Kilalaon'ny ankizy

1. hery ( 15/01/2004 10:14)
Inona avy ny kilalaon'ankizy taloha azonareo tanisaina eto? Betsaka izy ireo kanefa mitady ho voasolon'ny PlayStation2 sy ny jeux video isankarazany.
Dia asio famaritana kely sao tsy hay.

Ireto no hitako
- Fanorona : hain'ny rehetra
- Vintsilia : manao faritra amin'ny tany dia misy mpisakana sy misy sakanana. Tsy haiko na io no fanoratana azy
- Jeu de kapoaka : Ankiafina ihany fa miambina kapoaka ilay mpitady. Dia mbola boka ihany izy raha vao voadaka ilay kapoaka.
2. kally ( 15/01/2004 12:50)
Ny ahy mpivarotra paraky gasy enjehin'ny pôlisy ny ataonay tany ambanivohitra.
Dia misambotra sahona ,dia manao savony gasy tanimanga.
Mangala-paiso koa ve kilalao koa ry hery?
Betsaka sady ireny no tena tsara.
Hitako mampitokatokana ny ankizy ny kilalao ankehitriny,milalao playst irery ao an'efitrano ao,tsara ve izany?
3. sambatra73 ( 15/01/2004 13:13)
kilalaon-tsaina: ankamantatra : io dia tsy maintsy miainga amin'ny zava-misy iainana no anomezana ny famaritana, satria raha ankizy teraka sy miaina ivelan'ny tontolo malagasy dia sarotra aminy ny mahita ny valin'ny ankamaroan'ny ankamantatra "clasika". Azo atao koa ny mamorona vaovao, mila fandinihana,... Ity kilalao ity dia azon'ny rehetra atao na kely na lehibe, mila olona 2 farafaharatsiny, mampivelatra saina, tsisy vola miala.
4. ikaretsaka ( 15/01/2004 19:43)
fhita hoa ry kally sy ry hery .. ilay hady fanaovanay gorisagorisa sy fisamboranay angidina taloha aza lasa nisy tranonjiro izao! ilay fidinana fanaovana kalesa ko lasa feno fiara mijanona ... ilay basy azo sy ny gain gain maty ialahy lasa niova tomb raider ko... fandrosona hono izany!
Ilay Tamboho Fitendrenay sy fianaranay Gitara sy fijerenay Sipa mirava avy nianatra fahiny efa tsy ao tsony ! fa lasa variana mi mikmiksa sy mihirahira vilana @ Ordi aby ny ankizy dia any @ boites sy tsaralalana ry mademoiselles no lasa mandehandeha~!
5. ikaretsaka ( 16/01/2004 16:26)
Ambodrona aza ity tsy eny @ tohatohabato intsony fa lasa feno azy ny scene
6. kally ( 16/01/2004 20:12)
Ary Ikaretsaka koa ve mba nisambotra voangory?Aiza intsony tokoa moa no isamboran'ny ankizy voangory,raha mivoaka eo izy harivariva tsy hay na hisy handendaka na hisy hanolana.
7. donemaskit ( 17/01/2004 10:13)
gain! gain! > manamboatra basy hazo dia manao western ao an-trano sy any an-tokotany! milay an!
8. ikaretsaka ( 17/01/2004 15:31)
misambotra voangory dia miompy tanalahy eo am ilay hazo fmboandelaka ao antokotany.. ampiadiana omena ilay tanalahy izay tsy lany nendasian alina rehefa sendra ilay lava-boangory iny!..
Aleoko aloha mampiady Tanalahy na Famaky loha toy izay manao Tekken e.. na samy tiako aza
9. kally ( 17/01/2004 20:28)
Ary ilay misambotra androngo sy soavaly vy?Toa firy fotsiny koa ary isika izany no eto?
Ry Ikaretsaka koa ve mba nitaingina kalesy?
10. isrine ( 17/01/2004 09:06)
Salut!
Jeu délastika, dimbazà.
FA azon'ny RAD atao anie ny miara-milalao @ zanany, satria ny fiainana ankehitriny efa miova, fa tsy toy ny taloha hoe ny ankizy no hiara-milalao. Ary ny RAd no mametra ny zanany @ kilalao na dia atao hoe hilalao ny jeu mbazaha aza ny zanany.
11. donemaskit ( 17/01/2004 10:18)
mbola manao kasikasy kapoaka marina ve ny kilonga zao e?
Ireny koa milay an!
12. ikaretsaka ( 17/01/2004 16:20)
dia hillao inona ohatra ry isrine... Playst ve sa hisambotra angidina?
13. ikaretsaka ( 17/01/2004 16:22)
kally> iza ko ny bandikely gasy tsy mbola nitaingina kalesy? ny ahy rehefa zavatra mandeha dia taingenako aby...olona aza notaingenana fa enao ve ahoana e ..ilay mifampibaby ireny dia ilay manao kilanjalanja ireny
14. ikaretsaka ( 17/01/2004 16:23)
kally> iza ko ny bandikely gasy tsy mbola nitaingina kalesy? ny ahy rehefa zavatra mandeha dia taingenako aby...olona aza notaingenana fa enao ve ahoana e ..ilay mifampibaby ireny dia ilay manao kilanjalanja ireny
15. hendry ( 20/01/2004 15:33)
ny tsobato sy ny tantara koa . Zaho ilay mpanao tantara @ vato reny dia ny ankizy mihaino, rehefa hitako variana sy liana tsara daholo dia mody lazaiko hoe kamo aho zany, te hihaino zay tohiny nefa ry zareo dia manambitamby, tsy manaiky manohy aho raha tsy omena @ gouter´ny ankizy tsirairay eo.
16. hendry ( 20/01/2004 15:37)
ny manosika pneu ngah hadinonareo lehilahy ireo? ny manao kapisily, ny mampiady tandrimo, ny misambotra tantely. Zaho anisan´ny efa nokaikerin´ny tantely t@ fisamborana azy, mivonto tanana fa dia tsy fay, dia hoe porte bonheur hono, opiana anaty kapoaka ilay tantely dia hoe hiteraka maminy ao. Ny katro, ny mampiady ravina, ringitra mihitsy ny ravim-bonikazo eo anjaridaina.
Aok´izay aloha fa sao tapitra voateniko eto daholo na dia mbola mahita be dia be aza aho.
17. kally ( 20/01/2004 15:52)
Ary ny tsikoninkonina?Mangalatra vary any an-trano dia entina ary amin'ny tany malalaka ary iarahana amin'ny ankizy,dia any sady manao tsindrindriana.Mahafinaritra an!
18. ikaretsaka ( 20/01/2004 19:18)
misy aza ilay mitifitar fody koa dia andrahoina dia hoanina
19. naritsimba ( 21/01/2004 12:07)
ary ilay manao fangala-piery dia mifampisolo akanjo ny vehivavy sy ny lehilahy(deguisement).nadio ny kilalao t@ izany andro izany an!ny 27 de boka, bandy sy rôle, betsaka ny kilalao fahiny fa saingy adinon'ny ankizy ankehitriny sady taloha tsy dia mba nisy niloka izany eh!
20. hendry ( 21/01/2004 15:00)
Ny dada dada sy mama mama koa, mpivady mpivady e, dia hoe atao mariazy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1252