Sao ary dia ny ALASAFAY no betsaka ?

1. eliana ( 18/01/2004 17:32)
Manahoana daholo ary e,

Misaotra indrindra aloha tamin'ny famaliana ny loha-hevitra voalohany. Tena mahafinarita ny fandraisana anjara.

Misy hevitra vitsivitsy tia ampitaina anefa ity.

Mety hoe mora mahavita ny asa ireny olona ireny ka mora KARAMA. Sa ahoana hoy ianareo ? Izany hoe ny asa zara fa vita no tsy mampaninona ny mpampiasa na hoe rehefa vita dia zay.

Na hoe : tsy mahafa-po ny mpampiasa ireo zava-bitan'ny manam-pahaizana tena nandalina. Ka raha hanakarama ny manam-pahaizana amin'ny 30.000 FMG ny ora iray izy ohatra dia aleony mijery olona mety hahavita ny asa amin'ny 5.000 na 10.000 FMG ny ora iray. Nefa raha tsy hiasa ve ny nahavita fianarana dia ho aiza no ahita EXPERIENCE. Ny mpampiasa matianina dia mitany hoe 5 taona niasana. Tena mapihomehy anie ilay izy e. Ny olona niasa dimy taona amina orinasa iray dia tsy hiala ao na oviana na oviana ... raha tsy hoe ny lafiny karama angaha no hialany ao.

Ny fahatelo dia ity. Mety ny firenena Malagasy ihany koa no efa tsy manaraka NORME ohatra dia tsy mampaninona ny mampiasa olona tsy manana fahalalana no ampiasaina na hoe omena fiofanana vonjy maika !

Ka tsy tokony ho tohanana ary ve ny havitry ny mpitondra hoe mila averina manaraka ny TOKONY HO IZY ny vahoana malagasy. Mila manaraka NORME ny firenena fao tafavoaka.

toy ny resa-jaza ilay izy fa mampandroso. Ohatra hoe :

rehefa nisotro toaka dia tsy tokony hitondra fiara.
rehefa FEU ROUGE dia mijanona... Raha izany rehetra izany no mitohy dia mila RAVANA TANTERANA ny tanana'Iarivo dia manorina vaovao. Sa hoe aleo itarina any amin'ny tsaratsara kokoa...

Ohatra hoe : ny lalana rehetra eo Iarivo dia tokony ho toy iny Ampefiloha iny daholo.. zany hoe misy taro maromaro indray no arodana.. hahaha ! De ahoana indray izay ???

Omeo ny hevitrareo ary e ...
2. ikaretsaka ( 18/01/2004 19:31)
Raha hanao modernization aloha dia toy izay hoe misy arodana ny sasany e. ny ao Eoropa anie mody hoe Ravan'ny Guerre fa na izany aza nanampy azy koa izany nahafahany nanavao ny tananany e. nahafahany nanavao ny lalAny koa!
Tsy misy Tetika hafa ankoatran'ny fanarahana norme raha te handroso ry Eliana a
3. donemaskit ( 18/01/2004 19:34)
Aleo mihitsy ravàna izay tsy mety/ratsy, raha tsy izany tsy hisy fivoarana mihitsy...
4. kally ( 18/01/2004 19:36)
Marina daholo izany ry Ikaretsaka sy Eliana,ary izany rehetra izany mila vola.Nefa tsapa fa misy lesoka be mihitsy ny famorian-ketra ahoana ny azo atao?
5. kally ( 18/01/2004 19:37)
Marina daholo izany ry Ikaretsaka sy Eliana,ary izany rehetra izany mila vola.Nefa tsapa fa misy lesoka be mihitsy ny famorian-ketra ahoana ny azo atao?
6. hery ( 19/01/2004 20:39)
Tsy afaka hampitaha ny firenena malagasy ami\'nny firenena eoropeana aloha isika.

Ny firenena afrikana hafa jerena dia jereo hoe nanao ahoana ny fomba fivoarany.

