ny tokony hatao

21. ftma ( 31/05/2004 16:13)
rehefa mihinana yaourt, aza lelafina ilay sarony iny fa alaivo @ sotrokely.
Raha asain'ny olona tsy mivavaka alohan'ny hisakafo, ataovy mangina ny vavakao.
Raha sendra makany Japon na manasa japonais, aza hadino ny servieta mafana hamafana tanana.
raha misy mahalala, misy karazany firy ny antsy ampiasaina mba teneno aho e
22. fijo ( 01/06/2004 00:12)
misy boky momba an'io fa anontanio any amin'ny FNAC
23. angie ( 01/06/2004 08:28)
Rehefa misakafo @ resto ka be dia be ny couvert eo dia tsy maintsy manomboka @ any ivelany indrindra.

Ny vera lhbe dia ho an'ny rano.

Tandremo ry namana lay misikotra nify eo imason'olona fa tena mampandoa.

Ny tanana roa eo ambony latabatra fa tsy ny kiho no atehina.

manao fakan'olon-kendry raha self lay izy fa tsy manao fakan'ny oul matahotry ny tsy ho voky.

Noana aho ry zareo a.
24. hendry ( 01/06/2004 12:19)
valim-panontaniana:
hery: ankavian´ilay olona ny fanolorana sakafo.
ftma: roa ny fantatro: antsy normal dia antsy ho an´ny trondro.

O ry reto a, mila miatsara ivelatsihy be zany rehefa asaina koa, toa tsy voako loatra.
25. booboo ( 01/06/2004 17:50)
hendry> hihihi. miaritra kely dé portée ouz ny mpakafy bôlina lavalava !
26. fijo ( 01/06/2004 23:57)
hendry asa izay diso fa ny fantatro dia avy eo ankavanana no fandrosoana sakafo.satria ny vera dia eo ankavananao foana ka raha avy eo ankavia no mandroso diavy dia handika ilay olona ianao.
27. ikaretsaka ( 02/06/2004 00:51)
ary ahoana indray ny atao rehefa any @ vary mitsangana ry reto?
28. rfanjav ( 02/06/2004 08:59)
Ilay "savoir-vivre" lazainareo toa ohatra ny ho an'ny any ivelany sy ho an'ny fanasana ngetroka be ihany,

raha aty aminay tsy misy raha tsy vera iray zany ohatra d ahoana ? nefa ohatra ianao sady te hisotro divay no te hisotro coca !

d rehefa mihinana sakafo misy taolana toy ny akoho zany ohatra d tsy mahazo mandray an'iny @ tanana mihitsy ?

Tsy tokony asiana manière b le izy fa arakaraky ny olona manasa anao, sy ny toerana misy anao ihany io !
29. tsilan ( 02/06/2004 12:10)
Aty aminay dia izao no fomba :
Velarina ny lambanana kely iray, Tsy azo atao eo ny tongotra
Apetraka ny ampondra hazo lehibe feno managahazo na vary
Asiana sotro dimy na roambinifolo arakaraka ny habeny
Dia mihinana ka ny lehibe no mandrapaka aloha vao mandramby ny rehetra.
Rehefa te-hisotro rano dia misy finga feno rano, na voatavo feno rano eo akaiky eo. Ka mila manontany ny lehibe vao mahazo misotro.
Ny mpandroso sakafo dia mikopaka ny lalitra sy mba mampangatsiatsiaka ny mpihinana.
Izay aloha eh
30. booboo ( 02/06/2004 13:01)
rfanjav> ekena !
31. ikaretsaka ( 02/06/2004 14:02)
ka io ange ilay anontaniako hoe ho anay mpilako vary mitsangana dia ahoana ny atao (manampy ny an'i fanja)
32. ikaretsaka ( 02/06/2004 14:04)
ka io ange ilay anontaniako hoe ho anay mpilako vary mitsangana dia ahoana ny atao (manampy ny an'i fanja)
33. peluche ( 02/06/2004 14:17)
Arakarak'ilay fomba any amin'ilay olona sy fomba any @'ilay tany handehananao.
Raha ny ankabezany eto zao dia ilay fomban'ny "occidental",fa raha mandeha any @ asiatika,afriakanina,arabo de hafa koa..
34. ftma ( 03/06/2004 20:47)
ramaso antsy ampiasaina @ sakafo no tiko ho fantatra.
raha misakafo any @ aziatika (Japon) ny fomba fipetrakin' ny lahy sy vavy tsy mitovy, ny vehivavy madoalika, ny lehilahy mipetraka fa mifampiditra ny tongotra, tsy sotro fa hazokely no hinanan-kanina, raha tsy mahay mampiasa ilay hazokely, mangata sotro fa maty noana eo!!!!!
35. fijo ( 03/06/2004 22:48)
marina fa tsy hampiasa an'io fahalalam pomba vahiny io daholo isika isan'andro,fa ataoko fa trara ihany koa ny mahalala azy,mba tsy ho sanganehana rehefa tonga izay andro iray tsy maintsy hanehoana azy.
36. rfanjav ( 04/06/2004 07:00)
Rehefa tonga ilay andro iray, araka ny filazan'i Fijo azy, d mba mangala-tahaka moramora an'izay eo akaiky eo na izay manasa anao e ! hi hi hi
37. chipie1 ( 04/06/2004 08:35)
ilaina iany ny mahay anilay fombafomba alou , fa tsy oe refa eo vao mangalatahaka raha amiko alou...
38. ftma ( 04/06/2004 10:54)
rfanjav aleo tonga dia fantarina aloha fa ilay olona eo akaiky mety tsy mahay koa dia menatra eo
39. booboo ( 04/06/2004 13:34)
dé tsy miteny rehefa misy raha any am-bava, dé rehefa mitsako dé tsy sokafana ny vava
40. hendry ( 04/06/2004 18:26)
rfanjav> tsy mety ilay mangala-tahaka fotsiny fa tsara ny mahafantatra mialoha, ohatra iray: t@ kongresy lehibe, misy ireny rano asiana voasary makirana kely reny natao hanasana tanana, tsy nahalala ilay afrikanina fa avy dia nisotro ilay rano, nihomehezan´ny olona fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0015