Kilalaon'ny ankizy

81. voninkazokely ( 04/04/2004 10:02)
Ikaretsaka ihany io ka! hi! hi!hi
82. ikaretsaka ( 04/04/2004 17:58)
nanao kosa nareo e.. na ilay namisy silgoma nydabilion'nysasany aza
83. booboo ( 23/04/2004 08:46)
ny ahy ny fataoko ilay manisy ttsy misy soratra adala ireny ao ambadiky ny tablie n'ny ankizy izay tratrako ! dé rehefa hitomany ilay ankizy vô esoriko !
84. hendry ( 23/04/2004 15:20)
-Manimba stylo an´ankizy, tsy kilalao ntsony kosa ngamba zany e. Ampifanamadihana ny tsinain´ny stylo mena sy ny maintsy ary ny manga rehefa maka rivotra.
-Mampiady ala, ilay asa ngeza be reny, dia hanina zay resy.
-Misambotra votay
-Manao mère veux tu

85. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:42)
ary iz ano nanao course kadradraka?
86. mimich ( 10/06/2004 13:08)
tsara ny lalao fahiny ka ! ary tena nahatsapana izany fahazazana izany. Io ilay hoe raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora e!
Ny kilalao tena tsaroako ho fanaoko aloha dia ny tsobato,(ary tena mbola tsy mety resy aho h@ zao fa avia zé hifaninana amiko: dimy be vao mitoko, tsy ankanao ara-dimin-dlhl, , tsy ankanao ara-dimy gaboné, tsy akanala ota, dinodinokely dé mahamôry, sns )
vitsilia, polisy volera, nankaiza i margrity,
dé lé manao maria sivodra (hi!hi!hi!), mandihiza rahitsikitsika , dé lé eo ampovoany mandihy dé lé fandihy @ izay ,ny lohlika fotsiny no atao mandoso mihemotra eo!
ballon prisonnier koa tsy azo adino, (mahazo manakofona)
manao tsikonina tsy tena izy, dia labozia epoina no atao menaka,
fanaovana lastika ,efa manao short mihitsy miala avy any an-trano fa tsy ankikasika hatreny @ valahana,, dé raha zipo no anaovana dia asisika @ silipo, na tazomina paingotra eo anelakelam-pe. , sns e fa tena nahafinaritra ny niaina azy ireny.
dé ity kay farany, ilay manao fangalam-piery @ andro diavolana rehefa any ambanivohitra, dé misy mahasahy miditra any anaty valan\'omby sy fisokon\'akoho no miafina, dia mikoraraika ny akoho no ahalalana hoe misy olona ao. dé mivoaka avy eo maimbo tainako izay tany anaty fisoko hi!hi!hi!
87. booboo ( 08/10/2004 13:29)
hihihihihi
88. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 05:08)
Ankiafina any d ts hita ! Hay nanao dada sy mama d avy eo vao samy boka ! hahahahaha
89. rakotosologaston ( 02/10/2018 03:15)
Ny anay katro no tena fanaonay. Ary ange de mba misy mahatadidy ny tena tonon' ireny hirahiran' ankizy ireny isika: seleseledo(manao boribory sady mitsambikimbikina no mifamihintanana), j' aime la galette, avy avy e ironje sy ny hafa. Mampalahelo ny mihaino ny ankizy mihira amin' ny teny tsy fantatra. Marihiko fa na de zaho aza tsy mahatadidy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2031