Kilalaon'ny ankizy

21. ikaretsaka ( 21/01/2004 16:09)
Ny dokotera dokotera, ny nahafinaritra t@ ireny dia nadio foana ny fiarahana fa tsy nisy arriere pensee.. misy aty aoriana efa samy lehine dia mifananihany hoe ianao ange vadivadiko t@ mbola kely fony isika nanao dada sy mama dada sy mama.. dia hihomehezana fotsiny sisa
22. fijo ( 23/01/2004 12:22)
hoan'ny vavy kely:kindrindriana.ny fiainana andavan'andro no atao kilalao amin'ny vato kely
>sabaka:manao faritra dia mitsambikimbikina eo rehefa avy manimpyvato fisaka.
>fangala mpiery.miafina ny sasany,dia misy iray mitady
>katro (hoan'ny lahy io)misy hazo fisaka misy lavaka maromaro dia asiana vato roa avy,dia atao izay mahalany ny an'ny mpifanandrina.
>dinga tady(vavy kely)sy jeu d'elastika.
>tsinkonona na tsinkononkonona.mahandro.
>joera(lahy kely)kapisily,na bakoly no atao mpanao baolina.boity sardine no mpiandry tsatok azo.
>izay aloha fa tsy tsaroana ny sasany.
23. fijo ( 23/01/2004 12:27)
>milalao kalesy.
>kanety
>course kapisily
>mampiady akoholahy:maka volotsangana,dia asiana volon'akoho ao anatiny,dia asiana fantsika ery amin'ny lavaka iray.dia iny no ampiadiana,izay mahavaky ny an'ny anankiray.
24. ikaretsaka ( 23/01/2004 14:12)
ny fiara kely vita @kapoaka dia taritaritina
25. kally ( 24/01/2004 20:46)
Ary ilay mamboatra karaborosy amin'ny biriky notefitefena haka tahaka azy tsara dia asiana n°TG ?Mihosona menan'ny vovoka ohatry ny inona avy eo dia bedy dia misasa dia dilirina @ kolakolan-katsaka ny tongotra dia asiana voan-tseva avy eo fa mitriatra(mitretra manko e!).
26. donemaskit ( 24/01/2004 20:49)
za nanao an'ireny koa taloha, nanana collection mihitsy ! isan'andro mamoaka fiara vaovao, milay an...
27. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:29)
raha tokotany ciment izany moa de e e e lasa feno biriky be ...mamela trace ny lalana
28. ikaretsaka ( 26/01/2004 15:48)
ary ilay manao aknety dia bonbon kanety no anaovana? dia ankanao tena izy dia rehefa resy fia mody atelina haingana ny kanety
29. samoina ( 26/01/2004 20:53)
Ianareo mpanao tsinkoninkonina ve efa nanendy valala sy kankana tanaty kapoaka ?Trêfle no ataonay anana fangaronySa inona no nandrahonareo t@ fatapera kely ?
30. naritsimba ( 27/01/2004 09:08)
ary ilay misambotra voangory dia endasina.
Ny mifampitoraka amin'ny mandalo de raikitra(tsipolitra le lavalava maintsomaintso).Ny misambotra bibitsaonjo , sy ny course voanosy angaha adinonareo.
31. ikaretsaka ( 27/01/2004 18:07)
Fa ialy manao tsinkoninkonina koa dia mahandrohandro zavatra mampihomehy ka... ilay manatono fody, ny fofona kankana andrahoina miaraka amin'ny trefle sy le vonikazo margrity kely fotsifotsy kely ireny ary vonin'anamamy kosa mamono lolo be an...
32. fijo ( 28/01/2004 11:38)
polisy volera(aiza rasarko le)
33. samoina ( 28/01/2004 19:06)
...ilay mihosonosona ao anaty tanimbarin'olona hisambotra sahona hampanaovina course ( asiana ratsankazo mifatotra @ tongony @ izay toy ireny diligensi-tsoavaly ireny ! Avy eo voretra be miditra ny trano no sady mitsaoka ray aman-dreny tsy mety mandro !
34. pitchou ( 28/01/2004 18:29)
ny anay fangalapery rano: mitondra rano @ kapoka misy lavaka kely de mitete iny ary rehefa tapitra ny rano d mijanona. d rehefa manadlo i dadatoa @ pôlabila d entiny izahay d lasa lavitra b tsy hita
izaho valiha ianao lokanga: mifampianboho d mibatabata fa sarotra b raha tsy mitovitovy habe
fampitaha: io no tena zavatra! mizara ho groupes maromaro, d thèmes marobe no ifaninanana oh karazan-bonikazo, hira, dihy, haingo, randram-bolo ...
35. pitchou ( 28/01/2004 18:31)
- raosy jamba
- izay tsy mikipy tsy asiako: manao fari-bolana d mipetraka daholo d misy iray mitondra zavatra apetraka ao arinan'ny olona iray d atao izay hahatratrarana azy eo raha raha ilay nametraka no tratra d mandihy eo ampovoany
nankaiza ny tanteliko teto
36. fijo ( 29/01/2004 11:10)
ny fampitaha dia efa tsy nisy nanao firy intsony taty aorian'ny année 70.io anefa dia kilalao tena mampivelatra satria mikaroka foana ny ankizy.izahay koa dia mbola nanao an'io.
37. samoina ( 29/01/2004 18:59)
ary ilay miafina mifoka ravin-tsaosety no sady mihinana voandelaka hasolo mokinazy ?
38. hendry ( 29/01/2004 13:00)
hay ve ry samoina koa nifoka an´ireny e, heveriko fa zahy irery, nisy saosety naniry zany mazava ho azy teo antokontaninareo.
Ny tahon´ampanga koa no teny nety satria misy lavaka ivoahan´ny setroka tsara, may ny lela
39. samoina ( 29/01/2004 14:19)
ny ray amandreny anie tsy mitantara fotsiny fa tsy maintsy efa tao no niala daholo e !
40. fijo ( 30/01/2004 09:27)
hifandimbiasana io,ary ilaina,satria manaporofo,fa nandalo ny fahazazana ianao.io fahazazana io mantsy raha ratsy dia ny aty aoriana mihintsy no mety ho sarotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.468