Kilalaon'ny ankizy

61. kally ( 12/02/2004 19:51)
Izany gôkasônina? Tys haiko izay nahatonga ny anarany hoe gôkasônina aloha e!
Kilalao rehefa avy orana na amin'ny hariva,maka drap fotsy be dia ny ankizy anankiray asaina mandohalika,dia ny kiho mitehina amin'ny tany,ny tanana mitazona fihogo na zavatra lavalava ao ambony loha,dia saronana an'ilay drap fotsy be izy,dia fatoranaamin'ny fingotra anatin'ilay drap ilay fihogo misy tahony,ny tahony no ambony.Dia ny ankizy miantsoantso hoe ragôkasônina ô ragôkasônina,hano ny vary dia miondrika ilay misarona drap (gôkasônina) mitsaingotsaingoka vary amin'ilay tahom-pihogo,dia atao hoe hano ny tain'omby ohatra dia tezitra ilay gôkasônina dia manenjika fa na lehibe aza mbola mitsoaka ihany anatonan'io.
62. naritsimba ( 12/02/2004 11:23)
-Ary ilay avadika ny seza dia mifandimby mitaigina sy mitarika dia bedy avyeo..
-Izahay koa taloha mangalatra ilay tapis famafana tongotra dia anaovana filet ahafahana manao volley.

63. ikaretsaka ( 12/02/2004 13:22)
iny ve dia ampy hanaovana filet ?
64. fijo ( 13/02/2004 10:16)
tany ambositra,rehefa avy ny orana,dia mankeny akaikiny vinany,dia matory amin'ny arabe ny tongotra ery ambony,dia miditra avy eny ny riaka dia mivoaka aty amin'ny hatok akanjo.dia faly handalovan'ilay rano ao anaty akanjo.
65. naritsimba ( 13/02/2004 12:22)
raha vao tsy mihidy ny vavahadin'ny olona @ alina dia alainay daholo rehefa mety ho tapis;
teny @ cité mantsy izahay no nipetraka de mahazo tapis be dia be.
66. ikaretsaka ( 14/02/2004 18:01)
Ary ilay mandeha etaky ny kartie mitady kapisily atao zoera sy fonona bonbon atao vola?
67. ikaretsaka ( 14/02/2004 18:02)
Ary ilay mandeha etaky ny kartie mitady kapisily atao zoera sy fonona bonbon atao vola?
68. pitchou ( 15/02/2004 09:52)
kay! izahay koa nanao otran'izany ry karetsaka. misy toerana iray izay aza ataonay hoe saha, nefa angamba izy io fanariana zoridira, fa vraky be ny fonona bonbons azonay tao!
izahay koa nanao an'izany hoe alaina ny coussin ny seza de iny no hikorisana @ tohatra, d nony avy teo nanitatra dia iny no natao posoposy dia ny iray mitarika eran'ny trano
69. donemaskit ( 15/02/2004 12:13)
koa tsy potika!! bedy be zay ry Pitchou!
70. ikaretsaka ( 15/02/2004 18:20)
nga misy te hahalala amin'izany ry mazikita fa milalao aloha
71. samoina ( 16/02/2004 12:33)
Ary ilay "mitsabo sivy " ve azo sokajiana ho kilalaon'ankizy ry namana ? Hiditra kilasy de 7ème izahay bandikely tsaroako "mijery die mitsaoka" , valaky ny hehy!!
72. ikaretsaka ( 18/02/2004 12:52)
hihihi ary nareo ve mba nio,mbona ilay hoe doty e.. lemizo e.. tapika tsy azo raisina e.. sns..?
73. pitchou ( 18/02/2004 14:46)
ie! ilay doty aloha d tena nalaza mihitsy tany aminay. dia ilay hoe "tsy ankihetsika ialahy tsy ankamerina ahy"! efa maneno ny lakolosy fidirana mbola tsy afahan-drizalahy ihany dia aleo tara toy izay lasany ny goûter!
74. ikaretsaka ( 19/02/2004 11:19)
ko raha bedy ry kally?
75. samoina ( 19/02/2004 19:40)
Ilay tapika tsy azo raisina voalazan'Ikaretsaka io tena fototry ny ady totohondry mihintsy taloha indrindra rehefa bône be ny goûter am-pelatananao an !
Tadidiko mihintsy ilay vômadiloko petsapetsa feno sakay izay nifotetaka t@ tany mihintsy. Nandrasako kendri-tohana mihintsy ilay nahavoa ahy t@ izay ary nodarodarohako "coup de vacances" ny lamosiny vao vita ny taompianarana !!
76. kally ( 19/02/2004 18:57)
Ilay daka tsy hita maso no tena loza koa.Voadaka mafy sady amùrary be fa tsy sahy mitomany fa oainina,ny sasany manko tena angalahany bahana mihitsy ny mandaka anao.
77. ikaretsaka ( 23/02/2004 11:14)
ilay mpianadahy na mpirahalahy miombona lemizo ao antrano koa dia miresaka amin'ny ray amandreny momba ny raharaha atao dia hoe:
efa nateriko any @ Ra jean lemizo ny kiraron'i dada lemizo fa tsy tao i Razan lemizo fa Ramartine lemizo no tao dia hitako tao koa ny dadal emizon'i Bema lemizo fa nanatitra ny kiraron' i kala francoise lemizo de le lamba nopasohan'i Fara lemizo nisy may ny paosiny!
78. kally ( 23/02/2004 16:50)
Ka tsy voan'ny tefaka lemizo amin'izany Ikaretsaka Lemizo? hi hi lemizo
79. ikaretsaka ( 24/02/2004 20:27)
dain tsy mahay i kally lemizo fa rehefa anaran'olona ihany vao asiana lemizo
80. ikaretsaka ( 04/04/2004 06:22)
ary iza no efa nigafy tao ampianarana? ohatra hoe ilay mitondra laingomaimbo sy manosotra labozia tableau .. mifafa amin'ny rideaux reefa tsemboka avy nanao gym .. mipipi tao anaty coupe.. sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2259