Hirampiangonana

1. ikaretsaka ( 21/01/2004 16:07)
manao ahoana daholo.
Angamba maro amintsika no nahatsapa ny fiovana eo amin'ny hiram-piangonan ana ara-gadona io na ara-tononkira, na ara-javamaneno. Efa manomboka miala tsikelikely amin'ilay nataon'ny mpanjaka fahiny hoe "hiram-bazaha"
ny hiram-pivavahana ankehitriny.

Misy fiantrainkany maro io: tsy hoe ara-pivavahana sy finoana ihany fa ara-kolontsaina sy fiaraha monina ihany koa
Ny amin'ny katolika dia fahita matetika matetika ( ary efa elaela ihany) any ambanivohitra lavitra any dia ny fiainan'ireo olona no ataony an-kira ( hita amin'ny Zafindraony, Ankalazao ..) ary ny ban-kira any amin'ny faritra misy azy any.
Ny amin'ny Protestanta dia efa misy izoa ny Fihirana fanampiny
Ny any ampiangonana koa dia efa niova ny zava-maneno mpanaraka ny hira... tsy voatery ho orga na harmonia intsony fa efa mandeha ny kipantsona isankarazany sy ny aponga ammam-balihy ary gitara, tehaka... ary ny zava-maneno maoderina aza.
Fiderana Azy amim-balihy sy sodina hono... nefa koa amiko ohatran'ny mampiseho ilay kolon-tsaina maha Malagasy mahay mandray roa sy "mpikarataka" io.. sa ahoana ny hevitrareo?
2. naritsimba ( 22/01/2004 16:50)
Salama daholo eh!
Ny momba ny hiram-piangonana dia izao kosa no hevitro.Ny fiangonana misy anay izao izay tsy ho tononiko eto dia sady mitehaka, no mandihy(FJKM) io, manaraka ny tena fomba malagasy nefa koa manaja ny voalaza ao @ Baiboly.Mba vakio ny ao @ SALAMO 47 sy ny SALAMO 150 dia ho hitanareo fa mahazo mitehaka sy mandihy mampiasa valiha sodina kipantsona sns... rehefa hidera an'Andriamanitra, fa tsy araka ilay fomba mahazatra mihaino fotsiny intsony ao am-piangonana.Koa samia mandinika tsara.
3. ikaretsaka ( 22/01/2004 18:17)
Ary ahoana indray ny ara-tonony ry naritsimba? amin'ny zafindraony manko ohatra dia tsy voatery ho ilay Salamo no atao hira fa misy an'ilay hoe Rajesosy, Ramaria, razozefa, Rapiera, ...
Dia tsy voatery hoe ny salamo na ny evanjely no ataony hira fa ny fiainana andavanandro... Sika niara nisotro... Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony... ny Razantsika hendry...
4. naritsimba ( 22/01/2004 20:18)
Ka ny Baiboly ange r'ikaretsaka ka ny fiainana isan'andro no lazainy eh! fa anjaranao no hankato na tsy hankato izay lazainy.Jereo fotsiny ny mpihira gasy fa tsy maintsy maka teny na hevitra avy @ Soratra Masina mba ho entina ananarana.Tadidio fa Teny fiainana no iantsoana ny Baiboly indraindray.Koa asakasakao ihany io na hisafidy ny Fomba mahazatra na ianao hanao ny reformé.
5. hendry ( 22/01/2004 11:38)
Tsy haiko zany ry reto a. Na mandihy ny mitehaka na mitsilany na matory, tsy hitako zay olana. Io koa anie tsy ny fomba entina mankalaza ao am-piangonana no zava-dehibe fa ny fiainanao ilay mivavaka azy @ fiananao andavanandro e. Ny any am-piangonana dia fanampiny fotsiny ihany, iray andro monja ao anatin´ny fito andro, en général io.
6. ikaretsaka ( 22/01/2004 12:53)
ka ny fanontanina izany dia hoe nisy manampy anaoara-panahy ve ieny hira masina misy tonony sy gadona vaovao miharo kolontsaina malagasy ireny, noho ilay hira izay hiram-piangonna avy amin'ny teny Anglisy taloha nasiana tonony gasy fotsiny sahala amin'ny ankabetsahan'ny hira ao amin'ny fihirana protestanta taloha?
7. samoina ( 23/01/2004 17:57)
Amiko aza ireny gadona zafindraony ireny no manakaiky indrindra ny " fanahy malagasy " e !
Ireny no lovantsika ary tsy maty tao @ gène-ntsika mihintsy. Jereo ohatra ny " Misaora an'i Zanahary". Mihentana mihintsy ny fo sy fanahy isaky ny miredona iny hira iny ny tena. Tsy ny milantolanto ihany akory no mampientana fanahy fa manana ny maha izy azy koa ny antsika izay ezahina haroborobo tokoa ankehitriny
8. ikaretsaka ( 23/01/2004 19:55)
"ary ny mifankatiava eee shika raolombelona "
9. ikaretsaka ( 23/01/2004 19:55)
"ary ny mifankatiava eee shika raolombelona "
10. kally ( 24/01/2004 20:37)
Ia! ia ary no namboatse...izany moa?

Mampazoto ny ankizy hamonjy fiangonana ireny ,ka na dia hihira hananihany ihany aza aloha izy no any dia efa fanombohana izany.
11. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:26)
efa miakatra aloha ny fanahy ko
12. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:38)
ary ilay Hira ohatran'ny kalon'ny fahiny misy beso ireny? ry miantso anao ohatra?
13. kally ( 24/01/2004 20:46)
Indraindray ireny ataon-dry zanak'i Masina Maria mitarazoka be ka manoaka be ny ankizy.
Fa rehefa ao daholo ny lehilahy tsara iny an!
14. ikaretsaka ( 24/01/2004 13:25)
misy kao ange tia an'ilay mitarozaka be iny e
15. kally ( 25/01/2004 11:45)
Ie,rehefa tena zafindraony tsara izy mitarazoka be mahafinaritra ,fa ny lehilahy matetika no toa tena mahay an'io.Asa raha tsikaritrareo fa ny vehivavy katôlika rehefa mihira ataon-dry zareo ambony be ka mikiakiaka be ihany ianao vao mahatakatra azy.
16. ikaretsaka ( 25/01/2004 14:03)
marina io.. fa soa fa misy basse mifangarongaro.. ka lasa mihira mafy ngamba ny hieritreretany azy ko
17. samoina ( 25/01/2004 10:15)
Hainareo moa fa na i Mireille mpihira zafindraony niaraka t@ Tselonina iny aza na efa lasa mpivavaka be , mbola nitazona ilay feony mitarazoka entina hambabo ny "ondry very" ?
18. ikaretsaka ( 25/01/2004 12:53)
izy daholo izany
19. ikaretsaka ( 25/01/2004 16:54)
ny hira no nanainga ny fanahiny ve?
20. samoina ( 25/01/2004 17:08)
eny hono
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4518