ny fitsanganana @ maty

21. ari.malala ( 03/06/2004 13:17)
Mandika ara bakiteny kosa i librepenseur @ le resaka hoe sitrapon'Andriamanitra ve izay mahazo anao ka raha hiampta arabe ianao tsy hijery fa hiantso an'Andriamanitra dia tsy haninona. Mba alefaso lavidavitra kely ny fisainana fa aza donton'ny tsy finoana toy io! Miala tsiny aloha raha mlafy be ilay teny fa zany ilay izy. Na olona mivavaka na olona tsy mivavaka dia samy mahalala fa voadonan'ny fiara ary mety ho faty raha tsy hijery miampita.

Ary raha ilay resaka fanadinana, fa iza moa no manome anao ny intelligence ilainao ahaizana izay ianaranao? Marina aloha fa ilaina ny ezaka avy aminao, tsy iadian-kevitra io, ary maninona :oa raha mandini -tena ê! mety tsy mbola ampy ny ezaka nataonao. Aza dia Andriamanitra foana re no omena tsiny ê! Manohana io voalazan'i nyna eo ambony io koa aho hoe tsy ny tsara foana koa anie no voatery ho azo avy Aminy ê!
22. fijo ( 04/06/2004 00:00)
raha izany anie ny mpino dia lasa fatalista daholo e.nianjera aho,eee izay no sitrapony e.
nisy nangalatra tao an trano,eee,lahatrantra izany.
marary tsy voakarakara ny zandry kely dia maty,ee izy no nanome dia izy no maka e.tsy mba hijery mihintsy hoe ampy ve ny fitsaboana,naninona no nianjera,sns,fa dia lazaina fa dia lazaina fa asan'antra daholo izao mitranga rehetra izao.
23. jhouhlambout ( 04/06/2004 12:20)
24. nyna ( 08/06/2004 14:03)
Fijo> Andray dia tsy mamaky izay lazaiko mihitsy ve ianao e! zany zavatra lazainao zany dia fomba fisainana diso maivana loatra entin'ireo tsy mandalina tsara akory ny tenin'A/tra!
zaho mino A/tra ary manaiky alahany!
fa @ hoe izay zava- mitranga rehetra noho ny tsy fitandremanao ary mazana atao fanahy iniana entina iantsiana an'A/tra dia hevi-diso.
Tsy izany no tokony ho fomba fisainana raha tena mino marina!
25. nyna ( 08/06/2004 14:08)
inona koa fa maheno atsanga tsy aman'orana be loatra ianareo ka manjary mandika vilana! hitako hoe domage ihany izany ho anareo satria zao!ianareo mandika vilana no manjary mamorona théorie vaovao entina hanoerana ny mpino! ary ny loza dia io hevi-diso io dia avy @ ireo izay mbola tsy naharay marina ny tena hafatr'A/tra fa misafosafo fotsiny ny teniny.


Fijo > librepenseur> eritrereto ihany aloha izay tena fototra hijoroanareo, ary aza dia manao vava tsy ambina loatra fa sao lahy anenenana!
Conseil @ maha- mpinamana no ilazako izany ary tsy manome tsiny anareo aho raha toa ianareo ka misaina toy izao satria tsy mazava aminareo marina ny tena philosophien'A/tra!
26. librepenseur ( 09/06/2004 08:06)
nyna>
io ilay lazaiko fa samy hafa hoy aho ny A/tra chrétien sy ny namorona izao tontolo izao.

27. librepenseur ( 09/06/2004 08:15)
ari.malala>
ilay intelligence resahinao dia efa ampy hitondranao ny fiainanao. nature humaine io ary izay no hihavahany amin'ny biby.

avy aiza ny intelligence hoy ianao ? tahaka ny manontany ianao hoe: inona ny ao avaratry ny pôle nord ?

28. nyna ( 09/06/2004 09:57)
fa maninona ianao no miteny hoe samy hafa ny A/tra chrétien sy ny namorona izao tontolo izao? mitovy ihany ireo !iray ihany no mpamorona sy ny inoako
29. librepenseur ( 09/06/2004 10:00)
ari.malala>
ilay intelligence resahinao dia efa ampy hitondranao ny fiainanao. nature humaine io ary izay no hihavahany amin\'ny biby.

avy aiza ny intelligence hoy ianao ? tahaka ny manontany ianao hoe: inona ny ao avaratry ny pôle nord ?

