Viol

1. jhouhlambout ( 26/01/2004 20:43)
Inona ary no mba ataonareo vehivavy raha toa ka Bevohoka tao aoriana Viol?
novalian'i pitchou ny 03/04/2004 14:17
2. xxx ( 26/01/2004 13:27)
Beaziko ny zanako
3. jhouhlambout ( 26/01/2004 13:54)
Ary ny Fiaraha monina?
4. ikaretsaka ( 26/01/2004 13:55)
manao test ADN de tadiavina ny rainy
5. jhouhlambout ( 26/01/2004 14:22)
Dé migadra lery refa hita satria violeur
6. donemaskit ( 26/01/2004 15:54)
test d'ADN any Dago ?!
7. fijo ( 26/01/2004 19:17)
azo atao ny mangataka test ADN any mada saingy lafo satria aty no atao ilay izy,ny tsara raha ny hevitro dia esorina raha vao hay hoe bikina ny tena
8. ravatorano ( 27/01/2004 18:22)
raha ny nahazo ny vehivavy serbe tamin'ireny viol en série tamin'ny ady antrano tany ireny no jerena dia tena mampalaelo tokoa.
Bevohoka nohon'ny vio ny vevavy ary terraka taty aoriana.Tsy fidiny anazy izany ary dia nianjera tany amin'ilay zaza mena avokoa ny rihitra.
Tao ny nanary izany avy hatrany raha vao latsaka ; tao ny niezaka nitaiza azy ihany saingy "naloany" rehefa ela ny ela ;tao moa ny sahy namono ny zaza vao teraka mihitsy.Tena henjana be é !
Ilay hevitr'i fijo teo nefa no tsaratsara saingy tsy afa anoatra ry zareo asa na ny dokotera mihitsy no tsy nanao izany na tsisy mpitsabo afaka nanao izany na ny fanafody no tsisy satria ny tany ma dia niady.
9. hery ( 27/01/2004 10:53)
Problème moral be mihitsy io.
Raha vao niforona ilay zaza dia olona manana ny avenir-ny sahady. Zà tsy hiditra amin'ny resaka hoe ara-pivavahana... fa raisiko amin'io hoe manana avenir io... dikan'izany dia efa olona io ka ny famonoana azy dia famonoana olona.
Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe afaka mamono olona ve rehefa amin'ny tany miady? (ny miaramila ohatra). Afaka mamono olona ve rehefa @ fiarovantena ? (self défense) Afaka mamono olona ve rehefa fantatra fa mijaly na hijay ilay olona (euthanasie)...
Rehefa voavaly daholo ireo izay vao azo eritreretina hoe atao ahoana ilay zaza.
Mandra-pitafa e.
10. pitchou ( 27/01/2004 14:06)
misy izay zavatra tokony ho dinihina ihany anefa ry Hery! terena v izany ilay vhv hizaka ny hadalan'ny hafa? ny nahazo ny tenany manokana aza tsy ho zakan'ny sainy? pluis qu'une atteinte ophysique tena famonoana ara-tsaina sy ara-panahy ny vhv ny viol! ny lalana mipetraka d manao tsinotsinona io zavatra io, satria mitaky taratasy mazava manaporofo fa violée ilay vhv! alaivo sary an-tsaina ny anabavinbao na ny zanakao vavy misy manao an'izany d eritrereto hoe hanana herin-tsaina akory v izy juste après ny ni-violer-na azy hitady dokotera? raha mahazo taratasy fanamarinana any @ dokotera aza izy d tsy maintsy ahafahana ilay lhl nanao an'izany!
noho izany aza miditra @ izay fanalana zaza nareo lhl fa tsy fantatrareo ny conséquence n'izany atao hoe viol!
11. pitchou ( 27/01/2004 17:44)
miala tsiny @ izay mety ho choqués @ zany aho fa raha misy fahadisoana tsy raharahaina eto mada d io resaka io! ilaina atao inona moa ny test ADN? mahafaka ny traumatisme nanjo ilay vhv v izany, indrindra fa raha terena izy hizaka an'iny, hampahatsiaro azy isan'andro maraina atoandro hariva mandritra ny 9 volana ny zavatra natao azy? mbola misy aza eto ho sahy milaza fa izy no nitady ... asa ireny zazakely tsy mahafantatra ny momba an'izany ireny nefa violés na nitady koa na tsia?
