireo !

1) ny zavatra tsy hita no hinoana satria raha hita izy dia tsy finoana intsony fa zava-nisy ary voarakitra ho tantara ilay izy.

2) ny fanantenana koa torak'izany, tsy mbola tanteraka kanefa heritreretina fa hisy, izany hoe mety hisy ary mety tsy hisy araka ny nolazaina sy ny fahafantarana azy fotsiny.

3) ianao ihany dia afaka ny handinika ny mampitombina na tsia ny antsoina hoe paradisa satria rehefa maty ny olona dia tsy hanana ireo 5 sens tahaka izao mbola velona izao intsony, tsy handre maharary, tsy haheno feo satria tsy misy sofina, sns...satria lazaina fa fanahy sisa.

4) raha atao hoe hanana fahitàna vaovao indray ny kristiana (araka ny finoany) ka hahatsapa mamay, hahita zava-mahafinaritra, ho falifaly lalan-dava, sns.. dia tadidio fa tsy maty izany ilay olona fa mbola velona indray (izany hoe maty dia velona)...

anjaranao ny mandalina...
9. nyna ( 01/06/2004 12:58)
librepenseur> raha ny @ paradisa aloha dia sahiko ny miteny fa mino aho! fa ny @ hoe ho velona lasa nofo aman-dra rehefa tonga ny fitsanganana @ maty no sarotra inoana satria tsy voasoratra izany, na izaho no tsy namaky tsara!
izay no mahatonga ahy velompanontaniana marina hoe mino io ve nareo!
Mba mila assurance re e!
10. fijo ( 02/06/2004 00:47)
nyna an,tsy sanatria hanao resaka valamaty eto aho,fa amin'ny firaisana ihany no ahitana izany 7eme ciel izany.ny ankoatrizay resaka daholo.
11. nyna ( 02/06/2004 07:52)
fijo ty mahita lazaina!
sa ve tsy maintsy miteny dia manitatra!
12. librepenseur ( 02/06/2004 08:16)
nyna,

Hivereno vakio tsara ireo points 4 noteneniko tery ambony amin'izay dia azonao tsara ilay tiako holazaina... ary averiko ihany fa : raha 'mino' sy 'manantena' ianao dia diniho tsara fa "conditionnel" daholo izy roa ireo !

ary matoa koa mbola mahatsapa finaritra sy sambatra ary falifaly lalandava ianao dia tsy maty izany ianao fa velona. Ka noho izany, possible ve fa ny fanahy dia mbola hahatsapa ireo ? raha mbola manana ilay 5 sens ianao dia olombelona izany ianao...dia ahoana ilay paradisa ? sao dia ety antany ihany no tokony hikatsahana izany ?
13. fijo ( 02/06/2004 23:36)
nyna tsy tiako ny mampiditra resaka fanalana ato,fa fomba fiteny io hoe monté au 7eme ciel io rehefa hoatr'izay dia izay no nakako ohatra azy.
14. nyna ( 03/06/2004 09:30)
fijo > ok!

librepenseur> ekena !

Tafaresaka t@-na groupe de jeune koa aho omaly dia niresaka momba io sujet io fa efa mazava zao ny ato @ saiko!

Ny zava-dehibe dia zao: rehefa mino ianao fa voavonjy, ary manaiky fa A/tra no mitantana ny fiainanao dia izay no essentiel fa tena accessoire fotsiny ihany ny fahafantarana na ho velona nofo sy rà ianao rehefa mitsangana @ maty!
15. librepenseur ( 03/06/2004 12:22)
nyna>>

ka eo indrindra anie ny blème satria A/tra namorona izao tontolo izao izany dia tsy hanaramaso ny tsi-1-1 amin'ny hadalàna sy ny lalana rehetra alehanao e . Izay no porofo fa tsy misy an'izany...

Ny omniprésence izany tsy rehefa antsoina akory vao ho tonga...mazàna aza tsy tonga mihitsy hiaro sy hitantana, fa ianao no mila mitandrina. Sa sahinao ny hanapaka arabe feno fiarakodia tsy ankijery fa hiantso an'A/tra fotsiny sady miampita ?

porofo hafa lazaiko anao ary ho saininao dia inty:
ndeha atao hoe misy olona iray mpivavaka tsy misy toa azy ary nanala fanadinana (examen) izy io:
Inona hoy ianao no mety hahaizany ny taranja na dia iray fotsiny aza ? ny vavaka nataony ? sa ny ezaka samihafa nataony hahaizany ilay taranja ? Mino ve ianao fa na tsy hianatra lesona aza dia ho afaka sy hahay ilay taranja raha mivavaka fotsiny ? kanefa na hivavaka mafy sy hianatra mafy aza mety mbola tsy ho afaka ? tsy nohainoany ny vavaka ? sa tsy mbola tokony ho afaka fa izay no sitra-pony ? hazavao kely hoe ilay sitrapony ?

