ny fitsanganana @ maty

61. toubib ( 05/07/2004 06:42)
>methode, tena miombon-kevitra aminao tanteraka aho@zay voalazanao tery ambony. Fa ny tiako hambara an'ireo namorona fanontaniana izay somary mifanohitra a na atao koa hoe natao hanozongozona ny finoan'ny olona iray efa ao aminy (oh kristianina na mpivavaka) dia izao: raiso ho toy ny taranjam-pianarana iray ny fivavahana ka efa vokatra nikaonan-dohan'olona manam-pahaizana maro dia maro io natolotra io, dia raiso arak'izay. Raha mianatra matematika v ianao ohatra dia sahy hilaza fa tsy mitombina ny i au carré = -1 kanefa tany amin'ny kilasy ambany dia tsy mitombina ny signe négatif any anaty racine carré. Toy izany koa "aza misora-tena ho kristianina(mba menatra) raha mbola misy isalasalanao ny fototra ijoroan'ny fiangonana kristianina", toy izany koa fantaro aloha ny fototra ijoroan'ny finoana (ilay atao hoe dôgmatika), manontania any amin'ny mpitarika ny finoanareo vao miteny hoe zah katôlika na zah loterianina na zah advantista na silamo dia aza asiana fanontaniana intsony" fa rehefa eny dia eny ary rehefa tsia dia tsia fa aza sadasada manantsoratra. Aoka tsy ho sady tsy mafana na tsy mangatsiaka ianao fa rehefa eny dia eny ary rehefa tsia dia tsia. Ary aza raisina ho référence akory raha misy mpitarika fivavahana manao ny tsy mety. Tsy anjaranao ny mihitsy no tonga dia hiteny hoe "ko i anona àry mba manao an'izao ko maninona izaho no tsy mba hananona?" avelao azy sy ny feon'ny fieritreretany no mifampitady amin'Andriamanitra fa ny anao dia izay hahamafy orina ny finoana ao anatinao sy ny fiezahana ho amin'ny tsaratsara sy ny hanao ny tsara ihany aloha no ataovy.

Ny fahitako ny fanontaniana maro isankarazany ato @ ity fivavahana ity mantsy dia tena
62. toubib ( 05/07/2004 06:48)
hitako fa natao hampihozongozona ny finoan'ny olona iray izay tsy mitandrina. Manaraka izany sady, hita ho tanora fanahy daholo ka asa na izay no maha tanora ny tanora: tia mametraka fanontaniana isan-karazany kanefa ange d misy ihany amin'izy ireny miaiky ihany ao anatiny ao hoe voataiza t@fivavahana fa dia maka fanahy olona fotsiny ka lasa zary miteniteny foana. Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony izay tsara.
63. librepenseur ( 05/07/2004 09:08)
nyna>

aminao izany izay voarakitra ihany no marina ? ary ilay boky tokana antsoina hoe baiboly koa dia tsy maintsy marina ? sao dia mba lakolosy tokana ? maninona no fomba filaza 1 ihany no hinoanao ?

araka ny notenenin\'i Fijo, raha misy olona 1 miteny fa nampiaraka ny vadinao dia tonga dia hino ianao ?

Ary voarakitra ho tantara ahoana koa moa e ? baiboly ? koa maninona no tsy nianarana tany antsekoly natao hoe tantara sy jeografia fa natao hoe fandalinam-pinoana ? dia aiza amin\'izay ilay biographie an\'i J.-C indrindra ny teo anelanelan\'ny 7 ka hatramin\'ny 30 taona ? ka raha lainga araka ny noteneninao dia tsy hampaninona anao akory ve ny mino azy ?

