Loharanon'andriana olombelona

1. ibonia ( 13/01/2004 19:58)
Raha toa ka nilaozan'ny tantara ny fiandrianana, mba inona re no mbola hizahozahon'ny maro ka hilazana tena ho andriana tsy nisy nanontany? Moa toetran'ny andriana tokoa va izany?
2. ikaretsaka ( 14/01/2004 20:18)
eo indrindra isika izao
3. fijo ( 14/01/2004 12:50)
nilaozan'ny tantara io,fa tsy maty ao an-tsaina.hatraty andafy dia toa izany avokoa.
4. kally ( 14/01/2004 20:51)
Raha te-hizahozaho izy dia asaivo averiny atsangana ny rova izay may,ny tena andriana ve hamela ny lapany ho may fotsiny eo?
5. annie ( 14/01/2004 11:04)
kally no tiako resahina eto!
complexe ve ianao miresaka io sa ahoana?Ny andriana angaha moa no nandoro ny Rovany?
Aza matahotra ianao fa hitsangana io,eo indrindra isika izao
6. ikaretsaka ( 14/01/2004 15:50)
zay manko...
7. kally ( 14/01/2004 16:40)
Annie! tsy complexée mihitsy aho miresaka an'izany fa ny andriana mi"zahozaho" no resahina eto,ireo miseho hoe andriana izahay dia tsy hifampikasokasoka amin'ny tsy andriana sy ny rehefa mba tia olona ny zanany dia ny fanadihadiana ny firazanan'ilay ho vinanto no mahamaika fa tsy ny fanambadian-janany.Tsy ny andriana no ratsy eto fa ny fizahozahoana ho andriana ka averiko ihany raha mizahozaho izy dia asaivo atsangany ny rovany may.
8. ikaretsaka ( 14/01/2004 18:09)
tsy maintsy izay foana fa tsy voatery hoandriana na inoan aza ko... na ry zareo vazaha sy gasy any amorontsiraka izay nalehalo aloha de tsy maintsy mandeha ny Agnak'ia, avy aia, manao ino Iabany, manao ino iendriny... aia ro mipetraka.... zay vao mandeha amin'izay ny momba ilay olona ifantohan'ny resaka hoe izy miasa ary ananona nahavita fianarana anona , efa mananona sy mananona... tsy any ihany io fa n'aiza na aziza
9. ibonia ( 14/01/2004 18:19)
Ary raha mandinika tsara isika, dia ireo izay sarotiny indrindra amin'io resaka fiavina io no mahita angano amin'ny zanany satria tsy voafehiny ny fon-janany tsy hitia afa-tsy ny mitovy razana aminy. Inona ary hoy ianareo no tena harovan'ireo? Ny kolon-tsaina samy hafa ve?
10. ikaretsaka ( 15/01/2004 10:00)
ny firazanany....
11. xxx ( 15/01/2004 10:40)
to misy hifandraisany amin'ilay mainty sy zarazara,fotsy ihany izy ity, indrindra ny olona sasany aoTana matetika manao hoe tandremo sao manambady mainty,na ny olona @ coté tandremo miditra @ ao fovontany.
12. ibonia ( 16/01/2004 17:00)
Ny vazaha no nampiditra io: zarazarao hanjakana. Nampiadiany ny foko rehetra dia nisaraka ny hery, moramora ho an-drizareo avy eo ny nanjanaka.Ary ny fihaviana?
13. donemaskit ( 16/01/2004 17:04)
Indonesiana, arabo, karàna, afrikana, eropéana...
14. tsarakely ( 17/01/2004 16:28)
Fomba fitaizana samy hafa ve no azon'Ny andriana sy ny Olon-tsotra. Ary amin'ny fomba ahoana no ahafantarana ny toetry ny olona iray hoe andriana na tsia?
15. ikaretsaka ( 18/01/2004 19:35)
ka tsy any @ ialy toetra ilay izy matetika no andraisan'ny olona azy fa any amin'ny paozy. tsy misy lalana fototra ary fa jerijerena fotsiny dia hoe ity izao iry izao. Efa hatramin'izay io , ary ohatran'izany na aiza na aiza
16. fijo ( 21/01/2004 12:10)
io dia tsy maty hadino mihintsy.any amin'ny sisiny atsimo atsinanana izao misy ny" lonaky"misy ny "tangala mena"ny zana'kireny dia taizana manokana hadray io lova io rehefa lehibe.tsy ratsy izany.fa tonga amin'ilay voalazan'i kally hoe ilay mizaho zaho no ratsy.
17. kally ( 21/01/2004 17:28)
Ka izay anie ho'a ry Fijo e!ny resaka fiandrianana,anatin'ny tantara ireny,ary misy ny taranak'andriana sy ny taranaky ny tsy andriana,fa izany tsy natao hanambaniana na hanavahana ny sasany.Raha andriana ianao tsy fahadisoanao izany fa aza mizahozaho amin'izany fa tsy misy heviny izany.
18. fijo ( 22/01/2004 11:58)
any ambany vohitra angaha.
19. kally ( 22/01/2004 15:50)
Ie!any ambanivohitra marina angaha ka ekeko nefa ho halan'olona koa izy raha mizahozaho loatra.
20. fijo ( 23/01/2004 11:37)
marina izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3667