ny fitsanganana @ maty

41. fijo ( 17/06/2004 23:59)
nyna,ao anaty baiboly ao tsy misy milaza koa fa efa nankany amin'ny WC i jesosy.mino ve ianao fa tsy mbola tany mihintsy izy?????
42. fijo ( 18/06/2004 00:06)
izany hoe raha raisiko io voalazan'i methode io dia izao no mety hisy any ambadika any.ny mpino kristianina dia hitsangana ary hanarana an'i jesoa.ny mpino musulman koa izany mba hanaraka an'i mahome,dia ny boudista hizotra aorian'i boda.izany hoe tsy mbola hiray ihany izany nny olombelona na dia aorian'ny fahafatesana aza.fa mbola samy hisamaka sy hiparitaka toa ny ety an tany.
43. nyna ( 18/06/2004 09:52)
fijo> raha mila za aminao aho fa tsy nahita ao @ baiboly fa izy dia naditra, dia satria j'ai la preuve du contraire! zaho efa namaky fa Izy dia zaza nankato ny Ray aman-dreniny ary nanaja ny didin'A/tra fatratra koa!
44. nyna ( 18/06/2004 10:02)
ny momba ilay lazain'i methode indray dia zao koa no fahalalana fantatro: any aorina any hono (hono io an, je ne suis pas sur et certaine zany) dia rehefa hitsangana @ maty ny olona rehetra dia tsy hisy intsony ny sentiment satria ny sentiment no an'isan'ny mampanota ny olombelona, izany hoe tsy hifankahalala intsony hono ny olona mba tsy hisian'ny tsiaron'izay niainana tety an-tany!
ex: iny lay prof tsy reveko tany @ fac; kay itsy sipa itsy koa tafaraka amiko aty !!, sns.....

Amiko dia accessoire daholo sisa izany satria tena hitako fa sarotra ny mi-discuter momba anio fitsanganana @ maty io ary mampivilivily saim-bahoaka!

ka ny zava-dehibe amiko dia rehefa fantatro fa efa voavonjy aho rehefa tonga ny fitsarana farany! ary efa niezaka nampita hafatra na dia kely fotsiny aza momba an'i JK fa izy irery ihany no ahavonjy ny olona rehetra dia ampy ahy zay!

Marihiko kely nefa an: izany zavatra lazaiko izany tsy midika velively fa manohitra ny finoana sasany aho satri ny amin'iny koa dia mbola misy théorie hafa indray!
45. librepenseur ( 18/06/2004 10:17)
Vérité relative daholo anie izany rehetra izany e ! samy manana ny fahitany sy ny fahafantarany ary ny nolazaina sy notantaraina taminy daholo ny tsi-1-1...

ny Vérité absolue dia tsy ho hita ao anatin'ny finoana velively satria efa miantehitra sy mifototra amin'ilay finoana sisa ilay olona fa tsy liana ny hahalala ny tena marina...
46. methode ( 18/06/2004 21:35)
Tsy mahazo resaka ra-fijo fa mila mamaky im-polo ny zavatra nosoratako angamba vao hahazo! Mandray an-tendrony fotsiny! Aza ampilazana izay tsy nolazaiko aho!! Hihihihi
47. librepenseur ( 21/06/2004 13:22)
nyna>

mba omeo ahy ary hoe ny biographie détaillée an'ny Jesosy teo anelanelan'ny 7 ka hatr@ 30 taona ?
48. nyna ( 24/06/2004 12:46)
miala tsiny aminao aho fa ny base ny croyance dia tsy nohon'ny momba momba an'i Jesosy no ambony! donc quelque soit l'explication que je vais t'apporter çà ne sert à rien si c'est seulement pour que tu me le rendes juste après!
tsy izany amiko no discussion important satria betsaka lavitra mihoatra ny momba azy no ahafahanao mino na tsy Azy!
49. fijo ( 25/06/2004 00:16)
nyna>tsy hoe satria namaky hianao fa zaza hendry izy dia midika izany fa hendry tokoa.tsy profo izany.fa filazana tsotra fotsiny.
jesosy no mahavonjy ny olona rehetra.ary ireo tsy mino azy fa mino olona hafa?
methode>azavao ary ny tianao lazaina fa io no handraisako azy.
50. librepenseur ( 28/06/2004 07:57)
nyna> dé tsy mba mahaliana anao akory ve ny hahalala bebe kokoa ny tena zava-nisy niainan'ilay tompoinao nefa ny hafa aza mahaliana anao ? sa izay lazainy fotsiny dia tsy maintsy atao hoe fahamasinana ? dé izay asainy atao koa dia tsy maintsy atao hoe fahamarinana ?

raha misy olona iray mifanena aminao ka avy dia manome anao lelavola be dia be dia tsy mba hanadihady akory ve ianao hoe avy aiza io ? ka raha avy namono olona sy nangalatra izy kanefa nahavonjy anao dia tsy hampaninona anao akory ?
51. nyna ( 28/06/2004 14:48)
librepenseur & fijo > azoko ny tianao lazaina fa ny fahalalako an'i JK dia mbola tsy ampy aleo aloha tsoriko (zaho mbola tsy anisan'ireo nahavaky ny baiboly)
fa ny hany kely mba fantatro dia ampy hi convaincre ahy tsara ny Aminy!

raha alefa anie ny critique rehetra dia be dia be ny azo tenenina e!

