Kilalaon'ny ankizy

41. pitchou ( 31/01/2004 18:00)
ie! fa izahay tany ambanivohitra mbola nilalao an'io!
ny anay tsy ravin-tsosety fa ilay tahony iny! d nanao sodina t@ fataka ko! d nanao trano hazo ko!
fa ilay besorongola ko tsy ratsy an! enjehan'i bebnay @ kofafa mihitsy izahay fa lasanay any indraindray ny sahafa vy rehefa tsy mahita boritra na ravinakondro
42. pitchou ( 31/01/2004 18:02)
katro ko tena kilalao mahafinaritra! ry dadatoa indray no mpiaraka milalao katro aminay, d rehefa misangy anay izy d ataony tsy mandeha mihitsy izahay fa tonga d maty rehefa anjarany ny manomboka!
ary fanenjika? fanatanjahan-tena vita ho azy!
43. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:52)
tsss izany ve tsy hankaleo ry pitchou.. tsy aleo i dadatoanareo tonga dia niteny hoe andao hiara hipetraka dia jereo ny ataoko
44. naritsimba ( 03/02/2004 10:26)
ny mampiady famakiloha koa fanaonay taloha.
ny fanoron-telo ny raosy jamba
mahafinaritra ny taloha eh!
45. samoina ( 03/02/2004 13:09)
ary ilay manamboatra " gâteau" amin'ny rora sy fasika ?
46. fijo ( 04/02/2004 09:11)
ny mandeha mitifitra vorona any anaty ala koa dia tsara,de rehefa tsy mahazo,dia maka mokonazy.
47. ikaretsaka ( 04/02/2004 10:47)
ny tany aminareo nisy mokonazy fa ny anay indray Goavy
48. naritsimba ( 04/02/2004 16:48)
ary ny mangalatra voaloboka manta sy ny paiso manta dia ho hanina @ sira sy sakay.
Milay be ô
49. hendry ( 04/02/2004 12:45)
asa na kilalao zany na tsia fa zahay koa taloha rehefa tsisy atao dia mitety tranon´olona misy sonnerie dia ampanenoana ilay sonnerie dia avy eo mitsoaka.
50. hendry ( 04/02/2004 12:46)
mankany antanimbolin´olona mangalatra katsaka dia atono eo @ ilay tanimboly ihany, vendrana e? tsy mba nisaina hoe mety ho tratra.
51. fijo ( 05/02/2004 16:31)
ny tratra eo ihany ry hendry,fa ny anay nirehatra ny tanety,tao ambohimasombola,ary dia may tao ny kilaoty naha.dia iny izahay efa dahy nody samy nanapina ny azy.
ary ilay goavy rapikla tsy manahirana ve avy eo?ih,ih,ih
52. pitchou ( 06/02/2004 12:29)
ilay mampaneno sonnerie aloha d tena nahafinaritra mihitsy!
d tsy nahita ravi-boaloboka na ravintseva akory ve ry fijo teny an-tsaha teny?
53. samoina ( 06/02/2004 16:23)
ny ravintseva nafotaka mihintsy nampiasaina hanadiovana fiangonana alohan'ny sasak'alina Noely tany ambanivohitra !! avy eo mirohatra misambom-boangory daholo indray. Bône mihintsy ny fahazazana e !
54. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:40)
ka iny izy manahirana mihitsy ry Fijo no tena nahatsara ilay fahiny an.. sady tany antsimontanana tapoi sy goavy fotsiny (hain'ialahy ny tanananay e)
55. ikaretsaka ( 07/02/2004 11:58)
ary mpisambo boangory aby kay an
56. kally ( 07/02/2004 11:12)
Ary iza no nilalao "gôkasônina"?
57. ikaretsaka ( 07/02/2004 17:27)
inona indray izany ry kally? ny inona no goahina?
58. donemaskit ( 07/02/2004 19:45)
inona zany ry Kally ? mahita lalao hafa² nareo zany!
59. ikaretsaka ( 12/02/2004 09:56)
ary inona ny biby fampiadinareo taloha?
60. fijo ( 12/02/2004 11:36)
famakiloha sy tanalahy
toa mbola be goavy litia any atramin'izao a.
kally>inona marina io kilalao lazainao io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1655