ny fitsanganana @ maty

81. methode ( 17/07/2004 00:43)
librepenseur> Mba omeo ohatra amin'ny anaran'olona hitanao nitsangana hoe izaho fa mba te-hahafantatra!! Fa ny tena betsaka manohana sy manaporofo aloha dia io Jesoa na Jesosy io e!!
82. nyna ( 17/07/2004 15:29)
methode> ekena!
83. librepenseur ( 22/07/2004 07:39)
methode> ka olona tsy fantatrao anie na holazaiko aza e ! raha hiteny aho hoe olona fantatro ilay izy mety tsy hino ianao satria sady tsy nivoaka tamin'ny fampahalalam-baovao no tsy nivavahana sy tsy notompoina.

jereo ny sujet hafa ato fa misy fitenenana mikasika ny olona nitsangana tamin'ny maty.

ambonin'izany, ry Bouddha, krishna, Thor, sns leader n'ny religion hafa ireny dia saiky nolazaina fa nitsangana tamin'ny maty daholo. araka ny fantatro io fa tsy izaho no namorona ka izay no tsy hitompoako teny fantatra fa olona 1 antsoina hoe Jesosy ihany no nitsangana tamin'ny maty.
84. methode ( 27/07/2004 23:01)
librepenseur> raha ohatra honohono fotsiny dia efa naheno marobe aho ary havana akaiky no mitantara saingy hatramin\'izao mbola tsy nisy hitako, ary tsy misy tena sahy mijoro ho vavovombelona fa momba ny finoana kristianina kosa dia misy vavolombelona sahy nijoro hatramin\'ny nahafoy ny ainy aza!!
Fa ny zava-dehibe amin\'io dia ny finoana!! Raha mino ianao fa tsy nisy ny fitsanganany tamin\'ny maty, dia anao izay!! Raha tsy misy ny fiainana aorian\'ny fahafatesana dia tsy misy ilana ny finoana fa fandaniana andro fotsiny!! Fa hoan\'ireo izay mino dia mbola manantena fiainana tsaratsara kokoa noho izao izy!!
85. nyna ( 29/07/2004 12:49)
methode> ekena!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009