inty koa no mahagaga ahy nolazainao: Ry Mosesy, Abraham, Jesosy, sns dia mbola niantso an\'A/tra rehefa misy ilainy, fa ianao indray dia miantso an\'i Jesosy !!!
64. bichette ( 05/07/2004 09:44)
Ny resaka finoana anie ry zareo dia tsy azo hoarina na amin'inona na amin'inona mihitsy. Tsy azo comparer-na amin'ny zavatra hafa. na tiana na tsy tiana satria resaka fanahy.
65. librepenseur ( 05/07/2004 10:14)
koa maninona rehefa mitory teny i pasitera no maka ohatra hafa ?
66. toubib ( 05/07/2004 11:17)
Na i Jesoa koa aza naka ohatra foana (parabole) rehefa mitory teny (oh: virijina 10, voaloboka, fampakaram-bady, mpanompo sy tompo, mpiasa sy mpampiasa, ilay samaritana trara fanahy...). Ny fahazahoako an'io fitsanganana amin'ny maty io dia izao: ho an'izay mahatsapa ny tenany ho manaraka ny finoana kristianina no iantefan'ny resako eto an: matoa antsoina hoe kristianina dia manaraka izay fampianarany: Izy no nisantatra izany fitsanganana t@ maty izany, ary Izy ihany koa no nilaza sy nampanantena hoe Izaho no fananganan-ko velona; izay mino ahy na dia efa maty aza dia mbola ho velona. Ny kristianina irery no mino izany ka tsy tokony ho be firoaroan-tsaina intsony zany ny kristianina momba io. Raha tsy izany karazan'ny miteny ratsy ny anaran'i Kristy ihany izay manohitra izany. Tsy omena tsiny kosa ny ondry ivelan'izay ary rariny sy hitsiny raha b fanontaniana. Teboka farany.
67. myllanah ( 05/07/2004 16:07)
isika dia test no nanamboaran'Andriamanitra antsika, andriamanitra dia tsy eto antanyfa any ankoatra any Extraterrestre, fantantsika fa izy no nanamboatra antsika sy ny tany sy ny systeme solaire, ary ny univers dia mbola malalaka azo anamboarana izany systeme solaire izany, teste no nanaovan'Andriamanitra antsika eto fa izay hitany fa tsara ihany no atsangany hiaraka hiaina aminy mazava ho azy fa omeny vatana vaovao, efa any aminy daholo ny caracteristique sy ny mombamomba antsika rehetra, memoire, isan'andro dia voaray any ambony any daholo ny zavatra ataontsika rehetra, ny disque dur n'Andriamanitra anieh tsy 40 Go fotsiny eh, Raha mbola mila fanazavana fanampiny dia jereo ato @ furum ato ihany @ lohahevitra hoe Andriamanitra sy extraterrestre ny tohiny
68. toubib ( 06/07/2004 08:30)
bichette>matoa misy ny hoe faculté de théologie, faculté des sciences, faculté de médecine... dia azo lazaina fa fandalinam-pianarana ihany koa ny fivavahana ary aman-taonany koa io, ohatry ny etsy Ambatonakanga dia 4 taona no faharetan'ny fianarana.
69. bichette ( 06/07/2004 09:54)
toubib> manaiky izany aho fa misy lafiny sasany misy fanampiny kely : ny fahatsapana anaty.

Ohatra : raha mianatra ny taranja matematika ianao ka manana ny mari-pahaizana faran-tapony indrindra, mijanona eo iny."Ca reste juste un métier, une connaissance, tsy mahakasika ny fonao ny sentiment-nao mihitsy.

ohatra hafa : raha mianatra ianao ny social : ny fifandraisan'ny zanaka amin'ny RAD. anananao ny doctorat ny amin'izany ka zavatra roa no mety hitranga : 1) na raisinao amin'ny maha fahalalana azy izany dia mijanona eo na 2) raisinao ho fahalalana FA koa ampiharinao amin'ny fiainanao, amin'ny zanakao, ny fifandraisanao amin'ny hafa. Mety koa hoe maha ému anao ny zavatra voarainao, mahakasika ny fonao sns ary angalanao lesona hanatsarana ny fiainanao sns : miditra ny sentiment , experience personnelle, pratique sns.

Raha raisiko amiko izao : manana probleme relationnel aho : mahita boky momba izany ka izao : na aho mamaky dia mijanona eo, juste connaissance ilay izy na aho mamaky dia mampihatra izany amin'ny fiainako.

Misy zavatra MIAMPY misy idiran'ny sentiment, ny fo, ny ao anaty toy ny social, ny fivavahana, ny psy sns fa tsy hiteny kosa angamba ianao hoe ny informatika dia mitovy amin'izany.

