Hirampiangonana

21. ikaretsaka ( 26/01/2004 09:34)
sao kosa entiny manainga fanahy?
22. kally ( 26/01/2004 09:46)
Izany hoe ny hira no ningain'ny fanahiny moa ny fanahiny nanainga ny hira?
23. ikaretsaka ( 26/01/2004 10:28)
izay indrindra
24. ikaretsaka ( 26/01/2004 13:55)
ary ahoan aindray ny amin'ny tonony? ilay tonona zafindraony manao hoe razezo sy razozefa sy Ramaria?
25. samoina ( 26/01/2004 20:27)
Ny anarana tanim-boanjo r'Ikaretsaka ka tsy maninona ny fanamboarana atao mba hifanentana amin'ny maha zafindraony azy a ! Tsy maintsy mampiomehy hatrany na mahatohana ny sasany izany amin'ny voalohany fa zatra foana ny sofina avy eo.
26. ikaretsaka ( 26/01/2004 13:44)
fa ammpiakatra fanahy ve ny mihaino an'ireny? satria raha miangona any amin-dry zareo dia izany no heno an! miaraka @ ilay feony
27. samoina ( 26/01/2004 16:49)
Tsy azoko loatra ny fanontanian-dranamana
28. ikaretsaka ( 27/01/2004 09:32)
Raha mandeha any @ ireny Fiangonana any amin'ny tanin'ny zafindraony dia na katolika izao (tsy haiko raha misy zafindraony koa any amin'ny protestant) aza dia hafa mihitsy ny ny hira sy ny fomba fihirany azy. na ara-peo io na ara toniny.
Ny fanontaniana izany dia hoe miakatra ve ny fanahinareo amin;ireny fomba ireny sa ilay "hira n'ny anglisy ao anaty fihirana taloha" ihany vao hoe hirampivavahana?
29. samoina ( 27/01/2004 18:08)
Efa nanome ny hevitro momba io aho ny 23/01 ary ny ohatra noraisiko aza dia ilay hira n°2 fisaorana sady fiderana ao amin'ny fihirana protestanta " Misaora an'i Zanahary ". Miakatra foana ny fanahy rehefa entina tsotra ny fiainana e !
30. ikaretsaka ( 28/01/2004 15:10)
marina io... ary ahoana ny hevitry ny sasany?
31. pitchou ( 28/01/2004 18:14)
ny hira natao hiderana ary tsy misy hoe izao no tokony ho bahan-kiram-pivavahana, fa manaraka ary tokony hanaraka ny toetr'andro, ary misy ny sahaza ny sokajin'olona rehetra! satria tsy misy an'izany hoe ity ny bahan-kira tsara ity ratsy fa arakaraka ny olona io. ny hevitra ampitaina no zava-dehibe ao anatiny. ianao v hanery olona tsy tia afatsy mozika rap hiaritra hihira bahan-kira country ohatra?
32. pitchou ( 28/01/2004 18:18)
io no tonga @ tenin'ilay rangah izay hoe "tianao hamaky ny baiboly ny olona? adikao @ teny fantany d ho mora ho azy ny hamaky azy! ary raha izay aza no hahasarika azy hamaky ny baiboly tsy maninona fa andao adika @ tenim-boto!" misy ny olona tezitra fa raha dinihina d tena marina izany! aiza ko ny sasany @ izao andro mbola mihevitra fa raha tsy @ teny frantsay ny fivavahana d tsy hain'Andriamanitra! d toy izany koa ny hiram-piangonana: tianao havitrika ny olona hihira sy hihaino izay lazain'ny tonokira? ataovy @ bahany mifanaraka aminy ary!
33. samoina ( 29/01/2004 14:30)
marina tokoa izany ra-pitchou ! Ataoko archives mihintsy io valinteny mahafa-po ahy io !
34. pitchou ( 31/01/2004 17:42)
tadidiko fa nisy savoritaka teo @ sehatry ny fiangonana t@ hoe nisy antoko mpihira hono any @ tranopokonolona no hanao antsam-panahy! sy ilay hoe tao @ fiangonana ao ananona hono sahy nitondra batterie rizareo!
