Pazzapa

41. fijo ( 29/01/2004 09:55)
misaotra e,dia misy isan taona izany?
42. booz ( 29/01/2004 16:20)
Voa nanaomboka t@ herintaona ny pazzapa dia efa manomana ny pazzapa 2 indray izao ry zareo, raha tsy izany aho ve hiteny hoe mba tohananareo ve za raha hanao pazzapa , misaotra an' izay hanohana sahady alo e , na di ambola tsy hitanareo aza ny fihirako, dia mampirisika ireo izay mbola misalasala mba ampahery ny ekipa e !
Izay ry namana isany fa siks kely alo e!
43. fijo ( 30/01/2004 20:37)
manohana ny namana izahay e,fa aza manao hira fopla an.
44. booz ( 31/01/2004 20:33)
Aza matahotra ianareo ry namana isany fa ho hitanareo ny feoko e !
45. kally ( 31/01/2004 10:52)
Ary maninona anefa raha mba olona tena mamorona ny hirany no antsoina fa tsy izao miolankolana manimba ny hiran'ny sasany izao foana e?Dieny mbola ankizy izy raha te-halaza,terena hamorona ho an'ny tenany fa tsy hiandry tolorana lava eo.Dia hihevitra fa ho lasa artista?Malaza roa volana eo fotsiny dia eo no raisina.Tsy haiko aloha e!
46. fijo ( 03/02/2004 10:01)
ka atao kosa aloha izay ahalalan'ny olona ny tena,dia mihetsika avy eo.
47. ikaretsaka ( 03/02/2004 10:57)
marina mihitsy io an'i Kally io... lazaina manko ny gasy fa mangala tahaka ... maninona raha mamorona amin'izay.. raha hoe tena hi promouvoir ny talenta vao misandratra ilay izy... manionona raha hatrany @ fotony mihitsy no atao fa tsy copie copie foana
48. donemaskit ( 03/02/2004 20:23)
za koa d'akôro, na asiana fitendrena zava-maneno aza koa tsy ratsy. Amizay tonga dia artista feno no hanaovana promotion fa tsy interprètes manja kely tsy mahay mozika akory.
49. booz ( 03/02/2004 11:37)
Izaho indray manao hoe fa maninona moa raha zavatra tena gasy tena gasy no atao e ! fa tsy mangala- tahaka ny any ivelany fona isika rehefa manao zavatra fa mba tena haseo ny maha -malagasy e ! Ireny anie no halalan' ny vahiny antsika e!sa ahoana hoy nareo
50. fijo ( 04/02/2004 20:39)
marina be ary tokony asiana hevitra ny voalazan'i booz
51. donemaskit ( 04/02/2004 20:48)
inona ilay hoe "tena Gasy tena Gasy" ?
52. ikaretsaka ( 04/02/2004 10:37)
Asaina mamorona hira tonony gasy sy feoany gasy ry lolita mpanao pazapa fa tsy hoe hiran'i beyonce akory no hianarany mikiakiaka
53. ikaretsaka ( 04/02/2004 10:37)
Asaina mamorona hira tonony gasy sy feoany gasy ry lolita mpanao pazapa fa tsy hoe hiran'i beyonce akory no hianarany mikiakiaka
54. donemaskit ( 04/02/2004 19:42)
Hira gasy daholo nge no nohirain'ireny sipa t@ pazzapa reny e, Fallin' an'i Alicia Keys, dia zay ihany, no hira vahiny nataony.
55. fijo ( 05/02/2004 20:35)
misy ny hira ba gasy.dia ireo no tokony trandrahana angamba.
56. ikaretsaka ( 06/02/2004 12:02)
Raha mba ny tiako aloha dia hoe hira tena nofononiny na ny tononyna ny feo.. na hoe ilay mandray anjara @ pazzapa mihitsy nomihira ilay hira voalohany fa tsy hira efa nandeha sy malaza no interpreter-na sady @ zay lasa ratsy sy mikorontana be. Raha tena ariste ireny olona ireny.. tena mamorona fa tsy mindrana ny an'ny hafa
57. booz ( 06/02/2004 13:27)
Ahoana indray ary ny hevitrareo raha hoe hira gasy sy vako-drazana e ! ny vahiny izao tsy mirahara ny hiran-tsika satria nalaina tahaka daholo ka aleo mba zavatra hafa tsy mitovy ny azy no atao indray e ! ohatan-dry Fanatic ohatra , ny hira fontsiny ny hoe @ teny gasy fa hita mazava be nalai-tahaka , tsy ry zareo ihany fa betsaka mintsy ny mpihira gasy manao an' izany , dia izay indray ry zareo fa minadry ny hevitrareo anareo indray e! Siks
58. donemaskit ( 06/02/2004 15:43)
Lay Fanatik kosa tena dondrona be mahamenatra mihitsy e ! Sady efa maka tahaka bê no mbola tsy ratsy bê ihany koa nefa ny vokany avy eo.
59. donemaskit ( 06/02/2004 15:47)
Hamaliana an'i Booz, ny fandaharana toa an'i Pazzapa reny nge ka ny fidiram-bola no tena fototra e. Vako-drazana zany raha ny hevitro manokana tsy dia tena hanintona olona firy any @ntsika (ny vazaha koa tsy évident). Jereo fotsiny ireny "hira gasy" mandeha @ tvm reny fa tsisy kil mints...
60. sangoukou ( 06/02/2004 18:40)
Samy manana ny tiany ny olondrehetra, za lou mankafy an zzareo e!!Manome lanja an l hira-na artista ry zareo, za mino fa iny hiran Dillie iny vitsy ny mpahalala azy ra tsy tena mpankafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539