Raha resaka tsy fanarahana norme dia io no tena olana. Raha resaka corruption ohatra dia anisan\'ny lohalaharana ny Keniana, kanefa aiza izy amin\'izao? Izany hoe raha ny infrastructure ao amin\'ny tanana no jerena dia lasa lavitra mihitsy. Satria izy tokoa manao forcing amin\'ny fanarahana norme... na dia lasa dictature kely aza. Dictature hita hoe misy vokany anefa fa tsy hampanankarena ny mpitondra fotsiny...

Mbola hitohy
7. ikaretsaka ( 19/01/2004 11:42)
ka tsy fanarahana norme ange ry hery ilay corruption e. te tsy hanara dalana aho dia tsolorako ny mpanao lalana dia lasa manaiky ny tsy fanarahako lalana.fa Raha dictature hampandroso vahoaka anie tsy maninona miihitsy e
8. ikaretsaka ( 19/01/2004 11:43)
Andrianapoinimerina anie raha zohina ny tantara dia nanao dictature ihany e.. nefa nampandroso vahoaka
9. shadow ( 19/01/2004 17:43)
Ilaina ny dictature raha mampandroso fa misy anie mano dictat mba ho @ tombontsohany fotsiny eh!
10. donemaskit ( 19/01/2004 19:16)
Raha ny fisehoan-javatra ankehitriny dia mila tarihina mihitsy ny vahoaka vao hisy zavatra hiova eo. Rehefa azo lazaina fa "namokatra" izay vao avela samy manao ny azy amizay...
11. rasta ( 19/01/2004 20:10)
Eny ary ee. Azo lazaina fa marina daholo ny voalazanareo, saingy ny ahy fotsy dia izao. Ahoana indray zany ilay hoe mahaizy azy ny faritra iray. Ny tiako ho tenenina dia ny patrimoine malagasy. Misy mantsy faritra tokony tsy azo hovana akory. Amiko ny fandrosoana eto madagasikara dia tsy misy hafa tsy ny famerenana ny foto-pisainana tena malagasy fa tsy ny an'ny firenen-kafa foana no lazaina afa tsara nefa hita fa nanimba; ary maka ny heverina fa tsara avy amin'ny firenena mandroso.
12. ikaretsaka ( 19/01/2004 13:00)
Misy dia misy tokao rasta an. Jereo ohatra i Brooklyn na i Harlem fa fantatra foana ny lazany na no moderniser-na be aza ny tanana . Tsara ilay famerenana ny foto pisainana hoe miverina any amin'ny maha malagasy, fa ataoko angamba fa tsaratsara kokoa ilay sady mandray ny maoderina no mitazona ilay maha malagasy
13. donemaskit ( 19/01/2004 16:24)
Ny hevitro dia manao synthèse-n'ilay Gasy - Occidentaux, satria raha vazaha loatra dia - araka ny tenin'i Rasta - manimba ny maha olona; raha Gasy be loatra ndray dia tsy hisy fivoarana/modernité mihitsy.

