Sao ary dia ny ALASAFAY no betsaka ?

21. fijo ( 21/01/2004 12:04)
mila fiambenana daholo marina ny olona miasa.
ary momba ilay fandrosoana,dia tsara ilay mitazona ny maha gasy an tsika,saingy ny zavatra vokarina,sy ny infrastructure kosa dia atao manaraka ny norme.ilay norme anie dia mba tsy ahavery an tsika amin'ny rehetra e,fa ny maha gasy an tsika kosa dia ny mba hampiavaka antsika.jereo japon,fa io no ohatra tsara indrindra.
22. ikaretsaka ( 21/01/2004 16:39)
ka io ange ny tonga @ ilay vazivazin'i Francisy turbo hoe angaha tsy Gasy intsony aho raha mitaingina ascenseur sy mivalana @ kabone foseptika?
23. donemaskit ( 21/01/2004 09:28)
Misy Gasy nge ka mifanohitra @ fombany tokoa ty gabone ity e ?!
24. kally ( 21/01/2004 17:23)
radar no nalaiko ohatra aloha ry Donemaskita mbola tsy niresaka sampam-pitsikilovana aho ,ka raha ny ohatra nolazaiko no jerena sy ampitahaina amin'ny voalazan'Ikaretsaka dia mitovy: ny tanjona kendrena mitovy fa ny fitaovana ampiasaina no samy hafa.
25. donemaskit ( 21/01/2004 17:50)
f'inona no hidiran'ny radar @ FBI sy ny CIA ?!
26. ikaretsaka ( 22/01/2004 20:59)
fitaovana daholo izany,, mba hitandrovana ilay fanarahana norme
27. kally ( 23/01/2004 20:49)
Inona no tian'ny mpanoratra "Donemaskit" ho lazaina amin'io fanontaniana farany io?
28. donemaskit ( 23/01/2004 09:18)
Ikaretsaka niresaka FBI sy CIA, enao nefa milaza fa mitovy hevitra aminy, zany hoe mila karazana CIA any Dago... Nefa raha namaky ny resaka aho dia, "radar mijery ny hafainganam-pandeha" no nataonao ohatra, inona no mampitovy an'izany ?
29. kally ( 23/01/2004 17:40)
Ka iza no tianao ho kianina izaho sa Ikaretsaka amin'izany?Raha izaho,dia jereo ery ambony fa izaho no nanome ohatra talohan'Ikaretsaka,raha Ikaretsaka dia ho avy eo izy hanazava.
Dia ny mampitovy an'izany?Samy nampiasaina ireo hanaraha-maso sy hiambenana.Ny dikan'izany,tsy misy olona tsy mila ambenana sy fehezina izany eto ambonin'ny tany na gasy io na vazaha.
30. donemaskit ( 23/01/2004 19:02)
Za ve manakiana e... tjs sur la défensive an.

Ary iza no hiambina ny mpiambina ?
31. kally ( 24/01/2004 20:24)
Io indray i Donemaskita fa tsy mahay miteny gasy!!!
Ny vahoaka no miambina ny mpiambina ka ny mpanao gazety sy ny mpampahalala vaovao rehetra no mitory ny tsy mety ataon'ireny mpiambina ireny.
32. donemaskit ( 24/01/2004 20:46)
Ary ny vahoaka mantsy mahalala zay ataon'ny FBI sy ny CIA an ?

Miala tsiny fa tsy mahay e...
33. donemaskit ( 24/01/2004 20:58)
Nahita aho hoe namorona izany "Central Intelligence Service" (CIS) zany ny Fanjakàna... sao dia misy afaka manambara bebe momba an'io ?


> Kally, ndana mi-porter plainte fa tsy nataony teny gasy ny anaran'ilay izy...
34. kally ( 24/01/2004 20:42)
Dry!!inona koa ity mahazo an'i Donemaskita?
35. donemaskit ( 24/01/2004 09:07)
enao mitomany Gasy be koa....
36. kally ( 24/01/2004 10:26)
Tsy mitomany Gasy aho fa tena gasy ary ny mitomany ho vazaha tsy ho vazaha na oviana fa rajakom-bazaha ihany.
37. donemaskit ( 24/01/2004 10:45)
tsara zany e... ny fanontaniana amizay valiana.
38. hendry ( 29/01/2004 12:32)
Raha mba misy lasa mpanolo-tsaina an-dRavalo ny iray aminareo ireo a, mety handroso ihany i Gasikara
39. jeanbob ( 18/02/2004 13:29)
Ny fahitako azy dia tena ilay toe-tsaina no mbola ho ela, mila "génération" maromaro mihintsy vao lasa ary tena mety ho azo atao aza ilay hoe raha te hanana taranaka hovanona dia tsy maintsy manao sakrifisy "génération" iray mihintsy aza ... Sa ahoana hoy iananareo ?
40. kally ( 18/02/2004 09:32)
Tsy jerena ny lafy ratsin'ny toe-tsaina ry Jeanbob fa rehefa ampiharina ny lalàna sy ny sisa ,lasa foana io.Nahoana ohatra ny taxi-be tsy sahy manao taingimben'adala intsony?Satria vaosazy mafy raha vao miadaladala,raha ny toe-tsain'ny mpitondra taxibe sy ny maika hody ve no narahina tsy ho tavela eo foana ?rehefa terena io lasa foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002