35. ikaretsaka ( 02/02/2004 11:04)
ka io tenin'i pitchou io mihitsy no tsiako asiana fanitarankevitra .. hoe 'ilay vokatr' ireny fitondranazava maneno isankarazany ireny eo @ fanatsarana (naha fanaratsiana) ny fivavahana sy ny ambiance ao ampiangonana.. henoko manko fa misy hono ny hoe tsy tokony hasiana ireny zava maeno ireny fa lasa ohatran'ny hoe hijery spectacle fotsiny ny mpiangona rehefa lamesa e... misy fivavahana manafangaro ny hiram-pivavahana amin'ny hira madinika e.. sns tsy voatanisa.. ilay hoe voalaza ho lasa manompo sampy fa mandihy ao amp[iangonana koa az amanginy fotsiny
36. pitchou ( 02/02/2004 20:51)
tokony amporisihana mihitsy ny olona ampiasa izay mety ho fitaovana misy hampîvoarana ny fotoam-pivavahana! toy ny micro ihany io: inona no maharatsy ny anasiana micro any am-piangonana? rehefa feno aza ny fiangonana d asiana bancs eny an-tokotany d afaka manaraka ny fotoam-pivavahana @ écran ny tsy tafiditra ao am-piangonana, de maninona? ary ny zava-maneno tsirairay samy manana ny feony avy, samy ahafahana mitory daholo ko maninona ny sasany no rarana? amiko aloha tena fisainana ampotomoty mihtsy izany manasivanana fitaovana izany!
marina ny tenin'ikaretsaka hoe misy olona tsy manaiky an'izany fa otran'ny hijery spectacle hoe! farafaharatsiny izy mahita ambiance d mi-participer @ la messe fa tsy matory fotsiny mihaino ny litanie monotone be an'i mopera sy pasitera, tsy misy tadidiny akory mivoaka eo! raha tsy hoe angaha d hidongy sehatra irery indray ny mpitondra fivavahana?
37. samoina ( 02/02/2004 12:20)
Raha nanana zava-maneno sy micro harifomba ny olona mpivavaka taloha , mino marimarina aho fa efa nadobodobony eran'ny vazantany 4 izany entiny hiderana ilay Nahary.
Raha manana orgue maneno tsara ve dia mbola handrera-tongotra hamohivohy ilay harmonia efa sempontsempotra iny ?
38. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:12)
hevitrareo ireo... fa misy ange ry reto fa ny orgue @ fiangonana sasany dia tsy maintsy atao any afara (tribune aza) ilay zavamaneno dia izany no nahatonga ireny le orgue a tuyaux be ireny ireny tsy hita mihitsy ny mpitendry azy fa ndrao hono lasa any no jeren'ny olona fa tsy i Pasitera na i mompera. Dia hatramin'izao aza dia misy an'izany hoe amelarana rideaux mihitsy ilay toerana misy ireo mpitendry zava maneno saytria hono manakana ny holona hivavaka!
39. naritsimba ( 03/02/2004 09:53)
salama eh!
Efa nanoratra aho tary aloha fa averiko indray
Vakionareo tsara ny ao amin'ny Baiboly (SALAMO faha 47 sy ny SALAMO faha 150) voalaza ao ny fomba entina midera sy mankalaza an'Andriamanitra.
Koa dia asakasak'izay tsy te-hanaraka fa safidy io eh!
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy io.
Misaotra eh!
40. pitchou ( 06/02/2004 12:35)
ikaretsaka> matahotra angamba ry pasitera sy mopera fa tsy vedety intsony raha izany! na tsy hisy hijery intsony ny rebarebany fa ilay mpitendry sy ny fahaizany no mahasintona ny olona hiangonana kokoa! izy ihany no ho perte eo fa ny olona ange mazoto mandeha miangona izy raha mahafinaritra azy ny any e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5594