Ary inona moa no tiana tenenina @ hoe foto-pisainana malagasy?
14. ikaretsaka ( 19/01/2004 19:42)
angamba tsyilay heo misaina ohatran'ny occidentaux? tsy haiko
15. kally ( 20/01/2004 19:42)
Afaka miaraka tsara mihitsy ary izay aza hoy aho ny tanjona tsara,ny mampiaraka ny maha-Malagasy sy ny fandrosoana:inona ny maha-Malagasy ny gasy?Ny teniny,ny fomba amam-panaony,ets.
Raha manangana trano,tazonina foana ny endriny mahagasy azy:tsy bloc de béton be fahatany fa mba misy endriny ny lafiny,asa,ohatra ahitana sary sikotra gasy,na ohatr'izany,alaina avy @ endriky ny trano gasy misy ankehitriny fa tsy fitaratra be manodidina sy aluminium no hita.
Hita eny foana ny anarana teny gasy fa tsy hoe cité des préelles akory ohatra no ataonao anaran'ny tanàna fa mba ohatra hoe "Vohangy" na "Miora" na asa...sô ratsy izany aminareo?
16. roxanne ( 20/01/2004 09:14)
ny gasy (isany alou za ) de efa zatra ny ambenana fona refa miasa manana idées izy ary mora mandray ny hitany ohatra resaka imitation kanefa kosa kamo ny akamaroany manatena ny ahazo fona nefa tsy miasa be
maro koa nefa ny manana toetsaina te hivotra de manao ny tena azony atao miezaka ny hiakatra ambony kokoa kany itako fa mety angamba de zaraina roa ny vaha-olana
1 ho an'ireo kamo mila fanapina @ zoto sy ezaka
2 ho an'ireo efa vonona ka ny manatsara sisa no atao
milaza mantsy za oe misy kamo satria jereo ireo ol ampiany fanjakana @ projet maro atao nefa misy fona ny mahita lazaina( fiheverako azy) de kamo izy fa efa misy manampy ve de mbola inn ndray no andrasana tsy aleo miezaka dde miaraka mivotra @ ol
de toy zany ny manodidina toy zay manao faly mahazo fotsiny
io resaka io de nataoko @ domaine mivelatra
eo koa nefa le toetsaina mbola mila embesana de manjary manela ny fivoarana tsy aleo ve samy manao tonga saina d vety2 ny fivoarana
17. roxanne ( 20/01/2004 09:17)
ny gasy (isany alou za ) de efa zatra ny ambenana fona refa miasa manana idées izy ary mora mandray ny hitany ohatra resaka imitation kanefa kosa kamo ny akamaroany manatena ny ahazo fona nefa tsy miasa be
maro koa nefa ny manana toetsaina te hivotra de manao ny tena azony atao miezaka ny hiakatra ambony kokoa kany itako fa mety angamba de zaraina roa ny vaha-olana
1 ho an'ireo kamo mila fanapina @ zoto sy ezaka
2 ho an'ireo efa vonona ka ny manatsara sisa no atao
milaza mantsy za oe misy kamo satria jereo ireo ol ampiany fanjakana @ projet maro atao nefa misy fona ny mahita lazaina( fiheverako azy) de kamo izy fa efa misy manampy ve de mbola inn ndray no andrasana tsy aleo miezaka dde miaraka mivotra @ ol
de toy zany ny manodidina toy zay manao faly mahazo fotsiny
io resaka io de nataoko @ domaine mivelatra
eo koa nefa le toetsaina mbola mila embesana de manjary manela ny fivoarana tsy aleo ve samy manao tonga saina d vety2 ny fivoarana
18. kally ( 20/01/2004 15:43)
Io na vazaha na gasy mila ambenana lava,nahoana ohatra any ivelany no misy ny radar mijery ny hafainganam-pandeha sy ny sisa?satria misy mila ambenana.
Ny olona indray arakaraky ny hanampianao azy no mahatonga azy ho kamo,mamboly voky tsy mamboly voky hoy izy ka nahoana no hamboly?Fa dia sarotra aloha io e!fa ny lalàna mifehy angamba no atao masaka.Izay mahazo fanampiana tsy maintsy manome valin'asa fa tsy nampiana dia tsy hita izay nanjavonany.Ekeko fa misy ny vonona hiezaka,ireny na misy ny aza ny lalàna,satria izy miasa,tsy haninona mihitsy izy.
19. ikaretsaka ( 20/01/2004 18:41)
marina mihitsy ny an'i kally io, ny firenena malaza ho mampanjaka democratie sy fahalalahana aza ange aza miambina ny olony e. radar e, FBI e CIA e.. nefa mampandroso olona
20. donemaskit ( 20/01/2004 18:59)
Mino aho Ikaretsaka fa tsy mitovy mihitsy ny fiambenana resahin'i Kally sy ny FBI...
Fa ekeko lay foto-kevitra : mila tantanana, mila superviser-na (tena azafady Kally fa tsy mety an!)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.395