ny tokony hatao

1. hendry ( 28/05/2004 07:08)
Tsy dia mba misy taranja loatra ianarana ny fihetsika sy ny tokony atao rehefa ankavoriana na imason´olona.
Ohatra: rehefa @ reny cocktail reny hono dia ny tanana havia foana no tokony hitazona ny vera mba hampahalalaka ny tanana havanana raha misy miarahaba anao.
Samia milaza zay fantany
novalian'i kitjo ny 03/07/2004 03:31
2. jhouhlambout ( 28/05/2004 07:42)
Rehefa mi-inviter vehivavy @ retso hono dia omena place ahitan'ny olona azy izy, fa tsy apetrapetraka amin'izay tiana!
3. booboo ( 28/05/2004 08:01)
rehefa misotro raha dé tsy ampanenona ilay trohana beeeeeeeeeeeeee ireny !
4. ravatorano ( 28/05/2004 08:56)
tandremo ny mitsamitsamika any
raha misy mampidina rano , divay , labiera na toaka ny veranao dia fadio ny miteny hoe ataovy kely ihany na aok izay fa teneno fotsiny hoe misaotra dia avy hatrany izy dia mijanona .
5. ari.malala ( 28/05/2004 09:00)
Rehefa mampidina labiera na champagne na zavatra gazeux ny serveur dia somary atongilano ny vare @ zay tsy mihoatra na mandroatra aza, ary raha ianao no mampidina dia somary ahodino ny tavohangy rehefa hijanona d tsy misy an'ilay manorika kely @ sisin-tavihangy iny.
6. samoina ( 28/05/2004 13:15)
rehefa handroso divay de vohaina eo imaso ny tavoahangy, asiana kely fotsiny aloha ny veran'oul mba hanandramany azy. De rehefa mankasitraka @ fihetsiky ny lohany sy ny masony izy 'zay vao tena hampidinina
7. hendry ( 28/05/2004 14:47)
Naheno aho fa rehefa manomboka dessert hono dia tsy tokony hisotro divay ntsony nefa raha mandinika dia toa betsaka ihany ny olona mbola misotro divay mandritra ny aorian´ny dessert. Iza no marina?
8. iraivo ( 28/05/2004 14:58)
Raha divay heverinao ho lafo vidy sy tsara no naroso ho ano, dia aleo tamperina izay nekenao ho aroso ho anao anaty vera (raha tsy mamo aloaha ianao) , izay vao manomboka mikitika ilay dessert ...

Raha tsy izany dia toa tsy nankafy loatra ianao. (Azonao atao ny mandrara izay mampidina divay tsy anome be loatra raha toa tsy dia azoazo)
9. samoina ( 28/05/2004 14:59)
Raha sakafo misy fromazy sy voankazo, tsy tokony hiverina fromazy intsony refa niditra nihinam-boankazo. Toy izany koa ny divay, tokony nijanona teo @ fromazy ny fisotroana azy farany !
Rehefa vita ny fisakafoanana vô mety hisy "digestif" misy alikôla na kafe azo atao .Karazan-diva hafa mihintsy io fa tsy ilay naroso nandritry ny sakafo ( Vin grec na koa maromby ohatra )
10. nikopol ( 28/05/2004 16:02)
Ny mandrezatra eo ampinanana tsy azo atao. Ny mandefa rivotra mipoaka koa ( lay tsisy feo tsy maninona fa azo hiafiana).
Ny manoaka na misikotra orona koa tsy mety.

Rehefa mangataka zavatra dia miteny hoe "azafady" (ohatra : mba Omeo Rano azafady).
Rehefa misy manome zavatra dia miteny hoe "misaotra" (ohatra : misaotra ngahy naotra).

Rehefa vita ny sakafo dia miteny hoe "tsara" na inona na inona narosony teo.

Raha misy mi-inviter dia mitondra voninkazo an'ilay madama (na ilay mi-jouer ny rôlen'ni madama raha couple homo ilay izy). Ilay Ramose dia hitondrana divay.

Ny zanak'ireo olona ireo lazaina hoe "tsara taiza be", dia ilay sarin'izy mivady eo amin'ny salon lazaina hoe " ary tsy niova mihintsy ianareo mivady fa mbola tanaora foana".

Ny fosafosa rehetra rehefa vita ny sakafo ka tsy eo ny tompotrano, izay vao azo atomboka.

Rehefa manao veloma dia milaza hoe " rahoviana ianareo no ho any aminay? "

11. nala ( 28/05/2004 17:58)
Tena namana mitsy nareo reto ! tena ohatr'izany mitsy no tokony resahina ato
12. chipie1 ( 28/05/2004 17:59)
rehefa misakafo de eo ambony latabatra ny tanana anankiroa fa tsy oe ny iray ary am fé ohatra...
13. nikopol ( 28/05/2004 20:01)
Ny mijery maharitra ny faritra misy ny seksan'ny vadin'ilay olona mi-inviter anao koa hono tsy azo atao.

Marina mihintsy ny an'i Chipie1, ny tanana roa dia eo ambony latabatra fa sao ny iray ao ambonin'ny fen'ilay tompotrano.

Rehefa miresaka koa dia mijery amin'ny maso an'ilay olona resahina.

Dia avela hiteny daholo ny olona rehetra. Mifandimby amin'ny fitenenana sao lasa variana mitantara ny fiakaran'ny euro dia tsy mamela ny hafa hiteny.

Rehefa hita hoe manampaniriana ny hatory ny hafa dia malala mangata-dalana mody.
14. ikaretsaka ( 28/05/2004 21:12)
ilay mandefa tivotar ys mipoak ano mba asiako tsind\impeo.. rehefa tsy tana dia alefaso fa ilay "teriterena vao manga feo" no tena ratsy
15. yonikafopl ( 29/05/2004 01:28)
ikaretsaka hi hi hi hi ka raha mipoaka mameno trano njay de ahoana!
rehefa mahatsiaro hanao io dia aleo tonga dia mitsangana fa raha mitangana tsy dia mafy loatra hono ny fanenony.
16. hery ( 29/05/2004 05:42)
Azo arahana ny Alphabet rehefa vita ny sakafo.

Fromage
Fruits
Gateaux
Yaourt
Zay tsy lany
17. hery ( 29/05/2004 05:43)
Raha misy karazany maro ny vera, dia ilay lehibe indrindra no asiana rano (?)
Raha mamay ny sakafo dia tsy tsofina.
Aza dia aforiporitra be loatra ilay serviette de table.

Rehefa mi-servi oul dé ankavanana sa ankavia?
18. booboo ( 29/05/2004 11:50)
mahitsy tsara rehefa mikaly fa tsy miondrika ao @ vilia ka mivokona ny lamosina, dé tsy ahetsiketsika ny tongotra na ny lohalika
19. chipie1 ( 31/05/2004 12:29)
ilay mikiky taolana sy milelatanana kou tsy azo hatao !!!
20. voninkazokely ( 31/05/2004 12:58)
Dia tsy mikôkakôka vilia ihany koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2943