Tsy havanana amin'ny fanazavana antsoratra aho fa raha misy tsy mazava dia aza misalasala manontany indray




70. bichette ( 06/07/2004 09:57)
Ny fivavahana kosa angamba dia tsy mijanona juste une connaissance fa ny finoana anie dia misy fanampiny, ny FANAHY.
71. nyna ( 06/07/2004 16:11)
librepenseur> inona no mahagaga anao ?
"Ry Mosesy, Abraham, Jesosy, sns dia mbola niantso an'A/tra rehefa misy ilainy, fa ianao indray dia miantso an'i Jesosy !!! "
Fa angaha heverinao ho mbola samy hafa i Jesosy sy A/tra? amiko rehefa miady hevitra momba ny fivavahana, finona dia Jesosy = A/tra!!
Tsy noheveriko ho raisinao antendrony be tahaka izany ireo fanazavako tetsy ambony!

Ny biographie oa tsy manana ho tantaraina aminao aho satria haiko fa ny tanjonao dia ny hanamporofonao ny mifanohitra @ zavatra hinoko, donc je n'ai pas de commentaire sur sa biographie


72. fijo ( 06/07/2004 23:28)
nyna>io fampifangaroana azy roa io mihintsy no tena olana tamin'ilay raika lahy iny.
73. myllanah ( 07/07/2004 04:46)
eh aza matahotra fa hitsangana daholo isika rehetra izay tian'Andriamanitra any aoriana any eh, aza mora kivy efa nanomana toerana ho an-tsika izy, fanamboarana système solaire ngezabe io ah ary milay be, lanitra vaovao sy tany vaovao, ary mety ela be anieh ny famoronana an'izany raha ny temps eto am-bony tany no anaovana azy eh! courrage eh mbola ho avy izany fa aza matahotra ianareo!
74. librepenseur ( 07/07/2004 08:24)
nyna>
Fa nahoana aho no tsy maintsy hiantso an\'i Jesosy kanefa izy olombelona toa ahy ? mivavaka amin\'ny razana koa anie izany ny kristiana raha izany e ! nahoana no tsy antsoina koa ry Abraham sy ry Mosesy rehefa mivavaka ?

Fa angaha koa raha miteny izy hoe \"zanak\'A/tra\" dia izay no tsy maintsy ho marina ? tokony ho fantatrao fa i Bouddha, Krishna, Thor, sns tsy voatanisa dia nolazaina daholo fa zanak\'A/tra, ireo anefa dia efa ela be talohan\'ny niforonan\'ny christianisme, izay ilay lazaiko hoe mba fantaro sy fakafakao aloha vao mino !
75. bichette ( 08/07/2004 06:20)
librepenseur kosa e ! ka efa hoe efa nitsangana tamin'ny maty i Jesosy tamin'ny andro fahatelo
76. librepenseur ( 08/07/2004 11:32)
bichette a! ny kristiana irery anie no mino izany fa tsy ny hafa rehetra e!. Izay no natoro sy nampianarina azy ireo, ary izay no maha-finoana azy ihany koa...kanefa, betsaka ny olona fantatro efa maty ary avy eo dia nitsangana fa tsy nivavahana
77. bichette ( 08/07/2004 12:35)
ka i Jesosy efa hoe zanak'Atra.
78. librepenseur ( 08/07/2004 12:39)
Fa angaha koa raha miteny izy hoe "zanak'A/tra" dia izay no tsy maintsy ho marina ? tokony ho fantatrao fa i Bouddha, Krishna, Thor, sns tsy voatanisa dia nolazaina daholo fa zanak'A/tra, ireo anefa dia efa ela be talohan'ny niforonan'ny christianisme, izay ilay lazaiko hoe mba fantaro sy fakafakao aloha vao mino !
79. nyna ( 12/07/2004 14:39)
non tsy marina kosa ny hoe ry bouddha sy ny namany nantsoina hoe zanak'A/tra e! nolazaina fa ry zareo ilay nandrasana fa tsy no hindraina ho zanak'A/tra zany zareo! ary mino aho satria io ihany no fahalalana hitako fa mitombona ka tsy hampisavoamboana ahy!
zao anie ry librepenseur e! zaho kosa anie tsy mbola niteny fa ny finoako irery no mety ho marina e! d'ailleurs etsy ambony kely etsy aho efa nilaza fa je ne parle pas des autres croyance satria zaho koa dia efa nandalina na dia tsy lavitra be aza ny amin'ny boudisme sy ny namany fa jusque là dia mbola tsy christianisme aloha no mbola naharesy lahatra aho be be kokoa!
80. bichette ( 13/07/2004 06:00)
Io indray arakaraky ny tsirairay amin'izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2374