12. ikaretsaka ( 27/01/2004 17:51)
au moins aloha mba tratra ny rainy koa
13. fijo ( 28/01/2004 20:52)
ekeko daholo mihintsy iry fandinihana nataon'i hery iry,saingy ny viol dia misy herisetra.izany hoe tsy nisy fanekena teo amin'ny roa tonta nanao ilay zaza.koa aoka mba tsy hampijaliana ilay niharan'ny herisetra,ary dia hampiarina ny an'ny dokotera hoe,"raha misy olana eo ampiterahana,dia ny reniny aloha vao ny zaza"
14. donemaskit ( 28/01/2004 10:49)
Zay nge lay teniko e : aleo tsy tsitsitsitsiana intsony, ampiharina ny condamnation à mort.
Heritrereto fa teny Antanimena, t@ herintaona izy zay, nisy bandy 2 lahy teo @ 13 ans teo (classe de 5è) nanolana ny sipa niara-nianatra taminy.
Be loatra koa ny sexe haseho na tv, na boky, na net... ka aiza moa no tsy hirona @reny ihany ny tanora.
15. fijo ( 28/01/2004 16:43)
mila fampianarana koa izany,fa tsy avy dia gidragidra be.ny famonoana hofaty anie ka tsy manafoana azy e.
16. donemaskit ( 28/01/2004 20:06)
Aleo prison à vie ary e.

Raha ho famaliana an'ilay fanontaniana aloha dia io an'i xxxxxx io no hitako hendry indrindra.
17. pitchou ( 28/01/2004 13:55)
ikaretsaka a! tsy hitondra inona eo @ fiainan'ilay vhv ny hahafantatra izay rain'ilay zaza satria viol ilay izy! avelao ilay vhv hanana safidy malalaka na hitazona na tsia ilay zaza! hafa ny any @ firenena hafa sahala @ Tazonia tena sazy enjana mihitsy no ampiharina @ olona nahavita izany, fa ny eto Dago ny anafahana madiodio ilay nahavita izany no katsahina! raha tiana ho foana na hihena io zavatra io, ny fanamelohana farany enjana araka ny lazain'i Done no tokony ampiharina, ary tsy présomption d'innocence no hitondrana azy fa présomption de culpabilité!
18. pitchou ( 28/01/2004 14:01)
fijo> tsy tokony hiandry ny any ampiterahana mihitsy izany zavatra izany. surtout fa tsy olona afaka hiteraka ihany no ihanaran'izany. mba azonao an-tsaina moa izany hoe ankizy kely 5 taona no nisy lehilahy lehibe nanolana, 6 mois no nitsaboana azy fa ny verdict d tsy misy na inona na inona intsony azo antenaina ny an'ilay zaza fa potika tanteraka ny appareil génital-ny iray manontolo, ary nisy fiantraikany t@ taovany hafa? d etsy an-kilany ny verdict ny tribunal afahana madiodio ilay rangahy fa "toa hoe" mamo ka tsy tompon'ny tenany? tsy cas isolé io fa cas courant! d mbola amporisihina ihany izany ?
19. fijo ( 28/01/2004 19:35)
pitchou,tsy azonao ny tiako lazaina,izaho tsy miteny hoe andrasana eo ampiterahana,fa principe eo am piterahana.amiko dia tokony tsy tazomina ilay zaza raha tsy te hitana azy ilay vehivavy.
ary iry hoe mamo dia navotsitra ilay nanolana,mbola tsy nahita toa izany aho,satria ny hamamoana dia tsy manafoana ny fahadisoana.mamo eny an dalambe aza anie efa delit e.fa misy tsy mazava tao.
izaho dia pour ny sazy henjana momba an'ireny.
20. pitchou ( 30/01/2004 16:02)
principe iray eo @ fitsarana anafahana na hanalefahana ny sazy ho an'ny olona iray d ny fanaporofoana fa tsy tompon'ny tenany izy t@ io andro io! zary lasa fahazarana aza ny mandefa azy any @ psy anamarinana fa tsy normal kely na nisy perturbation na folie "passagère"! maika fa ny eto mada !!!! tsoriko aminao fa betsaka ny trangan-javatra efa hitako fa ny nahita io zaza io sy ny reniny teny @ hopitaly no tena ni-marquer ahy indrindra! ilay rainy moa d tena saika lasa adala fa nakapokapony t@ rindrina ny lohany! ireo dokotera nitsabo no nampiakatra io raharaha io teny @ fitsarana fa ny RAD moa tsy nisy azo noraisina intsony nahita ilay zanany. d izay ihany no valiny! d mazava ho azy fa izay no miditra any @ jurisprudence! minoa ahy ianao fa raha novonoin'ny olona io rangahy nanolana io d ho nigadra mandra-pahafatiny izay namono azy! amiko raha te-hanova zavtra mikasika io viol io d avy hatrany d présomption de culpabilité na inona antony na inona! ary @ cas otran'ireny aho no mi-réaliser hoe ilaina ihany ny peine de mort!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.919