Tsoriko fa zaho miteny dia olona an'isan'ireo mba be fanontaniana sy mba nametra-panontaniana taloha hoe fa nahona aza no zao sy izao satria araka ny science sy ny réalité @zao fotoana dia tokony zao sy zao... (satria je suis quand mêmetrès scientifiques et cherches toujours à prouver la provenance d'une chose).

fa zao nefa no mba lazaiko, tsy azonao ampitahaina @ olon-tsotra mifanena aminao Izy satria efa betsaka anie ny fahagagana nataony mba hinoan'ny olona azy ary mba ahafahany marina maneho ny voninahitr'Andriamanitra e!

Fa ianao toa minia mikipy mody tsy mahalala izay zavatra efa nataony sy ny asa soa nataony ve sa fitiavana te hiankany e??

Librepenseur> lazao ahy hoe ny positionao par rapport an'ny finoana an'Andriamanitra!!!
52. fijo ( 28/06/2004 23:55)
inona kay no zavatra efa vitan'i jesosy hoan'olombelona??milaza hoe iray.
53. bichette ( 29/06/2004 06:01)
librepenseur, izany anie no atao hoe finoana e !
54. nyna ( 29/06/2004 06:51)
betsaka ny fahagagana azo notsapaintanana voatantara ao @ Baiboly ary inoako fa tena nisy ilay izy fa tsy angano akory!

ohatra:
- nampahiratra ny jamba
- nanangana an'i Lazarosy t@ maty
- nahadio habokana
- nitsangana t@ maty koa rehefa avy nohomboina teo @ hazo fijaliana

Amiko ireo dia efa zavatra tsy ho vitan'iza niza mihitsy na andeha hatramin'ny loha aza! Ary inoako ireo voalaza rehetra ao anatin'ny baiboly ireo
55. librepenseur ( 29/06/2004 08:40)
nyna, bichette>
- David Copperfield nanidina, efa tapaka roa dia nitohy indray...sns
- Mosesy namadika tehana ho lasa bibilava sns...
- Malagasy sasany lazaina fa manao ody gasy kanefa mahay mitsabo aretina samihafa, mahay mandatsaka varatra sns...

Ireo aloha no tsaroako fa mbola betsaka ny azo ambara...noho izany, tsy i J.-C irery no nahavita fahagagana
56. nyna ( 29/06/2004 10:45)
ekeko fa tsy izy irery no mahavita fahagagana fa au moins fantatro hoe avy @ herin'Andriamanitra no nahafahany nanao ireo, d'ailleurs i Mosesy anie mbola niantso an'Andriamanitra vao afaka nanao fahagagana e, donc herin'Andriamanitra no nampiasainy!

Ny ody gasy (ody gasy précisément an) resaka fanahy ratsy no miasa ao!

Ary ny fanasitranana avy @ ravin-kazo indray dia vokatry ny effetn'ilay plante médicinale donc no comment!

ka asakasakao hoe @ iza indray no tianao ampifaninanina ireo asa vitan'i JK. hihihi
57. nyna ( 29/06/2004 10:50)
d'ailleurs anie ny problèma nipetraka dia zao e:

zaho mino fa fahamarinana tokoa no lazainy satria ny porofo dia efa mivaingana ka tsy hitako izay mampisalasala!
raha toa mantsy ka mbola karohina lavitra be hoe nahoana no ho arahana daholo izay lazainy fa fahamarinana dia mbola ho ela vao hazava! fa ny asan'ny tanany rehetra dia efa hita mibaribary!
58. librepenseur ( 29/06/2004 13:41)
izao ary e! porofoy amiko fa ny ataon'ny Jesosy sy Mosesy sy ny tariny dia avy amin'Atra Mpamorona izao tontolo izao...
59. fijo ( 29/06/2004 23:22)
ody gasy fanahy ratsy.>satria ve "gasy "ilay resaka dia fanahy ratsy noao?izay ilay fanambaniana tena tsy laitrako nataon'ny vahiny nitondra io fatim pinoana io teto.
tsy mahita anjely mainty mihintsy ianao,ary tsy misy devoly fotsy koa.mino ve ianao fa tena fotsy izany anjely izany ary tena maintsy izany devily izany?
mampahita ny jamba.vitan'ny dokotera.
habokana sitran'ny dokotera
nitsangana tamin'ny maty?tsy mbola misy porofo io ka sarotra ny manohana azy.
60. nyna ( 03/07/2004 14:22)
libre penseur> ny porofo ahafahako milaza fa herin'A/tra no nampiasain'izy ireo dia satria izay no voarakitry ny tantara fa tsy hoe izaho akory no namorona! zaho mino izay nolazaina sy izay novakiako dia zay!

asakasaky izay nahay namorona scénario de mensonge raha toa ka lainga izany! izaho mino fa marina izany ary izaho dia resy lahatra ka no izany no nilazako izany!

Fijo> inona no atao hoe ody gasy aza amonao e? mba farito amiko aza dia ho hita eo indray ny tohiny avy eo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3603