...hatreo indray aloha e
16. nyna ( 03/06/2004 12:45)
izay no problèman'ny olona diso manaraka ara-bakiteny ny fitantanan'A/tra !
Mazava ho azy fa raha anapaka arabe ianao ka tsy mitandrina dia sur fa mety ho voadona ary mety ho faty mihitsy! Fa ianao no mila mino fa ny sitr'apon'a/tra no tanteraka aminao isan'andro rehefa misy mahazo anao raha mino marina ianao fa izy no efa nekenao hitantana! anjaranao sy Izy indray avy eo raha toa ianao mbola misalalasala hoe sitrapony marina aza ve ny mahazo ahy sa ny vokatry ny tsy fitandremako,.....
zaho aloha dia tsy afaka ny hidevine ny sitrapon'A/tra ka hilaza amianao hoe rehefa izao no mahazo anao dia sitrapony fa refa zao dia tsia! Amiko, satria aho mino dia sitrapony avokoa izay mahazo ahy!

Zao koa no tsarovy: tsy hoe ny soa ihany no tovozinao avy aminy fa ny ratsy koa ho fanitsina sy ho anatra ny @ ho avy!
17. nyna ( 03/06/2004 12:52)
isika koa mantsy matetika toa diso hevitra mieritreritra hoe: rehefa mivavaka dia tsy maintsy hivaly eo no ho eo ny vavaka atao!

Isika manjary te hi-guider an'A/tra ary hibaiko azy: hoe A/tra ô: omeo ahy ity; ka rehefa tsy araka izay ny valiny azo, dia lazaina fa tsy namaly izy, na hoe tsy nihaino Izy!

lazaiko hoe diso hevitra ireo izay mihevitra fa efa mba nivavaka mafy nefa tsy afa-panadinana, na tsy tafita t@ izay nangatahana, nefa ao ambadik'izay tsy misy ezaka avy aminy mihitsy na dia kely aza!

Misy aza fitenenana hoe: "A/tra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany", matoa aloha efa nivoaka io fitenenana io dia efa betsaka ny traikefa, ka mba tokony hieritreritra ihany!
18. nyna ( 03/06/2004 13:02)
Farany: tsoriko koa fa raha toa ka misy olona efa tena nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy # mpivavaka tout court tsy hay na efa nadray marina Azy na tsia (fa mitonona fotsiny ho mpivavaka)
- Ny ataony voalohany raha tonga ny echec dia ny mandini- tena aloha
-ary mihezaka mitady solution avy eo! fa tsy hanome tsiny A/tra velively sanatria.
19. librepenseur ( 03/06/2004 13:13)
nyna,

ilay hoe ratsy sy tsara tovozina avy amin'A/Tra dia avy ao amin'ny baiboly iny, ny kristiana dia saiky zatra tanteraka io principe io kanefa ny tena marina dia lalam-piainana daholo izany rehetra izany, ny lalànan'ny natiora koa etsy andaniny tokony hojerena ihany satria ny vatan-olombelona (matière) dia tsy maintsy ho faty na harary, ary amin'ny maha-samihafa ny fisainan'ny olombelona dia tsy maintsy misy ny ratsy fiton-drantena, misy ny tsara sitra-po, misy ny tia mamono olona, mangalatra, sns

Amiko ireo rehetra ireo dia avy amin'ilay olona daholo ihany no nahatonga izany, ny fanamarihana lehibe ataoko anao dia izao :
matetika ny ankizy rehefa tojo blème dia mitaraina amin'ny ray aman-dreniny, raha tsy izany dia izay olona akaiky ny fony.
Tahaka izany koa ny olon-dehibe, rehefa tsy vitan'ny herin'ny tenany intsony dia mitady vonjy amin'ny lazaina fa A/tra izy...io anefa dia miankina amin'ny manodidina azy ihany satria raha nobeazina tany amin'ny tany kristiana izy, ray sy reniny kristiana, tsy mahalala afatsy kristiana izy, mazava ho azy fa izay hatoro azy sy izay lazaina azy ihany no hiantefany.

Izaho izao dia mieritreritra fa kristiana ny ray aman-drenin'ny nyna, kristiana ny manodidina an'ny nyna, nobeazina t@ fomba kristiana i nyna, mazava ho azy fa tsy mahalala afatsy kristiana i nyna,

avadika ny resaka, raha silamo na bouddhiste ny ray amandrenin'ny nyna, fanabeazana hafa no hita, mety ho lasa kristiana ihany ve i nyna ? tao @ fanabeazan'ny nyna ve izany Allah izany ? ary izany méditation izany ? ary ny chakras ?

Ka io ry nyna dia izao: izay nampahalalaina anao hatry ny ela dia tsy voatery velively ho marina tanteraka. Hanao ahoana daholo ny tsy kristiana ? ny bouddhiste ? ny silamo sns ? sa ny anao irery ihany no marina ? kanefa raha manontany ireo koa ianao dia ho lazainy fa ny azy ihany no marina !

Ilay tena marina ve anefa tsy tokony ho tokana ? ka iza amin'ireo no tena marina ? ny christianisme ve ? ny bouddhisme efa ho 4000 ans avant J.-C no nisy, ny islamisme 400 ans après J.-C no nisy, ireo ihany no ohatra homeko anao fa maro ny finoana nisy, sy misy ary mbola hisy eto an-tany.

farany, maro amin'ny voasoratra ao anaty baiboly kristiana no nosintonina tamin'ny civilisation sumérienne. ary maro tamin'ny tantaran'ny J.-C ao @ io baiboly io ihany no mitovy t@ ireo mpamorona ireo religion hafa, mba mikaroha kely anie e !
20. librepenseur ( 03/06/2004 13:14)
hialana tsiny fa lava loatra ny teniko e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6337