30. chipie1 ( 09/06/2004 10:46)
31. fijo ( 11/06/2004 00:55)
nyna an;amin'ny mpino dia antra telo izay iray.zanaka fanahy ary ray.izay tsy mitombona ary io no antony nanenjehan'ny jiosy an'i rajesosy.
32. nyna ( 11/06/2004 16:16)
fijo> aoana no ilazanao fa tsy mitombona io?
tantarao ary ny théori-nao fa mihaino aho !!!
33. jhouhlambout ( 11/06/2004 16:40)
Zà koa mihaino fa alefaso ary
34. fijo ( 16/06/2004 04:34)
mba manomeza fanazavana ahafahana milaza fa ny zavatra iray dia sady ray no zanaka.tadiavo daholo izao fanazavana rehetra izao fa tsy ahita ianao,hafatsy hoe angaha satria izy antra.izay ilay hoe minoa fotsiny ihany.ka raha izay dia minoa koa an'i landivola sy polisy.
35. fijo ( 16/06/2004 04:37)
mba meteza moa ianareo eo amin'ny toeran'ireo olona niara niaina tamin'i jesosy e.olona hitanao ny naha zaza azy.ny nahaterahany,ny ditrany sns dia avy eo hilaza amiano fa izy dia zanak'antra.
mba meteza amin'io toerana io dia alefaso ny saina.hino ve ianao izao raha hilazako fa za anie ka zanaka fanahy e.mino ve nareo?
36. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:31)
taty etazonia koa vao hitako t@ tele androany dia nisy dokotera tara tamina patient ny de maty ilay ramatoa dia notehiriziny ny fatiny dia vitany mihitsy ny nanolo ny taovam... p @ plastika sy savoka dia anaovany ilay maty .. soloiny savoka izay faritra efa lo @ ilay razana..
Ny mahagaga dia hitan'ny p[olisy ny nataony dia nalaina taminy ilay maty ary nalevina sy nafenina natao tsy fantany,,
fa herinandro taty aoriana dia tafaveriny tao an-tranony.. dia araka ny filazany dia hoe ilay maty hono no nanoro azy hoe ary aho fa alaivo
37. fijo ( 16/06/2004 22:23)
tsy mino izany aho,fa mety nisy nanoro na nisy nanampy azy tao.
38. nyna ( 17/06/2004 16:14)
fijo> ianao afaka tsy resy lahatra pour l'instant satria zaho koa tsy dia tena convainquante tsara angamba, fa ny fahalalanao an'i JK no mbola tsy ampy ka mampahatonga anao hiteny hoe : (ny olona izay nahita ny fahazazany sy ny ditrany,....)
Fa angaha ianao kay efa nahita tao @ baiboly hoe mba naditra Izy, mba lazao ahy kely hoe zany itrany izany? izao mantsy milaza @ mpianatro fa izy dia zaza tsy naditra, mpakato ny rainy sy ny reniny, nanao izay sitrapon'Atra rehetra)
Azoko tsara ny zavatra tianao ho dohifina fa izao milaza aminao fa ny fahalalanao azy no tsy ampy tsara! ary io fahalalana io dia ilana ambaratonga mora andraisanao sy anekenao izay ambara aminao!

izany hoe izaho tsy te hidoika anao na hampianatra zavatra vaovao anao satria ianao dia ho contrarier foana! tsy izay nefa ny tanjona!
39. methode ( 17/06/2004 23:04)
Namaky ny resaka hatramin’ny voalohany aho ka hatramin’ny farany dia hitako fa mitady ho resaka apologetika ilay izy izany hoe fanohanana ny heviny fotsiny amin’ny finoany!! Ny marina dia tsy mazava amin’ny ankamaroany ny atao hoe mivavaka, ary hitako hoe anisany tsy mampandroso ny kristianina sy ny finoana io! Faharoa dia tsy mbola ampy ny fandinihana ny foto-pinoana momba ny fitsanganana amin’ny maty!!
Ny voalohany aloha ny mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra, ka raha miresaka izany dia misy ny manontany, misy ny mamaly ary misy ny fotoana andinihana, dia misy ny fotoana hakana ny tsoa-kevitra hoe izao izany no tiany ho lazaina! Ka raha mivavaka izany dia tsy hoe mangataka fotsiny fa tena manontany an’Andriamanitra ny zavatra ilainao vaha olana, dia mamaly izy, ka ianao no mamantatra hoe oviana izy no namaly ary inona no valinteniny! Mety ho eo no ho eo amin’ny alalan’ny conscience na intelligence, mety ho amin’ny alalan’ny zava-boary na olona manodidina, mety ho amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, misy zavatra marobe azony itenenana. Ny hamantarana azy fotsiny dia hoe izay mahasoa anao ka tsapanao sady mahasoa ny manodidina dia avy amin’Andriamanitra izay.
40. methode ( 17/06/2004 23:05)
Momba amin’ny fitsanganana amin’ny maty indray dia tsotra kely: I Jesoa na Jesosy no modely alain’ny Kristianina tahaka, ka raha tena mino ny olona fa Zanak’Andriamanitra marina io, tonga olombelona, maty sy nalevina ary nitsangan-ko velona (vatana nofo aman-dra sy taolana, fanahy sns), ary niakatra any an-danitra (vatana sy fanahy) dia mitovy amin’io koa no antenain’ny Kristianina amin’ny fitsanganan’ny maty any aoriana any. Raha misy tsy inoana ny fampianarana na ny zavatra nataon’i rangahy io dia tsy matoky azy izany ary dia tsy mino azy, ka tokony tsy ho Kristianina ianao amin’izay fotoana izay!! Fa raha mino ianao fa tena nitsangana marina izy dia izay fiainany taorian’ny fahafatesany no iainan’ny olona koa aorian’ny fahafatesana! Ny nomarihiny fotsiny aloha dia tsy misy intsony ny mpampaka-bady e! Izany hoe efa misy fahasamihafana ny amin’izao izany (Izy raha teo moa tsy nanam-bady koa)! Fomba iray nataon’Andriamanitra hitohizan’ny taranak’olombelona fotsiny ny fanambadiana ka rehefa tsy ilaina intsony fa mitsangana daholo ny maty dia tsy misy ilana ny fanambadiana intsony izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1939